Testamenta Taloha 2022
Loharanom-pitaovana fanampiny


“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
fianakaviana mandalina soratra masina ao an-tokantrano

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny ankamaroan’ireo loharanom-pitaovana ireo dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy sy Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny fampiasana ny tahadika vita printin’ny Cantiques sy ny Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Bokin-kiran’ny ankizy dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Musique sacrée sy Bibliothèque de l’Évangile.

Boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota

Ny boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia manolotra fampahalalana fototra ara-tantara sy fanazavana ny fotopampianarana ho an’ireo fitsipika sy tantara hita ao amin’ny soratra masina.

Gazetibokin’ny Fiangonana

Ny gazetiboky Namana, sy ny Ho zatovo mahery!, ary ny Liahona dia ahitana tantara sy asa atao izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Ireo lohahevitra mikasika ny filazantsara

Ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org) ianao dia afaka mahita fampahalalana ankapobeny momba ny lohahevitra mikasika ny filazantsara isan-karazany, miaraka amin’ireo rohy mankany amin’ireo loharanom-pitaovana manampy toy ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, lahatsoratra, soratra masina, ary horonan-tsary izay mifandray amin’izany. Ianao ihany koa dia afaka mijery ao amin’ny Essais sur des sujets de l’évangile, izay manolotra fampahalalana lalina kokoa momba ireo fanontaniana mikasika ny fotopampianarana sy ny tantara.

Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Ireo Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha dia afaka manampy ny ankizy hianatra ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Testamenta Taloha. Afaka mahita ny horonan-tsary momba ireo tantara ireo koa ianao ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny MediaLibrary.ChurchofJesusChrist.org.

Horonan-tsary sy asa kanto

Ireo asa haikanto, horonan-tsary, ary haino aman-jery hafa dia afaka manampy ny fianakavianao hahatakatra ny fotopampianarana sy hahazo sary an-tsaina ireo tantara hita ao amin’ny soratra masina. Tsidiho ny Médiathèque ao amin’ny MediaLibrary.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny amboarana haino aman-jery an’ny Fiangonana. Misy amin’ny endriny application ho an’ny fitaovana finday koa ny Médiathèque de l’Église. Sary maro izay azonao ampiasaina ao an-dakilasy no hita ao amin’ny Boky mirakitra sary mikasika ny filazantsara.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy.

Hamoaka printy