Testamenta Vaovao 2023
3–9 aprily. Paska: “Ry fahafatesana o, aiza ny fandresenao?”


“3–9 aprily. Paska: -Ry fahafatesana o, aiza ny fandresenao?,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga 2023 (2022)

“3–9 aprily. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Zaridainam-pasana

3–9 aprily

Paska

“Ry fahafatesana o, aiza ny fandresenao?”

Ampiasao ny fotoanao miaraka amin’ny ankizy mba hanampiana azy ireo hahita ny Paska ho vanim-potoana iray hifaliana ao amin’ny Mpamonjy sy hampiorenam-paka ny fankasitrahan’izy ireo ny sorona nataony. Ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity dia azo ovaina mba hanampiana anao hampianatra ny ankizy amin’ny sokajin-taona rehetra.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy tao Getsemane sy teo ambony hazo fijaliana ary taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56–60). Asaivo mizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ireo tranga miseho amin’ny sary ny ankizy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

Rehefa mamaky momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatsapa fa tena tia azy ireo i Jesoa.

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa ny sary iray misy an’i Jesoa ary asaivo mizara izay fantatr’izy ireo momba ny zavatra nataony ho antsika ireo ankizy. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny heriny mba hamonjy antsika amin’ny ota. Hazony ambony ny fitaratra iray ary avelao ny ankizy hifandimby hijery ao anatin’izany. Rehefa manao izany ny ankizy tsirairay dia lazao hoe: “Tia an’i [anaran’ilay ankizy] i Jesoa, ary afaka manampy an’i [anaran’ilay ankizy] Izy mba hiaina indray miaraka amin’ny Ray any An-danitra.”

  • Asehoy ilay sary hoe Mivavaka ao Getsemane i Jesoa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56) rehefa mitantara ny tantaran’i Jesoa nijaly tao Getsemane noho ny fahotan’izao tontolo izao ianao (jereo ny Matio 26:36–46; Lioka 22:39–44). Mijoroa ho vavolombelona fa noho ny fijaliany dia afaka ny ho voavela isika rehefa manao safidy ratsy. Azonao ampiasaina koa ny “Toko 51: I Jesoa nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 129–32, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fitiavan’i Jesoa antsika, toy ny hoe “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42). Ampio ireo ankizy hamantatra ireo teny ao amin’ny hira izay manoritsoritra ny fitiavan’ny Mpamonjy. Inona no manampy antsika hahatsapa ny fitiavany? Ahoana no hanampiantsika ny hafa hahatsapa ny fitiavany?

Sary
I Kristy miaraka amin’i Maria eo amin’ny fasana foana

He is Risen [Efa nitsangana Izy], nataon’i Greg Olsen

Satria maty i Jesoa ary nitsangana tamin’ny maty dia hiaina indray aho.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty isika sy ireo olon-tiantsika indray andro any.

Atrikasa azo atao

  • Ampianaro ny ankizy ny tantaran’ny Paska ka ampiasao ireo sarin’i Kristy tao Getsemane, teo ambony hazo fijaliana, ary taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56–60 sy ilay sary mameno pejy iray manontolo ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Avelao ny ankizy vitsivitsy mba hihazona ireo sary eo am-pitantaranao ilay tantara. Tantarao amin’ny ankizy ny momba ireo olona vitsivitsy izay nahita an’i Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, toa an’i Maria (jereo ny Jaona 20:1–18) na i Tomasy (jereo ny Jaona 20:24–29).

  • Anontanio ny ankizy ny antony ankalazantsika ny Paska. Hazavao fa ankalazaintsika amin’ny Paska ny andro nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Anontanio raha toa ka misy ankizy te hizara ny zavatra ataon’ny fianakaviany mba hahatsiarovana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

  • Hazavao fa ny hoe mitsangana amin’ny maty dia midika hoe velona indray rehefa avy maty isika. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty isika. Ho velona indray isika rehefa avy maty, ary tsy ho faty na oviana na oviana intsony isika.

  • Mampiasà fonon-tanana iray mba hampianarana ny ankizy fa manana vatana iray isika rehetra (aseho amin’ny alalan’ilay fonon-tanana) ary fanahy iray (aseho amin’ny alalan’ny tanana). Rehefa maty isika dia misaraka ny fanahintsika sy ny vatantsika. Mitohy miaina ny fanahintsika, fa tsy mitohy miaina kosa ny vatantsika. Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia miverina mikambana indray ny fanahintsika sy ny vatantsika. Avelao ny ankizy hifandimby hanao ilay fonon-tanana sy hanala izany.

  • Miaraha mihira hiran’ny Paska iray, toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” na “Nitsangana indray Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45, 44), ary asehoy ny ankizy ireo sarin’i Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 59–61).

  • Mampisehoa sarin’olona iray fantatrao izay efa nodimandry. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hitsangana amin’ny maty izy noho ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Nijaly tao Getsemane sy teo ambony hazofijaliana ho ahy i Jesoa Kristy.

Eo am-pandalinanao ny soratra masina amin’ity herinandro ity, dia saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ireo ankizy hampiorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Atrikasa azo atao

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Lioka 22:39–44 sy ireo andininy voafantina avy ao amin’ny Matio 27:29–50. Asao izy ireo mba hikaroka ireo teny izay manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra niainan’ny Mpamonjy tao Getsemane sy teo ambony hazo fijaliana.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny fanekem-pinoana fahatelo. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia manana hery hanavotana antsika amin’ny fahotana sy ny amin’ny fahafatesana.

  • Ampio ny ankizy hanomana lahateny fohy momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay azon’izy ireo zaraina amin’ny hafa. Amporisiho izy ireo mba hampiditra soratra masina iray sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ao anatin’ny lahateniny. Raha mila fanampiana izy ireo dia afaka mijery ny hoe “Sorompanavotana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Satria maty i Jesoa ary nitsangana tamin’ny maty dia hiaina indray aho.

Ireo ankizy ampianarinao dia handalo fotoana izay hahafahafatesan’ny olona ankamamiana iray indray andro any raha tsy hoe efa niaina izany izy ireo. Ampio izy ireo hahafantatra fa satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra.

Atrikasa azo atao

  • Asehoy ny sary lah. 57–59 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, ary asaivo mampitovy ireo sary amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny ankizy: Matio 27:29–38, 59–60; Jaona 20:10–18.

  • Asao ny ankizy hamaky manokana ny “Fitsanganana amin’ny maty” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) ka hitady zavatra izay tian’izy ireo ampianarina ny fifanakaviany. Omeo fotoana ny ankizy mba hizara ny zavatra hitany.

  • Ampio ny ankizy hijery ao amin’ny lohahevitra manaraka ny abidia ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy mba hahitana hira iray izay tian’izy ireo hiraina momba an’i Jesoa Kristy na ny Fitsanganana amin’ny maty. Hirao miaraka ilay hira, ary anontanio ny ankizy ny zavatra nianarany avy tamin’io hira io.

  •  Manasà ankizy vitsivitsy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. (Azonao atao ny miangavy ireo ankizy ireo andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana mba hahafahan’izy ireo miomana). Asao ny ankizy hanoratra ny fijoroana ho vavolombelona ananany mba hozaraina any an-trano.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanampiana ny ankizy hizara ny zavatra nianarany amin’ny fianakaviany, dia amporisiho izy ireo mba hihira hira iray momba an’i Jesoa Kristy any an-tokantrano amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Mahazo tombontsoa avy amin’ny famerimberenana ny ankizy. Aza matahotra ny hamerina imbetsaka ireo atrikasa, indrindra miaraka amin’ireo ankizy kely. Hanampy ny ankizy hahatadidy ny zavatra ampianarinao ny famerimberenana.

Hamoaka printy