Testamenta Vaovao 2023
17–23 aprily. Matio 18; Lioka 10: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”


“17–23 aprily. Matio 18; Lioka 10: -Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“17–23 aprily. Matio 18; Lioka 10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Ilay Samaritana tsara fanahy

The Good Samaritan [Ilay Samaritana tsara fanahy], nataon’i Dan Burr

17–23 aprily

Matio 18; Lioka 10

“Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”

Rehefa mamaky sy mandalina ombam-bavaka ny Matio 18 sy ny Lioka 10 ianao dia henoy tsara ny bitsika mangina avy amin’ny Fanahy Masina. Hilaza aminao ny fomba fiantefan’ireo fampianarana sy tantara ireo aminao Izy. Raketo ireo fahatsapana voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa manontany zavatra amin’ny Tompo ianao dia mety hahazo valiny izay tsy nampoizinao. Iza ary no namako? Izay rehetra mila ny fanampianao sy ny fitiavanao. Iza moa no lehibe indrindra ao amin ny fanjakan’ny lanitra? Ny ankizy. Ampy ve ny mamela heloka impito ny olona iray izay nanafintohina? Tsia, mila mamela heloka impitopolo impito ianao. (Jereo ny Lioka 10:29–37; Matio 18:4, 21–22.) Afaka manasa antsika hanova ny fomba fisainantsika sy ny fahatsapantsika zavatra ary ny fomba fanaovantsika zavatra ny valin-teny tsy nampoizina avy amin’ny Tompo. Raha mikatsaka ny sitrapon’ny Tompo ianao satria tena te hianatra avy Aminy marina, dia hampianatra anao ny fomba fiainana amin’ny fomba izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy Izy.

famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 18:21–35

Tsy maintsy mamela ny hafa aho raha te hahazo ny famelan’ny Tompo.

Mety ho mifono hatsaram-panahy lehibe tokoa ny tolo-kevitr’i Petera hoe afaka mamela olona impito izy, kanefa ny Tompo dia nampianatra lalàna ambony kokoa. Ilay valin-teniny manao hoe: “Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo” (andininy 22) dia tsy mampianatra momba izay isan’ny famelana tokony hatao fa mampianatra kosa mikasika ny fiezahana hanana toe-tsaina mahay mamela heloka. Rehefa mamaky ny amin’ny fanoharana momba ilay mpanompo ratsy fanahy ianao dia saintsaino ireo fotoana izay efa nahatsapanao ny famindram-po sy ny fangorahan’ Andriamanitra. Misy olona ve mila ny famindram-po sy ny fangorahanao?

Ny Loholona David E. Sorensen dia nanome ity fampitandremana manan-danja ity: “Na dia tsy maintsy mamela heloka ny mpiray monina iray izay nandratra antsika aza isika dia mbola tokony hiasa mafy hisorohana ny fiverimberenan’izany faharatrana izany. … Tsy mitaky antsika hanaiky na handefitra amin’ny ratsy ny famelan-keloka. … Kanefa rehefa miady amin’ny fahotana isika dia tsy azontsika avela hifehy ny eritreritsika na ny zavatra ataontsika ny fankahalana na ny fahatezerana” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Liahona, May 2003, 12).

Lioka 10:1–20

Iza moa ireo Fitopololahy?

Araka ny fomba natsangana tao amin’ny Testamenta Taloha (jereo ny Eksodosy 24:1; Nomery 11:16) dia “nanendry olona hafa koa [ny Tompo], dia [fitopolo] lahy,” ankoatra ireo Apôstôliny Roambinifolo, mba hijoro ho vavolombelona ny Aminy sy hitory ny filazantsarany ary hanampy Azy amin’ny asany. Mbola mitohy izany fomba izany ao amin’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny. Ny Fitopololahy dia antsoina mba hanampy ny Roambinifololahy amin’ny andraikiny amin’ny maha-vavolombelon’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao azy ireo.

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:25–26, 33–34, 97.

Lioka 10:25–37

Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mitia an’ Andriamanitra sy mitia ny namako tahaka ny tenako aho.

Tena manampy ny fitadidiana fa ilay fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy dia fomba namalian’i Jesoa fanontaniana anankiroa: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” sy “Iza ary no namako?” (Lioka 10:25, 29). Rehefa mamaky io fanoharana io ianao dia tadidio ireo fanontaniana ireo. Inona no valiny hitanao?

Tamin’ny andron’i Jesoa dia naharitra [taonjato] maro ny fifankahalana teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana. Ny Samaritana dia taranaka Jiosy nipetraka tao Samaria izay nifanambady tamin’ny Jentilisa. Nahatsapa ny Jiosy fa ny Samaritana dia lasa simban’ny fifangaroan’izy ireo tamin’ny Jentilisa ary nihemotra. Nivily lalana an-kilaometatra maro ny Jiosy rehefa mandeha mba tsy handalovana an’i Samaria. (Jereo koa ny Lioka 9:52–54; 17:11–18; Jaona 4:9; 8:48.)

Nahoana araka ny eritreritrao ny Mpamonjy no nisafidy ny Samaritana, olona izay halan’ny Jiosy, mba hatao ohatra izay maneho olona iray feno fangorahana sy fitiavana ny namany? Mitaona anao hanao inona io fanoharana io?

Jereo koa ny Môzià 2:17.

5:11

Lioka 10:38–42

Mifidy “ny anjara tsara” isika amin’ny alalan’ny fanaovana safidy isan’andro izay mitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

Ao amin’ny Lioka 10:38–42, i Jesoa dia nanasa an’i Marta tamim-pitiavana mba hieritreritra amin’ny fomba hafa ny fomba nandaniany ny fotoany. Rehefa avy nindrana ireo andininy ireo Rahavavy Carol F. McConkie dia nampianatra hoe: “Mba hahatonga antsika ho masina dia tsy maintsy mianatra mipetraka eo anilan’ny tongotry ny Iray Masin’ny Isiraely isika ary manome fotoana ho an’ny fahamasinana. Moa ve isika mamela ny finday sy ny lisitra lava be ahitana ireo zavatra mila atao ary ny fieritreretana ireo zavatr’izao tontolo izao? Ny vavaka, ny fandalinana ary ny fanarahana ny tenin’ Andriamanitra dia manasa ilay fitiavany manadio sy manasitrana ho ao amin’ny fanahintsika. Ndeha isika haka fotoana mba ho masina mba hahatonga antsika ho heniky ny Fanahiny masina sy manamasina” (“Ny hatsaran’ny fahamasinana,” Liahona, mey 2017, 10–11). Azonao dinihina ny fomba andanianao ny fotoanao, na amin’ny zavatra tsara aza. Misy zavatra “ilaina” kokoa (andininy 42) izay mendrika ny hifantohanao kokoa ve?

famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 18:1–11.Nahoana isika no tian’i Jesoa ho lasa tahaka ny zaza madinika? Inona avy ireo toetra ananan’ny ankizy ka azontsika ezahina ananana mba ho lasa hitovy kokoa amin’i Kristy (jereo ny Môzià 3:19).

I Jesoa miaraka amin’ny ankizy

Tian’i Jesoa ireo mpianany mba ho lasa tahaka ny zaza madinika.

Matio 18:15.Ahoana no ahafahantsika mampihatra ilay torohevitra ao amin’ny Matio 18:15 amin’ireo fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika? Nahoana no hitahy ny fianakaviantsika ny fanaovana izany?

Matio 18:21–35.Inona no ampianarin’io fanoharana io antsika momba an’i Jesoa Kristy? Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny fomba tokony hitondrantsika ny hafa?

Lioka 10:25–37.Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny hanao fitafiana entina milalao tantara ka hilalao an-tsehatra io fanoharana io. Inona indraindray no mampitovy antsika amin’ireo olona samihafa ao amin’ilay fanoharana? Inona no mampitovy ny Mpamonjy amin’ilay Samaritana tsara fanahy? Ahoana no ahafahantsika ho tonga tahaka ilay Samaritana tsara fanahy?

Azonareo atao ny miara-mihira hira ao amin’ny fihirana na hiran’ny kilonga izay manohana ireo fahamarinana ao amin’io fanoharana io. Ohatra iray amin’izany ny “Seigneur, je te suivrai” (Cantiques, no. 141), kanefa misy maro hafa koa. Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny hitady hira ao amin’ny fihirana na hira iray dia hanazava ny zavatra mampifandray izany amin’ilay fanoharana.

Lioka 10:38–42.Sarotra ve ny mampiditra zavatra ara-panahy ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fianakavianao? Ny tantaran’i Maria sy i Marta dia mety hanome hevitra ny filankevitry ny mpianakavy na ny takarivan’ny mpianakavy mikasika ny fomba hanaovana izany amin’ny fomba tsaratsara kokoa. Rehefa miaraka amin’ny mpianakavy dia afaka manao lisitra ny fomba ahafahana misafidy ilay “anjara tsara” ianareo (Lioka 10:42).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira haroso mba hohiraina: “Hoy Jesoa: Tiavo avokoa ireo namanao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 39.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikolokoloa tontolo iray feno fitiavana. Ny zavatra tsapan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana momba ny tsirairay avy amin’izy ireo sy ny fifampitondran’izy ireo dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny tontolon’ny tokantranonao. Ampio ny rehetra ao amin’ny fianakavianao hanao ny anjarany amin’ny fanorenana tokantrano feno fitiavana sy fanajana mba hahazo aina ny tsirairay hizara ireo zavatra niainana na fanontaniana na fijoroana ho vavolombelona. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,15.)

I Kristy niaraka tamin’i Maria sy i Marta

Christ in the Home of Mary and Martha [I Kristy ao an-tranon’i Maria sy i Marta], nataon’i Walter Rane