Testamenta Vaovao 2023
27 febroary–5 martsa. Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7: “Ny finoanao no namonjy anao”


“27 febroary–5 martsa. Matio 8; Marka 2: -Ny finoanao no nahasitrana anao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“27 febroary–5 martsa. Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Jesoa manangana lehilahy iray avy eo amin’ny fandriana

27 febroary–5 martsa

Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7

“Ny finoanao no nahasitrana anao”

Rehefa mamaky ny Matio 8; Marka 2–4; ary ny Lioka 7 ianao amin’ity herinandro ity dia eritrereto ny momba ireo ankizy ampianarinao. Mivavaha mba hanomezan’ny Fanahy Masina anao hevitra izay hanampy azy ireo hahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara tantara iray momba ny fanatanterahan’i Jesoa fahagagana iray (jereo ny lisitry ny fahagagana ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Azonao atao koa ny mampiseho sary mifandray amin’izany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah 40).

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 8; Marka 2–3; Lioka 7

I Jesoa dia manana ny hery hanatanterahana fahagagana.

Rehefa mamaky mikasika ireo fahagagana momba ny fanasitranana nataon’ny Mpamonjy ianao dia eritrereto izay fahagagana tokony hozaraina. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny anjara asan’ny finoana ao anatin’ireo fahagagana notanterahan’i Jesoa?

Atrikasa azo atao

  • Zarao ny tantaran’ilay lehilahy nararin’ny paralysisa ao amin’ny Marka 2:1–12. Mba hahazoana fanampiana, dia jereo ny “Toko 23: Ilay lehilahy tsy afaka namindra,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 57–58). Hazavao fa ilay lehilahy nararin’ny paralysisa dia tsy afaka namindra. Ampio izy ireo hahafantatra fa io lehilahy io dia nositranin’ny Mpamonjy.

  • Asao ny ankizy mba hiresaka momba ny fotoana iray izay namparary azy ireo. Tantarao ny iray amin’ireo tantaran’i Jesoa manasitrana marary, toy ny Matio 8:1–4, 5–13, 14–15; Marka 3:1–5; Lioka 7:11–16. Asao ny ankizy hitantara ilay tantara amin’ny tenin’izy ireo manokana. Mijoroa ho vavolombelona fa ny herin’i Jesoa dia afaka manasitrana, sy mitahy ary mampionona antsika.

Matio 8; Marka 2–3; Lioka 7

Afaka mampiseho fitiavana ny hafa toy ny nataon’i Jesoa isika.

Naneho fitiavana lehibe tamin’ny alalan’ny fanasitranana ny marary sy ny ory i Jesoa. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampianatra ny ankizy mba haneho hatsaram-panahy amin’ny olona sahirana.

Atrikasa azo atao

  • Misafidiana tantara iray na mihoatra amin’ireo tantaran’i Jesoa maneho fitiavana amina olona sahirana, toy ireo ao amin’ny Matio 8:1–4, 5–13, 14–15; Marka 2:1–12; 3:1–5; Lioka 7:11–16. (Jereo ihany koa ilay horonan-tsary “La veuve de Naïn” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.) Zarao ny fotoana iray nanehoan’ny olona iray fitiavana anao nandritra ny fotoam-pahasahiranana iray sy ny zavatra tsapanao. Asao ireo ankizy hizara ny zavatra niainany.

  • Asao ny ankizy mba hizara toe-javatra hafa izay ahitana olona mety manana fahasahiranana. Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo?

  • Mihirà hira iray momba ny fanehoana fitiavana sy hatsaram-panahy amin’ny hafa, toy ny “Tsara fanahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 83).

Sary
I Jesoa ao anaty sambo mampitony tafio-drivotra

From Fear to Faith [Tahotra nanjary finoana], nataon’i Howard Lyon

Marka 4:35–41

Rehefa matahotra aho na tandindomin-doza dia afaka manampy ahy hahatsapa fiadanana i Jesoa.

Ny tantaran’i Jesoa nampitsahatra ny tafio-drivotra dia afaka manampy ny ankizy hahafantatra fa afaka manome fiadanana azy ireo Izy rehefa mahatsapa ho matahotra izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy haka sary an-tsaina hoe eny ambonin’ny sambo izy ireo rehefa mamaky ny Marka 4:35–41 ianao. (Jereo ihany koa ny “Toko 21: Nandidy ny rivotra sy ny onjan-drano i Jesoa,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta, 53.) Angataho ny ankizy mba hamariparitra ny mety ho tsapan’izy ireo raha toa ka teo izy ireo. Tamin’ny fotoana inona no natahotra ny ankizy? Ahoana no fomba nahitan’izy ireo fampaherezana?

  • Asao ny ankizy mba hanao ny feon’ny tafio-drivotra, dia hijanona rehefa misy olona miteny hoe “Mangina, mitsahara.” Mijoroa ho vavolombelona fa toy ny ahafahan’i Jesoa mitondra fiadanana ho antsika rehefa misy tafio-drivotra any ivelany, no ahafahany mitondra fiadanana ao am-pontsika koa rehefa mihotakotaka ao anatintsika ao.

  • Ampianaro fihetsika ireo ankizy hampifanarahana amin’ilay andiny fahatelo amin’ny “Tantarao ireo tantaran’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 57), ary iaraho mihira ilay andininy eo am-panaovana ireo fihetsika.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 8; Marka 2–3; Lioka 7

Afaka manatanteraka fahagagana eo amin’ny fiainako i Jesoa rehefa manana finoana Azy aho.

Nanao fahagagana maro i Jesoa nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra fa misy fahagagana amin’izao fotoana izao?

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy hisafidy iray amin’ireto fahaganana manaraka ireo mba hovakina sy hatao sary: Matio 8:1–4, 5–13, 14–15; Marka 2:1–12; 3:1–5; Lioka 7:11–16. Asao ny ankizy hanazava ny sary nataony amin’ny mpianatra. Inona no ianarantsika momba an’ i Jesoa avy ao amin’ireo tantara ireo?

  • Angataho ny ankizy mba hilalao an-tsehatra ny zavatra tsapany rehefa marary na malahelo na matahotra na miahiahy izy ireo. Ahoana no fomba ahafahan’i Jesoa manampy antsika rehefa manana ireo fahatsapana ireo isika? Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy ny ankizy ao anatin’ireo toe-javatra rehetra ireo i Jesoa.

  • Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainana rehefa nandray tsodranon’ny fisoronana izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahasitrana an’ilay olona na nahazoany fitahiana?

Marka 2:15–17; Lioka 7:36–50

Tian’i Jesoa isika na dia rehefa manota aza ary te hanampy antsika hibebaka Izy.

Ireo tantara ao amin’ny Marka 2:15–17 sy ny Lioka 7:36–50 dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fa tia antsika i Jesoa Kristy na dia rehefa manota aza isika. Te hanampy antsika hibebaka sy hanatona Azy Izy.

Atrikasa azo atao

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no zavatra tsapan’i Jesoa momba ny fahotana? sy ny hoe Inona no zavatra tsapan’i Jesoa momba antsika rehefa manota isika? . Angataho ny ankizy hieritreritra momba ireo fanontaniana ireo rehefa miara-mamaky ny Marka 2:15–17 sy hizara ny valin-tenin’izy ireo avy eo. (Azonareo atao ny miara-mamaky ny hoe “Mpamory hetra” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina [scriptures.ChurchofJesusChrist.org].) Nahoana no manan-danja ny fahafantarana fa tia antsika i Jesoa, na dia tsy tonga lafatra azy isika? Ahoana no anampian’ny fahafantarana izany antsika rehefa mila mibebaka isika?

  • Andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana dia asao ny ankizy iray sy ny olona iray ao amin’ny fianakaviany hiomana ka ho tonga ao am-pianarana vonona ny hizara ny tantara ao amin’ny Lioka 7:36–50. Azon’izy ireo atao ny manao sary maneho ny ampahany amin’ilay tantara mba haseho ny iray kilasy. Ifanakalozy hevitra amin’ny ankizy ny zavatra mety ho tian’ny Tompo hianarantsika avy amin’io tantara io.

Marka 4:35–41

Rehefa matahotra aho na tandindomin-doza dia afaka manampy ahy hahatsapa fiadanana i Jesoa.

Ny ankizy dia mila mahafantatra fa afaka manome fiadanana azy ireo ny Mpamonjy rehefa miatrika ireo olan’ny fiainana izy ireo, ankehitriny sy amin’ny hoavy.

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny iray amin’ireo ankizy mba hampiasa ny Marka 4:35–41 sy ny sary I Jesoa nampitsahatra ny tafio-drivotra (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.40) mba hitantarana ny tantaran’i Jesoa nampitony ny tafio-drivotra. Angataho ny ankizy mba hamariparitra ny mety ho tsapan’izy ireo raha toa ka teo izy ireo.

  • Asao ny ankizy hizara zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo fiadanana rehefa avy nivavaka nangataka fanampiana. Ampahatsiahivo izy ireo fa avy amin’ny Mpamonjy izany fiadanana izany.

  • Omeo taratasy miendrika rahona amin’ny fotoan’ny orana ny ankizy tsirairay dia angataho izy ireo mba hanoratra fitsapana iray izay mety mahazo ny olona iray. Apetaho eny amin’ny solaitrabe ny rahona rehetra izay anakonana sary irain’ny Mpamonjy. Asao ny ankizy iray mba hanala ny iray amin’ireo rahona dia hanolotra fomba ahafahantsika manampy olona iray manana fitsapana mba hahita fiadanana. Rehefa niala daholo ny rahona rehetra dia mijoroa ho vavolombelona mikasika ny hery ananan’ny Mpamonjy mba hampitony ny tafio-drivotry ny fiainantsika.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy mba hanoratra asa fanompoana iray hotanterahan’izy ireo amin’olona amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Mavitrika ny ankizy. Indraindray mety mahatsapa ianao fa ny fihetsiketsehan’ny ankizy dia manelingelina ny fianarana. Kanefa afaka manorina zavatra amin’ny alalan’ny toetran’izy ireo tia mihetsiketsika ianao amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo mba hilalao an-tsehatra tantara iray na hanao fihetsika izay mifanaraka amin’ny zava-miseho ao anatin’ny hira na soratra masina iray. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25.)

Hamoaka printy