Testamenta Vaovao 2023
6–12 febroary. Jaona 2–4: “Tsy maintsy ateraka indray ianareo”


“6–12 febroary. Jaona 2–4: -Tsy maintsy hateraka indray hianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“6–12 febroary. Jaona 2–4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Nikodemosy

6–12 febroary

Jaona 2–4

“Tsy maintsy ateraka indray ianareo”

Tsy hanam-potoana ianao hampianarana ny fitsipika manan-danja rehetra ao amin’ny Jaona 2–4 mandritra ny fe-potoam-pampianarana fohy ao amin’ny Kilasin’ny Kilonga. Mikatsaha fitarihana ara-panahy momba ny zavatra ho antitranterina mba hanomezana ny filàn’ny ankizy sy ny zavatra mahaliana azy ireo.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Amporisiho ny ankizy hizara ny zavatra ianaran’izy ireo sy iainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanontaniana azy ireo ny zavatra nataony vao haingana mba ho “mpanarato olona” (Matio 4:19). Azonao atao ny manao famerenana miaraka amin’izy ireo ny lesona tamin’ny herinandro lasa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jaona 3:1–10

Ilaina atao batisa sy raisina ho mpikambana aho mba hiarahana miaina indray amin’ny Ray any An-danitra.

Ireo ankizy ampianarinao dia miomana mba hanao dingana manan-danja mba hiaina indray miaraka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fanaovana batisa (ateraky ny rano) ary fandraisana ho mpikambana (ateraky ny Fanahy). Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ny maha-manan-danja an’ireo ôrdônansy roa ireo?

Atrikasa azo atao

  • Fintino ny tantaran’i Jesoa nampianatra an’i Nikodemosy (jereo ny Jaona 3:1–10). Ampanantenao ny ankizy fa rehefa atao batisa izy ireo dia hanome azy ireo ny fanomezan’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra.

  • Ampisehoy ny ankizy ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity, ary asaivo fariparitan’izy ireo ny sary nataon’izy ireo. Vakio ny Jaona 3:5, ary mijoroa ho vavolombelona fa ilaina atao batisa sy raisina ho mpikambana isika mba hiarahantsika miaina indray amin’ny Ray any An-danitra.

  • Asaivo lazain’ny ankizy ny mikasika ny zavatra ataon’izy ireo mba hanasany ny tanany. Ampisehoy ilay sari-na [Ankizivavy] iray atao batisa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.104), ary ampio ny ankizy hampitaha ny fanasana ny tanantsika amin’ny rano amin’ny hoe lasa madio ara-panahy amin’ny alalan’ny batisa.

Jaona 3:16

Tia ahy ny Ray any An-danitra ka nomeny Mpamonjy aho.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra izany fahamarinana sarobidy izany?

Atrikasa azo atao

  • Asaivo mameno fehezan-teny tahaka ity anankiray ity ny ankizy: “Noho ny fitiavan’ny ray aman-dreniko ahy, dia …” Vakio ny Jaona 3:16. Dia ampio ny ankizy tsirairay hamerina ny Jaona 3:16, ka hanolo ireo teny hoe “izao tontolo izao” amin’ny anarany. Ampio ireo ankizy hahita ny zavatra lazain’io andininy io fa nataon’ny Ray any An-danitra noho ny fitiavany antsika. Asao ny ankizy hanao ny sary iray maneho an’i Jesoa. Avelao izy ireo hifampizara ny sary nataony sy haneho ny fitiavany ny Mpamonjy.

  • Iaraho mihira ny hira iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20). Avelao ny ankizy hihazona ny sarin’i Jesoa isaky ny mihira teny iray toy ny hoe “Zanany,” “Jesoa,” na “Mpamonjy.”

Jaona 4:5–15

I Jesoa Kristy no “rano velona” ho ahy.

Ny ankizy ao amin’ny kilasinao dia mahalala tsara daholo ny atao hoe mangetaheta. Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa izany mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa tena ilaintsika tokoa ny rano velona izay atolotr’i Jesoa Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Ampiasao ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ityao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hitantarana ny tantaran’i Jesoa sy ilay vehivavy teo am-pantsakana (jereo ny Jaona 4:5–15). Asao ny ankizy mba hamerina hitantara ilay tantara.

  • Mampisehoa vera iray misy rano, ary resaho amin’ny ankizy ny antony ilantsika rano. Fintino fohifohy ny Jaona 4:5–15, ary mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia manome aina ny fanahintsika, tahaka ny hanomezan’ny rano aina ho an’ny vatantsika.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jaona 2:1–11

Afaka manaja ny reniko tahaka ny nataon’i Jesoa aho.

Nolazain’i Maria tamin’i Jesoa fa lany ny divay tao amin’ilay fampakaram-bady tao Kana. Araka ny Dikantenin’i Joseph Smith, i Jesoa dia namaly ny reniny tamin’ny fanontaniana azy hoe inona ny zavatra tiany hatao ho azy fa hataony izany.   Ohatra iray ny amin’ny fomba tokony hitondrantsika ny renintsika i Jesoa.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky ny Jaona 2:1–11 ary hifandimby hitantara ilay tantara amin’ny tenin’izy ireo manokana.

  • Angataho ny ankizy hanao ny lisitr’ireo zavatra izay mety azo hanampiana ny renin’izy ireo. Asao izy ireo hamerina ny teny azon’izy ireo lazaina aminy amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana iray mitovitovy amin’ny an’i Jesoa: “Inona no tianao hataoko ho anao?”

  • Asao ny reny sasany mba hitsidika ny kilasinao ary hizara ny zavatra tokony hataon’ny zanak’izy ireo mba hampisehoana fanajana azy ireo.

Sary
I Jesoa niresaka tamin’i Maria tao amin’ilay fety fampakaram-bady

Nanontanian’i Jesoa ny reniny ny zavatra tiany ho atao ho azy.

Jaona 3:1–8

Tahaka ny ateraka indray ny fanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana.

Rehefa atao batisa isika, izay nantsoin’i Jesoa hoe “ateraky ny rano,” dia afaka mandray famelana ny fahotantsika isika ary afaka “miditra ny fanjakan’ Andriamanitra” (Jaona 3:5). Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny dikan’ny hoe ateraka indray?

Atrikasa azo atao

  • Manaova taratasy notapatapahana maro misy ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 3:3, ary asaivo alahatry ny ankizy araka ny tokony ho izy izany. Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny hoe ateraka indray amin’ny fanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana?

  • Mampisehoa sarina zazakely vao teraka iray sy olona iray atao batisa sy raisina ho mpikambana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.104–5). Nahoana no mitovy amin’ny zazakely vao teraka isika rehefa vita batisa sy raisina ho mpikambana? (jereo ny Jaona 3:3–5).

  • Asao ireo ankizy hizara ireo zavatra tsaroany tamin’ny batisany. Vakio ny Môzià 18:8–10 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 mba hamerenana mijery ny fanekempihavanana atao amin’ny batisa. Ampianaro ny ankizy fa ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pieritreretana lalina isan-kerinandro dia fomba iray hanohizana ny dingana amin’ny fahaterahana indray.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny Fanekem-pinoana 1:4.

Jaona 3:16–17

Tia ahy ny Ray any An-danitra ka nalefany ny Zanakalahiny.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra fa nalefa teto ambonin’ny tany i Jesoa Kristy ho fanehoana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra?

Atrikasa azo atao

  • Asaivo ataon’ny ankizy ny sarin’ny fanomezana tsara indrindra azon’izy ireo sy ilay olona nanome izany fanomezana izany. Avy eo dia iangavio ny ankizy iray hamaky ny Jaona 3:16. Inona no fanomezana nomen’ny Ray any An-danitra antsika? Nahoana no maneho ny fitiavany io fanomezana io?

  • Asaivo tadiavin’ny ankizy ny valin’ny fanontaniana hoe: “Nahoana ny Ray any An-danitra no nandefa an’i Jesoa Kristy ho antsika?” rehefa mamaky ny Jaona 3:16–17 na mihira na mihaino ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20) izy ireo.

Jaona 4:5–23

Manolotra “rano velona” ho ahy i Jesoa Kristy.

Tahaka an’i Jesoa nampiasa ny rano mba hampianarana ilay vehivavy avy any Samaria, dia afaka mampiasa rano ianao mba hampianarana ny ankizy ny antony ilantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Atrikasa azo atao

  • Ampiasao ny Jaona 4:5–23 ary manorata fehezan-teny mamintina ilay tantaran’ilay vehivavy teo am-patsakana. Asaivo jeren’ny ankizy ireo andininy ireo mba handaharana ireo fehezan-teny araka ny filaharana tokony ho izy. Inona no nezahin’i Jesoa nampianarina ilay vehivavy?

  • Omeo rano hosotroina ny ankizy, dia angataho izy ireo mba hizara ny zavatra iainana rehefa mangetaheta izy ireo. Miresaha momba ny zavatra tsapa rehefa mahazo rano hosotroina ihany nony farany. Asao ny ankizy mba hilaza ireo zavatra izay mahafa-po antsika amin’iny fotoana iny ihany, tahaka ny kaopy iray misy rano. Inona ireo zavatra toy ny “rano velona” izay afaka manome fahafaham-po antsika mandrakizay?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe: Ahoana no itovian’ny filazantsara amin’ny rano? Asaivo eritreretin’ny ankizy ny fomba hamalian’izy ireo io fanontaniana io eo am-pamakian’izy ireo ny Jaona 4:5–23.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asaivo manome rano hosotroina an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana ny ankizy rehefa tonga any an-trano. Rehefa manao izany izy ireo dia afaka mizara ny zavatra nianarany momba ny rano velona.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny pejy misy ny atrikasa. Eo am-panatontosan’ny ankizy ireo pejy misy ny atrikasa dia ampiasao izany fotoana izany mba hamerenana ireo fitsipika avy tao amin’ny lesona.

Hamoaka printy