Testamenta Taloha 2022
Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina


“Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
vehivavy iray mandalina ny soratra masina ao an-trano

Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina

Ireto misy fomba tsotra vitsivitsy hanatsarana ny fandalinanao ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina.

Mitadiava fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy

Mampianatra antsika ny soratra masina fa ny zavatra rehetra dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:4; Mosesy 6:63), ka noho izany dia raiso an-tsoratra na asio marika ireo andininy izay mampianatra momba Azy sy ny fomba hanarahana Azy.

Mitadiava teny sy andian-teny manentana ny fanahy

Mety hahita ianao fa misy teny na andian-teny sasany ao amin’ny soratra masina izay manaitra anao, toy ireny hoe nosoratana manokana ho anao ireny. Mety ho tena misy lanjany ho anao manokana sy manentana ny fanahy ary mandrisika anao izany. Hevero ny hanisy marika azy ireny ao amin’ny soratra masinao na soraty ao anaty diary fandalinana izany.

Mitadiava fahamarinana ao amin’ny filazantsara

Indraindray ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara (izay antsoina matetika hoe fotopampianarana na fitsipika) dia voalaza mivantana, ary indraindray izy ireny dia resahina amin’ny alalan’ny ohatra na tantara. Manontania tena hoe: “Inona no fahamarinana mandrakizay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo?”

Henoy ny Fanahy

Henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana anananao na dia tsy misy hidirany amin’izay vakinao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho tena zavatra tian’ny Ray any An-danitra ianaranao.

Ampitahao amin’ny fiainanao ny soratra masina

Eritrereto ny fomba fiantefan’ireo tantara sy fampianarana vakinao eo amin’ny fiainanao. Ohatra, afaka manontany tena ianao hoe: “Inona no zavatra efa niainako ka mitovy amin’ny zavatra izay vakiko?” na “Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatra asehon’ity olona ao amin’ny soratra masina ity?”

Mametraha fanontaniana eo am-pandalinanao

Eo am-pandalinanao ny soratra masina dia mety hisy fanontaniana tonga ao an-tsaina. Ireo fanontaniana ireo dia mety hifandray amin’ny zavatra vakinao na amin’ny fiainanao amin’ny ankapobeny. Saintsaino ireo fanontaniana ireo ary mitadiava valiny rehefa manohy mandalina ny soratra masina ianao.

Sary
zatovo mandalina soratra masina ao an-trano

Ampiasao ireo fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina

Mba hahazoana hevitra fanampiny amin’ireo andininy izay vakinao dia ampiasao ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary ireo fanampiana hafa amin’ny fandalinana.

Jereo ny sahan-kevitry ny soratra masina

Afaka mahita hevi-baovao manan-danja momba ny soratra masina iray ianao raha jerenao ny sahan-kevitr’izany, izany hoe ireo toe-javatra sy toerana nitrangan’ilay soratra masina. Ohatra, afaka manampy anao hahatakatra ny zavatra tian’ireo teny ambara ny fahafantarana ny foto-piaviana sy ny finoan’ny olona tamin’ny fotoana nitenenan’ny mpaminany iray.

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao

Misy fomba maro azo hiraketana ireo fahatsapana tonga rehefa mandalina ianao. Ohatra, afaka manisy marika teny na andian-teny manan-danja ianao ka hanoratra ny eritreritrao mba ho fanamarihana ao amin’ny soratra masinao. Afaka mampiasa diary ihany koa ianao asiana hevi-baovao, fahatsapana, ary eritreritra tonga ao aminao.

Alalino ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany

Vakio ny zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany momba ireo fitsipika izay hitanao ao amin’ny soratra masina (ohatra, jereo ao amin’ny conference.ChurchofJesusChrist.org ary ny Ireo gazetiboky).

Mizarà hevi-baovao

Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo hevi-baovao tamin’ny fandalinana manokana nataonao dia tsy fomba tsara hampianarana ny hafa fotsiny ihany fa manamafy orina ny fahatakaranao ny zavatra novakinao ihany koa.

Iaino izay ianaranao

Ny fandalinana soratra masina dia tsy tokony hanentana ny fanahintsika fotsiny fa hitarika antsika hanova ny fomba fiainantsika ihany koa. Henoy ny zavatra bitsihin’ny Fanahy mba hataonao rehefa mamaky ianao, ary avy eo dia manolora tena hanao zavatra araka izany bitsika izany.

Hoy ny Loholona David A. Bednar hoe: “Tsy tokony ho raisintsika ho toy ny fikambanana iray natao hampianatra antsika sy hilaza amintsika ny zavatra rehetra ilaintsika fantarina sy atao mba ho tonga mpianatra mahatoky sy haharitra amim-pahavitrihana hatramin’ny farany ny Fiangonana [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:29]. Fa andraikitsika manokana kosa ny mianatra ny zavatra tokony hianarantsika, sy ny miaina araka izay fantatsika fa tokony hiainantsika, ary ny ho lasa ilay tian’ilay Mpampianatra hahatongavantsika. Ary ny tokantranontsika no toerana voalohany indrindra ahafahantsika mianatra sy miaina ary miova.” (“Vonona hahazo ny zavatra rehetra ilaina,” Liahona, mey 2019,102).

Hamoaka printy