Avia, hanaraka Ahy
17–23 aogôsitra. Helamàna 1–6: “Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika”


“17–23 aogôsitra. Helamàna 1–6: -Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“17–23 aogôsitra. Helamàna 1–6,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
onja manorotoro vatolampy

17–23 aogôsitra

Helamàna 1–6

“Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika”

Ireo asa atao ao amin’ity rindran-damina ity dia natao mba hampitsiry hevitra sy fanentanam-panahy ao am-ponao sy ao an-tsainao. Mazàna ireo hevitra tsara indrindra no tonga rehefa misaintsaina amim-bavaka ny soratra masina sy ireo zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanohanana ny ankizy amin’ny fianaran’izy ireo ny filazantsara any an-tokantranony dia asao ny sasany amin’izy ireo hizara zavatra nianarany nandritra ity herinandro ity. Soritsorito ny fandalinanao soratra masina ao an-tokantrano, ary miresaha momba ireo fomba hahafahan’ny ankizy manampy ny fianakaviany hianatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Helamàna 5:12

Afaka manangana ny fototra iorenako eo amin’i Jesoa Kristy aho.

Nampianatra an’i Nefia sy Lehia zanany lahy i Helamàna mba hanorina ny fiainan’izy ireo eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika. Saintsaino hoe ahoana no hanaovanao izany koa ho an’ireo ankizy ampianarinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina tempoly na trano hafa, ary hazavao fa ny trano dia mila fototra matanjaka mba tsy hirodana rehefa misy rivotra sy tafiotra. Mba hanehoana izany an-tsary dia asao ny ankizy hanandrana hampihetsika vato iray amin’ny alalan’ny fitsofana izany. Vakio ireo andalana vitsivitsy voalohany an’ny Helamàna 5:12, ary asaivo mananga-tanana ny ankizy rehefa maheno hoe iza ilay “vatolampy” tokony iorenantsika.

  • Asao ny ankizy hihetsiketsika eo am-pamakianao ny Helamàna 5:12. Ohatra, azon’izy ireo atao ny manopakopaka ny sandriny rehefa mamaky momba ny “tafiotra [maherin’]” ny devoly ianao ary mijoro eo amin’ny toerana iray rehefa mamaky momba ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika” ianao.

  • Asao ny ankizy hanampy anao hanangana rafitra iray amin’ny fampiasana fitaovana kilalao na fitaovana hafa. Atombohy ny fanorenana “fototra azo antoka,” ary resaho amin’izy ireo fa i Jesoa Kristy no tokony ho fototry ny fiainantsika. Asaivo mizara zavatra azony atao mba hanarahana an’i Jesoa Kristy ny ankizy, ary avelao izy ireo hanampy fitaovana kilalao eo amin’ny fototr’ilay rafitra ho an’izay zavatra tsirairay zarainy.

  • Asao ny ankizy handoko ilay pejin’ny asa atao ary ampio izy ireo hanapaka izany. Inona no azontsika atao mba hanorenana ny fiainantsika eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy? Zarao ireo fomba sasany nanorenanao ny fiainanao teo amin’ny Mpamonjy ary ny fomba nitahian’ny fanaovana izany ny fiainanao.

Helamàna 5:21–52

Mibitsika amin’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy Masina.

Ny famariparitana ao amin’ny Helamàna 5:29–30, 45–47 momba ilay feo ren’ireo Lamanita dia mitovy amin’ny fomba hamariparitantsika matetika ny firesaky ny Fanahy Masina. Azonao ampiasaina ireo andininy ireo mba hanampiana ny ankizy hamantatra ny feon’ny Fanahy.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ny tantaran’i Nefia sy i Lehia tao am-ponja.  Azonao ampiasaina ny “Toko 37: I Nefia sy i Lehia ao am-ponja” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 99–102). Rehefa miresaka mikasika ny feo henon’ny Lamanita ianao dia miresaha amin’ny feo malefaka. Averimbereno ilay tantara ary asao ny ankizy hibitsibitsika aminao. Lazao amin’ny ankizy ireo fotoana nibitsihan’ny Fanahy Masina taminao ary nampatanjahany ny fijoroana ho vavolombelona ananao.

  • Vakio ny Helamàna 5:30, dia ataovy miaraka amin’ny ankizy ny hira iray mikasika ny Fanahy Masina. Mariho ireo teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina sy ilay hira izay mamariparittra ny fomba hiresahan’ny Fanahy Masina amintsika (jereo ihany koa ny Helamàna 5:45–47). Ampiasao ny Helamàna 5:29 sy ny traikefanao manokana mba hizarana amin’ny ankizy ny ohatra vitsivitsy amin’ireo zavatra tsara afaka hentanin’ny Fanahy Masina mba hataontsika.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Helamàna 1–6

Rehefa manetry tena aho dia hitahy ahy ny Ray any An-danitra.

Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana ohatra maro ny amin’ny loza ateraky ny fieboeboana ary ny fitahiana avy amin’ny fanetrentena, ary ny sasany amin’ireo ohatra ireo dia hita ao amin’ny Helamàna 1–6. Rehefa mandalina ireo toko ireo ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ireo ohatra ireo mba hampianarana ny ankizy ao amin’ny kilasinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Avelao ny ankizy hanampy anao hanao sary eo amin’ny solaitrabe ity kisarisary manaraka hoe “fiverimberenan’ny avonavona” ity. Vakio miaraka ny Helamàna 3:24, 33–34 sy ny 4:11–15, ary asao ny ankizy hanamarika ireo singa ao amin’ilay fiverimberenana izay soritsoritan’ireo andininy.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny Manetry tena sy Miavonavona. Soraty eo amin’ny tapa-taratasy ny ohatra vitsivitsy amin’ireo fihetsika feno fanetrentena na avonavona ary asao ny ankizy hifandimby hisafidy taratasy iray ary hametraka izany eo akaikin’ilay teny eo amin’ny solaitrabe izay mamariparitra ilay zavatra atao. Inona ireo fomba sasany izay hahafahantsika misafidy ny ho mpanetry tena?

Sary
Ny fitamberenan’ny avonavona

Ny “fitamberenan’ny avonavona.”

Helamàna 5:5–14

Hanangana ny fototra iorenako eo amin’i Jesoa Kristy aho.

Ny Helamàna 5:12 dia ahitana sary feno hery maneho ny fanorenana ny fototra ijoroantsika eo amin’i Jesoa Kristy. Ahoana no hahafahanao mampiasa ireo sary ireo mba hanehoana ity fitsipika ity amin’ny ankizy? Ny fanaovana izany dia hanampy hampiomana ny ankizy amin’ireo fakam-panahy sy fitsapana ho atrehan’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà ao an-dakilasy fitaovana vitsivitsy isan-karazany izay afaka maneho fototra malemy na matanjaka (toy ny landihazo na vato fisaka). Asao ny ankizy hanangana tilikambo amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana kilalao na fitaovana hafa eo ambonin’ireo karazana fototra samy hafa ireo. Inona no mahatonga ny fototra sasany ho matanjaka kokoa noho ny hafa? Iaraho mamaky ny Helamàna 5:12, ary anontanio ny mpianatra ny antony hiheverany fa i Jesoa Kristy no “fototra azo antoka” ho an’ny fiainantsika. Ahoana no hahafahantsika manorina ny fiainantsika eo Aminy? Asao izy ireo hikaroka ao amin’ny Helamàna 3:27–29, 35 sy ny Fanekem-pinoana 1:4 mba hahitana hevitra.

  • Asao ny ankizy hamaky haingana ao amin’ny Helamàna 5:5–14 ary hanisa ny hoe impiry no voalaza ny teny hoe “tsarovy.” Inona no nampianarin’i Helamàna ireo zanany fa tokony hotsaroan’izy ireo? Amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ireo zavatra ireo no manampy antsika hampiorina ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy?

Helamàna 5:20–52

Manolo ny haizina ara-panahy amin’ny hazavana ny fibebahana.

Ireo Lamanita izay nankao am-ponja mba hamono an’i Nefia sy Lehia dia voadidina haizina ara-bakinteny. Rehefa manota isika dia ao anaty haizina ara-panahy. Ny Helamàna 5:20–52 dia mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika manaisotra ny “rahon’ny haizina” (andininy 41).

Asa atao azo tanterahina

  • Ataovy izay hahamaizina ny efitra fianarana araka izay azo atao, dia vakio na fintino ny tantara ao amin’ny Helamàna 5:20–40 amin’ny alalan’ny fampiasana jiro fanao am-paosy kely. Mety nahatsapa inona ireo Lamanita raha tao anaty haizina izy ireo? Asao ny ankizy hihaino ny zavatra nampianarin’i Aminadaba mba hataon’ny olona mba hampiala ny haizina, dia vakio ny andininy 41 avy eo. Areheto ny jiro avy eo ary iaraho mamaky ny andininy 42–48. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fitahiana entin’ny fibebahana eo amin’ny fiainantsika?

  • Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe mampianatra ankizy kely momba ny Fanahy Masina izy ireo. Ahoana no hampiasan’izy ireo ny Helamàna 5:29–33, 44–47 mba hampianarana ny hoe toy ny ahoana ny feon’ny Fanahy Masina sy ny sasany amin’ireo zavatra lazain’ny Fanahy Masina amintsika? Nanentana anao hibebaka tamin’ny fomba ahoana ny Fanahy Masina? Asao ny ankizy hizara zavatra niainana izay nahatsapany fiadanana sy fampiononana avy tamin’ny Fanahy Masina.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hanontany ny olona ao amin’ny fianakaviany hoe ahoana no nanorenany ny fiainany teo amin’i Jesoa Kristy. Na azon’izy ireo atao ny mizara amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany ny drafitra amin’ny fomba hanorenany ny fiainany eo Aminy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Manana andraikitra masina ianao hanampy hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona mitombo izay ananan’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao. Ampio izy ireo hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa ho azy ireo, ary mijoroa ho vavolombelona momba Azy matetika.

Hamoaka printy