Testamenta Taloha 2022
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana,Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Ho an’iza ity loharanom-pitaovana ity?

Ity loharanom-pitaovana ity dia ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ato amin’ny Fiangonana. Natao hanampiana anao hianatra ny filazantsara izany, na izany ho anao manokana na miaraka amin’ny fianakavianao. Raha tsy nandalina tsy tapaka ny filazantsara ianao taloha dia afaka manampy anao hanomboka izany ity fitaovana ity. Raha efa manana fahazarana tsara amin’ny fandalinana ny soratra masina ianao dia afaka manampy anao hahazo traikefa manan-danja kokoa ity loharanom-pitaovana ity.

Ahoana no tokony hampiasako ity loharanom-pitaovana ity?

Ampiasao amin’izay fomba mety hanampy anao ity loharanom-pitaovana ity. Mety ho hitanao fa manampy izany raha atao torolalana na fanampiana amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina na miaraka amin’ny fianakaviana. Azonao ampiasaina amin’ny takarivan’ny mpianakavy ihany koa izany. Ireo rindran-damina dia manasongadina ireo fitsipika manan-danja hita ao amin’ny Testamenta Taloha, manolotra hevitra hoenti-mandalina sy asa atao ho an’ny isam-batan’olona sy ho an’ny fianakaviana, ary manome toerana hanoratana ireo fahatsapana anananao.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia tsy natao hisolo toerana na hifaninana amin’ireo zavatra tsara hafa efa ataonao. Araho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahitana ny fomba handalinanao manokana ny tenin’ Andriamanitra.

Sary
mpivady mandalina ny soratra masina

Inona no ifandraisan’ity loharanom-pitaovana ity amin’ny zavatra mitranga ato amin’ny Fiangonana?

Ny rindran-damina ao anatin’ity loharanom-pitaovana ity dia narafitra mifanaraka amin’ny lamina famakian-teny isan-kerinandro. Ny fitaovana Avia, hanaraka Ahy ho an’ny kilasin’ny Kilonga, sy ny Sekoly Alahady, ary ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny Zatovovavy dia manaraka lamina famakian-teny mitovy. Mba hanohanana ireo ezaka ataonao hianarana sy hiainana ny filazantsara any an-tokantrano dia hanome fahafahana anao hizara ireo zavatra niainanao sy ireo eritreritrao ary ireo fanontaniana anananao momba ireo andinin-tsoratra masina izay nohalalininao tany an-trano ny mpampianatra anao any am-piangonana.

Koa satria in-droa isam-bolana ihany no hampianarana ny Sekoly Alahady, dia afaka misafidy ny handingana na hanambatra ireo fandaharam-pianarana ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady mba hifanaraka amin’ny lamina famakian-teny isan-kerinandro. Mety ho ilaina koa ny hanaovana izany (ho an’ny Sekoly Alahady sy ny Kilonga) amin’ireo herinandro izay tsy hisian’ny fivoriam-piangonana mahazatra noho ny fisian’ny fivoriamben’ny tsatòka na noho ny antony hafa. Mandritra ireny herinandro ireny dia asaina ianao mba hanohy handalina ny Testamenta Taloha any an-tokantrano.

Mila manaraka ilay lamina famakian-teny ve aho?

Hanampy anao hamaky andinin-tsoratra masina voafantina avy ao amin’ny Testamenta Taloha sy ny Voahangy Lafo Vidy hatramin’ny faran’ny taona ny lamina famakian-teny. Ankoatra izany, toy ny fanarahana ireo lamina hafa dia afaka ny hitondra traikefa manan-danja any an-tokantrano, any am-piangonana ary any amin’ny toeran-kafa ny fanarahanao ilay lamina famakian-teny. Kanefa aza mahatsapa tena ho voateriterin’ny lamina famakian-teny. Torolalana fotsiny ihany izy io hanampiana anao tsy handeha haingana na miadana loatra. Ny zavatra tena manan-danja dia ny fianaranao ny filazantsara manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana.

Fanamarihana momba ny lamina famakian-teny momba ny Testamenta Taloha

Ilay lamina famakian-teny Avia, hanaraka Ahy naroso ho an’ny taona 2022 dia tsy ahitana ny toko tsirairay ao amin’ny Testamenta Taloha. Satria ny Testamenta Taloha dia lava kokoa noho ireo boky soratra masina hafa, ny boky sy ny toko sasany dia tsy nampidirina mba hahafahanao sy ny fianakavianao mamita tsara ilay lamina famakian-teny.

Notsongaina ireo toko sy boky mba hisorohana ny famerimberenana ary mba hanasongadinana ny andinin-tsoratra masina izay mijoro ho vavolombelona an’i Kristy, sy feno fotopampianarana ary izay tena manan-danja manokana ho an’izao androntsika izao. Ohatra, tsy ahitana ny 1 Tantara sy 2 Tantara ilay lamina famakian-teny naroso satria ny ankamaroan’ny votoatin’ireo boky ireo dia mamerina ny zavatra efa hita ao amin’ny 1 Mpanjaka sy 2 Mpanjaka. Tsy ahitana ny Tononkiran’i Solomona ihany koa ilay lamina famakian-teny, satria ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa tsy soratra masina azo avy amin’ny fanentanam-panahy izany (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tononkiran’i Solomona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Na izany aza dia tsarovy fa sosokevitra momba ny lamina famakian-teny fotsiny ihany io. Ny fandalinan’ny mpianakavy sy ny tena manokana ny soratra masina dia tokony hanaraka ny fitarihan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

Hamoaka printy