Testamenta Taloha 2022
14–20 martsa. Genesisy 42–50: “Nisaina izany ho soa [Andriamanitra]”


“14–20 martsa. Genesisy 42–50: -Nisaina izany ho soa [Andriamanitra],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“14–20 martsa. Genesisy 42–50,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022

Sary
Josefa tany Egypta

Sary fanehoana an’i Josefa tany Egypta, nataon’i Robert T. Barrett

14-20 martsa

Genesisy 42–50

“Nisaina izany ho soa [Andriamanitra]”

Manasa ny Fanahy ny famakiana ny soratra masina. Henoy ny bitsika omeny rehefa mamaky ianao, na dia toa tsy mifandray mivantana amin’ny zavatra vakinao aza izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Efa teo ho eo amin’ny 22 taona teo tamin’izay hatramin’ny nivarotan’ireo rahalahiny an’i Josefa. Efa niharana fitsapana maro izy, tao anatin’izany ny fiampangana tsy marina natao azy sy ny nampidirana azy am-ponja. Rehefa nahita ireo rahalahiny indray izy tamin’ny farany dia mpanapaka an’i Egypta iray manontolo i Josefa, i Farao irery ihany no teo amboniny. Azon’i Josefa natao mora foana ny nanao valifaty tamin’izy ireo, ary rehefa heverina ny zavatra nataon’izy ireo tamin’i Josefa dia zavatra toa rariny izany. Na izany aza anefa dia namela ireo rahalahiny i Josefa. Tsy izany ihany fa nanampy azy ireo hahita ny tanjona araka an’ Andriamanitra tamin’ny fijaliany izy. “Nisaina izany ho soa [Andriamanitra]” (Genesisy 50:20) hoy izy tamin’izy ireo satria nametraka azy tamina toerana hamonjeny “ny mpianakavin-drainy rehetra” (Genesisy 47:12) amin’ny mosary izany.

Mifanindran-dalana amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy amin’ny fomba maro ny fiainan’i Josefa. Na dia nahatonga fijaliana lehibe ho Azy aza ny otantsika dia manome famelan-keloka izay manafaka antsika rehetra amina anjara ratsy kokoa noho ny mosary ny Mpamonjy. Na mila famelan-keloka na mila mamela heloka isika, (misy fotoana ilaintsika rehetra ny manao azy roa) ny ohatra nasehon’i Josefa dia misarika antsika hijery ny Mpamonjy, ilay tena loharanon’ny fanasitranana sy ny fampihavanana.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Genesisy 45:1–8; 50:20

“Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo.”

Rehefa avy namaky momba an’i Josefa ianao, moa ve nahatsikaritra fitoviana amin’ny tantarany sy ny iraka fanavotana nataon’i Jesoa Kristy ianao? Afaka misaintsaina ny itovian’ny anjara toeran’i Josefa tao amin’ny fianakaviany sy ny anjara toeran’ny Mpamonjy ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra ianao. Inona no fitoviana hitanao amin’ny zavatra niaianan’i Josefa sy ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy, dia ny “hamelona [antsika] amin’ny famonjena lehibe”? (Genesisy 45:7).

Genesisy 45; 50:15–21

Mitondra fanasitranana ny famelan-keloka.

Ny famakiana momba an’i Josefa izay namela ny rahalahiny tamin’ny zavatra mahatsiravina nataon’izy ireo dia mety hanentana anao hieritreritra olona izay tena mafy be aminao ny hamela ny helony. Na mety hisy fitsapana sarotra momba ny famelan-keloka hiseho aminao. Na ahoana na ahoana dia mety hanampy ny fisaintsainana ny antony nahafahan’i Josefa namela heloka. Inona no famantarana momba ny toetra sy fihetsik’i Josefa hitanao ao amin’ny Genesisy 45; 50:15–21? Ahoana no mety ho nitaoman’ny zavatra niainany azy ho tonga mpamela heloka kokoa? Inona no lazain’ny ohatra nasehon’i Josefa momba ny fomba ahafahanao ho tonga mpamela heloka kokoa miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy?

Mariho ihany koa ireo fitahiana izay tonga tamin’ny fianakavian’i Josefa noho ny famelany heloka. Inona no fitahiana efa hitanao avy amin’ny famelan-keloka? Mahatsiaro ho entanim-panahy hanatona olona iray nanao zavatra tsy mety taminao ve ianao?

Jereo ihany koa ny Genesisy 33:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11; Larry J. Echo Hawk, “Tahaka ny namelan’i Kristy ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa,” Liahona, mey 2018, 15–16.

Genesisy 49

Inona no hevitr’ilay sariohatra ao amin’ny tsodranon’i Jakoba?

Ny tsodranon’i Jakoba ho an’ny taranany dia misy sary mazava tsara, saingy ny mpamaky sasany dia mety hahita izany ho saro-takarina. Soa ihany fa manome antsika fahatakarana fanampiny ny filazantsara naverina amin’ny laoniny. Rehefa mamaky ny tsodranon’i Josefa ao amin’ny Genesisy 49:22–26 ianao, dia vakio ihany koa ireto andininy manaraka ireto dia jereo izay hevi-baovao omeny: 1 Nefia 15:12; 2 Nefia 3:4–5; Jakôba 2:25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:44.

Rehefa mamaky ny tsodrano nomena an’i Joda ao amin’ny Genesisy 49:8–12 ianao, dia tadidio fa i Davida Mpanjaka sy i Jesoa Kristy dia taranak’i Joda. Teny sy andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no mampahatsiahy anao ny Mpamonjy? Rehefa mandalina ny tsodrano nomena an’i Joda ianao dia mety hanampy ny mamaky koa ny Apôkalipsy 5:5–6, 9; 1 Nefia 15:14–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:59; 133:46–50.

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny zanak’i Jakoba sy ny fokon’i Isiraely avy amin’izy ireo ianao, dia misy teny iditra ho an’ny tsirairay amin’izy ireo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Genesisy 50:24–25; Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–38 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina)

“Mpahita iray no hatsangan’ny Tompo Andriamanitro.”

Tamin’ny alalan’ny nofin’i Josefa (jereo ny Genesisy 37:5–11) sy ny fanazavany ny nofin’ny hafa (jereo ny Genesisy 40–41), ny Tompo dia nanambara zavatra hitranga afaka andro na taona maromaro tatỳ aoriana. Fa nambaran’ny tompo tamin’i Josefa ihany koa ny zavatra hitranga any amin’ny taonjato ho avy. Nahalala manokana momba ny iraka amin’ny maha-mpaminany an’i Mosesy sy i Joseph Smith izy. Rehefa mamaky ny tenin’i Josefa ao amin’ny Genesisy 50:24–25 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–38 (any amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) ianao, dia anontanio ny fomba nahatonga ny fahafantarana ireo zavatra ireo hitahy an’i josefa sy ny zanak’i Isiraely. Nahoana araka ny eritreritrao no hoe zava-dehibe ho an’ny Tompo ny mamerina amin’ny laoniny izany faminaniana izany tamin’ny alalan’i Joseph Smith? (jereo ihany koa ny 2 Nefia 3).

Ahoana no nanatanterahan’i Joseph Smith ireo faminaniana ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50: 27–28, 30–33? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–23; 20:7–12; 39:11; 135:3).

Sary
i Josefa tany Egypta, mahita fahitana momba an’i Joseph Smith mandray takela-bolamena

Sary fanehoana an’i Josefa tany Egypta, nataon’i Paul Mann

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Genesisy 42–46.Mety ho tian’ny fianakavianareo ny hilalao an-tsehatra ny tantaran’i Josefa nihaona indray tamin’ireo rahalahiny. Mahazoa fahafinaretana amin’izany—mampiasà akanjo sy fitaovana raha tianareo. Amporisiho ny olona ao amin’ny fianakaviana hiezaka hahatakatra ny fihetseham-po sy ny fomba fijerin’ny olona lalaoviny. Azonareo atao ny mifantoka bebe kokoa amin’ny fahatsapan’i Josefa tamin’ireo rahalahiny sy amin’ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo rehefa navelany ny helok’izy ireo. Afaka mitarika ho any amina fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahafahan’ny famelan-keloka mitahy ny fianakavianareo izany.

Rehefa nihaona tamin’ny rahalahiny indray i Josefa afaka taona maro, dia ahoana no fomba nanehoan’izy ireo fa efa niova izy ireo hatramin’ny fotoana nihaonan’izy ireo farany? Inona no azontsika ianarana momba ny fibebahana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo?

Genesisy 45:3–11; 50:19–21.Fantatr’i Josefa fa na dia sarotra aza ny zavatra niainany tany Egypta, dia “nisaina izany ho soa [Andriamanitra]” (Genesisy 50:20). Efa niaina fitsapana izay navadik’ Andriamanitra ho fitahiana ve ny fianakavianareo?

Afaka manatsara izany fifanakalozan-kevitra izany ny hira ao anatin’ny fihirana momba ny hatsaran’ Andriamanitra mandritra ny fotoan’ny fitsapana (toy ny “Fototra mafy orina” [Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 12]). Inona amin’ny antsimpirian-javatra tamin’ny zavatra niainan’i Josefa no manome ohatra ny amin’ny zavatra ampianarin’ilay fihirana?

Genesisy 49:9–11, 24–25.Inona no hitantsika ao amin’ireo andininy ireo ka mampianatra antsika momba ny anjara toerana sy iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy? (Mba hanampy amin’ny fahatakarana ireo andian-teny ao amin’ireo andininy ireo, dia jereo ny fitaovana momba ny Genesisy 49 ao amin’ny “Hevitra ho an’ny Fandalinana Soratra Masina.”)

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso hohiraina “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah.12.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira. Ampio hahita fahamarinana ara-pilazantsara ao amin’ny tonon-kiran’ny fihirana sy ny hiran’ny Kilonga ny olona ao amin’ny fianakaviana. Mitadiava fomba ahafahanao manao ny mozika masina ho ampahany mahazatra amin’ny fandalinanao ny filazantsara.

Sary
i Jakoba mitsodrano ireo zanany lahy

i Jakoba mitsodrano ireo zanany lahy, nataon’i Harry Anderson

Hamoaka printy