Testamenta Vaovao 2023
24–30 aprily. Jaona 7–10: “Izaho no Mpiandry Tsara”


“24–30 aprily. Jaona 7–10: -Izaho no Mpiandry Tsara,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“24–30 aprily. Jaona 7–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Jesoa sy vehivavy iray niankohoka amin’ny tany

Neither Do I Condemn Thee [Izaho koa dia tsy manameloka anao], nataon’i Eva Koleva Timothy

24–30 aprily

Jaona 7–10

“Izaho no Mpiandry Tsara”

Rehefa mamaky ny Jaona 7–10 ianao dia mieritrereta an’ireo ankizy ampianarinao. Maro amin’ireo hevitra ho an’ny ankizy lehibe ao anatin’ity rindran-damina ity no azo amboarina koa ho an’ny ankizy madinika, dia mety koa ny mifamadika amin’izay.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampatsiahivo ny ankizy ny zavatra nanasanao azy ireo mba hataony tamin’ny lesona teo aloha. Angataho izy ireo hizara ny zavatra nataon’izy ireo nampiharana ilay fanasana.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jaona 7:14–17

Ny fitandremana ny didy dia afaka manampy ahy hahafantatra fa marina izany.

Nampianatra i Jesoa fa afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana nozarainy isika rehefa miaina izany. Ny fiadanana tsapantsika rehefa mankatò ny didy isika dia manampy antsika hahafantatra fa marina izy ireny. Hevero ny mety ho fomba hampianaranao io fahamarinana io amin’ny ankizy.

Atrikasa azo atao

  • Fintino amin’ny alalan’ny teny ho takatry ny ankizy ny Jaona 7:17. Ampio izy ireo hahafantatra fa ny fankatoavana ireo didy dia manampy antsika hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Ohatra, azonareo atao ny miara-mihira hira toy ny “Hajao ireo didy” na “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68–69, 82–83). Angataho ny ankizy mba hihaino ny fitahiana ho azontsika rehefa mitandrina ny didy isika.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nahazoanao fijoroana ho vavolombelona fa avy amin’ Andriamanitra ny didy iray satria niainanao izany didy izany, toy ny fandoavana fahafolonkarena na famelana olona iray izay ratsy fanahy. Asao ny ankizy hieritreritra zavatra niainany iray tamin’izy ireo nankatò didy iray. Angataho izy ireo hizara ny fahatsapan’izy ireo tamin’izy ireo nankatò izy ireo.

  • Angataho ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo mankatò didy iray. (Ampio izy ireo hieritreritra ohatra.) Asao izy ireo hifampizara ny sarin’izy ireo ary hifampiresaka momba ny fahasambarana tsapan’izy ireo avy amin’ny fankatoavana izany didy izany.

Jaona 8:29

Nankatò ny Rainy i Jesoa Kristy.

Nanao zavatra izay nahafaly foana ny Rainy any An-danitra i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahita fomba hanarahana ny ohatra nasehony?

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hamerina ny zavatra nolazain’i Jesoa mikasika ny Ray any An-danitra ao amin’ny Jaona 8:29: “Izaho manao izay sitrany mandrakariva.” Angataho izy ireo mba hizara zavatra nataon’i Jesoa izay nahafaly ny Ray any An-danitra. Mampisehoa sary avy ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara mba hanomezana hevitra azy ireo.

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra mitondra hafaliana ho azy ireo. Na asao ny ray na ny renin’ny iray amin’ireo ankizy mba hizara zavatra niainana iray izay nanaovan’ilay ankizy zavatra nahafinaritra na nahafaly ilay ray na reny. Inona no azontsika atao mba hitondrana fifaliana ho an’ny Ray any An-danitra? Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ny tenan’izy ireo manao ireo asa ireo mba hoentiny any an-trano ho toy ny mpampahatsiahy azy ireo.

Jaona 10:1–16

Fantatr’i Jesoa aho ary tiany.

Ny fanoharana momba ilay mpiandry tsara dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fa i Jesoa dia tia azy ireo ary mahafantatra hoe iza izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Omeo sary izay maneho zavatra hita ao amin’ilay fanoharana momba ilay mpiandry tsara, toy ny ondry, mpiandry ondry, na ambodia ny ankizy. Misafidiana andininy sasantsasany avy ao amin’ny Jaona 10:1–16 mba hovakina amin’ny ankizy, ary angataho izy ireo hihazona ambony ny sarin’izy ireo rehefa mandre anao mamaky momba ny zavatra eo amin’ny sariny izy ireo. Ampio ireo ankizy hieritreritra momba ireo fomba ahafahan’i Jesoa ho toy ny mpiandry ondry ho antsika. Mijoroa ho vavolombelona fa tia antsika ny Mpamonjy ary hitantana antsika hiverina any Aminy Izy.

  • Asehoy ny sarin’i Jesoa sy ireo zanak’ondry ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ahoana no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’ondry i Jesoa? Ahoana no ahafahantsika miteny fa tia an’i Jesoa ireo zanak’ondry? Ahoana no fomba hanehoantsika amin’i Jesoa fa tia Azy isika?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jaona 7:14–17

Ny fitandremana ny didy dia afaka manampy ahy hahafantatra fa marina izany.

Ianao sy ny ankizy ampianarinao dia mety efa niaina zavatra tamin’ny fiainana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy tamin’ny fahafantarana fa marina izy ireo. Ahoana no fomba ahafahanao mifototra amin’ireo zavatra niainana ireo rehefa mampianatra ianao?

Atrikasa azo atao

  • Soraty amin’ny tapa-taratasy samihafa ny andininy tsirairay ao amin’ny Jaona 7:14–17 ary aparitaho eo fotsiny izy ireo. Angataho ny ankizy mba handamina izany araka ny filaharany dia hamaky ny Jaona 7:14–17 mba hahitana raha marina izany. Asao ny ankizy mba hizara ho tsiroadroa dia hizara ny fahatakaran’izy ireo ny andininy tsirairay amin’ilay miaraka miasa aminy. Ahoana no fomba nanampian’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra azy ireo hahafantatra fa marina izy ireo?

  • Mizarà ohatra avy ao amin’ny soratra masina izay mampiseho ny fitahiana azon’ny olona noho ny fiainana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, toa an’i Daniela (jereo ny Daniela 6) na Elisabeta (jereo ny Lioka 1:5–14). Inona avy ireo fitahiana izay nomena antsika noho ny fankatoavantsika ireo didy?

  • Andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana dia asao ny iray amin’ireo ankizy mba hanoratra mikasika ny fotoana iray izay nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba ny didy iray tamin’ny alalan’ny fiainana izany. Mandritra ny fotoam-pianarana dia angataho ilay ankizy hizara ny zavatra nosoratany.

Jaona 8:31–36

Afaka manafaka ahy ny fahamarinana.

Misy olona sasany mieritreritra fa mamehifehy azy ireo ny fiainana ny filazantsara. Ahoana no hahafahanao mampiasa ny Jaona 8:31–36 mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa raha ny marina dia manafaka antsika ny fiainana ny filazantsara?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky ny Jaona 8:31–36 ary hizara ny dikan’ny hoe andevon’ny ota araka ny eritreritr’izy ireo. Ahoana no fomba hanampian’ny fampianaran’i Jesoa antsika mba hahafaka antsika?

  • Mampisehoa hidim-baravarana iray mba hanehoana ny fahotana ary fanalahidy iray mba hanehoana fa afaka manafaka antsika ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ohatra, ny fahafantarana momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka manome fahafahana antsika mba hibebaka sy hahazo famelana amin’ny fahotantsika. Na ny fahalalana mikasika ny Tenin’ny Fahendrena dia afaka manome fahafahana antsika mba hisoroka ny fiankinan-doha.

Sary
I Kristy mampianatra ao amin’ny tempoly

Nampianatra i Jesoa hoe: “Ny marina hahafaka anareo” (Jaona 8:32).

Jaona 10:1–18

Toy ny mpiandry ondry i Jesoa ho ahy.

Rehefa mandalina ny fanoharana momba ilay mpiandry tsara ianao dia tadiavo ireo fahamarinana ampianariny mikasika ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy. Inona no fitahiana ho azon’ny ankizy rehefa mahafantatra ireo fahamarinana ireo izy?

Atrikasa azo atao

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe mpiandry tsara sy mpikarama. Hazavao fa ny atao hoe mpikarama dia olona iray izay ampiasaina mba hanao asa iray hahazoany vola. Asaivo tanisain’ny ankizy ny fahasamihafana hitan’izy ireo ao amin’ny Jaona 10:1–18 eo amin’ny mpiandry tsara sy ny mpikarama. Nahoana no hoe, aleonao manaraka ilay mpiandry tsara toy izay ilay mpikarama? Ahoana no maha-toy ny mpiandry ondry an’i Jesoa ho antsika?

  • Manaova sarina vavahady iray na mampisehoa sarina vavahady iray. Iaraho mamaky ny Jaona 10:7–9, dia anontanio ny ankizy hoe, nahoana i Jesoa no toy ny vavahady iray. Araka ny andininy 9, dia inona avy ireo fitahiana azon’ireo izay “[miditra]” amin’ilay vavahady? Ahoana no fomba hidirantsika amin’ilay vavahady natolotr’i Jesoa Kristy ho antsika?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hieritreritra didy iray izay vitan’izy ireo ny mankatò azy bebe kokoa. Angataho izy ireo mba hiezaka ny hankatò izany didy izany mandritra ny herinandro ho avy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana nentanim-panahy. Mametraha fanontaniana izay manasa ny ankizy ampianarinao hizara zavatra mihoatra noho ny mitatitra izay zava-niseho fotsiny. Aleo amporisihina izy ireo hizara fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ohatra, raha miresaka momba ny didy ianao, dia afaka mangataka ny ankizy mba hizara ny fitahiana azon’izy ireo tamin’ny fitandremana ny didy.

Hamoaka printy