Avia, hanaraka Ahy
31 aogôsitra–6 septambra Helamàna 13–16: “Teny soa mahafaly”


“31 aogôsitra–6 septambra. Helamàna 13–16: -Teny soa mahafaly,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“31 aogôsitra–6 septambra,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Samoela ilay Lamanita mitsangana eo ambonin’ny manda

I Samoela ilay Lamanita mitsangana eo ambonin’ny Manda, nataon’i Arnold Friberg

31 aogôsitra–6 septambra

Helamàna 13–16

“Teny soa mahafaly”

Miomàna ny hampianatra amin’ny alalan’ny famakiana ny Helamàna 13–16 sy fisaintsainana ireo asa atao izay hanampy indrindra ireo ankizy mba hianatra ireo fahamarinana ao anatin’ireo toko ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa ny sarin’i Samoela ilay Lamanita ary asao ny ankizy hizara zavatra izay fantatr’izy ireo mikasika azy. Ohatra, azon’izy ireo atao ve ny miresaka momba ny tantaran’ny fampianaran’i Samoela teo amin’ny manda na ireo famantarana nolazainy fa hitranga rehefa teraka i Jesoa?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Helamàna 13:2–5

Afaka miresaka ao am-pontsika ny Fanahy.

Rehefa nodidiana mba hitory tamin’ny Nefitra i Samoela ilay Lamanita dia nanampy azy hahafantatra tao am-pony izay tokony holazainy ny Ray any An-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampianaro ny ankziy fa raha mifampiresaka amin’ny alalan’ny fampiasana teny isika, ny Fanahy Masina kosa dia miresaka amin’ny alalan’ny fahatsapana ao am-pontsika. Asao izy ireo hametraka ny tanany eo amin’ny fon’izy ireo isaky ny mamaky ny teny hoe “fo” ao amin’ny Helamàna 13:2–5 ianao. Ampio izy ireo hanaingo ny sarina fo vita amin’ny taratasy izay misy soratra hoe: “Miresaka amiko ao am-poko ny Fanahy.”

  • Lazao amin’ny ankizy fa rehefa atao batisa sy raisina ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo dia hanana ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo mba hanampy azy ireo hahafantatra izay tian’ny Ray any An-danitra ataony sy lazainy. Ampio izy ireo hieritreritra ireo zavatra izay mety holazain’ny Fanahy Masina amin’izy ireo, ary asao izy ireo hizara izay azony atao mba hanarahana ireo bitsiky ny Fanahy.

Helamàna 14:2–7, 20–25

Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

Fahafahana lehibe iray ny tantaran’i Samoela ilay Lamanita mba hampianarana ny ankizy fa mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany rehetra.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ilay sarin’i Samoela ilay Lamanita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary lazao amin’ny ankizy amin’ny teny tsotra ny mikasika ny zavatra niainany tao amin’ny Helamàna 13–16. Azonao ampiasaina koa ny “Toko 40: Miresaka momba an’i Jesoa Kristy i Samoela ilay Lamanita,” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 111-13, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Avelao ireo ankizy hizara ireo zavatra izay fantatr’izy ireo mikasika an’i Samoela ilay Lamanita.

  • Mizarà zavatra izay tianao momba an’i Samoela, ary avelao ny ankizy hizara izay tian’izy ireo momba ny tantarany.

  • Afeno manerana ny efitrano ireo sary izay maneho ireo famantarana naminanian’i Samoela ao amin’ny Helamàna 14:2–7 sy 20–25. Mamakia fehezan-teny iray izay mamariparitra ny iray amin’ireo famantarana, ary asaivo mitady ny sarin’izany famantarana izany ny ankizy. Hazavao fa ireo famantarana ireo dia nanampy ireo Nefita hahafantatra momba an’i Jesoa Kristy. Mijoroa ho vavolombelona fa, tahaka an’i Samoela, ny mpaminany rehetra dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Mampitodika antsika any amin’i Jesoa Kristy ny mpaminany.

Helamàna 16:1–6

Voatahy aho rehefa misafidy ny hanaraka ny mpaminany.

Nanome mpaminany ho antsika ny Ray any An-danitra mba hanampy antsika hahafantatra ny sitrapony sy hanaraka ny drafiny. Voatahy isika rehefa mihaino ny tenin’ny mpaminany sy mankatò.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hanorina manda kely iray amin’ny alalan’ny zavatra atao mifanaingina na boky. Mampiasà kilalao ka saribakoly kely hanehoana an’i Samoela ka avelao ny ankizy hifandimby hanampy an’i “Samoela” hihanika ilay manda mba hampianarana ny vahoaka momba an’i Jesoa Kristy. (Jereo ihany koa ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity.) Mizarà andian-teny avy ao amin’ny Helamàna 16:1 sy 5 mba hanazavana fa nino an’i Samoela ny olona sasany ka natao batisa. Mampiasà andian-teny avy ao amin’ny Helamàna 16:2 sy 6 mba hampisehoana fa tsy nino ny olona sasany ary tezitra tamin’i Samoela. Mijoroa ho vavolombelona fa voatahy izay manaraka ny mpaminany.

  • Ampisehoy ny sarin’ny Mpamonjy, dia angataho ny ankizy iray mba haneho ny mpaminany sy hitarika ny ankizy hafa eran’ny efitrano rehefa mihira ny andininy vitsivitsy amin’ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58-59) na ny hira hafa momba ny mpaminany. Dia angataho ilay ankizy naneho ny mpaminany mba hitarika ny ankizy ho eo amin’ilay sarin’ny Mpamonjy avy eo. Mijoroa ho vavolombelona fa raha manaraka ny mpaminany isika dia hitarika antsika mankany amin’i Jesoa Kristy izy. Zarao ny zavatra sasany momba an’i Jesoa Kristy izay nampianarin’ny mpaminanintsika vao haingana. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny toroheviny?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Helamàna 13:2–4

Afaka miresaka ao am-pontsika ny Fanahy.

Indray andro any dia ilain’ireo ankizy ampianarinao ny mahafantatra ny fomba fanaovana izay nataon’i Samoela: dia ny mizara ny hafatra izay apetraky ny Tompo ao am-pon’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Samoela ilay Lamanita (toy ilay anankiray ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana), dia anontanio ny ankizy ny fomba nahafantaran’i Samoela izay holazainy rehefa nitory teo amin’ny mandan’ny tanàna izy. Asao izy ireo mba hamaky ny Helamàna 13:2–4 hitadiavana valinteny. Miresaha momba ny fotoana iray izay nanampian’ny Fanahy Masina anao hahafatantatra tao am-ponao izay tian’Andriamanitra ataonao na lazainao. Asao ireo ankizy hizara zavatra izay mety niainan’izy ireo izay mitovy amin’izany.

  • Mampisehoa sarin’ny mpaminany velona mandaha-teny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana. Lazao amin’ny ankizy fa Andriamanitra dia miteny amin’ny mpaminany izay holazaina amintsika, tahaka ny nilazany tamin’i Samoela izay holazaina tamin’ny Nefita. Ifampiresaho ny momba ireo zavatra izay nolazain’ny mpaminany ka nanentana ny fanahinareo na ny an’ny ankizy.

Helamàna 14:2–28

Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

Ny tanjon’ny hafatr’i Samoela dia ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy hanasa ny olona mba hibebaka sy hanatona Azy. Manana izany anjara asa izany koa ireo mpaminanintsika ankehitriny.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny antsasaky ny ankizy mba hamaky ny Helamàna 14:2–6 ary hanao sary ireo famantarana momba ny fahaterahan’i Jesoa. Asao ny antsasaky ny kilasy hafa mba hamaky nyHelamàna 14:20–28 ary ireo famantarana momba ny fahafatesan’i Jesoa. Dia angataho ny vondrona tsirairay mba hizara izay sary nataony. Iaraho mamaky ny Helamàna 14:11–12, ary asaivo mihaino ny antony naminanian’i Samoela momba ireo famantarana ireo ny ankizy. Ahoana no ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy ankehitriny?

  • Hazavao fa tahaka an’i Samoela ilay Lamanita izay nampianatra momba an’i Jesoa Kristy dia manao toy izany koa ireo mpaminany velona ankehitriny. Mizarà teny natao avy amin’ny hafatra nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana vao haingana ka mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ny mpaminany velona ao anatin’izany. Angataho ny ankizy hizara ny zavatra nampianarin’ny mpaminany azy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Helamàna 16:1–6

Voatahy aho rehefa misafidy ny hanaraka ny mpaminany.

Nanome mpaminany ho antsika ny Ray any An-danitra mba hanampy antsika hahafantatra ny sitrapony sy hanaraka ny drafiny. Voatahy isika rehefa mihaino sy mankatò ny tenin’ny mpaminany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio mafy ny Helamàna 16:15, ary angataho ireo ankizy mba hitsangana rehefa maheno zavatra iray izay nataon’ny olona rehefa nino ny tenin’i Samoela izy ireo. Dia vakio avy eo ny andininy 2 sy 6, ary angataho ny ankizy mba hipetraka rehefa maheno zavatra iray izay nataon’ny olona rehefa tsy nino izy ireo. Ahoana no hahafahantsika maneho fa mino ny tenin’ny mpaminany velona isika?

  • Mampisehoa sarin’ny mpaminany velona, ary angataho ny ankizy mba hizara izay fantatr’izy ireo momba azy. Zarao ny fomba hiezahanao manaraka ireo fampianarany sy ny fomba nitahiana anao noho ny fanaovana izany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hianatra momba ny zavatra iray izay nolazain’ny mpaminany ary hizara izany amin’ny iray kilasy amin’ny herinandro ambony.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny ankizy mba hametraka fanontaniana. “Miezaha mba handray ny fanontanian’[ny ankizy] ho toy ny fahafahana manao zavatra fa tsy toy ny zavatra manelingelina na zavatra manakantsakana ny lesonao. … Ny fanontaniana toy izany dia manome anao hevitra manan-danja mikasika ny zavatra eritreretin’ny ankizy, ny olana ananany, ary ny fandraisany andraikitra eo anatrehan’ireo zavatra ianarany” (jereo ihany koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26).

Hamoaka printy