Testamenta Vaovao 2023
Mampiditra ny hira masina ao amin’ny fianaranao ny filazantsara


“Mampiditra ny hira masina ao amin’ny fianaranao ny filazantsara,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“Mampiditra ny hira masina ao amin’ny fianaranao ny filazantsara,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Mampiditra ny hira masina ao amin’ny fianaranao ny filazantsara

Afaka hitahy anao sy ny fianakavianao amin’ny fomba maro ny fihirana ireo hiran’ny Kilonga sy ireo hira ao amin’ny Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy. Ireto hevitra ireto dia afaka ny hanampy anao hampiasa ireo hira masina rehefa miezaka ny mianatra sy miaina ny filazantsara ianao.

  • Mianara fitsipika ara-potopampianarana. Mitadiava fahamarinana izay ampianarina ao amin’ireo hira izay hirainao na henoinao. Izany dia mety hitarika fifanakalozan-kevitra momba ireo fahamarinana ireo mandritra ny tontolo andro. Mihirà na mihainoa hiran’ny Kilonga na hira ao amin’ny Cantiques sy ny Fihirana sy hiran’ny ankizy izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Mifantoha amin’ny fomba izay ijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny fampianarany.

  • Fantaro ny herin’ny hira. Ny fihirana na fihainoana hiran’ny Kilonga sy hira ao amin’ny Cantiques sy ny Fihirana sy hiran’ny ankizy dia afaka ny ho fitahiana amin’ny fotoana ilana fanampiana. Ohatra, afaka mampitony zaza iray amin’ny fotoana fatoriana sy mitondra fifaliana rehefa miara-miasa ny fianakavianao, sy mankahery ny mpifanolobodirindrina izay marary, na koa mampionona olona izay mahatsapa ahiahy ny fihirana hira iray.

  • Mizara ireo zavatra niainana. Zarao ny zavatra niainanao manokana na niainan’ny fianakavianao izay maneho ny hafatra ao amin’ireo hira. Azonao atao ihany koa ny mizara soratra masina mifandray amin’izany.

  • Ampandraiso anjara ny fianakavianao. Hianatra misimisy kokoa avy amin’ireo hira ny fianakavianao raha toa izy ireo ka mandray anjara mavitrika amin’izany. Mba hampandraisana anjara ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana dia azonao atao ny manasa ny zanaka izay efa lehibe mba hanampy hampianatra hira iray amin’ireo iray tam-po na hanasa ny ankizy mba hampianatra ny fianakaviana hira iray izay nianaran’izy ireo tao amin’ny Kilonga. Azonao atao ihany koa ny mamela ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana hifandimby hitarika hira.

  • Aoka ianao ho tia mamorona. Mampiasà fomba isan-karazany mba hiarahan’ny fianakaviana mianatra hira masina. Ohatra hoe, afaka mampiasa fihetsika izay mifanaraka amin’ny teny na andian-teny ao amin’ny hira iray ianareo. Na azonareo atao ny mifandimby milalao an-tsehatra ny ampahany amin’ny hira iray ka ny ambiny ao amin’ny fianakaviana dia miezaka mamantatra ilay hira. Mety ho ankafizin’ny fianakavianao ny mihira hira amin’ny hafainganam-pandeha tsy mitovy na amin’ny hamafin’ny feo tsy mitovy. Ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ny application Évangile pour les enfants dia manana raki-peo sy horonan-tsary izay afaka hanampy anao hianatra hira. Afaka manamboatra lisitra ahitana hira masina izay hohenoinao ihany koa ianao.

Raha mila hevitra fanampiny dia jereo ny fizarana “Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana” sy ny “Manampy ankizy hianatra sy hahatadidy ireo hiran’ny Kilonga sy Fihirana,” izay hita ao amin’ny “Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny Kilonga mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hamoaka printy