Testamenta Vaovao 2023
10–16 aprily. Matio 15–17; Marka 7–9: “Hianao no Kristy”


“10–16 aprily. Matio 15–17; Marka 7–9: -Hianao no Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“10–16 aprily. Matio 15–17; Marka 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Fiovan’i Kristy tarehy

The Transfiguration [Ny fiovan-tarehy], nataon’i Carl Heinrich Bloch

10–16 aprily

Matio 15–17; Marka 7–9

“Hianao no Kristy”

Eo am-pisaintsainanao ny Matio 15–17 sy ny Marka 7–9, dia henoy ireo fitaomam-panahy izay afaka manampy anao hahafantatra ny zavatra ilain’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy hizara ny antony mahafeno fankasitrahana azy ireo noho ny amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, anisan’izany ny mpaminany sy apôstôly ary ireo mpitarika eo an-toerana. Inona no zavatra norenesintsika hoe nampianarin’izy ireo vao haingana?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 16:13–17

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona aho fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ny fijoroana ho vavolombelon’i Petera sy ny valin-tenin’i Jesoa mba hampianarana ny ankizy ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona sy hitaomana azy ireo hikatsaka ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana.

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy mba hihaino izay nolazain’i Petera rehefa mamaky ny Matio 16:15–17 ianao. (Jereo ihany koa ny “Toko 32: I Petera mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamanta Vaovao, 76–77, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Hazavao fa nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy i Petera. Vakio indray ireo andinin-tsoratra masina.  (Na asehoy indray ilay horonan-tsary.) Izao dia asaivo henoin’ny ankizy hoe tamin’iza no nilazan’i Petera fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa.

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy, ary hazavao ny fomba nahazoanao izany. Asao ny ankizy mba hikatsaka ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana avy amin’ny Ray any An-danitra.

Matio 16:15–19

Manome ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ny Fiangonana amin’ireo mpaminany sy apôstôly i Jesoa Kristy.

Nampitahain’ny Mpamonjy tamin’ny vato iray ny fanambarana ary tamin’ny fanalahidy ny fahefan’ny fisoronana. Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ireo fampitahana ireo mba hanampiana ny ankizy hino an’ireo izay mitarika ny Fiangonany?

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa vato iray amin’ny ankizy rehefa mamaky ny Matio 16:18 miaraka amin’izy ireo ianao. Avereno miaraka amin’izy ireo ilay andian-teny hoe, “ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako,” ka ampio fihetsika miaraka amin’ireo teny. Hazavao fa ny Fiangonana dia miorina eo ambonin’ny “vatolampin’”ny fanambarana.

  • Mampisehoa fanalahidy vitsivitsy amin’ny ankizy ary anontanio hoe inona no ampiasantsika fanalahidy. Hazavao fa i Petera sy ireo apôstôly hafa dia nahazo ireo fanalahidin’ny fisoronana avy tamin’i Jesoa. Ireo fanalahidy ireo dia “mamaha” ireo fitahiana ho antsika ary manokatra ny lalana mankany an-danitra. Ohatra, ireo fanalahidin’ny fisoronana dia mamela antsika hatao batisa sy handray ny fanasan’ny Tompo. Omeo fanalahidy vita amin’ny taratasy ny ankizy ary asaivo manoratra fitahiana vitsivitsy izay “vahan’”ny fanalahidin’ny fisoronana.

  • Ampisehoy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mihazona ireo fanalahidy rehetran’ny fisoronana izy ankehitriny, tahaka an’i Petera tamin’izany.

Sary
Sarivongan’i Petera mihazona fanalahidy

Ireo fanalahidin’ny fisoronana no fahefana hitarihana ny fampiasana ny fisoronana.

Matio 17:19–20

Afaka mahavita fahagagana ny finoako.

Rehefa mamaky ny fampanantenan’i Jesoa ianao fa ny finoana tahaka ny voan-tsinapy dia afaka mamindra tendrombohitra, dia inona ireo fahatsapana azonao momba ireo ankizy ampianarinao?

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Matio17:19–20. Asao izy ireo hifandimby hanao sarina tendrombohitra lehibe sy voa kely eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa ny tendrombohitra dia toy ireo zavatra izay sarotra amintsika ny manao azy. Inona avy ireo zavatra vitsivitsy izay mety ho toy ny tendrombohitra ho antsika? Ampiasao ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hieritreritra momba ny fomba ahafahan’ny finoana manampy azy ireo hanao ireo zavatra tian’ Andriamanitra ataon’izy ireo.

  • Mametraha sarin’ny tendrombohitra iray eo amin’ny lafy ilana amin’ny efitrano. Asaivo milaza izay azon’izy ireo atao mba hahazoana finoana bebe kokoa an’i Jesoa ny ankizy. Avelao ny ankizy tsirairay izay mandroso hevitra iray mba hanakisaka ilay tendrombohitra hanakaiky ny ilany iray hafa amin’ny efitrano. Vakio ny Matio 17:19–20, ary mijoroa ho vavolombelona momba ny herin’ny finoana eo amin’ny fiainanao.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny finoana, toy ny “Finoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50). Omeo voa iray mba ho entiny mody ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo mba hamboly ilay voa ary hametraka izany eo amin’ny toerana izay ahafahan’izy ireo mahita izany mitombo, hanampiana azy ireo hahatsiaro mba hanana finoana ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 16:13–17

Ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia tonga amin’ny alalan’ny fanambarana.

Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fijoroana ho vavolombelona nozarain’i Petera ao amin’ny Matio 16:13–17 ny ankizy rehefa manorina ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Anontanio ny ankizy izay holazain’izy ireo raha toa ka manontany ny olona iray hoe: “Iza moa i Jesoa?” Asao ny ankizy hamaky ny Matio 16:13–17 hahitana ny fomba namalian’i Petera izany fanontaniana izany. Ahoana no nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa? Inona no azontsika atao mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Ampio ireo ankizy hampitaha ny fomba ahafantarantsika ireo fahamarinana ara-panahy amin’ireo fomba ahafantarantsika ireo fahamarinana hafa. Ohatra, ahoana no ahafantarantsika ny halavan’ny olona iray na hoe manao ahoana ny toetrandro? Ahoana no ahafantarantsika fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra? Lazao amin’ireo ankizy ny fomba nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona taminao momba ny Mpamonjy.

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy, ary omeo fanamby ny ankizy mba hahazo na hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana.

Matio 16:15–19

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tarihin’ireo izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana.

Ny fandalinana ny Matio 16:15–19 dia afaka manorina ny finoan’ny ankizy fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana izay natsangan’i Jesoa fony Izy niaina teto ambonin’ny tany.

Atrikasa azo atao

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny Matio 16:19 ka aza soratana ny teny vitsivitsy, anisan’izany ny teny hoe “fanalahidy.” Asaivo tadiavin’ny ankizy ireo teny tsy eo.

  •   Avereno jerena ny “Fanalahidin’ny Fisoronana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Inona no atao hoe fanalahidin’ny fisoronana? Inona no hitovian’ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny tena fanalahidy?

  • Ampio ny ankizy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo olona vitsivitsy izay manana ireo fanalahidin’ny fisoronana. Ny hoe “Fanalahidin’ny Fisoronana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) dia ahitana lisitra izay afaka manampy azy ireo. Asao ny olona iray ao amin’ny paroasinao izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana mba hiresaka fohifohy amin’ny mpianatra ny antony maha-manan-danja an’ireo fanalahidy ireo.

  • Afeno eran’ny efitrano ny fanalahidy maromaro (na sarina fanalahidy) ary asao ny ankizy hitady izany. Rehefa hita ny fanalahidy tsirairay dia ampio ny ankizy hieritreritra ireo fitahiana sitrahantsika noho ireo fanalahidin’ny fisoronana (ohatra: fianakaviana mandrakizay, batisa, ary ny fanasan’ny Tompo).

Matio 17:1–9

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia milazalaza ny iray amin’ireo fotoana vitsy ao amin’ny soratra masina izay nahenoana ny feon’ Andriamanitra Ray mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Zanaka Malalany. Afaka manorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ny fandalinana ity tantara ity miaraka amin’ny ankizy.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny zava-nitranga izay voalaza ao amin’ny Matio 17:1–9. Asaivo mifanazava ny sary nataony izy ireo. (Jereo ny “Toko 33: Fisehoana Amim-boninahitra: Ilay Fiovan-tarehy,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 78–79, na ny horonan-tsaray mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.)

  • Omeo fotoana ireo ankizy mba hisaintsainany hoe inona no ampianarin’ilay tantara ao amin’ny Matio 17:1–9 azy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hanoratra ny eritreriny eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo ankizy mba hizara ny fomba ahafantaran’izy ireo fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanontany ny ray aman-dreniny na ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana ny fomba nahazoan’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira. Ireo hiran’ny kilonga sy fihirana dia afaka manampy ny ankizy amin’ny taona rehetra mba hahatakatra sy hahatsiaro ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ny fihirana dia afaka mihazona ny ankizy hazoto handray anjara amin’ny fianarana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22.)

Hamoaka printy