Testamenta Taloha 2022
28 febroary–6 martsa Genesisy 28–33: “Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah”


“28 febroary–6 martsa. Genesisy 28–33: -Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“28 febroary–6 martsa. Genesisy 28–33,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Tempolin’i Tijuana Mexique

28 febroary–6 martsa

Genesisy 28–33

“Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah”

Rehefa mamaky ny Genesisy 28–33 ianao dia eritrereto hoe ahoana no ahafahan’ireo tantara sy fitsipika ao amin’ireo toko ireo mitahy ireo ankizy ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hifanipy na hanakodia baolina. Rehefa mahazo ilay baolina ny ankizy dia asao izy ireo hizara zavatra iray ianarany avy ao amin’ny Testamenta Taloha, na tany an-tokantrano na tao amin’ny Kilonga.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Genesisy 28:10–22

Manampy ahy hiverina any amin’ny Ray any An-danitra ny fanekempihavanana.

Tao anaty nofy iray, i Jakoba dia nahita tohatra iray mankany an-danitra. Ireo zana-tohatra dia afaka maneho ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra, satria ireo fanekempihavanana ireo dia manampy antsika hiomana hiverina eo anatrehany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Genesisy 28:12–13. Hazavao fa ireo zana-tohatra dia afaka maneho fanekempihavanana izay manampy antsika hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. Asao ny ankizy mody hanao hoe miakatra tohatra sady miresaka momba ireo fotoana ampanantenantsika amin’ Andriamanitra fa hankatò isika, toy ny rehefa atao batisa isika, na mandray ny fanasan’ny Tompo, na mandeha any amin’ny tempoly. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahany miomana hanao fanekempihavanana rehefa atao batisa izy ireo.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Genesisy 28:15 ka antitrantero ireo teny hoe “Izaho momba anao” sy “tsy handao anao Aho.” Hazavao fa nampanantena ny hiaraka amintsika mandrakariva Andriamanitra rehefa miezaka misafidy ny tsara isika. Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra azon’izy ireo atao mba hahatsapany ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Genesisy 29:16–28

Tokony hanaja foana ireo fampanantenana nataoko aho.

Nanaiky hiasa ho an’i Labana nandritra ny fito taona i Jakôba mba hahafahany manambady an-dRahely zanakavavin’i Labana. Nitandrina io fanekena io i Jakoba saingy tsy nanao izany i Labana. Diniho ny fampiasana ity tantara ity mba hampianarana ny ankizy ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo fampanantenana nataontsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Genesisy 29:18, 20 ary hazavao fa nitana ny teniny hiasa fito taona ho an’i Labana mba hahafahany manambady an-dRahely i Jakoba, na dia fotoana ela hiasana aza izany. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fampanantenana mety hataony amin’ny olon-kafa. Nahoana no zava-dehibe ny mitandrina ireo fampanantenana nataontsika? Ampio izy ireo hahatakatra fa ny fanekempihavanana dia fanekena masina eo amin’ Andriamanitra sy ny tsirairay amintsika. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mitandrina mandrakariva ireo fampanantenana nataon’izy ireo.

  • Iaraho manao ny hira iray momba ny fahamarinan-toetra, toy ny “Aoka ho marina hatrany ianao” na “Sahia manao ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 80, 81).

Genesisy 33:1–4

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manampy ahy hitia ny fianakaviako.

Ny ankamaroan’ny ankizy dia mahalala ny atao hoe tezitra amin’ny iray tampo. Ny tantaran’ny fomba nandresen’i Jakôba sy i Esao ny hatezerany tamin’izy samy izy dia mety ho aingam-panahy ho azy ireo.

Sary
Jakoba sy Esao mifamihina

Sarin’i Jakôba sy Esao nifamihina, nataon’i Robert T. Barrett

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hahatsiaro ny antony nahatezitra an’i Esao tamin’i Jakôba (jereo ny Genesisy 27:41). Angataho ny ankizy mba haneho aminao ny endriky ny tarehy tezitra. Hazavao fa taona maro taty aoriana dia natahotra ny hitsidika an’i Esao i Jakoba. Angataho ny ankizy mba haneho aminao ny endriky ny tarehy matahotra. Inona no tokony ataontsika rehefa matahotra isika? Asao ny ankizy hanao mody mivavaka eo am-pamakianao izay nolazain’i Jakoba tao anatin’ny vavaka nataony (jereo ny Genesisy 32:11). Dia vakio avy eo ny Genesisy 33:4 ny zava-nitranga rehefa nahita an’i Jakoba i Esao. Angataho ny ankizy mba haneho aminao ny mety ho endrik’i Jakôba sy i Esao rehefa nifankahita indray izy ireo.

  • Asehoy ny sarin’i Jakoba sy Esao hita ato amin’ity rindran-damina ity. Avelao ny ankizy hamaritra izay zavatra hitany eo amin’ny sary. Lazao azy ireo fa nisy fihetseham-po ratsy teo amin’ireto mpirahalahy ireto fa nifidy hifamela heloka kosa izy ireo. Ampio ny ankizy hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo maneho fitiavana bebe kokoa amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany, sahala amin’i Jakoba sy Esao nifaneho fitiavana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Genesisy 28:10–22

Manampy ahy hiverina any amin’ny Ray any An-danitra ny fanekempihavanana.

Azonao atao ny mampiasa ny nofin’i Jakoba momba ny tohatra miakatra any an-danitra hampianarana ireo ankizy fa ny fitandremana ireo fanekempihavanantsika dia manomana antsika hiditra eo anatrehan’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hamaky ny Genesisy 28:10–15 dia asaivo manao ny sarin’ny nofin’i Jakoba izy ireo avy eo. Angataho izy ireo hizara ny sary nataony. Hazavao fa ilay tohatra dia maneho lalana iray ho an’i Jakoba mba hiverina amin’ Andriamanitra. Inona no nomen’ Andriamanitra antsika hanampiana antsika hiverina any Aminy? (jereo ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity). Ampahatsiahivo ireo ankizy ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa. Mitondra antsika hanatona an’ Andriamanitra bebe kokoa amin’ny fomba ahoana ny fiainana io fanekempihavanana io?

  • Mampisehoa sarin’ny tempoly iray, ary soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andian-teny fototra avy ao amin’ny Genesisy 28:15–17, toy ny hoe: “Izaho momba anao,” “Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah,” “tranon’ Andriamanitra,” na “vavahadin`ny lanitra.” Asao ny ankizy hitady ireo andian-teny ireo. Lazao amin’ny ankizy ny fomba hanampian’ny tempoly sy ny fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly anao hahatsapa ho akaikin’ny Tompo.

Genesisy 29:16–30

Mino aho fa tokony ho marin-toetra.

Notanterahin’i Jakoba ny teniny hanompo an’i Labana mandritra ny fito taona, kanefa nofitahin’i Labana izy. Ahoana no ahafahanao mampiasa io tantara io hanampiana ny ankizy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny hoe marin-toetra na dia tsy manao ny marina aza ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Genesisy 29:16–30, dia ampio ny ankizy hamintina ireo tranga ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Inona no fihetsika nasehon’i Jakoba rehefa voafitaka izy? Inona no azontsika hianarana avy amin’io tantara io?

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe hoe Inona no mitranga rehefa manao ny tsy marina isika? ary Inona no mitranga rehefa manao ny marina isika? Zarao ny zavatra niainanao iray rehefa notahiana ianao noho ny fahamarinan-toetra na niaritra ireo vokatry ny tsy fahamarinan-toetra. Asao ny ankizy hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana.

Genesisy 32:6–11; 33:1–4

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manampy ahy hitia ny fianakaviako.

Tezitra tamin’i Jakoba i Esao, ary natahotra ny hahita an’i Esao indray i Jakoba, na dia efa 20 taona nisarahana aza izy ireo. Nivavaka mba hahazo fanampiana anefa i Jakoba, ka nahavita nandresy ny hatezerany i Esao. Ahoana no ahafahanao mampiasa io tantara io hampianarana ny ankizy ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ny fianakaviantsika?

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy izay tsaroan’izy ireo momba ny fifandraisana teo amin’i Jakoba sy Esao (jereo ny Genesisy 27:41). Hazavao fa rehefa nisaraka nandritra ny 20 taona tany ho any izy ireo dia nanao dia hihaona tamin’i Esao indray i Jakoba. Iaraho mamaky ny Genesisy 32:6–11. Inona no tsapan’i Jakôba? Inona no nataony mba hahazoana fanampiana? Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra isika rehefa sarotra ny fifandraisan’ny fianakaviantsika. Iaraho mamaky ny Genesisy 33:1–4 hahitana ny fomba namalian’ny Tompo ny vavak’i Jakôba.

  • Mizarà zavatra niainanao manokana na tantara iray avy ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana mikasika ny fomba hanehoana fitiavana lehibe kokoa amin’ny fianakaviantsika. Asao ny ankizy hizara ny zavatra niainany ihany koa. Inona no azontsika atao rehefa tezitra amintsika ny olona iray ao amin’ny fianakaviana? Mba hahalalana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy antsika hatao, dia jereo ny Matio 5:43–45.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity amin’ny fianakaviany mba hanampiana azy ireo hianatra avy amin’ny nofin’i Jakoba sy hahatsiaro izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà sary hanampiana ny ankizy hahatakatra ireo tantara ao amin’ny soratra masina. Matetika ny ankizy no mianatra tsaratsara kokoa rehefa afaka mijery ny sarin’ireo tantara na fampianarana ao amin’ny soratra masina. Ohatra, azonao aseho ny sary iray avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Hamoaka printy