Testamenta Taloha 2022
7–13 febroary. Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: “Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana”


“7–13 febroary. Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: -Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana,-’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“7–13 febroary. Genesisy 12–17; Abrahama 1–2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Abrahama sy Saraha

Sarin’i Abrahama sy i Saraha, nataon’i Dilleen Marsh

7–13 febroary

Genesisy 12–17; Abrahama 1–2

“Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana”

Tsarovy fa tsy ilaina—na tsy ho vita mihitsy aza—ny miresaka ny zava-drehetra ao anatin’ity rindran-damina ity. Avelao ny Fanahy hitarika anao amin’ireo fitsipika sy asa atao izay manan-danja indrindra amin’ny ankizy ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fianakavian’ireo ankizy ampianarinao dia nasaina hianatra momba an’i Abrahama sy i Saraha tamin’iny herinandro iny. Omeo fahafahana hizarana ny zavatra fantany momba an’i Abrahama na i Saraha ny ankizy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Abrahama 1:18; 2:8

Afaka mitantana ahy amin’ny tanana i Jesoa Kristy.

Naniry ny ho olo-marina i Abrahama na dia ratsy fanahy aza ny fianakaviany. Hoy ny Tompo taminy: “Izaho no hitantana anao amin’ny tanako” (Abrahama 1:18). Tahaka ny nampanantenan’ Andriamanitra hanampy an’i Abrahama dia afaka mitarika ireo ankizy ampianarinao Izy rehefa maniry ny hisafidy ny tsara izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Abrahama 1:18 sy 2:8 ary asao ny ankizy mba hihaino ny ampahany amin’ny vatana izay voalaza ao amin’ireo andininy roa ireo. Inona no ho tsapa amin’izany hoe manana an’i Jesoa Kristy mitantana antsika amin’ny tanany na hiaro antsika ny tanany? Mijoroa ho vavolombelona fa mitarika antsika amin’ny alalan’ny Fanahiny i Jesoa.

  • Ny olona nanodidina an’i Abrahama dia manao zavatra ratsy, kanefa i Abrahama dia naniry ny hanao ny tsara ka nanampy azy ny Tompo. Ahoana no anampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika rehefa miezaka misafidy ny tsara isika? Mihirà hira mifandray amin’io fitsipika io, toy ny “Toroy aho handeha amin’ny mazava” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, 129).

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy maromaro (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 38, 39, 40 ary 41), ary ampio ireo ankizy hahita ireo zavatra nataony tamin’ny tanany. Inona no azontsika atao amin’ny tanantsika hanampiana ny hafa?

Genesisy 13:5–12

Afaka ny ho mpampihavana aho.

Rehefa tsy nifanaraka tamin’ny taniny ireo mpiandry biby fiompin’i Abrahama sy ireo mpiandry biby fiompin’i Lota dia nanolotra vahaolana hitondra filaminana i Abrahama. Afaka mampiasa ity ohatra ity ianao hanomezana aingam-panahy ny ankizy ho lasa mpampihavana.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ny ankizy ny tantara avy ao amin’ny Genesisy 13:5–12, ary asao izy ireo hilalao an-tsehatra izany. Avelao ny ankizy hifandimby ho i Abrahama sy ny zana-drahalahiny ary ny mpiandry biby fiompy. Manomeza sosokevitra amin’ireo fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatr’i Abrahama amin’ny maha-mpampihavana azy, toy ny fifandimbisana milalao kilalao iray rehefa miara-milalao amin’ny namana. Asao izy ireo hilalao an-tsehatra ireo ohatra ireo.

  • Vakio ny Matio 5:9, ary hazavao fa tian’i Jesoa ho mpampihavana isika. Ampio ny ankizy hieritreritra izay azon’izy ireo atao mba ho lasa mpampihavana any an-trano na miaraka amin’ny namana. Asao izy ireo hanao ny sarin’izy ireo tonga mpampihavana. Angataho ny ankizy hizara ny fahatsapan’izy ireo rehefa mpampihavana toa an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Genesisy 15:1–6; 17:1–8; Abrahama 2:9–11

Zava-dehibe ny fitandremako ireo fampanantenako.

Ny fianarana momba ilay fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama sy i Saraha dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe mitandrina ireo fampanantenana. Afaka manampy azy ireo hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana koa izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy raha hainy ny atao hoe fampanantenana na fanekempihavanana. Asao izy ireo hizara zavatra niainana ka nanao fampanantenana izy ireo na nisy nanao fampanantenana tamin’izy ireo tamin’izany. Raha ilaina dia mizarà ohatra vitsivitsy avy aminao manokana. Ampio ny ankizy hahatakatra fa nampanantena ny hankato an’ Andriamanitra i Abrahama sy Saraha. Misafidiana andian-teny vitsivitsy avy ao amin’ny Genesisy 15:1–6; 17:1-8; Abrahama 2:9–11 entina mizara ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra azy ireo. Anisan’izany ny hoe “Aza matahotra, ry Abrama: izaho no ampinganao,” “Ho rain’ny firenena maro ianao” na “Hotahina ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany.”

  • Inona ireo fampanantenana tsotra sasantsasany azon’ireo ankizy hatao sy tandremana mandritra ny kilasy? Ohatra, angataho izy ireo hampanantena fa hijanona eo amin’ny sezany mandritra ny minitra vitsivitsy na hampirina ny sezany rehefa tapitra ny kilasy. Zarao aminy ny fotoana iray nanaovanao fampanantenana sy hitandremana izany, ary asao izy ireo hizara izay zavatra niainany. Ampio izy ireo hahatakatra fa hanao fampanantenana amin’ny Ray any An-danitra izy ireo rehefa atao batisa sy rehefa mandeha any amin’ny tempoly.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Abrahama 1:12–17

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Rehefa notandindomin-doza ny ain’i Abrahama, dia niantso an’ Andriamanitra izy ka voavonjy. Ireo ankizy ampianarinao dia mety manana ny traikefany manokana amin’ny vavaka izay azon’izy ireo zaraina.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ilay sary An Angel Saves Abraham (Nanavotra an’i Abrahama ny anjely iray) (ChurchofJesusChrist.org), ary asao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ilay tantara asehon’izany, hita ao amin’ny Abrahama 1:12, 15–17. Angataho ny ankizy hamaky ireo andininy ireo ary hizara ireo zavatra nianarany momba ny vavaka.

  • Asao ny ankizy hizara zavatra niainana ka namaly ny vavak’izy ireo ny Ray any An-danitra tamin’izany, dia zarao ny iray amin’ireo zavatra niainana.

Genesisy 13:5–12

Afaka ny ho mpampihavana aho.

Isika rehetra dia miatrika toe-javatra izay maka fanahy antsika ho lasa sorena sy ho tia ady. Diniho ny fomba hanampian’ny tantaran’i Abrahama sy i Lota ny ankizy ho lasa mpampihavana.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Mpandray anjara fototra, Toe-java-misy, Olana, ary Vahaolana. Asao ny ankizy mba hamaky ny Genesisy 13:5–12 ary tadiavo ireo ampahany amin’ny tantara voatanisa eo amin’ny solaitrabe. Ampio ny ankizy hieritreritra toe-javatra mety ahafahan’izy ireo mitoetra ho mpampihavana, toy ny hoe rehefa misy miady mifanditra na miezaka miady. Dia asao izy ireo hilalao an-tsehatra ny fomba ahafahan’izy ireo ho lasa mpampihavana amin’ireo toe-javatra ireo.

  • Ampio ny ankizy hahita ireo lohahevitra hoe “Fandriampahalemana” sy “Mpampihavana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ( scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Asao ny ankizy tsirairay hisafidy andinin-tsoratra masina momba ny fandriampahalemana ary hizara izay nianarany amin’ny iray kilasy. Ampio izy ireo hieritreritra ny sasany amin’ireo ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny maha-mpampihavana azy, toy ny ao amin’ny Lioka 22:50–51. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

    Sary
    I Lota sy i Abrahama niaraka tamin’ny andiana biby fiompy

    Lot’s Choice (Ny safidin’i Lota), © Providence Collection/licensed from goodsalt.com

Genesisy 17:1–8; Abrahama 2:8–11

Afaka mitandrina ny fanekempihavanana ataoko amin’ny Ray any An-danitra aho.

Ny fampianarana ny ankizy momba ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama sy i Saraha dia afaka manampy azy ireo hisaintsaina ny fanekempihavanana nataony manokana.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hamaky ny Genesisy 17:1–8 sy ny Abrahama 2:8–11 ary hanao lisitra roa: izay nasaina nataon’i Abrahama ary izay nampanantenain’ny Tompo ho setrin’izany. Inona no ianarantsika momba ny Tompo avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Mampisehoa sarin’olona iray atao batisa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara,lah. 103104). Angataho ny ankizy mba hanao lisitra ireo fampanantenana ataon’ny olona mandritra ny batisa sy ireo fampanantenan’ Andriamanitra ho setrin’izany. Toroy hevitra ny ankizy hijery ny Môzià 18:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 77, 79 ho fanampiana. Inona no azontsika atao mba hitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampitondray teny kely any an-trano ny ankizy mba hamporisihana ny olona ao amin’ny fianakaviany hahatsikaritra rehefa mampihavana, mitandrina fampananatenana, na manao zavatra hafa noresahinareo tany amin’ny kilasy ny ankizy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mavitrika ny ankizy. Indraindray dia tsy hampifantoka ny ankizy ny angovo betsaka ananan’izy ireo, kanefa azonao atao ny mampiasa izany angovo izany ho ampahany amin’ny fianaran’izy ireo. Asao izy ireo hilalao an-tsehatra na hanao fihetsika mifanaraka amin’ny tononkira na hira na soratra masina iray. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)

Hamoaka printy