Testamenta Taloha 2022
28 febroary–6 martsa. Genesisy 28–33: “Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah”


“28 febroary–6 martsa. Genesisy 28–33: -Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“28 febroary–6 martsa. Genesisy 28–33,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Tempolin’i Tijuana Mexique

28 febroary–6 martsa

Genesisy 28–33

“Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah”

Rehefa mamaky ny Genesisy 28–33 ianao, dia saintsaino ny zavatra fantatrao avy amin’ireo ohatr’i Jakoba sy ny fianakaviany. Raketo ireo fahatsapana voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny toko 28 sy 32 ao amin’ny Genesisy dia milaza momba ny zavatra ara-panahy niainan’ny mpaminany Jakoba. Samy tany an’efitra no nisehoan’izy ireo saingy tao anatina toe-javatra samy hafa tanteraka. Tao amin’ilay zavatra niainany voalohany, i Jakoba dia nandeha nankany amin’ny tany niavian-dreniny hitady vady, ary teny an-dalana dia nandany ny alina teo ambonina ondam-bato iray izy. Mety ho tsy nanampo hahita ny Tompo amina toerana ngazana toy izany izy, saingy niseho tamin’i Jakoba tao anaty nofy manova fiainana Andriamanitra ka hoy i Jakoba hoe: “Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah; fa izaho no tsy nahalala” (Genesisy 28:16). Taona maro tatỳ aoriana, tany an’efitra indray i Jakoba. Teny an-dalana avy any Kanana izy tamin’ity indray mitoraka ity, niatrika fihaonana mety hahafaty azy tamin’i Esao rahalahiny izay tezitra. Saingy fantatr’i Jakoba fa rehefa nila fitahiana izy dia afaka nikatsaka ny Tompo na dia tany an’efitra aza (jereo ny Genesisy 32).

Mety ho any an-tany efitrao manokana ianao ka mitady fitahiana avy amin’ Andriamanitra. Mety ho fifandraisana manahirana amin’ny fianakaviana toy ny nahazo an’i Jakoba ny tany efitrao. Mety hahatsapa ho lavitra an’ Andriamanitra ianao ka mila fitahiana. Indraindray tonga amin’ny fotoana tsy anampoizana azy ny fitahiana; amin’ny fotoana sasany dia ialohavana tolona izany. Na inona na inona ilainao dia afaka mahita ianao fa na dia any amin’ny tany efitra aza ianao dia eo amin’io toerana io ny Tompo.

Sary
Learn More image
Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Genesisy 28; 29:1–18

Ampanantenana ny fitahian’i Abrahama aho ao amin’ny tempoly.

Teny an-dalana ho any Harana handeha hitady vady i Jakoba, dia nanofy tohatra nitsatoka tamin’ny tany ka nipaka tamin’ny lanitra ary Andriamanitra teo ambonin’izany. Tao anatin’io nofy io no nohavaozin’ Andriamanitra ilay fanekempihavanana efa nataony tamin’i Abrahama sy i Isaka, (jereo ny Genesisy 28:10–17; jereo ihany koa ny Genesisy 12:2–3; 26:1–4). Ny Filoha Marion G. Romney dia nizara ity eritreritra momba izay zavatra mety hasehon’ilay tohatra ity: “Nahatsapa i Jakoba fa ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo teo dia ireo ambaratonga eo amin’ilay tohatra izay mila hianihany mba hahazoana ireo fitahiana nampanantenana, fitahiana izay hanome zo azy hiditra ny lanitra sy hiara-miasa amin’ny Tompo. … Ny tempoly amintsika dia ny Betela tamin’i Jakoba” (“Temples—The Gates to Heaven,” Ensign, Mar. 1971, 16).

Teny sy andian-teny inona ao amin’ny Genesisy 28:10–22 no milaza an-kolaka aminao ny fifandraisan’ny zavatra niainan’i Jakoba sy ireo fitahian’ny tempoly? Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia eritrereto ireo fanekempihavanana nataonao; inona no zavatra tsapanao?

Rehefa mamaky ny Genesisy 29:1–18 ianao dia saintsaino ny nahatonga ny fanambadian’i Jakoba an-dRahely ho zava-dehibe amin’ny fanekempihavanana nohavaozin’ Andriamanitra tamin’i Jakoba tany Betela (“tranon’ Andriamanitra”; jereo ny Genesisy 28:10–19). Saintsaino io zavatra niainana io rehefa mitohy mamaky momba ny fiainan’i Jakoba ao amin’ny Genesisy 29–33 ianao. Ahoana no nitondran’ny tranon’ny Tompo anao hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?

Jereo ihany koa ny Yoon Hwan Choi, “Aza mijery manodidina anao, fa miandrandrà!Liahona, mey 2017, 90–92.

Genesisy 29:31–35; 30:1–24

Mahatsiaro ahy ao anatin’ny fitsapana lalovako ny Tompo.

Na dia niaina tamina fotoana sy kolontsaina tsy mitovy amintsika aza Rahely sy i Lea, dia afaka mahatakatra ny zavatra tsapan’izy ireo isika rehetra. Rehefa mamaky ny Genesisy 29:31–35 sy ny 30:1–24 ianao dia tadiavo ireo teny sy andian-teny mamaritra ny famindram-pon’ Andriamanitra tamin-dRahely sy i Lea. Saintsaino ny fomba nataon’ Andriamanitra “nitsinjo[vany] ny fahoria[nao]” sy “nahatsiaro[vany]” anao (Genesisy 29:32; 30:22).

Zava-dehibe ihany koa ny mahatsiaro fa, ao amin’ny fahendreny, na dia mihaino antsika aza Andriamanitra dia tsy ilay zavatra tena angatahintsika iny foana no omeny antsika. Hevero ny handinika ny hafatry ny Loholona Brook P. Hales “Ireo valim-bavaka” (Liahona, mey 2019, 11–14) mba hianarana momba ireo fomba samy hafa amalian’ny Ray any An-danitra antsika.

Sary
i Jakoba sy i Esao mifamihina

Sary fanehoana an’i Jakoba sy i Esao mifamihina, nataon’i Robert T. Barrett

Genesisy 32–33

Afaka manampy antsika handresy ny ady ao amin’ny fianakaviantsika ny Mpamonjy.

Rehefa niverina tany Kanana i Jakoba dia “natahotra indrindra … ka poritra dia poritra” ny amin’izay fomba handraisan’i Esao azy (Genesisy 32:8). Rehefa mamaky ny Genesisy 32–33 momba ny fihaonan’i Jakoba tamin’i Esao sy ny zavatra tsapany nitondra azy tamin’izany ianao, dia mety ho afaka misaintsaina ny fifandraisana misy ao amin’ny fianakavianao, —mety hoe fifandraisana iray mila fanasitranana. Angamba mety hanainga anao hanatona olona iray io tantara io. Afaka manampy amin’ny fitarihana anao amin’ny vakiteny ataonao ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no niomanan’i Jakoba hihaona tamin’i Esao?

  • Inona no hitanao ho misongadina momba ny vavaka nataon’i Jakoba hita ao amin’ny Genesisy 32:9–12?

  • Inona no azontsika ianarana momba ny famelan-keloka avy amin’ny ohatra nasehon’i Esao?

  • Ahoana no ahafahan’ny Tompo manampy antsika hanasitrana ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana?

Jereo ihany koa ny Lioka 15:11–32; Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 77–79.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Genesisy 28:10–22.Afaka mampiasa tohatra iray ianareo (na sarina tohatra iray) mba hiresahana ny itovian’ny fanekempihavanantsika amina tohatra. Inona avy ireo fanekempihavanana nataontsika, ary ahoana no itondran’izy ireo antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra? Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny hanao ny sarin’ny nofin’i Jakoba izay voafaritra ao amin’ny Genesisy 28:10–22.

Ilay hira “Mon Dieu, plus près de toi” (Cantiques, no. 54) dia aingam-panahy avy amin’ny nofin’i Jakoba. Afaka mihira io hira io ny fianakavianareo ary mifanakalo hevitra amin’ny zavatra ampianarin’ny tonony tsirairay.

Genesisy 32:24–32.Mety hisy olona tia manao tolona ao amin’ny fianakavianareo. Nahoana no fomba mety hamaritana ny fikatsahana fitahiana avy amin’i Tompo ny “tolona”? Inona no ambaran’ny Enôsa 1:1–5; Almà 8:9–10 momba ny hevitry ny hoe “tolona … teo anoloan’ Andriamanitra”?

Genesisy 33:1–12.Tafaray indray i Jakoba sy i Esao taorian’ny taona maro feno lolom-po. Raha afaka niresaka tamintsika i Jakoba sy i Esao amin’izao fotoana izao, dia inona no mety holazain’izy ireo mba hanampiana antsika rehefa misy fifandirana ao amin’ny fianakaviana?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso hohiraina: “Chers enfants, sur vous Dieu veille,” Cantiques, no. 190.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mitadiava an’i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo tantara sy tandindona ny Testamenta Taloha. Hevero ny handray an-tsoratra na hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina izay manondro ny Mpamonjy sy misy heviny manokana aminao.

Sary
i Jakoba manofy anjely eo ambonin’ny tohatra

Ny nofin’i Jakoba tao Betela, nataon’i J. Ken Spencer

Hamoaka printy