“21–27 febroary. Genesisy 24–27: Nohavaozina ny fanekempihavanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“21–27 febroary. Genesisy 24–27,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022
21–27 febroary
Genesisy 24–27
Nohavaozina ny fanekempihavanana
Rehefa mamaky ny Genesisy 24–27 ianao ary miomana hampianatra dia eritrereto ireo ankizy ao amin’ny kilasinao. Inona no zavatra ilain’izy ireo hianarana? Iza amin’ireo asa atao no ho manan-danja ho azy ireo? Mifototra amin’ny zavatra ilain’izy ireo, azonao atao ny mampifanaraka ireo asa atao rehetra tafiditra ato na ireo izay hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Asio fanontaniana momba ny trangan-javatra na fitsipika iray ao amin’ny Genesisy 24–27 ao ambanin’ny sezan’ny ankizy tsirairay. Avelao ny ankizy hamaly ireo fanontaniana raha azony atao na asao izy ireo hihaino ireo valin-teny mandritra ny lesona.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely
Afaka ny ho tsara fanahy amin’ny hafa Aho.
Ny mpanompon’i Abrahama dia talanjona tamin’ny hatsaram-panahy niavaka izay nasehon’i Rebeka tamin’ny fanomezana rano tsy azy ihany fa tamin’ny rameva 10 koa. Ny ohatra nomeny dia mety ho fampahatsiahivana ho an’ny ankizy mba ho tsara fanahy hatrany amin’ny hafa.
Asa atao azo tanterahina
-
Asehoy ny sarin’i Rebekah ao amin’ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Asongadino ireo antsipirian-javatra ao amin’ny sary rehefa mamintina ilay tantara ao amin’ny Genesisy 24:10–21 ianao, izay nanehoan’i Rebeka hatsaram-panahy tamin’ny mpanompon’i Abrahama. Mariho fa ny teniny sy ny hatsaram-panahiny dia famantarana fa i Rebeka no ilay tian’i Andriamanitra hanambady an’i Isaka, zanak’i Abrahama. Asao ny ankizy mody hilalao ny toeran’ilay mpanompo tonga miaraka amin’ny ramevany na i Rebeka mantsaka rano ho azy ireo. Omeo fehezan-teny hotanisaina avy ao amin’ny soratra masina izy ireo, toy ny hoe “Mba ampisotroy rano kely … aho” (andininy 17) sy ny hoe “Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny” (andininy 19). Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny ho tsara fanahy amin’ny hafa?
-
Tantarao ny fomba nampisehoan’ny Mpamonjy hatsaram-panahy tamin’ny olona iray hafa. Asao ny ankizy sasany hizara ny traikefany manokana amin’ny fanehoana hatsaram-panahy.
-
Omeo torohevitra maromaro amin’ny tranga mety hiseho izay afaka hanehoana hatsaram-panahy ny ankizy iray, toy ny miara-milalao amin’ny namana na mihaona amin’ny olona vaovao any am-pianarana. Anontanio ny ankizy ny zavatra azon’izy ireo atao mba ho tsara fanahy ao anatin’ireo tranga ireo.
-
Mihirà hira momba ny hatsaram-panahy, toy ny “Tsara fanahy” na “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 83, 40-41). Asao ny ankizy mba hihaino ny teny hoe “hatsaram-panahy” (na teny mitovitovy amin’izany) ka hitsangana rehefa maheno izany. Ahoana no fomba hanehoantsika hatsaram-panahy amin’ny hafa? Ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity dia afaka manampy amin’ity fifanakalozan-dresaka ity.
Afaka misafidy ireo zavatra manan-danja indrindra aho.
Satria i Esao no lahimatoa indrindra tao amin’ny fianakaviany, dia tokony handray andraikitra sy tombontsoa manokana izy, antsoina hoe fizokiana. Indray andro, rehefa noana i Esao, dia natakalony sakafo tamin’i Jakoba rahalahiny ny fizokiany. Ity tantara ity dia afaka mampianatra ny ankizy fa tokony hifidy zavatra maharitra noho ny fahafaham-po mandalo isika.
Asa atao azo tanterahina
-
Ento any am-pianarana ireo zavatra sasany izay afaka manampy amin’ny fitantarana ny tantaran’i Esao nivarotra ny fizokiana, toy ny vilia jobo sy ny sarin’olona mandray tsodranon’ny fisoronana. Asao ny ankizy hampiasa ireo zavatra ireo rehefa milaza aminao izay fantany momba ilay tantara Iaraho mamaky ny Genesisy 25:34, ary hazavao fa izay rehetra manana ny fizokiana dia hanana tombontsoa sy andraikitra manokana hikarakara ny fianakaviana sisa.
-
Mampisehoa sary roa amin’ny ankizy: ny iray ahitana zavatra sarobidy ara-panahy (toa ny tempoly) ary ny iray ahitana zavatra mitondra fahasambarana tsy maharitra (toy ny lalao, kilalao, na sakafo maivana). Angataho izy ireo hisafidy izay hanampy antsika kokoa hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra. Avereno atao amin’ny sary hafa izany.
-
Miaraha manao hira mikasika ny fanaovana safidy tsara, toy ny “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 82). Mijoroa ho vavolombelona fa voatahy sy sambatra isika rehefa misafidy ny tsara.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe
Hahazo fitahiana aho rehefa miasa amin’ny finoana ary maneho hatsaram-panahy amin’ny hafa.
Naneho finoana tamin’ny alalan’ny fitokisany ny fitarihan’ Andriamanitra mba hahita vady ho an’i Isaka ny mpanompon’i Abrahama. Naneho hatsaram-panahy tamin’ny fomba nitondrany ny mpanompon’i Abrahama i Rebeka. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hanaraka ny ohatry ny mpanompon’i Abrahama sy Rebeka?
Asa atao azo tanterahina
-
Iaraho mamaky ny Genesisy 24:1–28, ary ampio ny ankizy hamantatra ohatra momba ny finoana sy hatsaram-panahy (jereo, ohatra, ny andininy 12–14 sy 17–20). Ahoana no nitahiana ny mpanompon’i Abrahama sy Rebeka tamin’ny fanehoana finoana sy hatsaram-panahy? Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Azontsika atao ny maneho finoana amin’ny alalan’ny … sy Afaka mampiseho hatsaram-panahy isika amin’ny alalan’ny … dia asao ireo ankizy hanolotra fomba hamitana ireo fehezan-teny ireo.
-
Soraty eo amin’ny tapa-taratasy ireo zavatra nolazain’ny mpanompon’i Abrahama na nataony sy ireo zavatra nolazain’i Rebeka na nataony ao amin’ny Genesisy 24:1–28. Asao ny ankizy tsirairay hisafidy tapa-taratasy iray ary hiara-hiasa hamantatra hoe iza no nilaza na nanao ireo zavatra ireo (afaka mijery ny soratra masina izy ireo raha mila fanampiana). Inona no ampianarin’io tantara io antsika momba ny hatsaram-panahy? Inona no ampianarin’izany antsika momba ny finoana? Misy ohatra hafa momba ny hatsaram-panahy sy ny finoana hita ao amin’ny Genesisy 24:29–33, 58–61.
-
Asao ny ankizy hieritreritra fihetsika maneho hatsaram-panahy izay hitany. Asao izy ireo hanoratra izany ary hizara izany amin’ny kilasy na ny fianakaviany ao an-trano. Inona no fahatsapantsika rehefa misy olona tsara fanahy amintsika?
Sarobidy amiko ireo zavatra mandrakizay fa tsy ireo zavatra ara-nofo.
Nisafidy ny hanakalo zavatra tena sarobidy i Esao, ny fizokiany, atakalo zavatra kely lanja kokoa dia mofo ary lasopy iray lovia jobo. Rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hanao ho lohalaharana ireo zavatra manan-danja mandrakizay.
Asa atao azo tanterahina
-
Iaraho mamaky ny tantaran’i Jakoba sy Esao ao amin’ny Genesisy 25:21–34. Eo am-pamakianareo dia asao ny ankizy tsirairay hisafidy zavatra hatao sary avy ao amin’ilay tantara. Dia asao izy ireo hampiasa ny sariny mba hilazana ny tantara amin’ny tenin’izy ireo manokana. Raha mila fanampiana izy ireo hahatakarana ny atao hoe fizokiana dia amporisiho izy hamaky ny “Fizokiana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (ChurchofJesusChrist.org). Asao ny ankizy haka sary an-tsaina fa nangataka torohevitra avy amintsika momba ny hoe tokony hanakalo ny fizokiany sa tsia amin’ny lasopy ve i Esao; inona no holazaintsika aminy?
-
Milazà momba ny fotoana iray izay nilana ny nanaovanao sorona zavatra tsara ho an’ny zavatra iray hafa sarobidy kokoa. Ahoana no ifandraisan’ny tantaranao amin’ny safidy nataon’i Esao ao amin’ny Genesisy 25:29–34? Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fitahiana tian’ny Ray any An-danitra homena azy ireo (toy ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa, ny tsodrano any amin’ny tempoly, na ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy). Amporisiho izy ireo hieritreritra zavatra izay hafoiny mba hahazoana ireo fitahiana sarobidy ireo.
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Asao ny ankizy hieritreritra tanjona iray azon’izy ireo apetraka ho an’ny tenany momba ny fitsipika iray nianaran’izy ireo tao amin’ny Kilonga androany. Afaka mametraka tanjona, ohatra, izy ireo ho tsara fanahy amin’ny hafa ao an-tokantrano.