Testamenta Vaovao 2023
Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina


“Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Reny sy zanaka mandalina ny soratra masina

Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina

Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina ataon’ny mpianakavy dia fomba iray mahery vaika hanampiana ny fianakavianao hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy hianatra ny filazantsara. Ny habetsaky ny fandalinana na ny halavan’ny fandalinana ataonao miaraka amin’ny fianakavianao dia tsy manan-danja noho ny ezaka tsy tapaka ataonareo amin’izany. Rehefa ataonao ampahany manan-danja eo amin’ny fiainam-pianakavianao ny fandalinana ny soratra masina dia hanampy ny olona ao amin’ny fianakavianao hanakaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hanorina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo eo amin’ny fanorenan’ny tenin’Andriamanitra ianao. Hevero ny hikaon-doha momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba hahafahan’ny fianakavianao mifamporisika handalina ny soratra masina samirery?

  • Inona no azon’ny olona ao amin’ny fianakavianao atao mba hamporisihana ny tsirairay hizara ny zavatra ianarany?

  • Ahoana no ahafahanao manamafy ireo fitsipika ianaranao ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ireo fotoana ampianaranao isan’andro?

Tadidio fa ny tokantrano no toerana tena tsara hianarana ny filazantsara. Afaka mianatra sy mampianatra ny filazantsara amin’ny fomba izay tsy ho azo tanterahina any amin’ny kilasy any am-piangonana ianao ao an-tokantrano. Mahaiza mamorona zavatra rehefa mieritreritra fomba hanampiana ny fianakavianao hianatra avy amin’ny soratra masina. Hevero ny hampiasa ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto hanatsarana ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina.

Sary
Fianakaviana sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana miara-mihira ao amin’ny tokantrano iray

Mampiasà hira

Mihirà hira hanamafisana ireo fitsipika ampianarin’ny soratra masina. Misy hira ao amin’ny fihirana na hiran’ny ankizy aroso mba hohiraina ao amin’ny rindran-damina isan-kerin’andro. Afaka manontany ny olona ao amin’ny fianakaviana momba ireo teny na andian-teny ao amin’ny tonon-kira ianao. Ankoatra ny fihirana dia afaka manao fihetsika mifanaraka amin’ireo hira ny fianakavianao na mihaino ny hira alefa moramora eo am-panaovana zavatra hafa. Mba hahitana hevitra misimisy kokoa dia jereo ny “Mampiditra ny hira masina ao anatin’ny fandalinanao ny filazantsara” ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity.

Mizara soratra masina manan-danja

Omeo fotoana hizarana andinin-tsoratra masina izay hitany fa manan-danja nandritra ny fandalinany manokana ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

Mampiasa ny teninao manokana

Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hamintina amin’ny tenin’izy ireo manokana ny zavatra ianarany avy amin’ny soratra masina izay halalininareo.

Mampihatra ny soratra masina amin’ny fiainanareo

Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hizara ireo fomba iharan’ilay andinin-tsoratra masina amin’ny fiainany.

Mametraka fanontaniana

Asao ny fianakavianao hametraka fanontaniana momba ny filazantsara ary avy eo hanokana fotoana hitadiavana ireo andininy izay afaka manampy amin’ny famaliana ilay fanontaniana.

Maneho soratra masina

Misafidiana andininy iray izay hitanao fa manan-danja ary arantio amin’ny toerana ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mahita azy matetika izany. Asao ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana hifandimby hisafidy soratra masina mba haranty.

Sary
Renim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany mandalina ny soratra masina

Manao lisitry ny soratra masina

Miaraha ianareo mianakavy misafidy ireo andinin-tsoratra masina maromaro izay tianareo horesahina mandritra ny herinandro ho avy.

Manao tsianjery soratra masina

Misafidiana soratra masina iray izay manan-danja amin’ny fianakavianao, dia asao ny olona ao amin’ny fianakavianao hanao tsianjery izany amin’ny alalan’ny famerenana izany isan’andro na ny fanaovana kilalao fitadidiana.

Mizara lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana

Mitadiava zavatra izay mifandray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara izay vakinao miaraka amin’ny fianakavianao. Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hiresaka momba ny fomba ifandraisan’ny zavatra tsirairay amin’ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina.

Misafidy lohahevitra

Avelao ny olona ao amin’ny fianakavianao hifandimby hisafidy lohahevitra izay hiarahan’ny fianakaviana mandalina. Ampiasao ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) hitadiavana andinin-tsoratra masina momba ilay lohahevitra.

Manao sary

Mamakia andinin-tsoratra masina vitsivitsy miaraka amin’ny fianakaviana ary avy eo dia omeo fotoana ny olona ao amin’ny fianakaviana hanao sarin-javatra izay mifandray amin’ny zavatra novakinareo. Manokàna fotoana hiresahana ny sary nataon’ny tsirairay.

Milalao an-tsehatra tantara iray

Rehefa avy mamaky tantara iray dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hilalao an-tsehatra izany. Aorian’izany dia mifanakaloza hevitra momba ny fomba ifandraisan’ilay tantara amin’ireo zavatra iainan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mampanantena aho fa rehefa miasa amim-pahavitrihana hanamboatra ny tokantranonareo ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara ianareo dia ho tena fahafinaretana ny andro Sabatanareo rehefa mandeha ny fotoana. Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo ary hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo. Ho lehibe sy hampahery ny fiovana eo amin’ny fianakavianareo” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113).

Hamoaka printy