Avia, hanaraka Ahy
27 jolay–2 aogôsitra. Almà 39–42: “Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana”


“27 jolay–2 aogôsitra. Almà 39–42: -Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“27 jolay–2 aogôsitra. Almà 39–42,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Jesoa sy Maria

Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? nataon’i Mark R. Pugh

27 jolay–2 aogôsitra

Almà 39–42

“Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana”

Rehefa avy nandalina ombam-bavaka ny Almà 39–42 dia mandrafeta asa atao hanampiana ny ankizy hianatra. Mety hahita hevitra ao anatin’ireto asa atao manaraka ireto ianao izay azo hampifanarahana amin’ny sarangan-taona rehetra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy tsirairay hitsangana ary hizara ny zavatra iray nianarany momba ny filazantsara tato ho ato, tao an-tokantrano na tany am-piangonana.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 39:1, 10–11

Afaka ny ho ohatra tsara aho.

Namporisika an’i Kôriantôna hianatra avy amin’ny ohatra tsaran’ireo rahalahany i Almà, ary nampitandrina an’i Kôriantôna izy mba tsy ho ohatra ratsy ho an’ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa mpirahalahy i Siblôna sy Kôriantôna ary i Siblôna dia ohatra tsara ho an’i Kôriantôna. Asao ny ankizy hamerina ity fanontaniana ity miaraka aminao: “Indro, moa va izy tsy efa nampiseho ohatra tsara taminao?” (Almà 39:1). Angataho ny ankizy mba hiresaka momba ny olona iray izay ohatra tsara ho azy ireo.

  • Milalaova kilalao iray na mihirà hira hanarahan’ny ankizy na hakany tahaka anao, toy ny “Ataovy izay ataoko” (Bokin-kiran’ny ankizy, 142). Avelao ny ankizy tsirairay hifandimby ho ilay mpitarika na ohatra arahina. Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahan’izy ireo ho ohatra tsara amin’ny olona iray.

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa manao zavatra tsara, dia hazavao fa Izy no ohatra tonga lafatra arahintsika. Hazavao fa afaka ny ohatra tsara isika, tahaka an’i Jesoa. Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo maneho ohatra tsara.

Almà 39:9, 13

Afaka manampy ahy hanitsy ireo fahadisoako ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Na dia mbola tsy mila mibebaka aza ny ankizy kely dia ny filazana azy ireo ny amin’i Kôriantôna dia afaka hanampy azy ireo hanomboka hahatakatra ny dikan’ny fibebahana.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa nanao safidy tsy nety i Kôriantôna, fa aza miditra amin’ny antsipirian’ny fahotana vitany anefa. Inona no azontsika lazaina mba hanampiana azy? Vakio amin’ny ankizy ny zavatra nolazain’i Almà dadan’i Kôriantôna taminy: “Mba tiako ny hibebahanao sy hamoizanao ny fahotanao” (Almà 39:9). Lazao azy ireo fa ny “mibebaka” dia midika hoe mangataka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika hamela antsika sy hanampy antsika hanitsy ireo fahadisoana nataontsika ary avy eo isika dia miezaka ny ho lasa tahaka Azy Ireo bebe kokoa.

  • Omeo zavatra mavesatra iray ny ankizy ho tazoniny eo am-pitantaranao ny momba ny olona iray izay nahavita zavatra tsy nety ka nahatsapany zavatra ratsy. Lazao ireo ankizy fa ilay zavatra mavesatra dia toy ireo fahatsapana ratsy mety hisy ao amintsika rehefa manao fahadisoana isika. Alaivo amin’ilay ankizy ilay zavatra mavesatra eo am-pijoroanao ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manaisotra ireo fahatsapana hoe mavesatra, ratsy, ary manampy antsika hanitsy ireo fahadisoana nataontsika rehefa mibebaka isika. Hirao miaraka ny hira iray miompana amin’ny fibebahana.

Almà 40:23

Hitsangana amin’ny maty aho.

Ampio ny ankizy hiandrandra ilay andro hitsanganany sy hitsanganan’ireo olon-tian’izy ireo amin’ny maty.

Asa atao azo tanterahina

  • Eo am-pamakianao mafy ny Almà 40:23 dia asaivo ampiasain’ny ankizy ity pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana azy ireo hahita an-tsary ny zavatra ampianarin’ity andininy ity. Asao ny ankizy tsirairay hampiasa ny pejin’ny asa atao mba hampianarana ankizy hafa ny dikan’ny hoe fitsanganana amin’ny maty.

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty, dia ampianaro ny ankizy ny hira iray mikasika ny Fitsanganana amin’ny maty, toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana tokoa?” na ny “Chantons tous, pleins d’ allégresse” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45; Cantiques, lah. 121). Miatò tsindraindray mba hanazavana ny dikan’ireo teny sy andian-teny ary ny lanjan’izy ireo.

  • Anontanio ny ankizy raha toa nisy olona fantany nodimandry. Mijoroa ho vavolombelona fa indray andro any io olona io sy ny olona rehetra hafa dia hitsangana amin’ny maty noho i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanazavana ny dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty.

    Sary
    I Maria sy Jesoa

    I Maria sy ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty, nataon’i Harry Anderson

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 39:1, 10–11

Afaka ny ho ohatra tsara aho.

Ny torohevitr’i Almà ho an’i Kôriantôna dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ohatra tsara sy ny hoe tokony ohatra tsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa i Kôriantôna zanakalahin’i Almà dia nahavita fahotana goavana raha tokony nitory ny filazantsara izy. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny antsasaky ny Almà 39:11 farany, dia asaivo mihaino ny fiantraikan’ny fahotan’i Kôriantôna tamin’ny Zôramita izy ireo. Ampio ny ankizy hieritreritra ny hoe mety hitondra fiantraikany amin’iza izy ireo. Ahoana no hahafahan’izy ireo ho ohatra tsara ho an’ireo olona ireo?

  • Iaraho mamaky ny Almà 39:1. Tamin’ny fomba ahoana no naha-ohatra tsara an’i Siblôna rahalahin’i Kôriantôna? Asaivo mitady valiny fanampiny an’io fanontaniana io ao amin’ny Almà 38:2–4 ny ankizy. Resaho ny momba ireo ohatra tsara sasany eo amin’ny fiainanao, dia asao ny ankizy hanao torak’izany koa.

  • Mitondrà fanilo elektrika na sarina masoandro ary ampitahao amin’ny herin’ny ohatra tsara ny hazavana. Tahaka ny hoe afaka manampy antsika hahita ny lalana mila arahana ny hazavana avy amin’ilay fanilo elektrika na ny masoandro, mampiseho antsika ny zavatra atao mba hanarahana ny Ray any An-danitra ny ohatra tsara iray. Mizarà zavatra niainana izay nanampian’ny ohatra tsara nasehon’ny olona iray anao. Inona no azon’ny ankizy atao mba ho ohatra tsara ho an’ny hafa? Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra arahintsika.

Almà 39:9–13

Afaka mibebaka aho rehefa manao fahadisoana.

Tahaka antsika tsirairay avy, ireo ankizy ampianarinao dia manota ary manao fahadisoana. Ahoana no ahafahanao manentana azy ireo “hamo[y] ny fahotan[y]” ary hibebaka? (Almà 39:9).

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hizara zavatra niainana izay nahatonga azy ireo naratra. Inona no nataon’izy ireo mba hahatonga ilay fery ho sitrana? Hazavao fa ny fahotana dia mandratra ny fanahintsika, saingy ny Mpamonjy dia afaka manasitrana antsika rehefa mibebaka isika.

  • Asaivo mitady ny andian-teny hoe “hibebahanao sy hamoizanao ny fahotanao” ao amin’ny Almà 39:9 ny ankizy, ary ampio izy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe “mibebaka” sy “mamoy.” Mijoroa ho vavolombelona fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia azo atao ny fibebahana. Vakio miaraka ny Almà 39:10–14 mba hahitana zavatra hafa azontsika atao izay hanampy antsika hibebaka sy hisoroka ny fahotana.

Almà 40:6–7, 11–14, 21–23

Aorian’ny fahafatesana dia mankao amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahintsika mandrapitrangan’ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana.

Azo atao tsara ny manontany tena hoe inona no hitranga amintsika aorian’ny hahafatesantsika. Ireo tenin’i Almà dia afaka manampy ny ankizy hahita valim-panontaniana entanim-panahy.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty amin’ny taratasy samy hafa ny hoe fahafatesana, tontolon’ny fanahy, fitsanganana amin’ny maty, ary fitsarana , ary apetrahao eo amin’ny solaitrabe amin’izay filaharany eo fotsiny izy ireo. Ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ireo voambolana ireo. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Almà 40:6–7, 11–14, sy 21–23, dia asaivo halahatry ny ankizy araka ny filaharan’ny fitrangany ireo teny eo amin’ny solaitrabe.

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny lisitra ahitana fanontaniana izay afaka valiana amin’ny alalan’ny Almà 40:6–7, 11–14, sy 21–23, dia asao ny ankizy hampifanaraka ny fanontaniana tsirairay avy amin’ny andininy izay mamaly izany. Ohatra, ny “Hanao ahoana ny vatako rehefa hitsangana amin’ny maty aho?” dia azo valiana amin’ny alalan’ny Almà 40:23. Raha ilaina dia hazavao amin’ny ankizy ireo teny sarotra eo am-pamakian’izy ireo. Amporisiho ny ankizy hizara ny antony hankasitrahany ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hisaotra ny olona iray ao amin’ny fianakaviany izay ohatra tsara ho azy ireo ary hieritreritra fomba iray hahafahany ho ohatra tsara mandritra ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy izay hampiasana ireo retsipamantarana. “Tena mianatra tsara ny ankamaroan’ny ankizy (sy ny olon-dehibe) rehefa ampandraisina anjara ireo retsipamantarana maro. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hampiasa ny retsi-pahitany sy ny retsi-pandrenesany ary ny retsi-pahatsapany rehefa mianatra izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy