Testamenta Vaovao 2023
22–28 mey. Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21: “[Ho] tonga ny Zanak’olona”


“22–28 mey. Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21: -[Ho] tonga ny Zanak’olona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023 (2022)

“22–28 mey. Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Fiaviana Fanindroany

Ny Fiaviana Fanindroany, nataon’i Harry Anderson

22–28 mey

Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21

“[Ho] tonga ny Zanak’olona”

Eo am-pamakianao ny Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; ary ny Lioka 21, dia mety hanontany ianao hoe, “Inona no hafatra ao anatin’ireo toko ireo ho ahy? ho an’ny fianakaviako? ho an’ny antsoko?”

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tsy maintsy ho nahita ilay faminaniany ho mahagaga ireo mpianatr’i Jesoa: ny tempoly maherin’i Jerosalema, ilay ivontoerana ara-panahy sy ara-kolontsain’ny vahoaka Jiosy, dia ho rava tanteraka ka “tsy havela hisy vato hifanongoa … ka tsy horavana.” Mazava ho azy fa naniry ny hahafantatra misimisy kokoa ireo mpianatra. “Rahoviana no hisy ireo zavatra … ireo?” hoy izy ireo nanontany. “Ary inona no famantarana ny fiavianao?” (Joseph Smith—Matio 1:2–4). Ny valin-tenin’ny Mpamonjy dia nanambara fa ny fandravana lehibe izay hahazo an’i Jerosalema, izay faminaniana tanteraka tamin’ny taona 70 taorian’ny J.K., dia ho kely raha ampitahaina amin’ireo famantarana ny fiaviany amin’ny andro farany. Ireo zavatra izay hita fa marin-toerana kokoa noho ny tempolin’i Jerosalema dia tsy haharitra, toy ny masoandro, ny volana, ny kintana, ireo firenena, ary ny ranomasina. Na “ny herin’ny lanitra [aza] hohozongozonina” (Joseph Smith—Matio 1:33). Raha mitandrina ny ara-panahy isika dia afaka mampianatra antsika hitoky amin’ny zavatra tena maharitra ireo korontana ireo. Nampanantena i Jesoa hoe: “Ho levona ny lanitra sy ny tany, [fa ny teniko] tsy ho levona kosa. … Ary na zovy na zovy no mirakitra ny teniko dia tsy ho voafitaka” (Joseph Smith—Matio 1:35, 37).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Inona no atao hoe Joseph Smith—Matio?

Ny Joseph Smith—Matio, izay hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy dia Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy farany ao amin’ny Matio 23 ary ny Matio 24 manontolo. Ny fanitsiana azo avy amin’ny fanentanam-panahy nataon’i Joseph Smith dia namerina tamin’ny laoniny fahamarinana sarobidy maro izay very. Ny andininy 12–21 dia miresaka ny fandravana an’i Jerosalema taloha; ny andininy 21–55 dia mirakitra faminaniana mikasika ny andro farany.

Joseph Smith—Matio 1:21–37; Marka 13:21–37; Lioka 21:25–38

Ireo faminaniana momba ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany dia afaka manampy ahy hiatrika amim-pinoana ny hoavy.

Mety hampatahotra ny mamaky ny momba ireo zavatra hiseho mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany. Saingy rehefa naminany ny amin’ireo tranga ireo i Jesoa dia nilaza tamin’ireo mpianany Izy mba “tsy hatahotra” (Joseph Smith—Matio 1:23). Ahoana no ahafahanao “tsy hatahotra” rehefa maheno mikasika ny horohoron-tany, ny ady, ny fitaka, ary ny mosary? Eritrereto io fanontaniana io rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao. Asio marika na soraty izay torohevitra manome toky hitanao.

Jereo ihany koa ny Sujets de l’Évangile, “Seconde venue de Jésus-Christ,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Joseph Smith—Matio 1:26–27, 38–55; Matio 25:1–13; Lioka 21:29–36

Tsy maintsy mivonona mandrakariva amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany aho.

Andriamanitra dia tsy nanambara “ny andro na ny ora [izay hiavian’ny Zanak’olona]” (Matio 25:13). Saingy tsy tiany “ho avy tampoka [amintsika] tahaka ny fandrika” izany andro izany (Lioka 21:34), ka nanome torohevitra antsika Izy mikasika ny fomba fiomanana.

Eo am-pamakianao ireo andininy ireo dia fantaro ireo fanoharana sy ireo fampitahana hafa nampiasain’ny Mpamonjy hampianarana antsika ny tokony hahavonona antsika mandrakariva amin’ny Fiaviany fanindroany. Inona no ianaranao avy amin’izany? Inona no tsapanao fa tokony hataonao?

Azonao dinihana ihany koa ny fomba tian’ny Mpamonjy hanampianao izao tontolo izao hiomana ho amin’ny Fiaviany fanindroany. Inona aminao ny dikan’ny hoe vonona ny handray ny Mpamonjy rehefa tonga Izy? Ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo” (Liahona, mey 2019, 81–84) dia afaka manampy anao hisaintsaina ny amin’izany.

Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 73–76.

Matio 25:14–30

Miandry ny hampiasako ireo fanomezany amim-pahendrena ny Ray any An-danitra.

Ao amin’ny fanoharan’ny Mpamonjy, ny “talenta” dia entina ilazana vola. Saingy ilay fanoharana momba ny talenta dia afaka manosika antsika hisaintsaina ny fomba ampiasantsika izay mety ho fitahiana azontsika, fa tsy ny vola fotsiny. Rehefa voavakinao io fanoharana io dia azonao tanisaina ireo fitahiana sy andraikitra sasany izay nankinin’ny Ray any An-danitra taminao. Inona no andrasany mba hataonao amin’ireo fitahiana ireo? Ahoana no ahafahanao mampiasa amim-pahendrena kokoa ireo fanomezana ireo?

Matio 25:31–46

Rehefa manompo ny hafa aho, dia manompo an’ Andriamanitra.

Raha toa ka efa nanontany tena ianao hoe ahoana no hitsaran’ny Tompo ny fiainanao, dia vakio ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy. Araka ny hevitrao dia nahoana ny fikarakarana ireo izay sahirana no hanampy anao hiomana “handova ny fanjakan[’ Andriamanitra]”?

Inona no mampitovy an’io fanoharana io amin’ireo roa hafa ao amin’ny Matio 25? Inona no hafatra iraisan’izy telo ireo?

Jereo koa ny Môzià 2:17; 5:13.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Joseph Smith—Matio.Mba hanampiana ny fianakavianao hamakafaka ity toko ity dia asao izy ireo hitady ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fomba ahafahantsika miomana amin’ny Fiaviany fanindroany (jereo mba hahitana ohatra ny andininy 22–23, 29–30, 37, 46–48). Inona no azontsika atao mba hanarahana io torohevitra io? Mety ho ankafizin’ny fianakavianao ny hihira ny “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46) sy ny fanaovana sary ny fahitany izay mety ho endrik’izany Fiaviany fanindroany izany.

Joseph Smith—Matio 1:22, 37.Inona no dikan’ny hoe mirakitra ao am-po ny tenin’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahantsika manao izany manokana ary amin’ny maha-mpianakavy antsika? Ahoana no hanampian’izany antsika mba tsy ho voafitaka?

Matio 25:1–13.Azonao ampiasaina ny sarin’ireo virijiny folo miaraka amin’ity rindran-damina ity mba hifanakalozana hevitra ny ao amin’ny Matio 25:1–13. Inona avy ireo singa hitanao ao amin’ilay sary ka fariparitana ao amin’ireo andininy ireo?

Azonao atao ny manapatapaka taratasy mba hiendrika menaka mitete ary manafina azy ireo eraky ny tranonao. Azonao apetaka amin’ny zavatra toy ny soratra masina na sarina tempoly ireo taratasy kely miendrika menaka mitete ireo. Rehefa hitan’ny olona ao amin’ny fianakaviana ireo taratasy kely miendrika menaka mitete ireo dia azonareo resadresahana ny fomba hanampian’ireo zavatra ireo antsika hiomana amin’ny Fiaviana fanindroany.

Marka 12:38–44; Lioka 21:1–4.Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fiheveran’ny Mpamonjy ny fanatitra atolotsika? Asehoy an’ny fianakavianao ny fomba fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin’ny Tompo. Ahoana no hanampian’ireo fanatitra ireo amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra? Inona ihany koa no fomba hafa hahafahantsika manolotra “izay rehetra [ananantsika]” ho an’ny Tompo? (Marka 12:44).

Sary
Vehivavy mandrotsaka vola ao anaty boaty

Widow’s Mite [Ny farantsakelin’ilay mpitondratena], nataon’i Sandra Rast

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Raha ho avy indray Kristy,” Bokin-kiran’ny ankizy,, 46–47.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Omano ny toerana ianarana. “Hisy fiantraikany lalina eo amin’ny fahafahantsika mianatra sy mahatsapa ny fahamarinana ny zava-misy ao amin’ny toerana ianarantsika” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy15). Miezaha mitady toerana hianarana ny filazantsara izay hanasa ny herin’ny Fanahy Masina. Ny hira sy ny sary mankahery ny saina amam-panahy dia afaka manasa ihany koa ny Fanahy.

Sary
Vehivavy mihazona fanilo

Five of Them Were Wise [Hendry ny dimy tamin’izy ireo], nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy