“13–19 febroary. Matio 5; Lioka 6: -Sambatra hianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“13–19 febroary. Matio 5; Lioka 6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023
13–19 febroary
Matio 5; Lioka 6
“Sambatra hianareo”
Omeo lanja ireo fahatsapana voarainao rehefa mamaky ny Matio 5 sy ny Lioka 6 ianao, ary raketo ao anaty diary fandalinana izany na amin’ny fomba hafa. Ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hamantatra fitsipika manan-danja vitsivitsy ao amin’ireo toko ireo, kanefa omeo lanja ihany koa ireo hafa izay hitanao mandritra ny fandalinanao.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Hatreto teo amin’ny asa fanompoany dia mazava fa tsy hitovy amin’izay zavatra fandren’ny olona ireo fampianaran’i Jesoa. Hahazo ny fanjakan’ Andriamanitra ny mahantra? Ny malemy fanahy no handova ny tany? Hotahiana izay enjehina? Tsy nampianatra zavatra toy izany ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo. Kanefa ireo izay tena nahatakatra marina ny lalàn’ Andriamanitra dia nanaiky ny fahamarinana tao anatin’ny tenin’ny Mpamonjy. Ny hoe “maso solon’ny maso” sy “mankahalà ny fahavalonao” dia lalàna ambany (Matio 5:38, 43). Saingy tonga i Jesoa Kristy hampianatra lalàna ambony (jereo ny 3 Nefia 15:2–10), izay natao mba hanampiana antsika ho lasa “tanteraka … toy ny fahatanterahan’ny [Raintsika] Izay any an-danitra” indray andro any (Matio 5:48).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Matio 5:1–12; Lioka 6:20–26, 46–49
Ny fahasambarana maharitra dia avy amin’ny fiainana amin’ny fomba nampianarin’i Jesoa Kristy.
Samy te ho sambatra ny olona rehetra, saingy tsy ny rehetra no mitady fahasambarana amin’ny toerana iray. Ny sasany dia mitady izany ao amin’ny fananana lanja sy ny fananana toerana ambony amin’izao tontolo izao, ny hafa mitady izany ao amin’ny harena na ao amin’ny fanatanterahana ny filàn’ny nofo. I Jesoa Kristy dia tonga mba hampianatra ny lalana mankany amin’ny fahasambarana maharitra, mba hampianatra ny tena dikan’ny hoe voatahy. Inona no zavatra ianaranao mikasika ny fahazoana fahasambarana maharitra ao amin’ny Matio 5:1–12 sy Lioka 6:20–26? Inona no tsy mampitovy izany amin’ny fahitan’izao tontolo izao ny fahasambarana?
Inona no ampianarin’ireo andininy ireo miaraka amin’ny Lioka 6:46–49 anao mikasika ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hananana ireo toetra voafaritra ao amin’ireo andininy ireo?
Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasambarana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.
“Hianareo no fanasin’ny tany.”
Ny sira dia efa ela no nampiasaina mba hitehirizan-javatra, hanomezan-tsiro ary hanadiovana. Nanana dikany ara-pivavahana ihany koa ny sira ho an’ireo Isiraelita. Nisy ifandraisany tamin’ny fombafomba fanaovana sorona biby fahiny teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy izany (jereo ny Levitikosy 2:13; Nomery 18:19). Raha ny sira no lasa matsatso, dia lasa tsy misy asany izy, na “tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony” (Matio 5:13). Mitranga izany rehefa mifangaro na ifindran’ny singa hafa izany.
Tadidio izany eo am-pisaintsainanao ny Matio 5:13. Ahoana no hihazonanao ny tsironao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao? Ahoana no hanatontosanao ny asanao amin’ny maha-fitaovana fitehirizan-javatra sy mpanadio anao amin’ny maha fanasin’ny tany anao?
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:9–10.
Ny lalàn’i Kristy dia manolo ny lalàn’i Mosesy.
Mety gaga ireo mpianatra raha nandre an’i Jesoa nilaza fa nila nihoatra ny an’ireo mpanora-dalàna sy ny an’ireo Fariseo, izay nanambony ny tenany tamin’ny fitandremany aok’izany ny lalàn’i Mosesy, ny fahamarinan’izy ireo (jereo ny Matio 5:20).
Eo am-pamakinao ny Matio 5:21–48 sy ny Lioka 6:27–35, dia asio marika ireo fitondran-tena takina ao amin’ny lalàn’i Mosesy (“Efa renareo fa …”) sy ny zavatra nampianarin’i Jesoa hanatsarana kokoa ireo fitondran-tena ireo. Nahoana ny fomban’ny Mpamonjy no lalàna ambony kokoa araka ny hevitrao?
Ohatra, inona no nampianarin’i Jesoa ao amin’ny Matio 5:27–28 momba ny andraikitsika manoloana ny eritreritsika? Ahoana no ahafahanao mifehy bebe kokoa ireo eritreritra sy fahatsapana izay tonga ao an-tsainao sy ao am-ponao? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45).
Tena miandry ahy ho lasa tanteraka tokoa ve ny Ray any An-danitra?
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
“Ny teny hoe tanteraka dia nadika avy tamin’ny teny Grika hoe teleios,, izay midika hoe –feno.– … Ny matoanteny amin’io dia hoe teleiono, izay midika hoe -manaka-davitra, mivoatra tanteraka, mahatanteraka na mahatontosa.- Jereo tsara fa ilay teny dia tsy milaza hoe -fahafahana amin’ny fahadisoana-; fa milaza kosa “fanatanterahana tanjona lavitra.” …
“… Nampianatra ny Tompo hoe -Tsy hainareo zakaina ankehitriny ny fanatrehana an’ Andriamanitra koa mitozoa ao amin’ny faharetana mandra-pahatonga anareo ho tanteraka- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:13].
“Tsy tokony ho kivy isika raha toa ireo ezaka matotra ataontsika mba ho tanteraka dia toy ny hoe sarotra sy tsy manam-pahataperana amin’izao fotoana izao. Mbola miandry fotoana ny fahatanterahana. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahafenoany izany raha tsy aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo ihany. Izany no miandry ireo rehetra izay tia azy sy mitandrina ireo didiny” (“Perfection Pending,” Ensign, Nov. 1995, 86, 88).
Jereo koa ny 2 Petera 1:3–11; Môrônia 10:32–33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69; Jeffrey R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 40–42.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Matio 5:1–9.Inona no fitsipika ampianarina ao amin’ny Matio 5:1–9 izay afaka manampy ny tokantranonao ho toerana misy hafaliana kokoa? Afaka misafidy ny iray na ny roa amin’ireo izay toa manan-danja indrindra amin’ny fianakavianao ianao. Ohatra hoe: Inona no fampianarana hitanao fa afaka manampy antsika ho lasa mpampihavana? (jereo ny Matio 5:21–25, 38–44). Inona ireo tanjona azontsika apetraka? Ahoana no hijerenao ny fivoaran’izany?
-
Matio 5:13.Miaraha mihinana sakafo nasiana sira ary avy eo dia miaraha mihinana izany sakafo izany ihany saingy tsy nasiana sira. Inona no fahasamihafana tsikaritsika? Inona no dikan’izany hoe “fanasin’ny tany” izany? Ahoana no hanaovantsika izany?
-
Matio 5:14–16.Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny dikan’ny hoe “fahazavan’izao tontolo izao” dia azonao karohina ireo loharanom-pahazavana ao an-tokantranonao, eo amin’ny manodidina anao, ary eo amin’izao tontolo izao. Afaka manampy ny maneho ny zavatra mitranga rehefa takonana ny fahazavana. Inona no tian’i Jesoa holazaina rehefa niteny Izy hoe: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao”? (Matio 5:14). Iza no toy ny fahazavana ho an’ny fianakaviantsika? Ahoana no ahafahantsika ho tonga fahazavana ho an’ny hafa? (jereo ny 3 Nefia 18:16, 24–25).
-
Matio 5:43–45.Rehefa mamaky ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo ny fianakavianao dia azonareo atao ny miresaka mikasika ny olona manokana izay tsapanareo fa azonareo tiavina sy tahiana ary entina am-bavaka. Ahoana no ahafahantsika mampitombo ny fitiavantsika azy ireo?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Mamirata,” Bokin-kiran’ny ankizy,, 96.