Testamenta Vaovao 2023
17–23 aprily. Matio 18; Lioka 10: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”


“17–23 aprily. Matio 18; Lioka 10: -Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“17–23 aprily. Matio 18; Lioka 10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Ilay Samaritana tsara fanahy

The Good Samaritan [Ilay Samaritana tsara fanahy], nataon’i Dan Burr

17–23 aprily

Matio 18; Lioka 10

“Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”

Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ny Matio 18 sy Lioka 10 izay ilain’ny ankizy fantarina? Henoy ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mamaky ireo toko ireo ianao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy amin’ny fitarihana ny fandalinanao, ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Amporisiho ireo ankizy mba hizara zavatra izay nianarany momba an’i Jesoa Kristy tany an-trano na tao amin’ny Kilonga.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 18:21–35

Tokony hamela ny hafa hatrany aho.

Rehefa mamaky ny Matio 18:21–35 ianao dia diniho ireo zavatra niainanao mahakasika ny famelana sy ny zavatra ilain’ny ankizy fantarina momba izany fitsipika izany.

Atrikasa azo atao

  • Tantarao ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo (jereo ny Matio 18:23–35). Hazavao fa rehefa ratsy fanahy sy tsy manao ny rariny amintsika ny olona iray dia tena mety hahatsapa ho tezitra na malahelo isika amin’ny voalohany. Kanefa ny famelana dia midika fa afaka ny hahatsapa fiadanana indray isika. Rehefa mamela olona iray isika, dia manapa-kevitra ny tsy ho tezitra aminy intsony. (Ampio ireo ankizy hahatakatra fa raha misy olona iray ratsy fanahy na tsy manao ny rariny aminy, dia tokony hangataka fanampiana avy amin’ny ray aman-dreniny na olon-dehibe hafa atokisana izy ireo.)

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Mamela anao aho dia lazao ny ankizy fa ireo teny ireo dia afaka manampy mba hanovana ireo fotoana mampalahelo ho fotoana feno fifaliana. Manaova sarina tarehy malahelo eny amin’ny solaitrabe, dia mizarà ohatra vitsivitsy mikasika ny ankizy izay mifamela. Isaky ny vita ny ohatra iray dia asao ny ankizy iray mba hanova ilay endrika malahelo amin’ny endrika faly iray.

  • Mihirà hira iray momba ny famelan-keloka miaraka amin’ireo ankizy, toy ny “Ray ô, ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52). Mijoroa ho vavolombelona fa hanampy antsika hamela ny hafa ny Ray any An-danitra.

Lioka 10:25–37

Nampianatra ahy i Jesoa mba hahita ny olona rehetra ho toy ny namako ary hitia azy ireo.

Ilay fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy dia afaka mampiseho amin’ireo ankizy hoe iza no namantsika ary ahoana ny fomba tokony hitondrantsika azy ireny. Mieritrereta fomba ahafahanao mamporisika ny ankizy “[handeha, mba hanao] … toy izany koa” (Lioka 10:37).

Atrikasa azo atao

  • Anontanio ny ankizy tsirairay hoe “Iza no namany?” Fintino ny tantara ao amin’ny Lioka 10:25–37, ary zarao ny fomba namalian’i Jesoa io fanontaniana io. Inona no nampianarin’i Jesoa momba ny fomba tokony hitondrantsika ny namantsika?

  • Vakio ny Lioka 10:25–37 sady milalao an-tsehatra ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ny ankizy. Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahany ho toy ilay Samaritana tsara fanahy amin’ny fanehoana fitia sy hatsaram-panahy amin’ny hafa.

  • Manorata karazana toe-javatra vitsivitsy izay ahitana olona mila fanampiana, dia afeno manerana ny efitrano ireo taratasy ireo. Asaivo tadiavin’ny ankizy ireo taratasy ireo. Vakio ireo toe-javatra ary asao ny ankizy hizara ny fomba ahafahan’izy ireo mampiseho hatsaram-panahy amin’ilay olona ao anatin’ilay toe-javatra.

  • Mihirà hira iray momba ny fahatsaram-panahy miaraka amin’ireo ankizy, toy ny “Hoy i Jesoa: “Tiavo avokoa ireo namanao”” na “Tsara fanahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 39, 83). Ampio ireo ankizy hieritreritra fomba vitsivitsy hanehoan’izy ireo fitia sy hatsaram-panahy amin’ny hafa. Azon’izy ireo atao koa ny manao ny sarin’ny tenany manao ireo zavatra ireo.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 18:21–35

Hamela ahy ny Ray any An-danitra rehefa mamela ny hafa aho.

Ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo dia afaka ny ho fomba mendrika hotsaroana mba hampianarana azy ireo fa tian’ny Raintsika any An-danitra isika mba hamela ny rehetra.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Matio 18:23–35. Hazavao fa ilay mpanjaka na tompo dia maneho ny Ray any An-danitra, ilay mpanompo dia maneho antsika, ary ilay mpanompo namany dia maneho ireo izay nanao ratsy tamintsika. Apetraho amin’ireo ankizy ny fanontaniana sahala amin’ ny hoe: “Inona no ampianarin’io tantara io momba ny fomba tokony hitondrantsika ny hafa? Oviana ianao no nahita hoe sarotra ny mamela olona iray? Ahoana ny fomba nanesoranao ireo fahatsapana ho voaratra ireo? Oviana ianao no nila nahazo famelana noho ny safidy ratsy nataonao?”

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanaovana kajy ny 70 × 7, dia ampio ny ankizy hahita ny valiny. Mangataha olona iray mba hamaky ny Matio 18:21–22, ary hazavao fa i Jesoa dia nampiasa io tarehimarika io mba hampianarana antsika hoe tokony hamela hatrany isika.

  • Angataho ny ankizy mba hanampy anao hieritreritra toe-javatra vitsivitsy izay mety ilan’ny olona iray mamela olona iray hafa. Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny fomba ahafahan’izy ireo maneho famelana ao anatin’ireo toe-javatra ireo.

  • Mihirà hira iray momba ny famelan-keloka miaraka amin’ireo ankizy, toy ny “Ray ô, ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52). Ampio ireo ankizy hahatakatra izay ampianarin’io hira io antsika momba ny famelana ny hafa.

Lioka 10:30–37

Afaka mitia sy manompo ny hafa aho, indrindra ireo izay sahirana.

Saintsaino ny fotoana teo amin’ny fiainanao manokana izay nisian’ny olona iray nanao toy ilay “Samaritana tsara fanahy” taminao. Ahoana no ahafahanao mamporisika ny ankizy ho toy ilay “Samaritana tsara fanahy” amin’ny hafa?

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba hamaky moramora ampahany ao amin’ilay fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy. Asao ny ankizy hitantara ny ampahany nomena azy amin’ilay fanorahana manaraka ny filaharan’ireo zava-nitranga.

  • Hazavao amin’ny ankizy fa tena tsy tian’ny Jiosy ny Samaritana ka rehefa manao dia miala any Jerosalema mankany Galilia izy ireo dia manodidina any ivelan’i Samaria mba hisorohana ny fifanenana amin’ny Samaritana. Nahoana no nampiasain’i Jesoa ny Samaritana iray mba ho ohatra amin’ny fanehoana hatsaram-panahy ao anatin’ity fanoharana ity? Inona no ampianarin’io tantara io antsika mikasika ny fanampiana ny hafa izay sahirana? (Jereo koa ny Môzià 4:16–22.)

  • Angataho ny ankizy mba hizara zavatra niainana iray izay nahitana olona iray nanao toy ilay Samaritana tsara fanahy tamin’izy ireo.

  • Asaivo mametraka tanjona mba ho tahaka ilay Samaritana tsara fanahy ny ankizy amin’ity herinandro ity. Azonao atao ny manontany azy ireo hoe mahafantatra olona izay marary na irery na olona mahalana vao miangona ve izy ireo. Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahany manampy izany olona izany. Ampio ireo ankizy hahatakatra hoe manampy azy ireo hanatanteraka ny fampanantenana nataony tamin’ny batisa amin’ny fomba ahoana ny fanompoana ny hafa (jereo ny Môzià 18:8–10).

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hizara amin’ny fianakaviany izay kasainy hatao mba hamela heloka kokoa na ho tahaka ilay Samaritana tsara fanahy kokoa amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny ankizy hirakitra ireo zavatra tsapa. Rehefa afaka mianatra manana fahazarana mirakitra ireo zavatra tsapa ny ankizy dia hanampy azy ireo hamantatra sy hanaraka ny Fanahy izany. Ny ankizy dia afaka mirakitra ireo zavatra tsapa amin’ny alalan’ny fanasiana marika ny soratra masina, na fanaovana sary, na manoratra zavatra tsotra ao anatin’ny diary.

Hamoaka printy