Testamenta Vaovao 2023
10–16 aprily. Matio 15–17; Marka 7–9: “Hianao no Kristy”


“10–16 aprily. Matio 15–17; Marka 7–9: -Hianao no Kristy,-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“10–16 aprily. Matio 15–17; Marka 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Fiovan’i Kristy tarehy

The Transfiguration [Ny fiovan-tarehy], nataon’i Carl Heinrich Bloch

10–16 aprily

Matio 15–17; Marka 7–9

“Hianao no Kristy”

Ny famakiana ny soratra masina dia manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainanao. Iray amin’ireo iraka manan-danja ampanaovina ny Fanahy Masina ny mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Eo am-pamakianao ny soratra masina amin’ity herinandro ity dia henoy tsara ireo fahatsapana ara-panahy izay mankahery ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tsy hafahafa ve hoe ny Fariseo sy ny Sadoseo indray no hangataka an’i Jesoa mba haneho “famantarana … avy any an-danitra”? Tsy efa ampy ve ireo fahagagana malaza nataony? Dia ahoana ny amin’ireo fampianarana mahery vaika nomeny na ireo fomba maro nahatanterahany ireo faminaniana fahiny? Tsy ny tsy fisian’ny famantarana no nitaona azy ireo hangataka fa ny tsy fahavononany hamantatra famantarana ary hanaiky izany. (Jereo ny Matio 16:1–4.)

I Petera, tahaka ireo Fariseo sy Sadoseo, dia nahita maso ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy ary nahare ny fampianarany. Saingy ilay tenivavolombelon’i Petera izay tsy miova hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona” dia tsy avy amin’ny retsipamantarany ara-batana (ny “nofo aman-drà”). Ny fijoroana ho vavolombelony dia nambara taminy tamin’ny alalan’ny “Rai[ntsika] Izay any an-danitra.” Ny fanambarana no ilay vatolampy nanorenan’ny Mpamonjy ny Fiangonany, tamin’izany sy amin’izao, dia ny fanambarana avy any an-danitra ho an’ireo mpanompony. Ary eo ambonin’io vatolampy io no ahafahantsika manorina ny maha-mpianatra antsika, dia ny fanambarana fa i Jesoa no Kristy ary ireo mpanompony dia mihazona ireo “fanalahidin’ny fanjakana.” Rehefa miorina eo ambonin’izany fototra izany isika, “ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita [dia] tsy haharesy [antsika]” (Matio 16:15–19).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 16:13–17

Tonga amin’ny alalan’ny fanambarana ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Raha toa ka hanontany ny olona ankehitriny i Jesoa Kristy hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?”, dia inona no ho lazain’izy ireo? Inona no havalinao raha manontany anao i Jesoa hoe: “Ataonao ho iza moa Aho?” (Jereo ny Matio 16:13–15.)

Saintsaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy sy ny fomba nahazoanao izany. Inona no ianaranao avy amin’ny Matio 16:15–17 izay mety hampatanjaka izany? Raha te hianatra kokoa mikasika ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana ianao dia fakafakao ireto soratra masina ireto: Jaona 15:26; 2 Nefia 31:17–18; Almà 5:45–48; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.

Matio 16:13–19; 17:1–9; Marka 9:2–9

“Ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” dia eto an-tany amin’izao fotoana izao.

Ny “fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” izay nampanantenain’ny Mpamonjy an’i Petera dia ireo fanalahidin’ny fisoronana (Matio 16:19). Inona no atao hoe fanalahidin’ny fisoronana? Nahoana isika no mila azy ireny? Saintsaino ireo fanontaniana ireo eo am-pamakianao momba ny fampanantenan’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 16:13–19 ary ny fahatanterahan’izany ao amin’ny Matio 17:1–9; Marka 9:2–9 (jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 9:3).

Isan’ireo loharanom-pitaovana hafa hanampiana anao hianatra mikasika ireo fanalahidin’ny fisoronana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2; 107:18–20; 110:11–16; 128:9–11; “Fanalahidin’ny fisoronana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org); ary ny hafatry ny Loholona Gary E. Stevenson manao hoe “Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana??,” (Liahona, mey 2016, 29–32). Rehefa mandalina ireo loharanom-pitaovana ireo ianao dia hevero ny hanao lisitra ny zavatra nianaranao momba ny fanalahidin’ny fisoronana sy ireo fitahiana azo avy amin’izy ireo. Nahoana araka ny hevitrao ny lakile no tandindona tsara anehoana ny zo hitarika ny asa fanompoana ao amin’ny fisoronana?

Jereo ihany koa ny Dallin H. Oaks, “Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy,” Liahona, mey 2020, 69–72; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fiovan-tarehy.”

Sary
sarivongan’i Petera mihazona fanalahidy

Ireo fanalahidin’ny fisoronana no fahefana hitarihana ny fampiasana ny fisoronana.

Matio 17:14–21; Marka 9:14–29

Rehefa mikatsaka ny hanana finoana lehibe kokoa aho dia afaka manomboka amin’ny finoana izay efa ananako.

Ilay ray voalaza ao amin’ny Matio 17 sy ny Marka 9 dia nanana antony hisalasalana hoe afaka hanasitrana ny zanany i Jesoa. Nangataka ny mpianatr’i Jesoa izy mba hanasitrana ny zanany fa tsy nahavita ireo. Saingy rehefa nangatahany hanao fahagagana ny Mpamonjy dia nisafidy ny haneho finoana izy. “[Tompo ô,] mino aho,” hoy izy. Ary avy eo tao anatin’ny fiaikena fa tsy tonga lafatra ny finoany, dia nampiany hoe: “Vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako.”

Inona no ampianarin’ny Fanahy anao rehefa mamaky momba io fahagagana io ianao? Ahoana no nanampian’ny Ray any An-danitra anao hampitombo ny finoanao? Inona no azonao atao mba hiaingana amin’ny finoana izay efa anananao? Azonao atao angamba ny manao lisitra ahitana soratra masina, na hafatra avy tamin’ny fihaonambe, na zavatra niainana izay nampatanjaka ny finoanao.

Jereo ihany koa ny Jeffrey R. Holland, “Tompo ô, Mino aho,” Liahona, mey 2013, 93–95.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 15:7–9; Marka 7:6–7.Inona no maha samy hafa ny manaja an’ Andriamanitra amin’ny molotrao, izany hoe ny teninao, amin’ny hoe manaja Azy amin’ny fonao?

Matio 15:17–20; Marka 7:18–23.Nahoana isika no mila mitandrina amin’ny zavatra ampidirintsika ao am-bavantsika? Miainga amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa ao amin’ireo andininy ireo, dia nahoana isika no tokony hitandrina misimisy kokoa aza amin’ny zavatra izay mivoaka amin’ny vavantsika—ary ireo zavatra avy ao am-pontsika? Ahoana no hitandrovantsika ny fontsika mba hadio hatrany?

Matio 16:15–17.Ahoana no hanambaran’ Andriamanitra amintsika fa i Jesoa no “Kristy, Zanak’ Andriamanitra”? (andininy 16). Ahoana no hanomanantsika ny tenantsika mba handray an’io fanambarana io avy Aminy?

Matio 16:13–19; 17:1–9.Mba hampianarana ny ankizy momba ny fanalahidin’ny fisoronana dia azonao tantaraina ny tantaran’ny Loholona Gary E. Stevenson tamin’izy voahidy tany ivelan’ny fiarany ((jereo ny “Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana?,” [Liahona, mey 2016, 29–32]) ChurchofJesusChrist.org). Azonao atao ny mamela ireo ankizy hampiasa fanalahidy mba hanokafana ny trano na ny fiara na zavatra mihidy hafa. Mampisehoa sarin’ny Filohan’ny Fiangonana iray ary mijoroa ho vavolombelona fa mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra izy, tahaka an’i Petera mihitsy.

Matio 17:20.Efa nahafindra tendrombohitra tena izy ireo mpaminany nanam-pinoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Jakôba 4:6; Mosesy 7:13). Raha ny mahazatra anefa tsy izany no fahagagana ilaintsika. Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Raha manana finoana kely tahaka ny voan-tsinapy isika dia afaka manampy antsika ny Tompo hamindra ireo tendrombohitry ny fahaketrahana sy ny fisalasalana amin’ny andraikitra izay miandry antsika eo am-piarahantsika manompo amin’ireo zanak’ Andriamanitra, tafiditra amin’izany ny ao amin’ny fianakaviana, ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary ireo izay mbola tsy mpikamban’ny Fiangonana” (“Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 10). Inona avy ireo tendrombohitra sasany eo amin’ny fiainantsika izay ilaina afindra? Ahoana no ahafahantsika maneho finoana ny herin’ Andriamanitra izay manampy antsika hanala ireo tendrombohitra ireo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Oui, je crois en Christ,” Cantiques, no. 71.

Manatsara ny fampianarantsika

Miaraha mivory matetika. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “[Aza avela] velively handalo fotsiny amin’izao ny ny fotoana iray ahafahana manangonana miaraka ny zanaka mba hianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Ny fotoana toy izany dia mahalana raha oharina amin’ny ezaka ataon’ilay fahavalo” (“The Power of Teaching Doctrine,” Ensign, May 1999, 74).

Sary
lehilahy manan-janaka marary eo anoloan’i Jesoa

Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy