Testamenta Taloha 2022
14–20 martsa. Genesisy 42–50: “Andriamanitra nisaina izany ho soa”


“14–20 martsa. Genesisy 42–50: -Andriamanitra nisaina izany ho soa,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“14–20 martsa. Genesisy 42–50,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Josefa tany Egypta

Sarin’i Josefa tany Egypta, nataon’i Robert T. Barrett

14–20 martsa

Genesisy 42–50

“Andriamanitra nisaina izany ho soa”

Zava-dehibe ny mahafantatra ireo soratra masina ampianarinao, saingy zava-dehibe ihany koa ny mahafantatra ireo ankizy ampianarinao. Manokàna fotoana hisaintsainana sy hivavahana momba ireo roa ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Satria ny tantara ao amin’ny Genesisy 42–50 dia fitohizan’ny tantara tamin’ny lesona tamin’ny herinandro lasa, nanomboka tamin’ny Genesisy 37–41, dia makà fotoana eny am-piandohan’ny kilasy hamelana ny ankizy hizara izay tadidiny momba an’i Josefa, ao anatin’izany ny zavatra nianarany tao amin’ny Kilonga sy tany an-tokantrano.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Genesisy 45:4–15

Afaka maneho fitiavana amin’ny fianakaviako aho.

Ho an’ny ankizy kely dia azonao atao ny manantitrantitra ireo ampahany amin’ity tantara ity izay nanehoan’i Josefa fitiavana ho an’ny fianakaviany.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ireo sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, dia lazao amin’ny ankizy ny momba ny fihaonan’i Josefa tamin’ireo rahalahiny. Antitrantero ny fomba nanehoan’i Josefa fitiavana ho an’ny rahalahiny.

  • Vakio ireo andian-teny avy ao amin’ny Genesisy 45:4–15 izay mamariparitra ny zavatra nataon’i Josefa mba hampisehoana fa tiany ny fianakaviany. Asao ny ankizy mody hanao izay fariparitan’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Ohatra, azon’izy ireo atao ny mody mangataka ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mba “hanatona” (andininy 4) na hanome sakafo olona iray ao amin’ny fianakaviana (jereo ny andininy 11).

  • Iaraho manao ny hira iray mikasika ny fitiavana, toy ny “Mifankatiava” (Bokin-kiran’ny ankizy, 74). Ampio ny ankizy hanao sary ny endriky ny tanany ary hanoratra ao anatin’ilay sary izay azon’izy ireo atao mba hanehoana fitiavana amin’ny fianakaviany.

Genesisy 48:8–9

Manampy ahy ireo tsodranon’ny fisoronana.

Nitso-drano ireo zanany lahy sy zafikeliny i Jakoba (jereo ny Genesisy 48–49). Afaka mahazo ny tsodranon’ny fisoronana izay manome fampiononana, fanasitranana, fitarihana ary hery ara-panahy isika ankehitriny.

Sary
zazalahy nahazo tsodrano

Afaka mahazo tsodrano avy amin’ireo izay mihazona ny fisoronana isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ny ankizy ny sarin’i Jakoba manome tsodrano ireo zanany lahy na sary hafa momba ny tsodranon’ny fisoronana (jereo ireo sary ato anatin’ity rindran-damina ity; jereo koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 12). Avelao ny ankizy hamaritra izay zava-mitranga ao amin’ireo sary.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Genesisy 48:8–9. Hazavao fa Isiraely, izay antsoina koa hoe Jakoba, dia rain’i Josefa ary naniry ny hanome tsodrano an’ireo zanak’i Josefa izy. Raha toa ka misy ankizy efa nahazo tsodranon’ny fisoronana dia asao izy ireo hilaza momba ny zavatra niainany. Na zarao ny niainanao manokana.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ny antony mety hangatahin’izy ireo ny tsodranon’ny fisoronana. Ampio izy ireo hanonona ireo mpihazona fisoronana azon’izy ireo hangatahana izany, toy ny ray, raibe, na rahalahy mpanompo.

Genesisy 50:15–21

Afaka mamela heloka aho.

Inona no azon’ny ankizy ianarana momba ny famelan-keloka avy amin’ny ohatr’i Josefa namela ireo rahalahiny?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity hanampiana ny ankizy hitadidy ny fomba tsy nanehoan’ireo rahalahin’i Josefa hatsaram-panahy taminy. Vakio amin’ny ankizy ny Genesisy 50:17, ka hamafiso fa nanenina noho ny zavatra nataony ireo rahalahiny ireo ary naniry ny hamelan’i Josefa azy ireo. Vakio ny andininy 21 hampisehoana fa namela ny helok’ireo rahalahiny i Josefa—tsy tezitra tamin’izy ireo intsony izy.

  • Iaraho mihira ny “Ray ô! Ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52). Rehefa mihira momba ny famelana heloka ianareo dia asao ny ankizy hanondro an’i Josefa eo amin’ilay pejin’ny asa atao. Rehefa mihira momba ny fibebahana ianareo dia asao izy ireo hanondro ireo rahalahiny.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra toe-javatra izay mety ilan’izy ireo mamela ny heloky ny olona iray. Asao ny ankizy hampihatra izay mety holazainy na hataony mba hanehoana famelan-keloka amin’izany olona izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Genesisy 42–44; 45:1–15

Mitondra fiadanana ny famelan-keloka.

Nanao zavatra nahatsiravina taminy ireo rahalahin’i Josefa. Namela azy ireo anefa i Josefa ka nitondra fiadanana ho an’ny fianakaviany.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hanao kilalao an-tsehatra ireo tranga avy ao amin’ny Genesisy 42–44. Rehefa manao an’izany izy ireo dia anontanio hoe ny mety ho tsapan’i Josefa rehefa nahita indray ireo rahalahiny na ny mety ho tsapan’ireo rahalahiny rehefa nahafantatra an’i Josefa izy ireo nony farany.

  • Anontanio ny ankizy ny dikan’ny hoe mamela heloka olona iray. Ampio izy ireo hahatakatra fa anisan’ny famelana ny heloky ny olona iray ny mitondra azy amin’ny fitiavana toa ny an’i Kristy. Anontanio ny ankizy ny zavatra fantany momba ny tantaran’i Josefa mamela ireo rahalahiny, na vakio miaraka amin’ny ankizy ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Genesisy 45:1–15. Inona no nataon’i Josefa na nolazainy ampahafantarana ireo rahalahiny fa namela azy ireo izy? Inona no azontsika lazaina na ataontsika rehefa angatahan’ny hafa hamela azy ireo isika?

  • Angataho ny ankizy hieritreritra fotoana iray izay namelan’izy ireo olona iray na nisy olona namela azy ireo. Mba hanomezana azy ireo fotoana hieritreretana, dia zarao ny zavatra niainanao manokana, ary mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana azo avy amin’ny famelan-keloka. Asao ny ankizy hizara ny zavatra niainany raha toa ka maniry ny hanao izany izy ireo. Inona no tsapan’izy ireo? Inona no ianarantsika momba ny famelan-keloka avy amin’ny ohatry ny Mpamonjy? (jereo ny Lioka 23:33–34).

Genesisy 45:5–11

Nandefa an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba hamonjy ahy.

Ny tantaran’i Josefa nanavotra ny fianakaviany tamin’ny mosary dia afaka mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy, izay manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Josefa sy Jesoa Kristy. Ampio ny ankizy hamaky ireto andinin-tsoratra masina mandeha tsiroaroa ireto sy hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra mampitovy an’i Josefa sy i Jesoa: Genesisy 37:3 sy Matio 3:17; Genesisy 37:26–28 sy Matio 26:14–16; Genesisy 45:5–7 sy Lioka 4:18; ary Genesisy 47:12 sy Jaona 6:35.

  • Anontanio ny ankizy ny dikan’ny hoe mamonjy na manavotra olona. Raha nisy tamin’izy ireo niaina izany hoe voavonjy na voavotra tamin’ny loza izany, dia asao izy ireo hizara. Ahoana no namonjen’i Josefa an’ireo rahalahiny? (jereo ny Genesisy 42:1–3; 45:5–7). Asehoy ny sarin’ny Mpamonjy. Ahoana no namonjen’i Jesoa antsika?

Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:27–33 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).

Ny Ray any An-danitra dia nanomana an’i Joseph Smith ho mpaminany amin’izao androntsika izao.

Taona an’arivony talohan’izay, i Josefa tany Egypta dia nahita fa hiantso an’i Joseph Smith ny Tompo hanao asa lehibe amin’ny andro farany. Ampianaro ny ankizy ny fomba nitahian’ny Tompo antsika tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo famariparitana momba an’i Joseph Smith ny ankizy, ary asao izy ireo haminavina hoe iza no fariparitanao. Ataovy ao ireo fanampiana ara-kevitra avy ao amin’ny 2 Nefia 3:4-16, toy ny “hitondra ho amin’ny fampahalalana ny fanekempihavanana” (jereo ny andininy 12), “hitondra ny tenin’ny Tompo” (jereo ny andininy 11), ary “antsoina araka ny anaran-drainy” (jereo ny andininy 15). Rehefa avy marina ny vinan’ny ankizy dia asao izy ireo hitady ireo fanampiana ireo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina. Inona koa no ianarantsika momba an’i Joseph Smith avy amin’ny faminanian’i Josefa tany Egypta?

  • Mampisehoa sary izay maneho ireo zava-manan-danja nataon’i Joseph Smith na nampianariny (jereo ohatra ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 89–95, 97, 98, 117, 118). Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fitahiana azontsika noho i Joseph Smith. Ohatra, ahoana no fomba nanampian’ny asany antsika hanakaiky bebe kokoa an’i Jesoa Kristy?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara ny pejin’asa atao amin’ny herinandro ity amin’ny fianakaviany ao an-trano. Azon’izy ireo atao ny mampiasa azy io hamerenana ny tantaran’i Josefa sy ireo rahalahiny ary hiresahana ny maha-zava-dehibe ny fitiavana sy ny famelan-keloka ao amin’ny fianakaviantsika.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Na dia tsy manonona ny anarana hoe Jesoa Kristy aza ny Testamenta Taloha, dia manondro azy avy amin’ny anarana hafa izany, ary mijoro ho vavolombelona momba Azy amin’ny alalan’ny famantarana sy ny tantara. Ampio ny ankizy hianatra hitady ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy isaky ny mamaky ny soratra masina.

Hamoaka printy