Testamenta Vaovao 2023
Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany


“Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“Tovana B,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023

Tovana B

Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany

Amin’ireo volana izay ahitana alahady dimy, ireo mpampianatra ny Kilonga dia amporisihina hanolo ny lesona Avia, hanaraka Ahy efa voalahatra hatao ny alahady fahadimy amin’ny iray na maromaro amin’ireo sahanasa fianarana ireo.

Ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Mampianatra antsika ny fomba hiverenana any amin’ Andriamanitra ny fotopampianaran’i Kristy.

Rehefa niseho tamin’ny olona tao Amerika Fahiny i Jesoa Kristy dia nampianariny azy ireo ny fotopampianarany. Nilaza Izy fa afaka miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra isika raha manam-pinoana, mibebaka, atao batisa, mandray ny Fanahy Masina ary maharitra hatramin’ny farany (jereo ny 3 Nefia 11:31–40; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29). Ireto sahanasa eto ambany ireto dia afaka manampy anao hampianatra ny ankizy fa hanampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy mandritra ny fiainantsika ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo.

Mba hianarana misimisy kokoa momba ny fotopampianaran’i Kristy dia jereo ny 2 Nefia 31.

Sahanasa azo atao

  • Omeo sary maneho finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa, ary fandraisana ho mpikambana ny ankizy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, 1, 111, 103, ary 105). Iaraho mamaky na atao tsianjery miaraka amin’ny ankizy ny fanekem-pinoana fahaefatra, dia angataho izy ireo hanangana ireo sary eny amin’izy ireo rehefa voatonona izany fitsipika na ôrdônansy izany. Ampio ny ankizy hahatakatra ny fomba anampian’ny tsirairay avy amin’ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo antsika ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ary ny fandraisana ho mpikambana dia tsy zavatra mitranga indray mandeha fa misy fiantraikany kosa eo amin’ny fivoarantsika ara-panahy mandritra ny fiainantsika? Ohatra, azonao aseho azy ireo ny sarina voa iray sy hazo lehibe iray (na ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra ireo). Ampio izy ireo hieritreritra ireo zavatra izay manampy ilay voa haniry ka ho lasa hazo lehibe iray, toy ny rano, ny tany, ary ny tara-masoandro. Ampio izy ireo hahatakatra fa ireo zavatra ireo dia tahaka ireo zavatra izay ataontsika mba hanakaikezana kokoa an’ Andriamanitra mandritra ny fiainantsika, dia ny fanorenana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana isan’andro, ny fiainana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa, ary ny fihainoana ny Fanahy Masina.

  • Zarao amin’ny ankizy ilay tantara momba ilay tsipoapoaka izay nalaina tao amin’ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Comment le repentir peut-il m’aider à être heureux?” ( Liahona, déc. 2017, 70–71. ChurchofJesusChrist.org Asao ny ankizy, amin’ny fotoana samihafa ao amin’ilay tantara, mba hieritreritra ny zavatra mety ho tsapan’ny Loholona Renlund. Nahoana isika no mahatsapa fifaliana rehefa mibebaka? Zarao amin’ny ankizy ny fifaliana sy ny fitiavana tsapanao rehefa nangataka ny Ray any An-danitra mba hamela heloka anao ianao.

Batisa

Naneho ny ohatra tonga lafatra ho ahy i Jesoa Kristy tamin’Izy natao batisa.

Na dia tsy nanam-pahotana aza i Jesoa, dia natao batisa Izy mba haneho ny ohatry ny fankatoavana tonga lafatra an’ny Ray any An-danitra (jereo ny 2 Nefia 31:6–10).

Mba hianarana misimisy kokoa momba ny batisa dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37; Sujets de l’Évangile, “Baptême,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Sahanasa azo atao

  • Mampisehoa sary maneho ny batisan’ny Mpamonjy sy sary maneho ny batisan’ny olona iray hafa (na jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 35 sy lah. 103 na lah. 104). Asao ny ankizy hizara ny zavatra maha samy hafa ireo sary roa ireo sy ny zavatra itovizan’izany. Iaraho mamaky ny Matio 3:13–17 na ny “Toko 10: Natao batisa i Jesoa” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 26–29 na jereo ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Avelao ny ankizy hanondro ireo zavatra hita ao amin’ireo sary izay voatonona ao anatin’ny vakiteny. Lazao an’ireo ankizy ny fitiavanao ny Mpamonjy sy ny fanirinao hanaraka Azy.

  • Mihainoa na mihirà hira momba ny batisa, toy ny “Batisa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 54). Inona no ianarantsika momba ny batisa avy amin’ilay hira? Vakio ny 2 Nefia 31:9–10, dia asao ny ankizy hihaino ny antony nanaovana batisa an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hanao sary ny tenan’izy ireo amin’ny andro hanaovana batisa azy ireo.

Afaka mifidy ny hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hatao batisa aho.

Ny hoe miomana ho amin’ny batisa dia manan-danja lavitra mihoatra noho ny fiomanana amina fotoan-dehibe iray. Ny dikan’izany dia hoe miomana ny hanao fanekempihavanana ary avy eo dia mitandrina izany fanekempihavanana izany mandritra ny androm-piainana. Saintsaino ny fomba azonao hanampiana ny ankizy hahatakatra ny fanekempihavanana izay ho ataon’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra rehefa hatao batisa izy ireo, izay ahitana ireo fampanantenana ataony amin’izy ireo sy ny fampanantenana ataon’izy ireo Aminy.

Sahanasa azo atao

  • Hazavao fa ny fanekempihavanana dia fampanantenana eo amin’ny olona iray sy ny Ray any An-danitra. Rehefa miezaka mihazona ny fampanantenana nataontsika tamin’ Andriamanitra isika dia mampanantena ny hitahy antsika Andriamanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ireo fampanantenana ataoko amin’ Andriamanitra sy ny hoe Ireo fampanantenana ataon’ Andriamanitra amiko. Iaraho mamaky ny Môzià 18:10, 13 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, ary ampio ny ankizy hitanisa ireo fampanantenana hitan’izy ireo eo ambanin’ny lohateny mifandray amin’izany (jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Ton alliance du baptême,” L’Ami, fév. 2021, 2–3). Zarao ny fomba nitahian’ny Ray any An-danitra anao rehefa niezaka nitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa ianao.

  • Asehoy an’ny ankizy ny sarin’ireo zavatra izay nataon’i Jesoa Kristy fony Izy tety an-tany (mba hahitana ohatra vitsivitsy dia jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 33–49). Angataho ny ankizy mba hiresaka mikasika ny zavatra ataon’i Jesoa eo amin’ny sary tsirairay. Vakio ny Môzià 18:8–10, 13, dia asao ny ankizy hihaino ireo zavatra ampanantenain’izy ireo fa hataony rehefa hatao batisa izy ireo. Inona no ho fiantraikan’ireo fampanantenana ireo eo amin’ny zavatra ataontsika isan’andro? Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo manampy olona tahaka izay mety ho nataon’i Jesoa. Na azonao atao ny manamboatra karatra tsotra fametraka an-tratra misy ny anaran’ny Mpamonjy mba hapetaka eny amin’ny ankizy.

    Sary
    Ankizilahy iray atao batisa

    Hazavao fa rehefa atao batisa isika dia manao fampanantenana amin’Andriamanitra ary manao fampanantenana amintsika Izy.

Fandraisana ho mpikambana

Rehefa raisina ho mpikambana aho dia lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Mitondra fitahiana maro ny fahatongavana ho mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ka isan’izany ireo fahafahana ananan’ny ankizy mba ho mpandray anjara mavitrika amin’ny asan’ Andriamanitra.

Mba hahalalana misimisy kokoa momba ny fandraisana ho mpikambana sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia jereo ny Gary E. Stevenson, “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?,” Liahona, mey 2017, 117–20; Sujets de l’Évangile, “Saint-Esprit,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Sahanasa azo atao

  • Manasà olona iray vao avy natao batisa sy noraisina ho mpikambana mba ho avy ao amin’ny kilasy ary hizara hoe manao ahoana izany raisina ho mpikambana izany. Midika inona amin’io olona io izany hoe lasa mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany? Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba azon’izy ireo hitandremana ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ireo (toy ny fanompoana ny hafa, fanasana ny hafa hianatra kokoa momba an’i Jesoa, fanaovana vavaka mandritra ireo fivoriana, sy ny sisa). Zarao ny fomba nanampian’ny fanaovana ireo zavatra ireo anao hahatsapa ny fifaliana azo avy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy.

  • Mampisehoa sarin’ireo olona teo amin’ny Ranon’i Môrmôna (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 76), ary angataho ny ankizy hamariparitra ny zavatra hitan’izy ireo eo amin’ilay sary. Tantarao ny tantaran’i Almà sy ny vahoakany natao batisa tao (jereo ny Môzià 18:1–17; “Toko 15: Mampianatra sy manao batisa i Almà,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 43–44, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Diniho ny Môzià 18:8–9 dia asao ny ankizy hanao asa mba hanampy azy ireo hahatsiaro ireo zavatra nananan’ireo vahoaka fahavononana mba hatao tamin’ny naha-mpikambana azy ireo tao amin’ny Fiangonan’i Kristy. Mizarà zavatra niainana iray izay nahitanao mpikamban’ny Fiangonana nanompo tamin’ireo fomba ireo.

Rehefa raisina ho mpikambana aho dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana isika dia mampanantena ny Ray any An-danitra fa isika dia “[hanana] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77). Io fanomezana mahatalanjona avy amin’ Andriamanitra io dia antsoina hoe ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Sahanasa azo atao

  • Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:15, dia angataho ny ankizy mba hihaino ilay fanomezana miavaka izay omen’ny Ray any An-danitra antsika rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana isika. Mba hanampiana azy ireo hianatra kokoa momba ny fomba hanampian’ny fanomezana ny Fanahy Masina azy ireo, dia iaraho dinihina ny Jaona 14:26; Galatiana 5:22–23; 2 Nefia 32:5; 3 Nefia 27:20. Azonareo dinihina ihany koa ilay lahatsoratra hoe “Le Saint-Esprit est …” (Liahona, Juin 2019, A12–A13).

  • Alohan’ny fotom-pianarana dia angataho ny ray aman-drenin’ny ankizy iray na mihoatra izany mba hizara ny fomba nitahiana azy ireo satria manana ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no anampiany azy ireo? Ahoana no handrenesan’izy ireo ny feony?

  • Miaraha mihira hira iray momba ny Fanahy Masina, toy ny hoe “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56). Ampio ny ankizy hahatakatra ny zavatra ampianarin’ilay hira antsika momba ny fomba azon’ny Fanahy Masina hanampiana antsika.

Afaka miresaka amiko amin’ny fomba maro ny Fanahy Masina.

Ireo ankizy izay afaka mamantatra ny feon’ny Fanahy dia ho vonona handray fanambarana ho an’ny tena manokana mba hitarika azy ireo mandritra ny fiainany. Ampianaro azy ireo fa misy fomba maro ahafahan’ny Fanahy Masina miresaka amintsika.

Sahanasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hieritreritra fomba isan-karazany ahafahantsika miresaka amina namana iray mipetraka lavitra be, toy ny fanoratana taratasy, ny fandefasana email, na ny firesahana an-telefaonina. Ampianaro azy ireo fa afaka miteny amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra. Ampiasao ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Comment notre Père céleste nous parle-t-il?” mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ireo fomba isan-karazany ahafahan’ny Fanahy Masina miteny ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika (Liahona, mar. 2020, A2–A3).

  • Mizarà zavatra niainana izay niresahan’ny Fanahy Masina taminao, na tamin’ny alalan’ny eritreritra tao an-tsainao na tamin’ny alalan’ny fahatsapana tao am-ponao (jereo ny Fotopampianarina sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3; jereo koa ny Henry B. Eyring, “Ouvre ton cœur au Saint-Esprit,” Liahona, août 2019, A2–A3). Mijoroa ho vavolombelona amin’ny ankizy fa afaka manampy azy ireo toy izany koa ny Fanahy Masina.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fotoana mety ho nahatsapany ny Fanahy, ohatra hoe, tamin’ny fotoana nihiran’izy ireo hira momba ny Mpamonjy na nanaovan’izy ireo zavatra tsara ho an’ny hafa. Ampio izy ireo hamantatra ireo fahatsapana ara-panahy izay entin’ny Fanahy Masina. Nahoana araka ny eritreritrao no manome antsika ireo fahatsapana ireo ny Fanahy Masina? Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra ilaintsika atao mba handrenesana ny Fanahy Masina miteny amintsika. Resaho ny zavatra ataonao mba handrenesana mazava kokoa ny Fanahy.

Ny fanasan’ny Tompo

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo aho dia mahatsiaro ny sorona nataon’ny Mpamonjy sy manavao ny fanekempihavanana nataoko.

Nomen’ny Mpamonjy antsika ny fanasan’ny Tompo mba hanampiana antsika hahatsiaro ny sorona nataony ho antsika sy hanavao ny fanekempihavanana nataontsika. Noho io ôrdônansy fanao isan-kerinandro io dia afaka manohy mianoka ireo fitahiana avy amin’ny batisantsika mandritra ny androm-piainantsika isika.

Mba hianarana misimisy kokoa dia jereo ny Matio 26:26–30; 3 Nefia 18:1–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79.

Sahanasa azo atao

  • Asao ny ankizy handoko ny “Jésus institue la Sainte-Cène chez les Néphites” ao amin’ny Album de coloriage sur des histoires tirées des Écritures: Le Livre de Mormon (2019), 26. Angataho izy ireo hanondro ny zavatra eritreretin’ny olona ao amin’ilay sary. Vakio amin’ny ankizy ny ampahan’ny 3 Nephi 18:1–12 na ny “Toko 45: Mampianatra momba ny fanasan’ny Tompo sy ny vavaka i Jesoa Kristy,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 126–27 na jereo ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Inona no azontsika atao mba hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fanasan’ny Tompo?

  • Angataho ny ankizy hilaza aminao zavatra vitsivitsy tokony hotsaroan’izy ireo mandrakariva fa tokony hataony, toy ny famatorana ny tadin-kirarony na ny fanasana ny tanany alohan’ny hihinanany hanina. Nahoana no zava-dehibe ny mitadidy ireo zavatra ireo? Vakio amin’ny ankizy ny Môrônia 4:3 dia asao izy ireo hihaino ny zavatra ampanantenaintsika fa hotsaroantsika mandrakariva rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro an’i Jesoa Kristy? Ampio ny ankizy hahatakatra ny fomba anampian’ny mofo sy ny ranon’ny fanasan’ny Tompo antsika hahatsiaro izay nataon’i Jesoa ho antsika (jereo ny Môrônia 4:3; 5:2).

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe “Izaho dia mampanantena ny .” Vakio amin’ny ankizy ireo vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Rehefa mahare fampanantenana ataontsika amin’ Andriamanitra izy ireo dia miatoa ary ampio izy ireo hameno ilay fehezan-teny eo amin’ny solaitrabe amin’ilay fampanantenana izay henon’izy ireo. Ampio izy ireo hahatakatra fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manao ireo fampanantenana nataontsika tamin’ny batisa.

  • Inona no dikan’ny hoe mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy? Mba hanampiana ny ankizy hamaly io fanontaniana io dia mizarà ohatra ana zavatra izay hametrahantsika ny anarantsika. Nahoana isika no mametraka ny anarantsika amin’ireo zavatra ireo? Nahoana i Jesoa Kristy no te hametraka ny anarany eo amintsika? Hevero ny hizara ity fanazavana avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity: “Tafiditra ao anatin’ny fitondrana ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika ny fanambarana sy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny hafa, amin’ny alalan’ireo asantsika sy ireo tenintsika, fa i Jesoa no Kristy” (Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 88).

Hery sy fahefana ary fanalahidin’ny fisoronana

Mitahy ny zanany amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana Andriamanitra.

Ny zanak’ Andriamanitra rehetra, na lahy na vavy, na antitra na tanora, dia mandray ny herin’ Andriamanitra rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana izay nataon’izy ireo Taminy. Manao ireo fanekempihavanana ireo isika rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana toy ny batisa (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 3.5, ChurchofJesusChrist.org).

Mba hianarana misimisy kokoa dia jereo ny Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 76–79; “Ireo fitsipiky ny fisoronana,” toko 3 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sahanasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hahatsikaritra ireo fitahiana raisin’izy ireo noho ny fisoronana. Mba hahitan’izy ireo hevitra dia azonao aseho ny horonan-tsary “Blessings of the Priesthood” (ChurchofJesusChrist.org). Hevero ny hanoratra ireo fitahiana ireo eny amin’ny solaitrabe. Nahoana no manan-danja amintsika ireo fitahiana ireo? Mijoroa ho vavolombelona fa noho i Jesoa Kristy sy ny herin’ny fisoronany no ahatongavan’ireo fitahiana ireo eo amintsika.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto: Herin’ Andriamanitra sy Hery sy fahefan’ Andriamanitra omena ny olona eto an-tany. Angataho ny ankizy hametraka sary eo ambanin’ny lohateny voalohany izay manampy antsika hahatakatra ny fomba nampiasan’ Andriamanitra ny heriny hitahiana antsika, toy ny hoe tamin’ny alalan’ny fahariana izao tontolo izao, ny fitarihana antsika, ny fanehoana amintsika fa tia sy mahafantatra antsika Izy, ary ny fihainoana sy ny famaliana ny vavaka ataontsika (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 3, 68, 90111). Angataho izy ireo hametraka sary eo ambanin’ny lohateny faharoa izay manampy antsika hahatakatra ny fomba ampiasan’ireo lehilahy mendrika eto an-tany ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra mba hitahiana antsika, toy ny amin’ny alalan’ny fitsofan-drano ny marary, ny fanaovana batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo, ary ny famehezana ny fianakaviana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 46, 104, 105, 107120). Zarao ny antony maha-velom-pankasitrahana anao noho ny fisoronana sy ireo fitahiana entin’izany.

  • Isan’ireo fomba lehibe handraisantsika ireo fitahiana avy amin’ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ireo ôrdônansin’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20). Mba hanampiana ny ankizy hianatra io fahamarinana io dia azonao atao ny manoratra ireto soratra masina ireto eny amin’ny solaitrabe: 3 Nefia 11:21–26, 33 (batisa); Môrônia 2 (fandraisana ho mpikambana); Môrônia 4–5 (fanasan’ny Tompo). Afaka misafidy ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny tsirairay amin’ireo ankizy ary mamantatra ny ôrdônansy izay fariparitan’izany. Asao ny ankizy hizara ny fomba nitahiana azy ireo manokana noho ny fandraisany ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

  • Ampio ny ankizy hahatakatra fa handray hery avy amin’ Andriamanitra izy ireo rehefa hatao batisa sy mitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisa. Anontanio an’ny ankizy ny fomba ahafahan’io hery io manampy azy ireo.

Tarihina amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana ny asan’ Andriamanitra ary tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana.

Ireo lehilahy mendrika ao amin’ny Fiangonana dia azo tendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana. Ankoatra izay, rehefa misy olona iray atokana ho amina antso iray na omena andraikitra mba hanampy amin’ny asan’Andriamanitra dia afaka mampiasa fahefan’ny fisoronana nanomezana fahefana azy mba ho ampiasainy izy. Ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia tarihin’ny olona mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana, toy ny filohan’ny tsatòka, ny eveka, ary ireo filohan’ny kôlejy. Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay hitarihana ny fampiasana ny fisoronana amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo.

Sahanasa azo atao

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Marka 3:14–15, dia asehoy azy ireo ny sary iray maneho ilay trangan-javatra voalaza ao (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara laha. 38). Anontanio ny ankizy raha toa izy ireo ka efa nahita olona notendrena ho amina anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana na natokana ho amina antso iray (na tantarao azy ireo ny zavatra efa niainanao). Inona no mampitovy izany amin’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy niaraka tamin’ireo Apôstôliny? Ampio ny ankizy hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana na ireo antso izay azo omena ny mpikamban’ny Fiangonana, toy ny mpampianatra na mpitarika ao amina rafitra iray. Azonao soratana eo akaikin’ny anjara fanompoana na ny antso tsirairay ny zavatra ananan’ny olona iray fahefana hatao ao amin’izany anjara fanompoana na antso izany. Tantarao amin’ny ankizy ny fomba nanampiana anao hanompo rehefa natokan’ny olona iray eo ambanin’ny fitarihan’ny fanalahidin’ny fisoronana ianao.

  • Asao ireo ankizy hieritreritra zavatra izay ilana fanalahidy, toy ny fiara iray na varavarana iray. Inona no mitranga raha tsy manana ilay fanalahidy ianao? Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2 ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny fananana ireo fanalahidin’ny fisoronana eto an-tany. ChurchofJesusChrist.org

  • Asao izy hamariparitra ireo andraikiny. Ampahany inona amin’ny asan’ny Tompo no tarihiny? Ahoana no anampian’ny Mpamonjy azy?

Ny tempoly sy ny drafitry ny fahasambarana

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Ampahany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany ny tempoly. Manao fanekempihavanana masina Aminy isika ao amin’ny tempoly, omena fanafiana masina amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana, mandray fanambarana, manatanteraka ôrdônansy ho an’ireo razambentsika efa nodimandry, ary fehezina amin’ny fianakaviantsika ho mandrakizay. Azo tanterahina ireo rehetra ireo noho i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony.

Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy ampianarinao hahafantatra ny maha-masina ny tranon’ny Tompo sy hanomana ny tenany ho mendrika ny handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly? Hevero ny handinika ireto loharanon-kevitra ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–17; Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 120–22; “Pourquoi les saints des derniers jours construisent des temples,” temples.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
zatovo eo ivelan’ny tempoly

Ampahany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany ny tempoly.

Sahanasa azo atao

  • Mampisehoa sarina tempoly iray na maromaro. Anontanio an’ny ankizy ny mahatonga ny tempoly ho toerana miavaka. Hazavao fa hita eo amin’ny tempoly tsirairay ity soratra ity: “Hamasinina ho [an’ny Tompo]: ny tranon’ny Tompo.” Anontanio an’ny ankizy izay heverin’izy ireo fa mety ho dikan’ny hoe “Hamasinina ho [an’ny Tompo]”. Nahoana ny tempoly no antsoina hoe tranon’ny Tompo? Inona no ampianarin’izany antsika momba ny tempoly? Raha toa ka efa nisy nandeha tany amin’ny tempoly tamin’ireo ankizy dia afaka mizara ny zavatra tsapany tao amin’ny tempoly ihany koa izy ireo. Raha efa tany amin’ny tempoly ianao dia zarao ny fahatsapanao ny fisian’ny Tompo tao, ary miresaha mikasika ny antony maha-toerana masina ny tempoly ho anao.

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–17. Angataho ny ankizy hitady ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ireo izay miditra ao amin’ny tranony masina. Nahoana isika no mila mendrika mba hahafahana miditra ny tranony? Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io dia resaho amin’ny ankizy ny momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ka tafiditra ao anatin’izany ny fomba hahazoana izany. Azonao atao ny manasa mpikambana iray ao amin’ny episkôpà mba hizara amin’izy ireo hoe toy ny ahoana izany tafa sy dinika ahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izany sy ireo fanontaniana apetraka ao anatin’izany.

Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika ao amin’ny tempoly.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Manasa antsika i Jesoa Kristy handeha amin’ny lalan’ny fanekempihavanana hody any amin’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra ary ho tafaraka amin’ireo tiantsika” (“Avia, manaraha Ahy,” Liahona, mey 2019, 91). Ampio ny ankizy hahatakatra fa tafiditra ao anatin’ny lalan’ny fanekempihavanana ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ary ny fanafiana masina sy ny famehezana any amin’ny tempoly.

Sahanasa azo atao

  • Angataho ny ankizy hanampy anao hamerina hijery ilay fanekempihavanana izay ataontsika amin’ Andriamanitra rehefa atao batisa isika sy izay havaozintsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika (jereo ny Môzià 18:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Mampisehoa sarin’ny tempoly dia hazavao fa manana fitahiana bebe kokoa tiany omena antsika ao amin’ny tempoliny ny Ray any An-danitra.

  • Manaova sarina vavahady mitondra mankeo amin’ny lalana iray. Anontanio an’ny ankizy hoe nahoana araka ny hevitr’izy ireo no hoe manampy ny manana lalana handehanana. Vakio miaraka ny 2 Nefia 31:17–20, izay hampitahan’i Nefia ny fanekempihavanan’ny batisa amina vavahady iray ary hanasany antsika hanohy handeha eo amin’ilay lalana aorian’ny batisa. Betsaka ny fanekempihavanana atao aorian’ny batisa, isan’izany ireo fanekempihavanana atao ao amin’ny tempoly. Hazavao fa nantsoin’ny Filoha Nelson hoe “lalan’ny fanekempihavanana” io lalana io.

Azo atao batisa sy raisina ho mpikambana ho an’ireo razambe efa nodimandry isika ao amin’ny tempoly.

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mahatonga ny zanak’ Andriamanitra rehetra ho afaka ny hiverina hiara-hiaina Aminy, na dia maty tsy nahafantatra ny filazantsara aza izy ireo. Ao amin’ny tempoly isika dia azo atao batisa sy raisina ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, misolo tena azy ireo.

Sahanasa azo atao

  • Miresaha momba ny fotoana iray izay nanaovan’olona zavatra ho anao, zavatra izay tsy vitanao ny nanao azy ho an’ny tenanao. Asao ireo ankizy hizara ny zavatra niainany mitovitovy amin’izany. Hazavao fa rehefa mankany amin’ny tempoly isika dia afaka mandray ôrdônansy masina toy ny batisa ho an’ireo olona hafa izay efa maty. Inona no mampitovy antsika amin’i Jesoa rehefa manao asa ho an’ny maty isika? Inona no nataony ho antsika kanefa tsy vitantsika ny nanao izany ho an’ny tenantsika?

  • Manasà zatovo iray na mihoatra izany izay efa natao batisa ho an’ireo razambeny mba hizara ny zavatra niainany. Anontanio azy ireo hoe nanao ahoana izany tao amin’ny tempoly izany. Amporisiho izy ireo hizara ny zavatra tsapany tamin’ny nanao io asa io ho an’ny razambeny.

  • Manaova sarina hazo ahitana fakany sy rantsany eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny ankizy hieritreritra ny antony mampitovy ny fianakaviana iray amin’ny hazo iray. Asio anarana hoe Razambe ny fakany, asio anarana hoe Taranaka ireo rantsana, ary asio anarana hoe Ianao ny vatan’ilay hazo. Vakio miaraka ity fehezan-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18 ity: “Fa tsy hatao tanteraka isika raha tsy eo [ireo razambentsika]; tsy hatao tanteraka koa izy ireo raha tsy eo isika.” Mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: “Nahoana isika no mila ireo razambentsika? Nahoana ireo taranatsika no mila antsika? Ahoana no nanampian’ireo ray aman-drenintsika sy ireo ray aman-drenibentsika ary ireo razambe hafa antsika?” Asao ny ankizy mba hitady ao amin’ny ambin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18 andian-teny iray izay mamariparitra ny fomba ahafahantsika manampy ireo razambentsika.

  • Hevero ny hiara-hiasa amin’ireo ray aman-drenin’ny ankizy tsirairay avy mba hitady anarana razambe iray hoentin’ilay ankizy any amin’ny tempoly (jereo ny FamilySearch.org).

Hamoaka printy