“12–18 jona. Lioka 22; Jaona 18: -Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“12–18 jona. Lioka 22; Jaona 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023
12–18 jona
Lioka 22; Jaona 18
“Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao”
Makà fotoana tsara hamakiana ny Lioka 22 sy ny Jaona 18 amin’ity herinandro ity. Saintsaino sy ento am-bavaka ny zavatra vakinao. Ny fanaovana izany dia afaka manome fahafahana ny Fanahy hijoro ho vavolombelona amin’ny fonao fa marina ireo soratra masina.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Telo ihany ny vavolombelon’ny fijalian’i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane, ary dia natory izy ireo nandritra ny ankamaroan’izany fotoana izany. Tao anatin’izany saha izany ary avy eo teo amin’ny hazofijaliana no nitondran’i Jesoa teo Aminy ny fahotana sy ny fanaintainana ary ny fijalian’ny olona tsirairay izay niaina, na dia saika ho ny olona rehetra izay velona tamin’izany fotoana izany aza no tsy nahafantatra ny zavatra izay nitranga. Ny ankamaroan’ny zavatra tena manan-danja amin’ny mandrakizay dia matetika no tsy hitan’izao tontolo izao loatra rehefa mitranga. Saingy nahafantatra izany Andriamanitra. Reny ny fitalahoan’ilay Zanany mahatoky hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy” (Lioka 22:42–43). Na dia tsy teo aza isika nanatri-maso izany fihetsika tsy nisy fitiavan-tena sy feno fanoavana izany dia vavolombelon’ny Sorompoanavotan’i Jesoa Kristy isika. Isaky ny mibebaka sy mahazo famelan-keloka isika, isaky ny mahatsapa ny hery mampatanjaky ny Mpamonjy isika, dia afaka mijoro ho vavolombelona fa tena nisy ny zavatra niseho tao amin’ny Sahan’i Getsemane.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Lioka 22:31–34, 54–62; Jaona 18:17–27
Dingana mitohy ny fiovam-po.
Eritrereto ny zavatra niainan’i Petera niaraka tamin’ny Mpamonjy, ireo fahagagana hitany maso sy ny fotopampianarana nianarany. Dia nahoana ary ny Mpamonjy no nilaza tamin’ny Petera hoe, “Rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao”? (Lioka 22:32; nampiana soramandry). Eo am-pisaintsainanao izany dia mety hanampy ny mandinika ny zavatra nampianarin’ny Loholona David A. Bednar momba ny mahasamy hafa ny hoe manana fijoroana ho vavolombelona sy tena niova fo marina (jereo ny “Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 106–9).
Rehefa mamaky momba ny zavatra niainan’i Petera ao amin’ny Lioka 22:31–34, 54–62 (jereo koa ny Jaona 18:17–27) ianao dia eritrereto ny fiovam-ponao manokana. Tahaka an’i Petera, moa ve ianao efa nahatsapa ho tena feno fanoloran-tena ka “vonona hanaraka [ny Mpamonjy], na ho ao an-trano-maizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza”? (Lioka 22:33). Nahoana no mihalefy indraindray ny fahatsapana toy izany? Maro ireo fotoana isan’andro izay ahafahana, na mandà ny Mpamonjy, na mijoro ho vavolombelona ny Aminy. Inona no hataonao mba ho vavolombelony isan’andro? Inona koa ny lesona hafa ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Petera?
Rehefa manohy mamaky ny Testamenta Vaovao ianao dia mitadiava porofon’ny fitohizan’ny fiovam-pon’i Petera. Jereo ihany koa ireo fomba nanekeny ny andraikitra nomen’ny Tompo azy hoe “ampaherezo ireo rahalahinao” (Lioka 22:32; jereo ny Asan’ny Apostoly 3–4).
Jereo koa ny Marka 14:27–31.
Nijaly ho ahy tao Getsemane ny Mpamonjy.
Nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba “[h]anokana fotoana hianarana ny momba ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40).
Eritrereto ny zavatra ho ataonao mba hanarahana ny fanasan’ny Filoha Nelson. Azonao atomboka amin’ny fisaintsainana ombam-bavaka ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane izany, araka ny voafaritra ao amin’ireo andininy ireo, ary manoratra ireo fahatsapana sy fanontaniana izay tonga ao an-tsaina.
Mba hampalalina kokoa ny fandalinana momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia ezaho karohina ao amin’ny soratra masina hafa ny valin’ny fanontaniana tahaka ireto:
-
Nahoana no nilaina ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? (Jereo ny 2 Nefia 2:5–10, 17–26; 9:5–26; Almà 34:8–16; 42:9–26.)
-
Inona no zavatra niainan’ny Mpamonjy teo am-pijaliany? (Jereo ny Isaia 53:3–5; Môzià 3:7; Almà 7:11–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19.)
-
Inona no fiantraikan’ny fijalian’i Kristy eo amin’ny fiainako? (Jereo ny Jaona 10:10–11; Hebreo 4:14–16; 1 Jaona 1:7Almà 34:31; Môrônia 10:32–33; Dallin H. Oaks, “Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; Liahona, nôv. 2015, 61–64.)
-
Fanontaniana hafa izay ananako:
Eo am-pandalinanao ny zavatra nitranga tao Getsemane dia mety hahaliana ny mahafantatra fa ny Getsemane dia sahan’ hazo oliva ary nahitana fipotserana oliva, nampiasaina mba hanorotoroana ny oliva sy hakana menaka izay ampiasaina amin’ny jiro sy ny sakafo ary ny fanasitranana ihany koa (jereo ny Lioka 10:34). Ahoana no mety hanehoan’ny dingan’ny fakana menaka oiva ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika tao Getsemane? Mba hahitana hevitra vitsivitsy dia jereo ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Hitoetra amin’ny fitiavako” (Liahona, nôv. 2016, 50–51).
Jereo koa ny Matio 26:36–46; Marka 14:32–42.
“Ny fanjakan’[ny Mpamonjy dia] tsy avy amin’izao tontolo izao.”
Noho izy mpitarika ara-pôlitika dia nahafantatra tsara ny fahefana sy ny fanjakana teto amin’ity izao tontolo izao ity i Pontio Pilato. Saingy fanjakana hafa be tamin’izany mihitsy no noresahan’i Jesoa. Raha tadidiana ireo zavatra novakinao momba ny fiainan’ny Mpamonjy dia inona no porofo hitanao fa “ny fanjaka[ny dia] tsy avy amin’izao tontolo izao”? (Jaona 18:36). Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahalala izany? Inona koa no manaitra anao mikasika ny teny nolazain’i Jesoa tamin’i Pilato?
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Lioka 22:31–32.Inona no mety ho tsapan’i Petera rehefa fantany fa nivavaka ho azy sy ho an’ny finoany i Jesoa? Iza no azontsika entina am-bavaka “mba tsy ho levona ny finoa[ny]”? (andininy 32).
-
Lioka 22:39–46.Afaka ny ho traikefa masina ho an’ny fianakavianao ny mianatra mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hananana toe-tsaina tia manaja sy midera rehefa eo am-pandalinanao ny Lioka 22:39–46. Afaka miara-mitendry na mihira ny hira ao amin’ny fihirana na ao amin’ny bokin-kiran’ny ankizy izay tian’ny fianakavianao indrindra momba ny Mpamonjy ianareo na mijery sary mifandray amin’izany. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia afaka mizara andinin-tsoratra masina izay tena manan-danja amin’izy ireo ny olona ao amin’ny fianakaviana, ohatra hoe andinin-tsoratra masina izay manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy (jereo koa ny Matio 26:36–46; Marka 14:32–42). Azonao asaina ihany koa izy ireo hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.
-
Lioka 22:42.Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara zavatra niainana izay nianarany nilaza hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.”
-
Lioka 22:50–51; Jaona 18:10–11.Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa avy amin’ireo andininy ireo?
-
Jaona 18:37–38.Ahoana no ho namaliantsika ny fanontanian’i Pilato hoe “Inona no marina?” (andininy 38). Mba hahitana hevitra vitsivitsy dia jereo ny Jaona 8:32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45; 93:23–28; ar ny “O, toi vérité,” Cantiques, no. 175.
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44.