Testamenta Vaovao 2023
26 desambra–1 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika


“26 desambra–1 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“26 desambra–1 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023

Sary
Fianakaviana mijery rakitsary

26 desambra–1 janoary

Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika

Rehefa mamaky ireo soratra masina ato anatin’ity rindran-damina ity ianao dia raketo an-tsoratra izay fahatsapana ara-panahy azonao. Ho hitanao fa ny rindran-damina tsirairay ato anatin’ity boky torolalana ity dia ahitana atrikasa ho an’ny ankizy kely sy ankizy lehibe, saingy afaka mampifanaraka ny atrikasa rehetra ho an’ny kilasinao ianao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Amin’ny fanombohan’ny fotoam-pianarana tsirairay dia omeo fahafahana hizara ny zavatra ianarany momba ny filazantsara ny ankizy. Ohatra, amin’ity herinandro ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny tantara tian’izy ireo indrindra momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Tian’i Jesoa Kristy hanaraka Azy aho.

Hamaky tantara maro avy tamin’ny fiainan’i Jesoa Kristy ianao sy ny ankizy amin’ity taona ity. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny antony ianarantsika ireo tantara ireo dia mba hahafahantsika manaraka bebe kokoa ny ohatra tonga lafatra nasehon’i Jesoa Kristy.

Atrikasa azo atao

  • Tantarao ny ankizy ny momba ilay fanasan’ny Mpamonjy hoe: “Andeha hanaraka Ahy,” izay hita ao amin’ny Matio 4:18–22. Manaova atrikasa iray ka ny ankizy iray dia manao fihetsika iray ary milaza amin’ny ankizy hafa hoe: “Avia, hanaraka ahy.” Asao ireo ankizy hafa mba hamerina ilay fihetsika.

  • Mampisehoa sari-na olona nanaraka ny Mpamonjy tamin’ny fomba samihafa, nandritra ny asa fanompoany teto an-tany sy amin’izao androntsika izao. Afaka mahita sary ao amin’ny Boky Mirakitra sary momba ny filazantsara na ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana ianao. Avelao ireo ankizy hamantatra ny fomba hanarahan’ilay olona ny Mpamonjy.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra izay ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao mba hanaraka ny Mpamonjy. Afaka manome hevitra ho azy ireo ny fihirana ny “Hitady ny Tompo aho dieny izao” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 67). Asaivo manao ny sarin’ny tenany manao ireo zavatra ireo izy ireo.

Sary
Zazalahy mamaky soratra masina

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona ho azy ireo manokana momba ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina ny ankizy.

Marina ny soratra masina.

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona ny ankizy fa marina ny soratra masina na dia talohan’ny nahafahan’izy ireo namaky izany aza. Rehefa mandalina ny soratra masina miaraka amin’ny ankizy ianao mandritra ity taona ity dia afaka manampy azy ireo hahafantatra manokana fa marina ny soratra masina.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hiresaka momba ireo fanomezana tian’izy ireo indrindra azony tamin’ny tsingerintaona nahaterahany na tamin’ny fotoana hafa. Mitondrà soratra masina iray nofonosina anaty fonono-na fanomezana, avelao hanokatra izany ny ankizy iray, ary mijoroa ho vavolombelona fa fanomezana avy amin’ ny Ray any An-danitra ho antsika ny soratra masina.

  • Mampisehoa boky mirakitra tantara noforonina vitsivitsy amin’ny ankizy, ary anontanio azy ireo ireo tantara tian’izy ireo indrindra. Ampisehoy azy ireo ilay soratra masina, ary mijoroa ho vavolombelona fa ny soratra masina dia mirakitra ny tenin’ Andriamanitra ho antsika. Izy ireo dia miresaka olona izay tena niaina sy momba ireo toe-java-nitranga tena niseho.

  • Zarao ireo hafatra hita ao amin’ny 2 Timoty 3:15 sy Môrônia 10:3–5, ary ampio ireo ankizy mba hamerina fehezan-teny vitsivitsy. Ampio izy ireo hahatakatra fa afaka mahafantatra manokana izy ireo fa marina ny soratra masina.

  • Afeno ny sarin’ny Mpamonjy iray, ary omeo famantarana kely ny ankizy mba hanampiana azy ireo hahita izany. Ampio ireo ankizy hahatakatra fa afaka manampy antsika hahafantatra an’i Jesoa Kristy ny fizahana ny soratra masina. Avelao ny ankizy hifandimby hanafina ilay sary dia hanome famantarana kely ho an’ny ankizy hafa.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fianarana ny filazantsara, toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66), ary ampio ny ankizy hanao fihetsika mifanaraka amin’ireo tonon-kira. Zarao amin’ny ankizy ny soratra masina iray na roa tianao indrindra, ary lazao azy ireo ny fomba nahafantaranao fa marina ny soratra masina. Raha toa ka manana soratra masina tiany indrindra na tantara ao amin’ny soratra masina tiany indrindra ny ankizy dia asao izy ireo mba hizara.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Tian’i Jesoa Kristy hianatra momba Azy sy hanaraka Azy aho.

Eritrereto ny fomba nahafantaranao an’i Jesoa Kristy. Inona no azaonao atao mba hanampiana ireo ankizy hianatra momba Azy sy hanaraka Azy?

Atrikasa azo atao

  • Asao hiresaka mikasika ny namana akaiky iray fantatr’izy ireo ny ankizy ary hamariparitra ny fomba nahatonga io olona io ho namany. Vakio sy resaho ny momba ny Jaona 5:39 sy ny Jaona 14:15 mba hahitana fomba ahafahantsika hahatsapa ho akaiky an’i Jesoa. Asao ny ankizy hizara ireo fotoana nahatsapan’izy ireo ho akaiky Azy.

  • Ento mandehandeha manodidina ny trano fiangonana ny mpianatrao. Asao ireo ankizy mba hanangana ny tanany rehefa mahita zavatra iray eny an-dalana izay mampahatsiahy azy ireo ny fomba iray hahafahany manaraka ny Mpamonjy (toy ny dobo fanaovana batisa na sary iray).

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Viens et suis-moi” (Cantiques, lah. 61). Asao ny ankizy hizara ireo fotoana izay nanarahany ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.

Afaka mandalina ny soratra masina samirery aho.

Rehefa mamaky ireo soratra masina miaraka amin’ny ankizy ianao sy mametraka fanontaniana amin’izy ireo, dia afaka manorina ny fitokian’izy ireo fa afaka mianatra avy amin’ny soratra masina sy mahita harem-pahalalana sarobidy izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Vakio mafy ny Jaona 5:39 sy ny Asan’ny Apostoly 17:10–11, ary anontanio ny ankizy izay nianarany momba ny fomba fandalinana ny soratra masina.

  • Misafidiana soratra masina tsotra vitsivitsy sady mahery vaika avy ao amin’ny Testamenta Vaovao, soraty tsirairay eo ami-na taratasy kely izany, ary afeno ireo taratasy. Mamoròna famantarana izay hitarika ny ankizy amin’ny “fitrandrahana harena” ao anatin’ny efitrano fianarana na trano fiangonana mba hahitana ireo soratra masina ireo. Rehefa hitan’izy ireo ny soratra masina tsirairay dia ifanakalozy hevitra ny dikan’ilay soratra masina sy ny antony maha-harena izany.

  • Mizarà soratra masina vitsivitsy izay sarobidy ho anao ary hazavao ny antony maha-manan-danja azy ireo aminao. Aoka ny iray kilasy hanao ny lisitr’ireo soratra masina hitan’ny ankizy ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity, na any an-tokantrano na mandritra ny fotoan’ny Kilonga.

  • Mifanakaloza hevitra amin’ny ankizy momba ny antony maha-sarotra ny mamaky ny soratra masina matetika. Angataho ny ankizy hifampizara torohevitra momba ny fandalinana soratra masina. Angataho ihany koa izy ireo mba hizara izay zavatra tsara niainan’izy ireo tamin’ny soratra masina.

  • Ampio ny ankizy hanao tetiandro tsotra izay azon’izy ireo ampiasaina mba hanamarihana ny hoe impiry izy ireo no mamaky ny soratra masina. Ireny tetiandro ireny dia afaka mampahatsiahy azy ireo mba hamaky ny soratra masina isan’andro.

Mila fijoroana ho vavolombelona ho ahy manokana aho.

Ho ilain’ireo ankizy ampianarinao ny manana fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Inona no azaonao atao mba hanentanana azy ireo hianatra manokana ny fahamarinana?

Atrikasa azo atao

  • Zarao ny tantaran’ireo virijiny folo (jereo ny Matio 25:1–13; jereo ihany koa ny Toko 47: Ireo virjiny folo,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao,118–20). Ametraho fanontaniana toy izao ny ankizy: Ahoana no fomba itovian’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny fanala? Nahoana no zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona antsika manokana?

  • Ifanakalozy hevitra ny zavatra azontsika atao mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Mba hahitana hevitra dia asao ny ankizy hizaha ny Jaona 7:17 sy ny Môrônia 10:3–5. Asao izy ireo mba hizara izay zavatra fantany fa marina.

  • Angataho ny ankizy mba hanampy hanoratra eo amina biriky fanamboarana trano ireo fahamarinana izay mandrafitra ny fijoroantsika ho vavolombelona (jereo ny Sujets de l’Évangile “Témoignage,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Avelao ny ankizy hampiasa ireo biriky ireo mba hanamboatra trano iray maneho ny fijoroana ho vavolombelona iray.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ahoana no ahafahanao mamporisika ny ankizy sy ny ray aman-drenin’izy ireo mba hianatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao any an-tokantrano? Ohatra, azonao atao ny manasa ny ankizy hanao tsianjery ny iray amin’ireo soratra masina nifanakalozanareo hevitra tao an-dakilasy (mety hanampy ny fizarazarana ny soratra masina ho andian-teny fohifohy) ary hizara izany amin’ny fianakavian’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ovao ny atrikasa araka ny taona sy ny fahaiza-manaon’ireo ankizy ampianarinao. Ny ankizy kely dia mila fanazavana amin’ny antsipiriany sy mianatra avy amin’ny karazana fomba fampianarana maro. Rehefa mihamatotra ny ankizy dia afaka mandray anjara bebe kokoa izy ireo ary mety hahay hizara ny eritreriny kokoa. Omeo fahafahana izy ireo hizara sy hijoro ho vavolombelona ary handray anjara. Manolora fanampiana araka izay ilaina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, , 25–26.)

Hamoaka printy