Testamenta Vaovao 2023
2–8 janoary. Matio 1; Lioka 1: “Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”


“2–8 janoary. Matio 1; Lioka 1: -Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“2–8 janoary. Matio 1; Lioka 1,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Maria sy i Elizabeta

2–8 janoary

Matio 1; Lioka 1

“Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 1 and Lioka 1. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra. Raha mila fanampiana fanampiny ianao eo amin’ny fampianarana ny ankizy kely, dia jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy” any amin’ny fiandohan’ity loharanom-pitaovana ity.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hipetraka hiendrika faribolana, dia angataho ny ankizy iray mba hizara zavatra izay nianarany vao haingana avy tao amin’ny soratra masina. Izany ankizy izany dia afaka manakodia baolina mankany amin’ny ankizy iray hafa na manondro amin’ny tanana ankizy iray hafa izay hizara indray.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 1:18–25; Lioka 1:26–38

Nanambara ny fahaterahan’i Jesoa ireo anjely.

I Maria sy i Josefa dia samy novangin’ny anjely iray izay nanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Ireo zavatra niseho ireo dia afaka manampy ny ankizy hahita ny maha-zava-dehibe ny fahaterahan’i Kristy.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ray aman-drenin’ny ankizy iray mba ho tonga any an-dakilasy manao fitafiana toa an’i Maria sy i Josefa. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 1:18–25 sy Lioka 1:26–38.

  • Tantarao ny tantaran’ny fisehoan’ireo anjely tamin’i Maria sy i Josefa araka ny voarakitra ao anatin’ireo andininy ireo. (Jereo koa ny “Toko 2: I Maria sy ilay anjely” ary ny “Toko 4: I Josefa sy ilay anjely,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 8–9,12,.) Azonao atao ny mampiseho ny sary ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ny ankizy hamerina hitantara ireo tantara aminao.

  • Asao ny ankizy hanao sary ny tantara hita ao amin’ny Matio 1:18–25 sy Lioka 1:26–38.

Sary
I Gabriela miseho amin’i Maria

The Annuciation [Ilay Filazana], nataon’i John Scott

Lioka 1:5–25, 57–63

Mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Mety tena nivavaka nandritra ny taona maro i Zakaria sy i Elizabeta mba hanan-janaka. Novalin’ny Ray any An-danitra tamin’ny farany ny vavaka nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fandefasany zanakalahy iray ho azy ireo dia i Jaona Mpanao Batisa izany. Ahoana no ahafahanao mampiasa ity tantara ity mba hampianarana ny ankizy fa mamaly vavaka ny Ray any An-danitra?

Atrikasa azo atao

  • Tantarao amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana ny tantara hita ao amin’ny Lioka 1:5–20, 57–63. Azonao atao ny mamerimberina kely izany tantara izany. Manendre ankizy mba hilalao an’ilay anjely sy i Zakaria ary i Elizabeta, dia ataovy lalaovin’izy ireo izany tantara izany. Antitrantero ireo tenin’ilay anjely tamin’i Zakaria manao hoe: “Efa nohenoina ny fangatahinao” (Lioka 1:13). Mizarà zavatra niainana iray izay nihainoan’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataonao.

  • Ampiasao ny “Aondrikay ny lohanay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 18b) na hira iray hafa mba hampianarana ny ankizy ny fomba fivavaka. Isaky ny mihira ny teny hoe “hivavaka” ny ankizy dia asao izy ireo mba hanondrika ny lohany sy hamihin-tanana.

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba hanao fihetsika izay mampiseho ilay zavatra angatahiny amin’ny alalan’ny vavaka. Avelao ny ankizy ambiny hamantatra ny dikan’ny fihetsika ataony. Afaka mahita hevitra ao anatin’ity pejin’ny atrikasa ho an’ity herinandro ity ianao.

Lioka 1:30–35

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Zanakalahin’ny Ray any An-danitra sy i Maria i Jesoa Kristy. Inona no zavatra azonao atao mba hanampiana ny ankizy hahafantatra Azy bebe kokoa?

Atrikasa azo atao

  • Teneno ny ankizy fa nilaza tamin’i Maria ilay anjely hoe Zanak’ Andriamanitra no hiantsoana ilay zanany (jereo ny Lioka 1:35). Ampio ny ankizy hamerina ilay andian-teny hoe i “Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra.” Ampio ny ankizy hahatakatra hoe iza ny ray aman-drenin’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo mba hanao ny sarin’ny ray aman-drenin’izy ireo. Rehefa eo am-panaovana izany izy ireo dia lazao azy ireo fa i Jesoa dia nanana ray aman-dreny koa, dia i Maria sy ny Ray any An-danitra. Ankoatra izany dia nangatahina i Josefa mba hiaro sy hikarakara an’i Jesoa fony Izy niaina teo an-tany.

  • Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona hoe, satria Zanak’ Andriamanitra i Jesoa dia afaka namoy ny ainy ho an’ny fahotantsika Izy ary velona indray avy eo. Asehoy ny sarin’ny Fanomboana an’i Jesoa sy ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 57, 59).

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 1:18–25; Lioka 1:5–37

Tsy misy zavatra tsy azo tanterahina izany miaraka amin’ Andriamanitra.

Tsy tanteraka raha tsy tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra irery ihany ny fahaterahan’i Jesoa sy i Jaona Mpanao Batisa. Ny fahafantarana ireo fahagagana ireo dia afaka mampatanjaka ny finoan’ny ankizy fa Andriamanitra dia manana hery hanatanterahana fahagagana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Rehefa mamerina mamaky ny Matio 1:18–25 sy ny Lioka 1:5–37 ianao, dia apetraho amin’ny ankizy ny fanontaniana toy ny hoe “Inona no ho nolazainao raha ianao no teo amin’ny toeran’i Maria?” na “Inona no ho tsapanao raha ianao no teo amin’ny toeran’i Zakaria?”

  • Tantarao amin’ny teny tsotra ireo tantara voalaza ao amin’ny Matio 1:18–25 sy Lioka 1: 5–. Angataho ny ankizy hanangan-tanana rehefa maheno zavatra izay toa tsy azo tanterahina raha tsy miaraka amin’ny herin’ Andriamanitra. Inona ireo tantara hafa izay azon’ny ankizy zaraina ka nahitana ny fanaovan’ Andriamanitra zavatra izay toa tsy azo tanterahina?

  • Ampio ny ankizy hianatra tsianjery ny Lioka 1:37. Mba hanaovana izany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ilay andinin-tsoratra masina dia asao ny ankizy mba hamerimberina hiteny izany. Isaky ny mamerina dia fafao ny teny iray.

Matio 1:21–25; Lioka 1:30–35, 46–47

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Zanakalahin’ny Ray any An-danitra sy i Maria i Jesoa Kristy. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hianatra io fahamarinana io?

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy mba hamaky ny Lioka 1:30–35, ka hitady ny valin’ireto fanontaniana ireto: “Iza no renin’i Jesoa?” ary “Iza no Rain’i Jesoa?” Ampio izy ireo hahatakatra fa i Jesoa Kristy no hany olona izay nanana reny mety maty, i Maria, sy Ray tsy mety maty, ny Ray any An-danitra (jereo koa ny 1 Nefia 11:18–21).

  • Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia asao ny ankizy hitady ireo anarana niantsoana an’i Jesoa Kristy na ny anaram-boninahitra nomena Azy. Inona no dikan’ireo anarana ireo ary inona no ampianarin’ireo antsika mikasika an’i Jesoa?

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy, ary asao ireo ankizy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo koa.

Lioka 1:5–25, 57–66

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Mamaly vavaka Andriamanitra fa tsy araka ny fomba mety hantenaintsika azy foana. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tantaran’i Zakaria sy i Elizabeta mba hampianarana ny ankizy io fahamarinana io?

Atrikasa azo atao

  • Anontanio ny ankizy izay holazainy amin’ny olona iray nivavaka mba hahazo fitahiana iray nefa mbola tsy nahazo izany. Asao izy ireo hisaintsaina momba io fanontaniana io eo am-piarahan’izy ireo mamaky ny Lioka 1:5–25, 57–66. (Jereo koa ny “Toko 1: I Elizabeta sy i Zakaria” ary ny “Toko 3: I Jaona Mpanao Batisa,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 6–7, 10–11.) Inona no mety holazain’i Zakaria sy i Elizabeta amin’ny olona izay nahatsapa fa tsy voavaly ny vavaka nataon’izy ireo?

  • Manasà ankizy maromaro mialoha mba hizara zavatra niainana rehefa novalin’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’izy ireo. Mizarà fotoana iray izay nahatsapanao fa novalina tamin’ny fomba tsy nampoizina ny vavaka nataonao.

  • Asao ny ankizy mba hanao sary maneho ny fotoana iray izay namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka iray, indrindra ny iray tamin’ny vavaka nataon’izy ireo. Avelao izy ireo mba hizara ny sariny amin’ny iray kilasy.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hampiseho ny fianakavian’izy ireo izay mety ho sary nataon’izy ireo nandritra ny fotoam-pianarana. Amporisiho izy ireo hanontany ireo olona ao amin’ny fianakaviany mikasika ireo fotoana izay namalian’Andriamanitra ny vavaka nataon’ izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy kely hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Mba hanampiana ny ankizy kely hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina dia mifantoha amin’ny andinin-tsoratra masina iray na amin’ny andian-teny manan-danja iray fotsiny aza. Azonao atao ny manasa ny ankizy hitsangana na hanangana ny tanany rehefa maheno izany teny na andian-teny izany izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy ,21.)

Hamoaka printy