“21–27 martsa. Eksodosy 1–6: -Tsaroako ny fanekeko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“21–27 martsa. Eksodosy 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022
21–27 martsa
Eksodosy 1–6
“Tsaroako ny fanekeko”
Atombohy amin’ny vavaka ny fandalinanao ary mangataha fanampiana mba hahita hafatra ao amin’ny Eksodosy 1–6 izay mifandray akaiky amin’ny fiainanao sy ny fanompoanao ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Ny fanasana hipetraka tany Egypta dia tena namonjy tokoa ny fianakavian’i Jakoba. Fa rehefa afaka zato taona maro tatỳ aoriana dia nandevozina sy nampihorohoroan’ny Farao vaovao “izay tsy nahalala an’i Josefa” ny taranak’izy ireo (Eksodosy 1:8). Mety ho nandeha ho azy teo amin’ny Isiraelita ny nanontany tena hoe fa nahoana no navelan’ Andriamanitra nitranga tamin’izy ireo izay olon’ny fanekempihavanany izany. Tadidiny ve ny fanekempihavanana nataony tamin’izy ireo? Mbola vahoakany ihany ve izy ireo? Hitany ve ny halehiben’ny fijalian’izy ireo?
Mety misy fotoana nahatsapanao hoe te-hametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany. Mety manontany tena ianao hoe fantatr’ Andriamanitra ve ny zavatra lalovako? Henony ve ny fitalahoako fanampiana? Mamaly mazava ny fanontaniana toy izany ny tantara momba ny fanafahana ny Isiraely tany Egypta ao amin’ny Eksodosy: tsy manadino ny vahoakany Andriamanitra. Tsaroany ny fanekempihavanana nataony tamintsika ary hotanterahiny amin’ny fotoany sy fombany manokana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68). “Sandry ahinjitra … no hamonjeko anareo,” hoy Izy. “Izaho no Jehovah Andriamanitrareo izay mitondra anareo ho afaka amin’ny fanompoana mafy” (Eksodosy 6:6–7).
Mba hanaovana topimaso ny bokin’ny Eksodosy dia jereo ny “Eksodosy, bokin’ny” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
I Jesoa Kristy no Mpanafaka ahy.
Iray amin’ireo lohahevitra tena ifantohana ao amin’ny bokin’ny Eksodosy ny hoe manana hery hanafahana ny olony amin’ny fampahoriana Andriamanitra. Ny fanandevozana ny Isiraelita, araka ny amaritan’ny Eksodosy 1 azy, dia azo jerena ho tahaka ny tandindon’ny fahababoana atrehintsika rehetra vokatry ny fahotana sy ny fahafatesana (jereo ny 2 Nefia 2:26–27; 9:10; Almà 36:28). Ary i Mosesy, ilay mpanafaka ny Isiraelita, dia azo jerena ho karazana na fanehoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Deoteronomia 18:18–19; 1 Nefia 22:20–21). Vakio ny Eksodosy 1–2 ary ataovy ao an-tsaina ireo fampitahana ireo. Mety ho tsikaritrao ohatra fa i Mosesy sy i Jesoa dia samy narovana tamin’ny fahafatesana tamin’ny fahazazany (jereo Eksodosy 1:22–2:10; Matio 2:13–16) ary samy nandany fotoana tany an’efitra izy ireo talohan’ny nanombohan’izy ireo ny asa fanompoany (jereo ny Eksodosy 2:15–22; Matio 4:1–2). Inona no hevi-baovao hafa ianaranao avy amin’ny Eksodosy momba ny fahababoana ara-panahy? momba ny fanafahan’ny Mpamonjy?
Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Fanavotana,” Liahona, mey 2013, 109–12.
Manome hery ireo izay antsoiny hanao ny asany Andriamanitra.
Fantatsika amin’ny maha-mpaminany lehibe sy mpitarika azy i Mosesy ankehitriny. I Mosesy anefa tsy nahita ny tenany ho toy izany tamin’ny fotoana voalohany niantson’ Andriamanitra azy. “Iza moa aho,” hoy i Mosesy nanontany tena, “no hankany amin’i Farao?” (Eksodosy 3:11). Fantatry ny Tompo anefa hoe iza marina i Mosesy, sy izay mety hahatongavany. Rehefa mamaky ny Eksodosy 3–4 ianao, dia mariho ny fomba nanomezan’ Andriamanitra toky an’i Mosesy sy namaliany ny fanahiany. Inona no hitanao hoe manentana anao ao amin’ireo toko ireo rehefa mahatsiaro ho tsy ampy fahaizana hanaovana zavatra iray ianao? Ahoana no fomba anampian’ny Tompo ny mpanompony amin’ny fampitomboana hery mba hanaovana ny sitrapony? (jereo ny Mosesy 1:1–10, 24–39; 6:31–39, 47). Oviana no nahitanao an’ Andriamanitra nanao ny asany tamin’ny alalanao na ny hafa?
Mba hahalalana misimisy kokoa momba ny fiainana sy ny asa fanompoan’i Mosesy dia jereo ny “Mosesy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Ho tanteraka amin’ny fotoany manokana ny tanjon’ny Tompo.
Na dia nandeha tany amin’i Farao tamim-pahasahiana aza i Mosesy, araka ny nandidian’ Andriamanitra azy, ka niteny taminy mba hamotsotra ny Isiraelita, dia nandà ihany Farao. Raha ny marina dia nataony mafy kokoa ny fiainan’ny Isiraelita. Mety ho nanontany tena i Mosesy sy ny Isiraelita hoe nahoana no tsy nivaha ny olana na dia nanao ny zavatra nasain’ Andriamanitra nataony aza i Mosesy (jereo ny Eksodosy 5:22–23).
Efa nisy fotoana ve nahatsapanao fa nanao ny sitrapon’ Andriamanitra ianao nefa tsy nahita fahombiazana araka ny nandrasanao azy? Ivereno jerena ny Eksodosy 6:1–8 dia tadiavo izay zavatra nolazain’ny Tompo mba hanampiana an’i Mosesy haharitra. Ahoana no nanampian’ny Tompo anao haharitra amin’ny fanaovana ny sitrapony?
Iza moa i Jehovah?
I Jehovah dia iray amin’ireo anaran’i Jesoa Kristy ary manondro ny Mpamonjy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Eksodosy 6:3 dia manazava fa ny mpaminany Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba dia nahalala ny Tompo tamin’io anarana io. Matetika rehefa mipoitra ao amin’ny Testamenta Taloha ny andian-teny hoe “ny Tompo”, dia manondro an’i Jehovah izany. Ao amin’ny Eksodosy 3:13–15, ilay fiantsoana hoe “IZAHO IZAY IZY” dia manondro an’i Jehovah ihany koa (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1; 39:1).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Eksodosy 1–2.Maro ny vehivavy nitana anjara toerana lehibe tao amin’ny drafitr’ Andriamanitra hanangana mpanafaka ho an’ny Isiraelita. Azonareo vakiana miaraka ao amin’ny fianakaviana ny mikasika an’i Sifra sy i Poa mpampivelona (Eksodosy 1:15–20); i Jokebeda ny renin’i Mosesy, sy i Miriama rahavaviny (Eksodosy 2:2–9; Nomery 26:59); ny zanakavavin’i Farao (Eksodosy 2:5–6, 10); ary i Zipora vadin’i Mosesy (Eksodosy 2:16–21). Ahoana no fomba nampandrosoan’ireo vehivavy ireo ny drafitr’ Andriamanitra? Ahoana no ampahatsiahivan’ny zavatra niainan’izy ireo antsika ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy? Afaka manangona sarina vehivavy havana sy razambe ianao dia mizara tantara momba azy ireo. Ahoana no efa nitahiana antsika tamin’ny alalan’ny vehivavy marina? Ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko” (Liahona, nôv. 2015, 95–98) dia azo ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.
-
Eksodosy 3:1–6.Rehefa nanatona ilay roimemy nirehitra i Mosesy dia notenenin’ny Tompo izy mba hanala ny kirarony ho fanehoana fanajana. Ahoana no ahafahantsika maneho fanajana ireo toerana masina? Ohatra, ahoana no ahafahantsika manao ny tranontsika ho toerana masina izay azon’ny Fanahin’ny Tompo itoerana? Ahoana no ahafahantsika maneho fanajana kokoa amina toerana masina hafa?
-
Eksodosy 4:1–9.Nanome hery an’i Mosesy hanaovana fahagagana telo ny Tompo ho famantarana hanehoana amin’ny zanak’i Isiraely fa naniraka an’i Mosesy Izy. Inona no ampianarin’ireny famantarana ireny antsika momba an’i Jesoa Kristy?
-
Eksodosy 5:2.Mety hidika inona amintsika ny hoe “mahalala” ny Tompo? Ahoana no amantarantsika Azy? (jereo ohatra ny Almà 22:15–18). Inona no fiantraikan’ny fifandraisantsika Aminy amin’ny faniriantsika hankatò Azy? (jereo ihany koa ny Jaona 17:3; Môzià 5:13).
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Ny fanehoam-panajana dia fitiavana,” Bokin-kiran’ny ankizy, 12.