Testamenta Vaovao 2023
20–26 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”


“20–26 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“20–26 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Varimbazaha vonona ny hojinjaina

Martsa 20–26

Matio 13; Lioka 813

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”

Eo am-pamakianao ny Matio 13 sy ny Lioka 813, dia eritrereto ny fomba hiomananao “hihaino” sy hankasitraka ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo fanoharana ireo. Inona no hataonao hampiharana ireo fampianarana ireo eo amin’ny fiainanao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny sasany amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay tsy hay hadinoina dia tamin’ny endrika tantara tsotra antsoina hoe fanoharana. Tsy tantara fohy mahaliana mikasika zavatra na trangan-javatra tsotra fotsiny izy ireny. Mirakitra fahamarinana lalina momba ny fanjakan’ Andriamanitra izy ireny ho an’ireo izay vonona ara-panahy. Ny fanoharana momba ny mpamafy voa (jereo ny Matio 13:3–23), izay isan’ireo fanoharana voalohany voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia manasa antsika handinika ny fahavononantsika handray ny tenin’ Andriamanitra. “Fa izay mandray,” hoy ny nambaran’i Jesoa, “no homena, ka hanana be dia be izy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 13:12). Koa rehefa miomana ny handalina ireo fanoharan’ny Mpamonjy isika, na izay mety ho fampianarany, dia tsara ny manomboka izany amin’ny fandinihana ny fontsika ary mamaritra raha toa ka omentsika “tany tsara” (Matio 13:8) mba hitomboana sy hivelarana ary hiroboroboana ny tenin’ Andriamanitra, ka hamokatra voany izay hitahy be dia be antsika sy ny fianakaviantsika.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 13:3–23; Lioka 8:4–15; 13:6–9

Mila vonona handray ny tenin’ Andriamanitra ny foko.

Fa nahoana ny fontsika indraindray no vonona handray fahamarinana, fa alaim-panahy hanohitra izany kosa amin’ny fotoana hafa? Ny famakiana ny fanoharana momba ny mpamafy voa dia afaka manolotra fahafahana tsara hieritreretana momba ny hoe manao ahoana ny fandraisanao fahamarinana avy amin’ny Tompo. Mety hanampy ny mampifandray ny andininy 3–8 ao amin’ny Matio 13 amin’ireo fanazavana izany izay omena ao amin’ny andininy 18–23. Inona no azonao atao mba hikolokoloana “tany tsara” ao anatinao? Inona no mety ho “tsilo” izay mihazona anao tsy haheno sy hanaraka ny tenin’ Andriamanitra? Ahoana no hahafahanao mandresy ireo “tsilo” ireo?

Ny fandalinanao an’io fanoharana io dia mety hiantraika ihany koa amin’izay vakinao momba ny fanoharana ao amin’ny Lioka 13:6–9. Inona no “voa” katsahin’ny Tompo avy amintsika? Ahoana no hikolokoloantsika ny tanintsika mba hahatonga izany “hamoa”?

Jereo koa ny Môzià 2:9; Almà 12:10–11; 32:28–43; Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, mey 2015, 32–35.

Matio 13:24–35, 44–52; Lioka 13:18–21

Ny fanoharana nataon’i Jesoa dia manampy ahy hahatakatra ny fitomboan’ny Fiangonany sy izay hiafaran’izany.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ireo fanoharana ao amin’ny Matio 13 dia mamariparitra ny fitomboan’ny Fiangonana sy izay hiafarany amin’ny andro farany. Diniho ny zavatra ampianarin’ireto fanoharana ireto mikasika ny Fiangonan’ny Tompo:

Rehefa avy nandalina ireo fanoharana ireo ianao dia inona no tsapanao fa tokony hataonao mba handraisana anjara tanteraka kokoa amin’ny asan’ny Fiangonan’i Kristy amin’ny andro farany?

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanjakan’ Andriamanitra na Fanjakan’ny Lanitra,” “Fanoharana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
vato soa

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia “vato soa izay saro-bidy” (Matio 13:46).

Matio 13:24–30, 36–43

Ny tsara dia tsy maintsy miroborobo eo anivon’ny ratsy mandra-pahatapitr’izao tontolo izao.

Ny fomba iray azo hamakafakana io fanoharana io dia ny fanaovana ny sarin’izany ary ny fanoratana eo akaikin’izany ireo fanazavana ao amin’ny Matio 13:36–43 sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7. Ny tsimparifary dia “voa misy poizina izay mitovy endrika amin’ny varimbazaha [mandra-pahatonga azy ho salohy] (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tsimparifary”). Fahamarinana inona ao amin’io fanoharana io no mitaona anao hijanona ho mahatoky na dia eo aza ny ratsy eo amin’izao tontolo izao?

Lioka 8:1–3

Tamin’ny fomba ahoana no nanompoan’ny “vehivavy sasany” ny Mpamonjy?

“Niara-dia tamin’i Jesoa sy ny Roambinifololahy ireo mpianatra vehivavy, ka nianatra zavatra ara-panahy avy tamin’i Jesoa ary nanompo Azy ara-batana. … Ankoatra ny fandraisana ny fanompoana nataon’i Jesoa, izay ny vaovao mahafalin’ny filazantsarany sy ireo fitahian’ny heriny manasitrana, dia nanompo Azy ireo vehivavy ireo, nanome ny fananany sy ny fanoloran-tenany” (Filles dans mon roƴaume [2017], 4). Ny vehivavy nanaraka ny Mpamonjy dia nizara fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba Azy ihany koa (jereo ny Linda K. Burton, “Vehivavy “matoky tena”,” Liahona, mey 2017, 12–15).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 13.Rehefa mamaky ireo fanoharan’ny Mpamonjy ny olona ao amin’ny fianakavianao dia mety ho tian’izy ireo ny hieritreritra ny fanoharana nataon’izy ireo manokana izay mampianatra fahamarinana mitovy amin’izany mikasika ny fanjakan’ny lanitra (ny Fiangonana), amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra na toe-javatra tsy vaovao amin’izy ireo.

Matio 13:3–23; Lioka 8:4–15.Aorian’ny fiarahana mamaky ilay fanoharana momba ny mpamafy voa dia azon’ny fianakavianao atao ny mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Inona no mety hahatonga ny “tan[intsika]” (ny fontsika) ho “marivo ambony vatolampy” na “mangeja” ny teny? Ahoana no fomba hakantsika antoka fa tsara sy mamoa ny tanintsika?

Raha manana zanaka mbola kely ianao ao amin’ny fianakavianao, dia mety hahafinaritra ny manasa olona ao amin’ny fianakaviana hilalao an-tsehatra fomba samihafa hanomanana ny fo hihaino ny tenin’ Andriamanitra ary ny hafa kosa maminavina ny zavatra ataon’izy ireo.

Matio 13:13–16.Ahoana no hanampianao ny olona ao amin’ny fianakavianao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fandraisana an-tsitrapo ny tenin’i Kristy? Mba hanehoana ny hoe “lalodalovana ny sofiny,” dia azonao atao ny manampina ny sofin’ny olona ao amin’ny fianakaviana eo am-pamakianao moramora ny Matio 13:13–16. Inona no zavatra azon’ilay olona ao amin’ny fianakaviana avy amin’ireo andininy ireo? Inona avy ireo fomba hahafahantsika manokatra ny masontsika sy ny sofintsika ary ny fontsika amin’ny tenin’ Andriamanitra?

Matio 13:44–46.Inona no mampitovy ireo olona roa ao amin’ireo fanoharana ireo? Misy zavatra fanampiny ve tokony hataontsika manokana sy hataon’ny mpianakavy mba hametrahana ny fanjakan’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika?

Lioka 13:11–17.Moa ve ny olona ao amin’ny fianakaviana efa niaina zavatra izay nahatonga azy ireo hahatsapa ho “tsy nahatraka akory”? Mahafantatra olona hafa mahatsapa ho toy izany ve isika? Ahoana no ahafahantsika manampy? Ahoana no “[hamahan’]” ny Mpamonjy antsika amin’ny rofintsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Nous répandons des semences,” Cantiques, no. 140.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova tsianjery soratra masina iray. Misafidiana soratra masina iray izay tena manan-danja manokana amin’ny fianakavianao, dia asao ny olona ao amin’ny fianakavianao hanao tsianjery izany. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ny soratra masina anankiray notadidiana dia lasa namana maharitra izay tsy mety lefin’ny fotoana mandalo” (“Ny herin’ny soratra masina,” Liahona,, nôv. 2011, 6).

Sary
Lehilahy mamafy voa

Parable of the Sower [Fanoharana ny amin’ny mpamafy], nataon’i George Soper

Hamoaka printy