Testamenta Vaovao 2023
Loharanom-pitaovana fanampiny


“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Fianakaviana mandalina ny soratra masina

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy, manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny tahadika vita printin’ny Cantiques sy ny Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Bokin-kiran’ny ankizy, dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Musique sacrée sy ny Bibliothèque de l’Évangile.

Boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota

Ny boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia manolotra fampahalalana fototra ara-tantara sy fanazavana ny fotopampianarana ho an’ireo fitsipika sy tantara hita ao amin’ny soratra masina.

Gazetibokin’ny Fiangonana

Ny gazetiboky Namana sy ny Ho zatovo mahery! ary ny Liahona dia ahitana tantara sy sahanasa izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Sujets de l’Évangile

Ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org), ianao dia afaka mahita fampahalalana ankapobeny momba ny lohahevitra mikasika ny filazantsara isan-karazany, miaraka amin’ireo rohy mankany amin’ireo loharanom-pitaovana manampy toy ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, lahatsoratra, soratra masina, ary horonan-tsary izay mifandray amin’izany. Ianao ihany koa dia afaka mijery ao amin’ny Essais sur des sujets de l’Évangile, izay manolotra fampahalalana lalina kokoa momba ireo fanontaniana mikasika ny fotopampianarana sy ny tantara, ary koa valim-panontaniana momba ny Fiangonana sy ireo fampianarany.

Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao

Ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao dia afaka manampy ny ankizy hianatra ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Afaka mahita ny horonan-tsary momba ireo tantara ireo koa ianao ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny GospelMedia.ChurchofJesusChrist.org.

Album de coloriage sur des histoires tirées des Écritures : Nouveau Testament

Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana pejy misy atrikasa fandokoana sary mahafinaritra izay natao hanatsarana ny fianaran’ireo ankizy ny Testamenta Vaovao.

Horonan-tsary sy asa kanto

Ireo asa haikanto, horonan-tsary, ary haino aman-jery hafa dia afaka manampy ny fianakavianao hahatakatra ny fotopampianarana sy hahazo sary an-tsaina ireo tantara hita ao amin’ny soratra masina. Tsidiho ny Médiathèque ao amin’ny GospelMedia.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny fitambaran’ireo haino aman-jery an’ny Fiangonana. Misy amin’ny endriny application ho an’ny fitaovana finday ihany koa ny Gospel Media. Sary maro izay azonao ampiasaina ao an-dakilasy no hita ao amin’ny Boky mirakitra sary mikasika ny filazantsara.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy.

Hamoaka printy