Avia, hanaraka Ahy
24–30 aogôsitra. Helamàna 7–12: “Tsarovy ny Tompo”


“24–30 aogôsitra. Helamàna 7–12: -Tsarovy ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“24–30 aogôsitra. Helamàna 7–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Nefia nivavaka tao amin’ny tilikambo tao amin’ny saha

Sary maneho an’i Nefia tao amin’ny tilikambo tao amin’ny saha nataon’i Jerry Thompson

24–30 aogôsitra

Helamàna 7–12

“Tsarovy ny Tompo”

Rehefa mamaky ny Helamàna 7–12 ianao dia saintsaino ny fomba mety hitahian’ireo tantara sy fitsipika ao anatin’ireo toko ireo an’ireo ankizy ampianarinao. Afaka manampy ny fitaomam-panahy raisinao ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Anontanio ny ankizy ny zavatra fantany momba ny mpaminany Nefia, ilay zanakalahin’i Helamàna (jereo ny Helamàna 7-12). Raha ilaina, dia hazavao ny fahasamihafana misy eo amin’ity mpaminany antsoina hoe Nefia ity sy ilay mpaminany antsoina hoe Nefia any amin’ny fiantombohan’ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Helamàna 7:20

Tian’ny Tompo hahatsiaro Azy aho.

Nanontany tena i Nefia ny amin’ny fomba nanalaviran’ny vahoakany an’Andriamanitra ka nanadinoany Azy. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hianatra ireo fomba ahafahan’izy ireo mahatsiaro ny Ray any An-danitra sy i Jesoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Mizarà zavatra niainana iray amin’ny ankizy ka nanadino zavatra manan-danja iray ianao tamin’izay. Anontanio azy ireo raha efa nanadino zavatra iray izy ireo. Vakio amin’izy ireo ny Helamàna 7:20, ary hazavao fa ny Nefita dia nisafidy ny hanadino an’Andriamanitra. Nirian’ny mpaminany Nefia ny hahatsiarovan’izy ireo an’Andriamanitra. Mitondrà ao anaty kitapo iray sary maromaro izay maneho ireo fomba ahafahan’ny ankizy mahatsiaro ny Ray any An-danitra sy i Jesoa. Avelao ny ankizy hifandimby hifidy sary iray ary hizara ny fomba ahafahantsika mahatsiaro an’Andriamanitra isan’andro.

  • Ampio ireo ankizy hamita ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity.

Helamàna 8:13–23

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

Nijoro ho vavolombelona i Nefia fa ho avy i Jesoa Kristy ary nanasa ny vahoakany mba hibebaka sy hanaraka Azy izy. Ampiasao ireto toko ireto mba hampianarana ireo ankizy fa mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sarin’i Jesoa Kristy, ary lazao amin’ny ankizy fa ireo mpaminany toa an’i Nefia dia manasa antsika hanaraka an’i Jesoa. Vakio ireto teny manaraka momba ny mpaminany avy ao amin’ny Helamàna 8:22 ireto: “Izy ireo dia efa nanambara ny amin’ny fiavian’i Kristy sy efa niandrandra ary efa nifaly noho ny androny.” Zarao amin’ireo ankizy izay zavatra nolazain’ny mpaminanintsika velona momba ny Mpamonjy.

  • Iaraho manao ny hira iray mikasika ireo mpaminany, toy ny “Araho hatrany ny mpaminanyBokin-kiran’ny ankizy, 58). Misafidiana fehezan-teny manan-danja avy amin’ilay hira, ary manorata teny iray avy amin’ilay fehezan-teny eo amin’ny tsirairay amin’ireo dian-tongotra maromaro izay vita amin’ny taratasy . Apetraho eo amin’ny tany ireo dian-tongotra ka mitondra mankany amin’ny sarin’ny Mpamonjy izany. Asao ny ankizy hanaraka ny lalan’ireo dian-tongotra, ary ampio izy ireo hamaky ireo teny.

Helamàna 10:11–12

Hankatò ny Ray any An-danitra aho.

Ny ohatra nasehon’i Nefia momba ny fankatoavana dia afaka manentana ireo ankizy ampianarinao mba hankatò ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Helamàna 10:2,11-12, ary ampio ny ankizy hahatakatra fa nankatò an’Andriamanitra i Nefia. Asao ny ankizy mba hilalao an-tsehatra izay nataon’i Nefia. Ohatra, angataho izy ireo mba handeha amin’ny lafiny iray amin’ny efitrano (toy ny hoe handeha hody any an-trano), hijanona, hiveren-dalana ary handeha mankany amin’ny lafiny iray hafa amin’ny efitrano (toy ny hoe miverina hampianatra ny olona izy ireo). Ampio izy ireo hahita fa te-hankatò ny Tompo i Nefia na dia tsy maintsy nanao zavatra sarotra aza izy.

  • Ampio ny ankizy hahatakatra fa indraindray ny Ray any An-danitra dia maniry ny hanaovantsika zavatra tsy mitovy amin’ny zavatra tiantsika hatao, kanefa afaka mankatò Azy tahaka an’i Nefia isika. Mizarà fehezan-teny toy ny hoe “Indraindray aho te ho tezitra fa ny Ray any An-danitra kosa maniry ahy mba ho … ,” dia avelao ny ankizy hamita ireo fehezan-teny. Amporisiho ny ankizy mba hahatsiaro ny hijanona sy hieritreritra izay tian’ny Ray any An-danitra hataon’izy ireo ka hanao izany avy eo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Helamàna 7–11

Ho voaro ara-panahy aho rehefa manaraka ny mpaminany.

Ny Filoha James E. Faust dia nampianatra hoe: “Ny fiarovana antsika dia miankina amin’ny fihainoana izay lazain’ny [Filohan’ny Fiangonana] sy fanarahana ny toroheviny” (“Continuous Revelation,” Ensign, Nov. 1989, 10).

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao lisitra eo amin’ny solaitrabe ireo zavatra izay ataon’ny mpaminany iray (jereo “Mpaminany,” Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ampio izy ireo mba hizaha ny Helamàna 7:1-2, 27-29; 8:22-23; ary ny 10:3-4, 6-7 mba hahitana ny fomba nanatanterahan’i Nefia ny sasantsasany tamin’ireo zavatra tao amin’ny lisitra nataon’izy ireo. Oviana no hitantsika nanao ireo zavatra ireo ny mpaminanintsika ankehitriny? Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny mpaminany velona.

  • Iaraho mamaky ny Helamàna 11:3-7 (na avereno jerena ny “Toko 39: Nahazo hery Lehibe i Nefia,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 108–10). Angataho ny ankizy mba hihaino izay nitranga tamin’ireo olona izay tsy nihaino ny mpaminany. Inona no mety hitranga rehefa tsy mihaino ny mpaminany isika? Ahoana no fomba hitahiana antsika rehefa manaraka azy isika? Zarao ny zavatra iray izay nampianarin’ny mpaminanintsika, ary ampirisiho ny ankizy hanaraka ireo fampianarany.

Helamàna 7:20–21

Tian’ny Tompo hahatsiaro Azy aho.

Ireo ankizy izay ampianarinao dia handalo zava-mahavariana izay mety hahatonga azy ireo hanadino ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahanao mitaona ny ankizy hanokana fotoana ho an’ny zavatra ara-panahy?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Helamàna 7:20-21, ary anontanio ny ankizy izay heverin’izy ireo ho dikan’ny hoe manadino an’Andriamanitra. Hazavao fa ny teny hoe manadino dia mety midika koa hoe “tsy miraharaha”na “tsy mieritreritra”. Asehoy ny sarin’ny Mpamonjy, ary asao ny ankizy mba hanao sary ireo zavatra izay mety handany fotoana be loatra ka mety hahatonga azy ireo hanadino ny Tompo. Apetraho eo ambonin’ny sarin’i Jesoa ireo sary nataon’izy ireo. Angataho ny ankizy mba hieritreritra ireo zavatra izay azony atao isan’andro mba hahatsiarovana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa. Rehefa mizara ny eritreriny izy ireo dia esory tsirairay ireo sary nataony mandra-pisehon’ilay sarin’ny Mpamonjy.

  • Asao ny ankizy mba hamita ity pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity.

Helamàna 10

Rehefa misaintsaina ny tenin’Andriamanitra aho, dia afaka mahazo fanambarana.

Moa ve ny ankizy ampianarinao mahafantatra ny dikan’ny hoe misaintsaina? Ampio izy ireo hahatakatra fa nahazo fanambarana i Nefia rehefa nisaintsaina ireo zavatra nasehon’ny Tompo azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe misaintsaina (jereo ny “Misaintsaina,” Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Asao izy ireo mba hieritreritra teny hafa izay mamaritra ny dikan’ny hoe misaintsaina. Ary asaivo mamaky ny Helamàna 10:1-3 izy ireo ary hanolo ny teny hoe misaintsaina amin’ny teny izay noeritreretiny. Inona no nitranga rehefa nisaintsaina ny soratra masina i Nefia? (jereo ny Helamàna 10:3-7). Mizarà fotoana iray izay nahazoanao fanambarana taorian’ny nisaintsainanao soratra masina iray na fanambarana maoderina iray na traikefa ara-panahy iray.

  • Omeo fotoana hamakiana ny Helamàna 10 ny ankizy, na iaraho mamaky izany, ka amporisiho izy ireo mba hitady andininy iray izay tian’izy ireo hosaintsainina mandritra ny herinandro ho avy. Asao izy ireo hanoratra ilay andininy nosafidiany eo amin’ny taratasy na karatra iray ary hametraka izany eo amin’ny toerana iray mba hampahatsiahy azy ireo ny hisaintsaina an’io andininy io mandritra ny herinandro ho avy. Amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia omeo fotoana hizarana ny zavatra nianarany izy ireo rehefa nisaintsaina ilay andininy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra kasainy hatao mba hahatsiarovana isan’andro ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka manasa ny fianakaviany koa izy ireo mba hiaraka amin’izy ireo amin’ny tanjony.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova fanasana izay manaja ny fahafahana misafidy. Rehefa manasa ny ankizy mba hanao asa araka ny zavatra nampianarinao azy ireo ianao dia eritrereto ireo fomba hanajana ny fahafahan’izy ireo misafidy rehefa mampihatra izay nianarany izy ireo. Ohatra, aorian’ny lesona iray momba ny Mpamonjy dia afaka manontany ianao hoe: “Inona no hataonao mba hahatsiarovana ny Mpamonjy amin’ity herinandro ity”

Hamoaka printy