Testamenta Vaovao 2023
Mampianatra ankizy madinika


“Mampianatra ankizy madinika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“Mampianatra ankizy madinika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Mampianatra ankizy madinika

Raha misy ankizy madinika ao amin’ny fianakavianao dia ireto misy zavatra atao izay mety hanampy azy ireo hianatra:

  • Mihirà. Ny hira ao amin’ny fihirana sy ireo hira avy ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy dia mampianatra ny fotopampianarana amin’ny fomba mahery vaika. Ampiasao ny fanoroana lohahevitra manaraka ny abidia any amin’ny faran’ny Bokin-kiran’ny ankizy mba hahitana ireo hira izay mifandray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara ampianarinao. Ampio ny zanakao hampifandray ny hafatra ao amin’ireo hira amin’ny fiainan’izy ireo. (Jereo koa ny “Mampiditra ny hira masina ao amin’ny fianaranao ny filazantsara” ao anatin’ity loharanom-pitaovana ity.)

  • Mihainoa na milalaova tantara iray. Ny ankizy madinika dia tia tantara, avy amin’ny soratra masina, na avy amin’ny fiainanao, na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana, na ny tantaram-pianakavianao, ary avy amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana. Mitadiava fomba hampandraisana anjara azy ireo amin’ny fitantarana tantara. Afaka mitazona sary na zavatra izy ireo, na manao sarin’ny zavatra izay henony, na milalao an-tsehatra ilay tantara na manampy amin’ny fitantarana ilay tantara mihitsy aza. Ampio ny zanakao hahita ireo fahamarinana ara-pilazantsara ao anatin’ireo tantara izay zarainao.

  • Mamakia soratra masina. Mety tsy tena hahay hamaky teny loatra ny ankizy madinika, saingy mbola afaka mampanolo-tena azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Mety ho mila mifantoka amin’ny andininy na andian-teny manan-danja, na teny iray ianao. Mety afaka manao tsianjery andian-teny fohy avy amin’ny soratra masina mihitsy aza ireo ankizy kely rehefa mamerimberina kely izany. Rehefa mandre ny tenin’ Andriamanitra izy ireo dia hahatsapa ny Fanahy.

  • Mijere sary na horonan-tsary. Rehefa maneho sary na horonan-tsary mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara iray na tantara iray ao amin’ny soratra masina ianao dia ametraho fanontaniana izay manampy azy ireo hianatra avy amin’ny zavatra izay hitany izy ireo. Ohatra, azonao atao ny manontany hoe: “Inona no mitranga eo amin’io sary io na ao amin’io horonan-tsary io? Mahatonga anao hahatsapa inona izany?” Ny application Bibliothèque de l’Évangile, GospelMedia.ChurchofJesusChrist.org, ary ny children.ChurchofJesusChrist.org dia toerana tsara hitadiavana sary sy horonan-tsary.

  • Mamorona. Ny ankizy dia afaka manorina zavatra, na manao sary na mandoko zavatra mifanaraka amin’ny tantara na fitsipika izay ianarany.

  • Mandray anjara amin’ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Ny lesona tsotra ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia afaka manampy ny zanakao hahatakatra ny fitsipiky ny filazantsara iray izay sarotra takarina. Rehefa manao lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia mitadiava fomba ahafahan’ny zanakao mandray anjara. Hianatra kokoa izy ireo avy amin’ny fanaovana zavatra izay andraisana anjara toy izay mijery fampisehoan-javatra fotsiny.

  • Milalaova toe-javatra an-tsehatra. Rehefa milalao an-tsehatra toe-javatra iray izay hitranga eo amin’ny fiainany ny ankizy dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny fiantefan’ny fitsipiky ny filazantsara amin’ny fiainany.

  • Averimbereno ireo asa atao. Mety mila maheno hevitra imbetsaka ny ankizy madinika vao hahatakatra izany. Aza matahotra mamerina matetika tantara na asa atao. Ohatra hoe, mety hizara tantara ao amin’ny soratra masina imbetsaka amin’ny fomba samihafa ianao: mamaky ilay soratra masina, mamintina izany amin’ny teninao manokana, maneho horonan-tsary, mamela ny zanakao hanampy anao hitantara ilay tantara, manasa azy ireo hilalao an-tsehatra ilay tantara, sy ny sisa sy ny sisa.

Sary
Fianakaviana mandalina ny soratra masina

Hamoaka printy