Testamenta Vaovao 2023
29 mey–4 jona. Matio 26; Marka 14; Jaona 13: “Ho fahatsiarovana”


“29 mey–4 jona. Matio 26; Marka 14; Jaona 13: -Ho fahatsiarovana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“29 mey–4 jona. Matio 26; Marka 14; Jaona 13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao: 2023

Sary
Fanasana Farany

In Remembrance of Me [Ho fahatsiarovana Ahy], nataon’i Walter Rane

29 mey–4 jona

Matio 26; Marka 14; Jaona 13

“Ho fahatsiarovana”

Rehefa mamaky momba ireo zava-nitranga voalazalaza ao amin’ny Matio 26; Marka 14; ary ny Jaona 13 ianao dia henoy tsara izay mety ho fahatsapana voarainao, indrindra fa ireo fahatsapana mampitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny fanoloran-tenanao Aminy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny andro talohan’ny nahafatesany dia nanome zavatra an’ireo mpianany i Jesoa mba hahatsiarovana Azy. “Nandray mofo [Izy], ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako” (Matio 26:26:28).

2000 taona teo ho eo no nitrangan’izany, tao amin’ny toerana iray izay tsy ho hitan’ny maro amintsika mihitsy, tamin’ny fiteny izay vitsy amintsika no afaka mahazo azy. Kanefa ankehitriny, isaky ny alahady any amin’ireo toeram-pivoriantsika manokana, dia manao ny zavatra izay nataon’i Jesoa fahiny ireo mpihazona ny fisoronana izay nahazo fahefana hanao izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Mandray mofo sy rano izy ireo, manamasina izany, ary manome izany antsika tsirairay avy, izay mpianany. Tena fihetsika tsotra izany, moa ve misy zavatra tsotra kokoa noho izany, sy fototra kokoa noho izany hoe mihinana mofo sy misotro rano izany? Saingy masina amintsika izany mofo sy rano izany satria manampy antsika hahatsiaro Azy. Izany no fomba ilazantsika hoe: “Tsy hanadino Azy mihitsy aho”, tsy vitan’izao fotsiny hoe “Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny zavatra novakiko momba ny fampianarany sy ny fiainany.” Fa milaza kosa isika hoe: “Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny zavatra nataony ho ahy.” “Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny fomba namonjeny ahy rehefa niantso vonjy aho.” Ary “tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny fanoloran-tena nataony tamiko sy ny fanoloran-tena nataoko Taminy, ny fanekempihavanana nataonay.”

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 26:6–13; Marka 14:3–9

“Nanosotra … ny tenako izy hanamboarany Ahy halevina.”

Tamin’ny fihetsika maneho fitsaohana tamim-panetrentena no nanehoan’ilay vehivavy tantaraina ao amin’ireo andininy ireo fa fantany hoe iza i Jesoa ary inona no handeha hataony (jereo ny Matio 26:12). Nahoana araka ny eritreritrao no nanan-danja lehibe tamin’ny Mpamonjy ny zavatra nataony? (jereo ny andininy 13). Inona no manan-danja aminao mikasika ilay vehivavy sy ny finoany? Saintsaino ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehony.

Jereo koa ny Jaona 12:1–8.

Matio 26:20–22; Marka 14:17–19

“Moa izaho va izany, Tompoko?”

Inona no ianaranao mikasika ireo mpianatra avy amin’ny fanontaniana napetrak’izy ireo tamin’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo? Araka ny hevitrao, dia nahoana izy ireo no nanontany izany? Eritrereto ny fomba mety hanontanianao ny Tompo hoe “Moa izaho va izany?”

Jereo koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Moa izaho va izany, Tompoko?,” Liahona, nôv. 2014, 56–59.

Matio 26:26–29; Marka 14:22–25

Ny fanasan’ny Tompo dia fahafahana iray hahatsiarovana ny Mpamonjy.

Rehefa nampahafantatra ny Fanasan’ny Tompo tamin’ireo mpianany ny Mpamonjy dia inona araka ny eritreritrao no eritreritra sy fahatsapana ho nananan’izy ireo? Eritrereto izany eo am-pamakianao momba ny zavatra niainan’izy ireo ao amin’ny Matio 26:26–29 sy Marka 14:22–25. Araka ny eritreritrao dia nahoana i Jesoa no nisafidy izany fomba izany mba hahatsiarovantsika Azy? Azaonao atao koa ny misaintsaina ireo zavatra niainanao nandritra ny fanasan’ny Tompo. Misy zavatra azonao atao ve mba hahatonga ny zavatra iainanao ho masina sy manan-danja kokoa?

Rehefa avy mamaky sy misaintsaina ireo andininy ireo ianao dia azonao atao ny manoratra ireo zavatra izay tsapanao fa tokony hotsaroanao momba ny Mpamonjy. Azonao averina jerena ireo zavatra ireo amin’ny fotoana manaraka izay handraisanao fanasan’ny Tompo. Azonao averina jerena amin’ny fotoana hafa koa izany mba ho fomba “[hahatsiarovana] Azy mandrakariva” (Môrônia 4:3).

Jereo koa ny Lioka 22:7–39; 3 Nefia 18:1–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:76–79.

Jaona 13:1–17

Ny Mpamonjy no ohatra ho antsika amin’ny fanompoana ny hafa amim-panetrentena.

Tamin’ny andron’i Jesoa dia asan’ny mpanompo ny manasa ny tongotry ny olona iray hafa fa tsy an’ny mpitarika. Saingy tian’i Jesoa hieritreritra amin’ny fomba hafa ny hevitry ny hoe mitarika sy manompo ireo mpianany. Inona avy ireo hafatra hitanao ao amin’ny teny sy ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona:13:1–7? Amin’ny kolontsainareo dia mety tsy ho fomba amam-panao entina hanompoana ny fanasana ny tongotry ny hafa. Kanefa eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanaovana asa fanompoana amim-panetrentena.

Mety hahaliana ihany koa ny mijery ireo zavatra izay fantatr’i Jesoa sy tsapany nandritra io fotoana masina io niaraka tamin’ireo Apôstôliny (jereo ny andininy 1 sy 3). Manampy anao hahatakatra inona momba ny Mpamonjy ireo hevitra ireo?

Jereo koa ny Lioka 22:24–27.

Jaona 13:34–35

Ny fitiavako ny hafa dia famantarana fa tena mpianatr’i Jesoa Kristy aho.

Teo aloha dia nanome didy i Jesoa hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:39). Fa teto Izy dia nanome “didy vaovao.” Inona, araka ny eritreritrao no dikan’izany hoe mitia ny hafa tahaka ny itiavan’i Jesoa anao izany? (jereo ny Jaona 13:34).

Azonao atao koa ny misaintsaina ny fomba hahafantaran’ny hafa fa mpianatr’i Jesoa Kristy ianao. Ahoana no hakanao antoka fa ny fitiavana no toetra mamaritra anao amin’ny maha-Kristianina anao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 26:26–29; Marka 14:22–25.Manao ahoana ny fiainan’ny fianakavianao ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro? Ny famakiana ny tantaran’ny fanasan’ny Tompo voalohany dia afaka mitaona amin’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo sy ny fomba hanatsarana ny zavatra iainanao. Hevero ny hampiseho ny sary Mizara ny Fanasan’ny Tompo (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara,, lah. 108) sy ny hizara hevitra mikasika ny zavatra azonareo atao mialoha sy mandritra ary aorian’ny fanasan’ny Tompo.

Sary
Vehivavy mandray ny fanasan’ny Tompo

Ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.

Matio 26:30.Hevero ny hihira hira ao amin’ny fihirana, tahaka ny nataon’i Jesoa sy ireo Apôstôliny, izay fihirana ho an’ny fanasan’ny Tompo angamba. Nahoana no mety ho fitahiana ho an’i Jesoa sy ireo Apôstôliny tamin’izany fotoana izany ny fihirana hira tao amin’ny fihirana? Nahoana ireo hira ao amin’ny fihirana no fitahiana ho antsika?

Jaona 13:1–17.Azonao atao ny mampiseho an’ny fianakavianao ilay sary any amin’ny faran’ity rindran-damina ity rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao. Inona avy no fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ireo zavatra nataony? Inona avy ireo antsipirian-javatra ao amin’ilay sary izay manampy antsika hahatakatra ireo fahamarinana ireo? Angamba azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara ny fomba nitondran’ny fiainana ireo fahamarinana ireo fifaliana ho azy ireo (jereo ny Jaona 13:17).

Jaona 13:34–35.Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo ianareo dia azonareo atao ny miara-miresadresaka mikasika ny fomba ahafantaran’ny olona hafa fa mpianatr’i Jesoa Kristy ianareo. Ahoana no tian’ny Mpamonjy hamantarana ireo mpanara-dia Azy? Azonao atao ny mangataka ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hiresaka mikasika ireo olona izay ny fitiavany ny hafa no maneho fa tena mpianatr’i Jesoa Kristy izy ireo. Azonareo atao koa ny miresadresaka ireo fomba azonareo hanehoana fitiavana bebe kokoa eo aminareo samy mpianakavy.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Mifankatiava,” Bokin-kiran’ny ankizy,, 74.

Manatsara ny fandalinana manokana

Saintsaino. Ny soratra masina dia manana heviny ara-panahy izay mety tsy ho takatsika raha toa ka vakintsika amim-pahazarana be loatra toy izay ataontsika amin’ny boky hafa izany. Aza maika be hamita toko iray. Makà fotoana hisaintsainana lalina ny zavatra vakinao.

Sary
I Jesoa manasa ny tongotry ny mpianatra

Greatest in the Kingdom [Lehibe indrindra amin’ny fanjakana], nataon’i J. Kirk Richards

Hamoaka printy