Testamenta Vaovao 2023
8–14 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”


“8–14 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: -Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“8–14 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Mpiasa ao amin’ny tanim-boaloboka

8–14 mey

Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”

Vakio ny Matio 19–20; Marka 10; ary Lioka 18, dia ataovy ao an’eritreritra ny ankizy ampianarinao. Raketo an-tsoratra izay bitsika voarainao. Ny fiomananao dia hanampy anao hampianatra ny ankizy ny zavatra ilain’izy ireo fantarina avy amin’ireo toko ireo.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy hizara izay mety tsaroany avy tamin’ny lesona tamin’ny herinandro lasa teo. Mampisehoa sary mba hanampiana azy ireo hahatsiaro.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Marka 10:6–8

Tian’ny Ray any An-danitra isika mba hanambady any amin’ny tempoly ary hanana fianakaviana mandrakizay.

Ahoana no ahafahan’ny ankizy ampianarinao mahazo tombontsoa avy amin’ny fianarana mikasika ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay? Mety hanampy anao ny mamerina mijery ireo fahamarinana momba ny fanambadiana ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org).

Atrikasa azo atao

  • Vakio amin’ny ankizy ny Marka 10:6–8 dia mampisehoa sarin’ny mpivady anankiray. Angataho izy ireo mba hanondro ilay lehilahy sy vehivavy rehefa maheno anao mamaky ny teny hoe lehilahy sy vehivavy izy ireo. Hazavao fa ny tian’ny Ray any An-danitra dia ny mba hifanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray (jereo ny Genesisy 1:27–28).

  • Mampisehoa sarin’ny fianakaviana iray sy tempoly iray. Asao ny ankizy hiresaka momba zavatra hitany eo amin’ireo sary. Hazavao fa tian’ny Ray any An-danitra isika mba hofehezina amin’ny fianakaviantsika any amin’ny tempoly mba hahafahantsika hiaraka amin’izy ireo mandrakizay. Aoka ianao ho antra fo amin’ireo ankizy izay mbola tsy voafehy ny ray aman-dreniny.

  • Mihirà hira iray momba ny fianakaviana, toy ny “Fianakaviana sambatra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 104). Hevero ny hihirana ilay hira im-betsaka. Asao ny ankizy mba hizara zavatra mahafinaritra izay nataon’izy ireo niaraka tamin’ny fianakaviany. Nahoana izy ireo no feno fankasitrahana noho ny fianakaviany?

  • Mihirà hira iray momba ny tempoly, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” na ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99, 98). Avelao ny ankizy hihazona sarina tempoly na sarina fianakaviana, dia asao izy ireo mba hihazona ambony ny sarin’izy ireo rehefa mihira ny hoe “tempoly” na “fianakaviana” izy ireo. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo antony mampanan-danja ny manambady any amin’ny tempoly.

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny ankizy sy ray aman-dreny

Tia ny ankizy i Jesoa satria “an’ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra” (Marka 10:14).

Marka 10:13–16

Nanasa ny zaza mba hanatona Azy i Jesoa mba hahafahany mitsodrano azy ireo.

Ity tantara ity dia manome fahafahana mba hanampiana ny ankizy hahatsapa fa tena tian’i Jesoa izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Tantarao amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana ny tantara hita ao amin’ny Marka 10:13–16. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fotoana nahatsapan’izy ireo ny fitiavan’i Jesoa azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona amin’ny ankizy fa tia azy ireo i Jesoa ary te-hitahy azy ireo.

  • Asehoy ilay sary hoe I Kristy sy ireo zazakely (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.47). Ampio ireo ankizy haka sary an-tsaina hoe mety ho tahaka ny ahoana izany hoe iray tamin’ireo ankizy eo amin’ny sary izay nipetraka teo akaikin’i Jesoa izany. Asao ny ankizy hizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa.

  • Avelao ny ankizy hanao ny sarin’ny tenany omen’i Jesoa tsodrano (jereo ny Marka 10:16 sy ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity.

Marka 10:17–22

Raha mankatò ny didy aho dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay.

Nampianatra an’ilay tovolahy mpanankarena i Jesoa fa mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, izay fiainana tahaka ny an’ny Ray any An-danitra, dia tokony hankatò ny didy izy.

Atrikasa azo atao

  • Tantarao amin’ny ankizy ny tantaran’ilay tovolahy mpanan-karena iray ao amin’ny Marka 10:17–22. (Jereo ihany koa ny “Toko 42: Ilay tovolahy mpanan-karena,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 105–6.) Asaivo henoin’izy ireo ny zavatra nasain’i Jesoa nataon’ilay tovolahy ary ny zavatra navalin’ilay tovolahy.

  • Mitantarà tantara iray na mihoatra mikasika ny ankizy izay mangataka torohevitra na torolalana any amin’ny ray aman-dreniny nefa tsy manaraka na mankatò izany. Inona avy ireo zavatra izay angatahan’ny Ray any An-danitra mba hataontsika? Inona no tsapantsika rehefa mankatò ny didiny isika?

  • Zarao izay zavatra niainanao tamin’ny ianao nandray bitsika manokana mba hanao zavatra tsaratsara kokoa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Marka 10:6–8

Tian’ny Ray any An-danitra isika mba hanambady any amin’ny tempoly ary hanana fianakaviana mandrakizay.

Ireo zavatra nampianarin’i Jesoa momba ny fanambadiana dia afaka manampy ny ankizy hiandrandra ny hanambady any amin’ny tempoly sy hanorina fianakaviana mandrakizay.

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy iray mba hamaky ny Marka 10:6–8 amin’ny feo mafy. Hazavao fa ny hoe mikambana dia midika hoe “mitambatra” na “mifikitra” amina zavatra. Nahoana no zava-dehibe ny fiarahan’ny mpivady sy ny fifankatiavany ary ny fiasany ho toy ny mpiara-miasa?

  • Angataho ny ankizy mba hanampy anao hieritreritra ny valin’ny fanontaniana hoe “Nahoana no manan-danja ny fianakaviana ao amin’ny Fiangonana?” na “Nahoana no zava-dehibe ho anao ny manambady any amin’ny tempoly?” Ampio izy ireo hitady valin-teny ao amina loharano toy ny Marka 10:6–8; 1 Korintiana 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22; 131:1–4; Mosesy 3:18, 21–24; ary ny “Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.”

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fianakaviana, toy ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98). Zarao amin’ny ankizy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fanambadiana mandrakizay sy ny fianakaviana mandrakizay. Asao izy ireo mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo koa.

Marka 10:17–22

Afaka manampy ahy hahafantatra izay tokony hataoko mba hivoarako i Jesoa.

Ilay tovolahy mpanan-karena dia nitady an’i Jesoa ary nahazo torolalana manokana izay natokana ho azy manokana. Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ny ankizy hikatsaka fitarihana mitovy amin’izany eo amin’ny fiainany?

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy mba hitady andininy iray ao amin’ny Marka 10:17–22 izay mamaritra ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Hazavao fa ny torohevitra nomen’i Jesoa ho an’ilay tovolahy dia tena ho azy manokana, ary afaka mahazo torolalana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo daholo isika amin’ny alalan’ny Fanahy.

  • Vakio miaraka ny Marka 10:17–22. Asao ny ankizy mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo didy izay nasain’ny Mpamonjy nankatoavin’ilay tovolahy mpanan-karena (jereo ny andininy 19). Inona ihany koa no nasain’i Jesoa nataony? (jereo ny andininy 21). Amporisiho ny ankizy mba hieritreritra zavatra izay mety ilain’izy ireo atomboka ny fanaovana azy na ny fampitsaharana azy mba hanarahana tsara kokoa an’i Jesoa. Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika mahita ny zavatra tian’i Jesoa hataontsika?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba haneho amin’ny fianakaviany fa tiany izy ireo, angamba amin’ny alalan’ny fanoratana teny fohy na amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana mifono hatsaram-panahy.

Manatsara ny fampianarantsika

Araho maso tsara ny ankizy. Manao ahoana ny fandraisan’ny ankizy anjara ao amin’ny kilasinao amin’ireo atrikasa hoenti-mianatra? Raha toa ka tsy dia mazoto izy ireo dia mety eo no fotoana hanandramana atrikasa iray hafa na hanaovana kely dian-tongotra fohy sy amim-panajana. Etsy ankilany, raha tsikaritrao fa mazoto ny ankizy ary mianatra avy amin’ny ampahany iray ao amin’ny lesona, dia aza mahatsapa ho voatery hiditra amina zavatra hafa mba hanaovana izay hahavitana ny ao anatin’ny lesona rehetra.

Hamoaka printy