Testamenta Vaovao 2023
6–12 febroary. Jaona 2–4: “Tsy maintsy hateraka indray hianareo”


“6–12 febroary. Jaona 2–4: -Tsy maintsy hateraka indray hianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“6–12 febroary. Jaona 2–4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Nikodemosy

6–12 febroary

Jaona 2–4

“Tsy maintsy hateraka indray hianareo”

Eo am-pamakianao ny Jaona 2–4, dia hampianatra anao zavatra momba ny fiovam-ponao manokana ny Fanahy. Raiso an-tsoratra ny bitsika avy Aminy. Mety hahita hevi-baovao ara-panahy fanampiny ianao avy amin’ireo hevitra hoenti-mandalina ato amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nandritra ny lanonana fampakaram-bady iray tany Kana i Kristy dia nanova ny rano ho divay, tranga iray izay nantsoin’i Jaona hoe “voaloham-pamantarana” (Jaona 2:11). Maro ny hevitra fonosin’izany. Raha izany no fahagagana voalohany nataon’i Jesoa ampahibemaso, dia mety haneho fiantombohan-javatra iray mahagaga hafa koa izany, dia ny dingan’ny fiovan’ny fontsika rehefa iny isika mihalasa tahaka ny Mpamonjy kokoa iny. Io fahagagana mandritra ny fiainana io dia manomboka amin’ny fanapahan-kevitra hanaraka an’i Jesoa Kristy, hiova ary hiaina fiainana tsara kokoa amin’ny alalany. Io fahagagana io dia mety ho tena hanova fiainana tokoa ka ny hoe “[ateraka] indray” no isan’ireo fomba tsara indrindra azo hamaritana azy (Jaona 3:7). Saingy ny fahaterahana indray dia fiantombohan’ny lalan’ny maha-mpianatra fotsiny. Ny tenin’i Kristy tamin’ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny fantsakana dia mampahatsiahy antsika fa rehefa manohy ny diantsika eo amin’ilay lalana isika dia ho lasa “loharano miboiboika ao [anatintsika] ho fiainana mandrakizay” ny filazantsara amin’ny farany (Jaona 4:14).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Jaona 2:1–11

Ireo fahagagana nataon’i Jesoa Kristy dia “[nampiseho] ny voninahiny.”

Rehefa mamaky momba ny Mpamonjy nanova ny rano ho lasa divay ao amin’ny Jaona 2:1–11 ianao, dia mety hahazo hevi-baovao fanampiny amin’ny alalan’ny fandinihana ny fomba fijerin’ireo olona samihafa izay nanatrika izany, isan’izany i Maria, ireo mpianatra, ary olona hafa. Raha toa ianao ka nanatri-maso ireo zava-nitranga notantaraina eto, dia inona no mety ho fahatsapana nanananao momba an’i Jesoa? Inona no ampianarin’io fahagagana io anao momba Azy?

Jaona 3:1–21

Tsy maintsy hateraka indray aho mba hidirako ny fanjakan’ Andriamanitra.

Tamin’ny fotoana nanatonan’i Nikodemosy mangingina an’i Jesoa dia mpandinika tamim-pitandremana tsara fotsiny izy. Taty aoriana anefa dia niaro an’i Jesoa teo imasom-bahoaka izy (jereo ny Jaona 7:45–52) ary niaraka tamin’ireo mpino tamin’ny fandevenana ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 19:38–40). Inona no fampianarana hitanao ao amin’ny Jaona 3:1–21 izay mety nitaona an’i Nikodemosy hanara-dia an’i Jesoa ka hateraka indray?

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny hoe hateraka indray dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 95). Inona no anjara asa tanan’ny batisa sy ny fandraisana anao ho mpikambana—izany hoe “ateraky ny rano sy ny Fanahy” (Jaona 3:5)—amin’ny fahaterahanao indray? Inona no ataonao mba hanohizana izany dingan’ny fiovana izany? (jereo ny Almà 5:11–14).

Jereo ihany koa ny Môzià 5:7; 27:25–26.

Jaona 3:16–17

Maneho ny fitiavany ahy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny hoe, tia antsika amin’ny fony rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra” (“Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo,” Liahona, mey 2016, 127). Ahoana no nahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanomezany ny Zanany?

Ny fanasan’ny Tompo dia manome fotoana hisaintsainana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fanomezany ny Zanany. Fihirana amin’ny fanasan’ny Tompo inona no manampy anao hahatsapa io fitiavana io? Inona no azonao atao mba hampisy lanjany kokoa ny fanasan’ny Tompo?

Eo am-panohizanao mamaky momba ny fampianarana sy ny asa fanompoan’ny Mpamonjy, dia manontania tena hoe ahoana no hanampian’ireo zavatra vakinao anao mba hahatakatra sy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.

Jaona 4:24

Fanahy ve Andriamanitra?

Mety hampisafotofoto ny sain’ny sasany ny nilazan’i Jesoa hoe Andriamanitra dia fanahy. Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’io andininy io dia manome fanazavana manan-danja: “Fa ho an’ny toy izany no efa nampanantenain’ Andriamanitra ny Fanahiny” (ao amin’ny DJS, Jaona 4:26). Ny fanambarana maoderina koa dia mampianatra fa Andriamanitra dia manana vatana nofo sy taolana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23; jereo ihany koa ny Genesisy 5:1–3; Hebreo 1:1–3).

Jaona 4:5–26

Manome ahy ny rano velony i Kristy.

Inona no mety ho tian’i Jesoa nolazaina rehefa nilaza tamin’ilay vehivavy Samaritana Izy fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeny dia tsy hangetaheta mandrakizay? Inona no mampitovy ny filazantsara amin’ny rano velona?

Sary
Rano mikoriana

Ny filazantsaran’i Kristy no rano velona izay mamelona ny fanahintsika.

Isan’ireo hafatra nomen’ny Mpamonjy an’ilay vehivavy Samaritana ny hoe manan-danja kokoa mihoatra ny toerana ivavahantsika ny fomba fivavahantsika (jereo ny Jaona 4:21–24). Inona no ataonao mba “hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”? (Jaona 4:23).

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitsaohana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; Dean M. Davies, “Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana,” Liahona, nôv. 2016, 93–95.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Jaona 2–4.Rehefa mamaky ireo toko ireo ny fianakavianao mandritra ity herinandro ity, dia jereo manokana ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ireo zavatra fahita andavanandro (fahaterahana, rivotra, rano, ary sakafo) mba hampianarana fahamarinana ara-panahy. Zavatra inona ao an-tranonao no azonao ampiasaina mba hampianarana fahamarinana ara-panahy?

Jaona 2:13–17.Inona no fitaoman-dratsy tokony hoesorin’ny fianakavianao ao an-tranonao mba hahatonga izany ho toerana masina, toy ny tempoly? Inona no hataonareo mba hijanonan’ireo zavatra ireo any ivelany?

Jaona 3:1–6.Resaho miaraka amin’ny fianakavianao ny fahagagan’ny fitondrana vohoka sy ny fahaterahana—ny dingan’ny famoronana olona velona sy manan-tsaina. Nampianatra i Jesoa fa tsy maintsy hateraka indray isika mialoha ny hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra. Nahoana ny fahaterahana indray no fanoharana tsara momba ny fiovana ilaina amintsika mialoha ny hahafahantsika miditra ny fanjakan’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahantsika miaina ny dingan’ny fahaterahana indray ara-panahy?

Jaona 3:16–17.Asao ny olona ao amin’ny fianakavianao hilaza io andininy io amin’ny tenin’izy ireo manokana toy ny hoe manazava izany amin’ny namana iray. Ahoana no nanampian’i Jesoa Kristy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra?

Jaona 4:5–15.Inona no nampianarin’ny Mpamonjy antsika rehefa nampitaha ny filazantsarany tamin’ny rano velona Izy? Azon’ny fianakavianao atao tsara ny mijery rano mikoriana ary milazalaza ny zavatra tsara azo avy amin’ny rano. Nahoana isika no mila misotro rano isan’andro? Ahoana no hitovian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny “loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay”? (Jaona 4:14).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Tia ahy ny Ray any An-danitra,” Bokin-kiran’ny ankizy, 16.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitadiava tandindona. Ny soratra masina dia matetika mampiasa zavatra, na trangan-javatra, na zavatra natao mba hanehoana fahamarinana ara-panahy. Afaka mampitombo ny fahatakaranao ny fotopampianarana ampianarina anao ireny tandindona ireny. Ohatra, ny Mpamonjy dia nampifandray ny fiovam-po tamin’ny fahaterahana indray.

Sary
I Jesoa sy ilay vehivavy Samaritana teo am-patsakana

Living Water [Rano velona], nataon’i Simon Dewey

Hamoaka printy