Testamenta Vaovao 2023
13–19 febroary. Matio 5; Lioka 6: “Sambatra hianareo”


“13–19 febroary. Matio 5; Lioka 6: -Sambatra hianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“13–19 febroary. Matio 5; Lioka 6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Jesoa mampianatra eny an-tendrombohitra

Jesus Preaching Sermon on the Mount [I Jesoa mitoriteny eo an-tendrombohitra], nataon’i Gustave Doré

13–19 febroary

Matio 5; Lioka 6

“Sambatra hianareo”

Sarobidy ny fahafahanao mampianatra ankizy. Rehefa miomana ara-panahy ianao dia hanampy anao ny Tompo.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy hiresaka mikasika ireo zavatra izay nataon’izy ireo tamin’ity herinandro ity mba hizarana ny fahazavan’ny Tompo amin’ny olona, ohatra amin’izany angamba ny hoe tamin’ny alalan’ny fanehoana ohatra tsara na fanehoana fitiavana sy hatsaram-panahy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 5:9

Afaka ny ho mpampihavana aho.

Ny ankizy ampianarinao dia afaka ny ho hery mitarika mahery vaika any an-trano rehefa entiny amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy ny hafa.

Atrikasa azo atao

  • Vakio amin’ny ankizy ny Matio 5:9 dia hazavao fa ny mpampihavana dia manao izay hahatonga ny toerana rehetra ho toerana misy fiadanana na aiza na aiza misy azy ireo. Soraty eo amin’ny taratasy lavalava ny sasany amin’ireo toe-javatra sarotra mety atrehan’ny ankizy (ohatra, miady kilalao iray ny mpiray tam-po). Asao ny ankizy tsirairay mba haka taratasy lavalava iray. Rehefa mamaky ny rafi-tantara tsirairay ianao dia angataho izy ireo mba hizara ny fomba ahafahany ho mpampihavana ao anatin’ilay toe-javatra. Na mizarà rafi-tantara noforonina vitsivitsy dia ampio ny ankizy hamantatra raha toa ka mpampihavana ny olona ao anatin’izany na tsia.

  • Asao ny ray aman-drenin’ny ankizy vitsivitsy mba hitsidika ny kilasinao ary hizara karazana fotoana izay nahatonga an’ireo zanany ho lasa mpampihavana tao an-tokantrano.

Matio 5:14–16

Tian’i Jesoa ho fahazavana ho an’ny hafa aho.

Afaka ny ho hery mahery vaika mitarika amin’ny tsara ho an’ny hafa ny ankizy kely. Ahoana no ahafahanao mamporisika azy ireo hamela ny fahazavany hamiratra?

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa zavatra maro amin’ny ankizy izay manome hazavana, dia mampisehoa koa sarina ankizy. Vakio ny Matio 5:14–16, dia teneno ny ankizy fa ny ohatra tsara asehon’izy ireo dia afaka ny ho fahazavana ho hitan’ny hafa. Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny fahazavantsika mba hitondrana ny hafa ho eo amin’ Andriamanitra?

  • Tarafo amin’ny alalan’ilay jiro pika manerana ny efitrano dia asao ny ankizy hanaraka ilay hazavana amin’ny alalan’ny mason’izy ireo. Ampiasao ilay hazavana mba hitarihana ny mason’izy ireo hankany amin’ny sary anankirain’ny Mpamonjy. Inona no fanampiana entin’ny hazavana ho antsika? Ahoana no ahafahantsika ho fahazavana ho an’izao tontolo izao? Takony ilay jiro pika. Inona no mitranga rehefa tsy zaraintsika ny fahazavantsika na rehefa afenintsika izany?

  • Manafena jiro pika iray ao amin’ny efitrano dia vonoy ny jiro. Avelao hanandrana hitady izany ny ankizy. Avereno vakina ny Matio 5:15, dia resaho ny antony tsy tokony hanafenantsika ny fahazavantsika.

  • Ampio ny ankizy mba hitady sy handoko ireo labozia nafenina ao amin’ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity.

  • Iaraho mihira amin’ny ankizy ny hira iray miresaka momba ny tokony hahatonga ny tena ho fahazavana ho an’ny hafa, toy ny “Tian’i Jesoa mba hazava aho,” “Mamirata,” na ny “Kintana mamiratra re aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 38, 96, 84).

Sary
I Jesoa mampianatra ny mpianany

Afaka ny ho faly isika rehefa miaina araka ny fomba nampianarin’i Jesoa.

Matio 5:44–45

Tian’i Jesoa hitia ny olon-drehetra aho.

Dieny izao dia afaka manomboka manao fampiharana eo amin’ny fanehoana fitiavana ny ankizy kely, eny na dia ampijalian’ny namany na ny mpiray tam-po aminy aza. Rehefa mamaky ny Matio 5:44–45 ianao, dia diniho ny fomba hiantefan’ireo fampianaran’ny Mpamonjy amin’ireo ankizy ampianarinao.

Atrikasa azo atao

  • Avereno lazaina ny Matio 5:44 amin’ny alalan’ny fampiasana teny sy toe-javatra izay ho takatry ny ankizy sady misy ifandraisany aminy. Angataho ny ankizy mba hizara ireo fotoana izay nampisehoan’izy ireo fitiavana tamin’olona na dia sarotra aza izany. Inona no zavatra tsapan’izy ireo teo anatrehan’ireo zavatra niainana ireo?

  • Miaraha miredona hira iray momba ny fitiavana ny hafa, toy ny “Mifankatiava” (Bokin-kiran’ny ankizy, 74). Inona no zavatra ianarantsika avy amin’io hira io mikasika ny fitiavana ny hafa?

  • Omeo taratasy miendrika fo izay misy soratra hoe “Haneho ny fitiavako ny olona rehetra aho” ny ankizy. Angataho izy ireo mba hanaingo ilay fo dia hanantona izany any an-tranon’izy ireo ho toy ny fampatsiahivana azy ireo hitia ny hafa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 5:3–12

Afaka ny ho faly aho rehefa miaina araka ny fomba nampianarin’i Jesoa.

Rehefa mamaky ny Matio 5:3–12 ianao dia inona avy ireo teny sy andian-teny izay miavaka aminao? Nahoana no hitahy ny fiainan’ny ankizy izay ampianarinao ireo fampianarana ireo?

Atrikasa azo atao

  • Manaova tabilao eny amin’ny solaitrabe izay mizara roa ka ahitana ny lohateny hoe: Sambatra ny … sy ny hoe Fitahiana. Asao ny ankizy mba hikaroka ao amin’ny Matio 5:3–12 ireo toetra tsara ananan’ireo olona lazain’i Jesoa fa hotahiana sy ireo fitahiana ampanantenainy azy ireo. Avy eo dia fenoy amin’ny alalan’ny zavatra izay hitanao ilay tabilao. Ifanakalozy hevitra amin’ny ankizy ny dikan’ny toetra tsara tsirairay sy ny fitahiana mifandray amin’izany.

  • Soraty eo amina karatra iray ny toetra tsara tsirairay avy ao amin’ireo andininy ireo ary amin’ny karatra iray hafa ny fitahiana mifandray amin’izany. Ohatra , ny karatra iray dia mety ahitana ny hoe “malemy fanahy,” ary ny iray hafa dia ahitana ny hoe “handova ny tany” (andininy 5). Avelao ireo ankizy hampifandray ireo toetra tsara amin’ireo fitahiana. Angataho ny ankizy mba hisafidy iray amin’ireo toetra tsara ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay tian’izy ireo hampivelarina.

Matio 5:9, 21–24, 38–47

Afaka ny ho mpampihavana aho.

Nampianatra i Jesoa fa ny mpampihavana no hatao hoe zanak’ Andriamanitra. Ahoana no ahafahanao mamporisika ny ankizy mba ho mpampihavana?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky amin’ny feo mafy ny Matio 5:9. Inona no atao hoe mpampihavana? Inona avy ireo fomba ahafahantsika ho mpampihavana eo amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika? (Mba hahitana hevitra dia jereo ny andininy 21–24, 38–47.)

  • Angataho ny ankizy mba hieritreritra toe-javatra iray izay ilana ny fanampian’ny mpampihavana iray. Inona no hataon’ilay mpampihavana ao anatin’izany toe-javatra izany?

  • Angataho ny ankizy mba hizara ireo fotoana izay nampisehoan’izy ireo fitiavana tamin’olona na dia tsy mitovy amin’izy ireo aza izany olona izany na sarotra tiavina.

Matio 5:14–16

Ny ohatra asehoko dia afaka manazava ny lalana ho an’ny olona hafa mba hanaraka ny Mpamonjy.

Maro amin’ireo ankizy ampianarina no efa nanao fanekempihavanan’ny batisa. Eritrereto ny fomba ifandraisan’ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 5:14–16 amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo. Inona no hafatra ao amin’io andinin-tsoratra masina io mety tian’ny Tompo hampitaina amin’ny ankizy ao amin’ny kilasinao?

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hianatra tsianjery ny Matio 5:16. Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay andinin-tsoratra masina. Iaraho mamaky imbetsaka izany, dia mamafà teny vitsivitsy isaky ny mandeha. Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ireo zavatra azon’izy ireo atao mba ho fahazavana ho an ’ny hafa. Resaho fa manampy antsika hanatanteraka ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa ny fahatongavantsika ho fahazavana ho an’ny hafa (jereo ny Môzià 18:8–10).

  • Miaraha mihira hira momba ny fizarana fahazavana, toy ny “MamirataBokin-kiran’ny ankizy, 96). Ahoana no ahafahantsika mizara ny hazavan’ny Mpamonjy?

  • Angataho ny ankizy mba hanao ny sarin’ireo zavatra izay manome hazavana antsika. Vakio ny Matio 5:14–16. Anontanio azy ireo hoe, nahoana isika no tian’i Jesoa ho fahazavan’izao tontolo izao?

  • Asao mba hifanatrika ny ankizy anankiroa, dia angataho ny anankiray mba hanao izay hampitsiky ilay iray hafa fa tsy mikasika azy anefa. Resaho ny momba ilay hery ananan’ny ankizy mba hitondrana fifaliana ho an’ny hafa.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hitady olona izay mpampihavana amin’ity herinandro ity. Any am-piandohan’ny fotoam-pianarana amin’ny herinandro dia asao izy ireo mba hiresaka mikasika ny olona hitany sy ny zavatra hitany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba havitrika. “Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia omeo fahafahana hanamboatra zavatra, hanao sary, handoko, sy hanoratra ary hamorona izy ireo. Mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe [atrikasa] mahafinaritra fotsiny ireo zavatra ireo. Tena ilaina amin’ny fianarana izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy