Testamenta Vaovao 2023
20–26 febroary. Matio 6–7: “Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”


“20–26 febroary. Matio 6–7: -Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“20–26 febroary. Matio 6–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Jesoa mampianatra eo amoron-dranomasina

Jesus Teaching the People by the Seashore [Nampianatra ny olona teo amoron-dranomasina i Jesoa], nataon’i James Tissot

20–26 febroary

Matio 6–7

“Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”

Atombohy amin’ny famakiana ny Matio 6–7, sady mieritreritra momba ny ankizy ampianarinao. Inona avy ireo hafatra avy amin’ireo toko ireo no mila renesin’izy ireo? Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra araka izay ilaina.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra nataony nandritra ny herinandro lasa mba ho fahazavana na ho ohatra ho an’ny olona.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 6:5–13

Afaka mivavaka amin’ny Raiko any An-danitra tahaka an’i Jesoa Kristy aho.

Afaka mianatra mivavaka ny ankizy amin’ny alalan’ny fihainoany ny vavaka ataon’ny hafa. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hianatra avy amin’ny vavaka nataon’i Jesoa Kristy ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Atrikasa azo atao

  • Avereno vakina ny fampianaran’i Jesoa momba ny vavaka hita ao amin’ny Matio 6:5–13. Azonao ampiasaina ny “Toko 20: Mampianatra momba ny vavaka i Jesoa ” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 51-52 na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

  • Ampiasao ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hahatsiaro ireo dingana samihafa ao anatin’ny vavaka.

  • Araho eo amin’ny sombin-taratasy ny tanan’ny ankizy tsirairay. Resaho ny zavatra tokony hataontsika amin’ny tanantsika sy ny sandrintsika rehefa mivavaka. Soraty eo amin’ny dian-tanana tsirairay ny zavatra ataontsika mba hanehoana fanajana rehefa mivavaka isika (ohatra, manondrika ny lohantsika, manakimpy ny masontsika, sy ny sisa).

  • Mihirà hira iray mikasika ny vavaka miaraka amin’ny ankizy, toy ny “Aondrikay ny lohanay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 18b), dia mijoroa ho vavolombelona mikasika ny herin’ny vavaka. Asao ny ankizy hizara ny zavatra niainany momba ny vavaka.

Sary
Ankizilahy mivavaka

Afaka mivavaka amin’ny Raiko any An-danitra tahaka an’i Jesoa Kristy aho.

Matio 7:12

Tokony hoentiko amin’ny fomba tiako hitondrana ahy ny hafa.

Ny fampianaran’i Jesoa ao amin’ny Matio 7:12, izay fantatra koa amin’ny hoe Lalàna Volamena, dia manome fitarihana tsotra mikasika ny fomba hitondrana ny hafa. Inona no zavatra hanampy ny ankizy ampianarinao mba hanaja io fitsipika io?

Atrikasa azo atao

  • Vakio ny Matio 7:12, ary avereno lazaina amin’ny teny tsotra izay takatry ny ankizy izany. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba maro hamenoana fehezan-teny toy ity manaraka ity: “Tiako rehefa ahy ny hafa.” Aorian’ny fehezan-teny tsirairay dia asao izy ireo hamerina miaraka aminao ny hoe, “Noho izany diaia tokony ny hafa aho.”

  • Iaraho mihira miaraka amin’ny ankizy ny hira iray izay hitanao fa manamafy ny Matio 7:12, toy ny “Hoy i Jesoa: “Tiavo avokoa ireo namanao”” (Bokin-kiran’ny ankizy, 39). Mamoròna fihetsika tsotra hanarahana ilay hira. Anontanio ny ankizy ny zavatra nianarany mikasika ny fomba tokony hitondrantsika ny hafa avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.

  • Asao ny ankizy hitanisa zavatra tsara nataon’ny ray aman-dreniny na ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana ho azy ireo. Vakio ny Matio 7:12, dia asao ny ankizy mba hitanisa ireo zavatra feno hatsaram-panahy azon’izy ireo atao ho an’ny fianakaviany.

Matio 7:24–27

Afaka miorina eo amin’ny fototra mafy orina isika amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa.

Ny fampiasana ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy momba ny fanorenana trano eo ambonin’ny fasika na eo ambonin’ny vatolampy dia afaka ny ho fomba mendrika ny hosaroana mba hampianarana ny ankizy momba ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa eo anatrehan’ny zavatra ianarantsika.

Atrikasa azo atao

  • Miaraha mihira amin’ny ankizy ny “Ny hendry sy ny adala” (Bokin-kiran’ny ankizy, 132), dia mampiasà fihetsika izay mifanaraka amin’ny tonony.

  • Ampiasao ny Matio 7:24–27 mba hampianarana mikasika ny fahasamihafana misy eo amin’ilay lehilahy hendry sy ilay lehilahy adala. Asaivo mody manorina trano ny ankizy. Ahoana no ahafahantsika ho tonga toy ilay lehilahy hendry?

  • Avelao ny ankizy hanao sary maneho ny fanoharana momba ilay lehilahy hendry sy ilay lehilahy adala.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 6–7

Ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia ahitana hafatra ho ahy.

Ireo toko ireo dia ahitana hafatra maro izay mety miantefa amin’ireo ankizy ampianarinao. Vakio ireo sady eritrereto ny ankizy. Inona no zavatra manaitra anao?

Atrikasa azo atao

  • Ampahatsiahivo ny ankizy fa efa nianatra mikasika ny zavatra nampianarin’i Jesoa tao anatin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra izy ireo. Inona avy ireo fahamarinana tsaroan’izy ireo fa nianarany tamin’ny herinandro lasa?

  • Manoratà andian-teny vitsivitsy avy amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra eny amin’ny solaitrabe sy andian-teny vitsivitsy hafa izay tsy avy amin’ny soratra masina. Asao ny ankizy mba hamantatra hoe iza avy ireo andian-teny avy amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Asao izy ireo hizara ny zavatra ianarany avy amin’ireo fampianarana ireo.

  • Misafidiana andininy maromaro avy amin’ny Matio 6–7 izay tsapanao fa hanan-danja amin’ny ankizy. Soraty eo amin’ny karatra kely ireo andinin-tsoratra masina, dia afeno manerana ny efitrano izy ireo. Avelao ny ankizy hitady azy ireo, sy hamaky ireo andinin-tsoratra masina ary hanazava ny antony maha-manan-danja an’ireo fampianarana ireo ho azy ireo.

  • Mizarà andininy izay tena tianao avy ao amin’ny Matio 6–7 dia hazavao ny antony itiavanao izany. Raha misy andininy tian’ny ankizy, dia asao izy ireo mba hizara ny antony itiavan’izy ireo izany sy ny zavatra nianarany avy amin’izany.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny Mpamonjy sy ny fampianarany, toy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41). Ajanony ilay hira rehefa tonga eo amin’ny andian-teny izay mifandray amin’ny fitsipika iray ampianarina ao amin’ny Matio 6–7. Ampio ny ankizy hampifandray ireo zavatra ianarany avy amin’ireto toko ireto.

Matio 6:5–13; 7:7–11

Hihaino sy hamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka aho.

Rehefa mandalina ny Matio 6:5–13; 7:7–11 ianao dia inona no tsapanao fa ilain’ny ankizy takarina momba ny vavaka?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky mafy ny Matio 6:9–13 dia hitanisa ireo zavatra nolazain’ny Mpamonjy tao anatin’ny vavaka nataony avy eo. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony rehefa mivavaka isika?

  • Mihirà hirairay momba ny vavaka miaraka amin’ny ankizy, toy ny hoe “Moa nivavaka?” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 96). Ampio ny ankizy handinika ny tonony mba hahitana ny antony ivavahantsika sy ireo fitahiana azo avy amin’ny vavaka.

  • Ampio ny ankizy hianatra tsianjery ny Matio 7:7 amin’ny alalan’ny filalaovana kilalao toy ity manaraka ity: Misy ankizy anankiray miteny ny teny na andian-teny voalohany avy ao amin’ilay andininy, dia manipy baolina iray mankeny amin’ny ankizy iray hafa izay miteny ny teny na ny andian-teny manaraka.

  • Lalaovy an-tsehatra miaraka amin’ny ankizy ny Matio 7:9–10, dia fitaovana tsotsotra no ampiasao. Angataho ny ankizy hizara ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny vavaka.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay namaliana ny vavaka nataonao.

Matio 6:19–21

Afaka mihary harena maharitra mandrakizay isika fa tsy harena eto an-tany.

Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy ampianarinao mba hanome lanja bebe kokoa ireo zavatra maharitra mandrakizay toy izay ireo zavatr’izao tontolo izao?

Atrikasa azo atao

  • Mitondrà baoritra misy “harena” izay feno zavatra na sary maneho ireo zavatra omen’izao tontolo izao lanja, ohatra, vola na kilalao. Vakio miaraka ny Matio 6:19–21 dia angataho ny ankizy avy eo mba hanampy anao hieritreritra harena any an-danitra izay afaka manolo ireo zavatr’izao tontolo izao ao anatin’ilay baoritra.

  • Asao ny ankizy hilaza na hanao ny sarin’ireo zavatra sasantsasany izay azon’izy ireo atao mba “hihariana … harena any an-danitra” (Matio 6:20).

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany ny fampianarana tena tian’izy ireo avy ao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra.

Manatsara ny fampianarantsika

Katsaho ny hahatakatra ireo ankizy ao amin’ny kilasinao. Fantatrao ny ankizy ampianarinao. Ireo hevitra ao anatin’ireto rindran-damina ireto dia azo ovaina mba hanomezana amin’ny fomba tena tsara ireo zavatra ilain’ny kilasinao. Azonao atao ny mamerina mandinika ireo atrikasa rehetra voatanisa ato anatin’ity rindran-damina ity, fa tsy ireo atrikasa natokana ho an’ny taonan’ny ankizy ampianarinao fotsiny, mba hahitana hevitra ho an’ny kilasinao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)

Hamoaka printy