“30 janoary–5 febroary. Matio 4; Lioka 4–5: -Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“30 janoary–5 febroary. Matio 4; Lioka 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023
30 janoary–5 febroary
Matio 4; Lioka 4–5
“Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko”
Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 4 sy ny Lioka 4–5 ny fanomananao an’ity lesona ity. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.
Asao mba hizara
Angataho ny ankizy mba hampandehandeha ny sarin’i Jesoa anankiray, eny amin’ny ankizy iray dia mankeny amin’ny anankiray manaraka. Isaky ny mandray ilay sary ny ankizy iray dia asao izy hizara zavatra izay nataon’i Jesoa fony Izy tety an-tany.
Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely
Afaka mifidy ny tsara toy ny nataon’i Jesoa aho.
“Tsy afaka manota” ny ankizy kely (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:47). Kanefa ny tantaran’i Jesoa nanohitra ireo fakam-panahin’i Satana dia afaka mamporisika ny ankizy mba hanomboka hisafidy ny tsara.
Atrikasa azo atao
-
Tantarao ny tantaran’ny fakana fanahy an’i Jesoa avy ao amin’ny Matio 4:1–11. (Jereo koa ny “Toko 11: Nalaina fanahy i Jesoa,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 30–31, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.) Amin’ny fotoana mahamety azy ao anatin’ilay tantara dia anontanio hoe: “Inona no tokony hataon’i Jesoa araka ny eritreritrao?”
-
Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy anankiray dia manomeza famariparitana ireo safidy izay mety hataon’ny ankizy kely iray. Asaivo manao dingana iray mankany amin’ilay sary ireo ankizy isaky ny mamariparitra safidy tsara anankiray ianao. Asaivo manao dingana iray manalavitra ilay sary ireo ankizy isaky ny mamariparitra safidy ratsy anankiray ianao.
-
Miaraha mihira hira iray mikasika ny fanaovana safidy tsara, toy ny “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 82). Mampiasà sary na zavatra na fanampiana hafa hita maso izay mifandray amin’ny tononkira.
I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.
Ny Lioka 4:18–19 dia milazalaza ny asa nanirahana an’i Jesoa. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hankasitraka ny zavatra nataony ho azy ireo?
Atrikasa azo atao
-
Vakio amin’ny ankizy ny Lioka 4:18–19 ary hazavao ny zavatra nasaina nataon’i Jesoa Kristy tety an-tany (hampianatra antsika ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra, hampahery antsika, ary hanasitrana ny olona). Zarao ny fomba nanaovany an’ireo zavatra ireo ho anao.
-
Manasà ankizy vitsivitsy mody hanao hoe mikorontan-tsaina na malahelo na marary. Angataho ireo ankizy ambiny mba hilalao an-tsehatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanampiana azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa tonga mba hampianatra sy hampahery ary hanasitrana antsika i Jesoa Kristy ary tokony hanaraka ny ohatra nasehony isika.
-
Asehoy ny sarin’i Jesoa Kristy manatanteraka ny asa nanirahana Azy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Angataho ny ankizy mba hamaritra ny zavatra ataon’i Jesoa ao amin’ ny sary tsirairay. Mampisehoa koa sarin’olona miezaka ny ho tahaka an’i Jesoa (afaka mahita an’izany ao anatin’ny gazetibokin’ny Fiangonana ianao).
Manasa antsika i Jesoa Kristy mba ho “mpanarato olona”.
Ilay antsoin’ny Mpamonjy hoe “Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo” (Matio 4:19), dia miantefa amin’ny olona rehetra ka anisan’izany ankizy.
Atrikasa azo atao
-
Asao ny ankizy anankiroa mba hody hanao an’i Simona Petera sy i Andrea rehefa mamaky ny Matio 4:18–22 ianao. Ampio ny ankizy hamantatra ireo zavatra nafoin’ireo lehilahy ireo mba hanarahana an’i Jesoa.
-
Avelao ny ankizy mba hifandimby hitantara ny tantara avy amin’ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.
-
Miaraha mihira ny hira iray momba ny fanarahana an’i Jesoa Kristy, toy ny “Hanaraka ny drafitry ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 86). Ampio ireo ankizy hitady zavatra voalaza ao amin’ilay hira izay azon’izy ireo atao mba hanarahana an’i Jesoa.
-
Ampiasao ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hifanakalozana hevitra miaraka amin’ny ankizy mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo ho lasa “mpanarato olona” amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa. Afaka manao kilalao fampifanarahana izay zavatra miaraka koa ianao miaraka amin’ny pejy misy ny atrikasa. Maneteza tahadika roan’ny hazandrano tsirairay, dia ahoafy izany, dia asao ny ankizy hamadika azy ireo, fa iray isaky ny mandeha ihany, mba hampiarahana izay zavatra miaraka.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe
Nampiseho ohatra ho ahy i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanoherana fakam-panahy.
Na i Jesoa Kristy aza nalain’i Satana fanahy, kanefa tsy nilefitra velively Izy. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hanaraka ny ohatra nasehony?
Atrikasa azo atao
-
Manaova tabilao eny amin’ny solaitrabe izay misy lohateny hoe Fakam-panahin’i Satana sy Valin-tenin’i Jesoa. Ampio ny ankizy hameno ilay tabilao amin’ny alalan’ny fampiasana ny Matio 4:1–11 sy Lioka 4:1–13. Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa.
-
Manorata tantara noforonina (rafi-tantara) izay ahitana ankizy iray mety ho tratran’ny fakam-panahy hanao safidy ratsy. Asaivo misafidy rafi-tantara mba hovakiny ny ankizy iray dia asaivo mifanakalo hevitra ny ankizy mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manohitra ny fakam-panahy ao anatin’izany toe-javatra izany.
Afaka manampy ahy hahatsapa ho akaikin’ny Ray any An-danitra ny fifadian-kanina.
Nialoha ny fiantombohan’ny asa fanompoany dia nifady hanina i Jesoa “mba hiaraka amin’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:2. Ampio ny ankizy hahita ny fahafahan’ny fifadian-kanina manome tanjaka ara-panahy azy ireo sy manampy azy ireo hahatsapa ho akaikin’ny Ray any An-danitra.
Atrikasa azo atao
-
Asao ny ankizy iray mba hamaky ny Matio 4:1–2. Hazavao fa ao anatin’ny fanitsiana momba ireo andininy ireo ao amin’ny dikantenin’i Joseph Smith, dia mianatra isika fa nandeha tany an-tany foana i Jesoa mba hiaraka amin’ Andriamanitra (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1). Inona no zavatra nataon’i Jesoa “mba hiaraka amin’ Andriamanitra”? Zarao ny fomba nanampian’ny fifadian-kanina anao mba hahatsapa ho akaikin’ny Ray any An-danitra bebe kokoa.
-
Asao ireo izay efa nifady hanina teo aloha mba hizara ny zavatra niainany. Ahoana no fomba hanazavan’izy ireo ny atao hoe mifady hanina amin’ny olona izay tsy mbola nifady hanina velively?
-
Manorata fanontaniana momba ny fifadian-kanina (toy ny hoe nahoana no mifady hanina, rahoviana no mifady hanina, na ahoana no fomba fifadian-kanina) eo amin’ny taratasy kely dia ataovy ao anaty vilia lalina aty izy ireo. Asao ny ankizy mba haka fanontaniana anankiray dia hiezaka ny hamaly izany. Inona no zavatra niainana azonao na azon’ny ankizy zaraina mikasika ny fifadian-kanina?
I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.
Saintsaino ny fomba nitahian’ny Mpamonjy ny fiainanao. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hankasitraka bebe kokoa ny fitarihany eo amin’ny fiainan’izy ireo?
Atrikasa azo atao
-
Asao ny ankizy iray mba ho tonga any an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hamintina ny Lioka 4:16–30. Mety hanampy ny mampiasa ny “Toko 17: Ireo vahoaka tezitra tao Nazareta,” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamanta Vaovao, 42–43, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).
-
Vakio ny Lioka 4:18 ary ny ankizy kosa manaraka ny famakiana. Angataho izy ireo mba hitanisa ireo zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy fa tonga Izy hanao azy. Asao ny ankizy hizara karazana fotoana izay nanaovan’i Kristy ireo zavatra ireo, na ao amin’ny soratra masina izany na teo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Soraty eo amin’ny taratasy netezana lavalava ny hoe “Satria velona i Jesoa Kristy …” Omeo taratasy iray avy ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo hanoratra hoe ahoana no hamenoany ilay andian-teny. Avelao hizara ny zavatra hitany izy ireo.
Manasa antsika i Jesoa Kristy mba hanaraka Azy sy mba ho “mpanarato olona.”
Misy fomba maro mba hahafahan’ny ankizy manaraka ny Mpamonjy sy ho lasa “mpanarato olona” (Matio 4:19). Ahoana no hanampianao azy ireo hahita ny fitarihana tsara azon’izy ireo entina eo amin’ny hafa?
Atrikasa azo atao
-
Asao ny ankizy mba hamaky ny Matio 4:18–22 sy ny Lioka 5:1–11. Inona no fihetsika nasehon’ireo mpianatr’i Jesoa teo anatrehan’ilay antsony mba hanaraka Azy? Inona no azontsika atao mba hanarahana ny ohatra nasehony?
-
Mampisehoa fitaovana fanjonoana vitsivitsy amin’ny ankizy na sarin’ny mpanjono anankiray. Inona no dikan’ ny hoe “mpanarato olona”? Inona avy ireo fitaovana ananantsika mba hanampiana antsika ho lasa mpanarato olona?
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny maha-mpanarato olona.