“Ny fiovam-po no tanjontsika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“Ny fiovam-po no tanjontsika,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022
Ny fiovam-po no tanjontsika
Ny tanjon’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara rehetra dia ny hampiorim-paka ny fiovam-pontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny hanampiana antsika hitovy kokoa amin’Izy Ireo. Noho io antony io, rehefa mandalina ny filazantsara isika dia tsy mitady fampahalalana vaovao fotsiny, fa te ho lasa “olom-baovao” mihitsy (2 Korintiana 5:17). Ny dikan’izany dia hoe miantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy amin’i Jesoa Kristy mba hanampy antsika hanova ny fontsika, ny fomba fijerintsika, ny zavatra ataontsika ary ny toetrantsika mihitsy.
Saingy ilay karazana fianarana filazantsara izay manamafy orina ny finoantsika sy mitondra fahagagana ateraky ny fiovam-po dia tsy mitranga eo no ho eo. Miitatra any ivelan’ny efitrano fianarana izany ka mankany am-pontsika sy ny tokantranontsika. Mitaky fiezahana mahatakatra sy miaina ny filazantsara tsy tapaka sy isan’andro izany. Ny fianarana ny filazantsara izay mitarika amin’ny tena fiovam-po dia mitaky ny fitaoman’ny Fanahy Masina.
Ny Fanahy Masina dia mitarika antsika amin’ny fahamarinana ary mijoro ho vavolombelona amintsika momba izany fahamarinana izany (jereo ny Jaona 16:13). Manazava ny saintsika Izy, manafaingana ny fahatakarantsika ary mikasika ny fontsika amin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra, ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra. Manadio ny fontsika ny Fanahy Masina. Mampisy faniriana ao anatintsika hiaina araka ny fahamarinana Izy, ary mibitsika amintsika ny fomba hanaovana izany. Tena marina fa “ny Fanahy Masina [dia] … hampianatra [antsika] ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).
Noho ireo antony ireo, ao anatin’ireo ezaka ataontsika hiaina sy hianatra ary hampianatra ny filazantsara dia tokony hikatsaka ny Fanahy Masina ho namana aloha isika voalohany indrindra. Io tanjona io no tokony hitantana ny safidy ataontsika sy hitarika ny eritreritsika sy ny asantsika. Tokony hikatsaka izay zavatra rehetra manasa ny fitaoman’ny Fanahy sy handà izay rehetra manala izany fitaomana izany isika, satria fantatsika fa rehefa mendrika ny hanana ny Fanahy Masina isika dia ho afaka ihany koa ny ho mendrika ny hiaina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.