Testamenta Taloha 2022
21–27 martsa. Eksodosy 1–6: “Tsaroako ny fanekeko”


“21–27 martsa. Eksodosy 1–6: Tsaroako ny fanekeko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“21–27 martsa. Eksodosy 1–6,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Mosesy sy ny lelafo teo amin’ny roimemy

I Mosesy sy ny lelafo teo amin’ny roimemy, nataon’i Harry Anderson

21–27 martsa

Eksodosy 1–6

“Tsaroako ny fanekeko”

Atombohy amin’ny famakiana ny Eksodosy 1–6 ny fiomananao. Ny rindran-damina amin’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo, ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa zavatra maromaro mifandray amin’ireo tantara ato amin’ireto toko ireto—ohatra, harona lehibe na saribakoly zazakely. Asao ny ankizy hampiasa ireo zavatra ireo mba hizarana ny ampahany tian’izy ireo amin’ny tantaran’i Mosesy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Eksodosy 1–2

Afaka miasa amin’ny alalako Andriamanitra hanatanterahana ny tanjony.

Nanana andraikitra lehibe i Mosesy tamin’ny fanafahana an’i Isiraely tamin’ny fanandevozana. Saingy tsy ho nahavita izany izy raha tsy niaro sy nikarakara azy ny reniny, ny anabaviny, ny zanakavavin’i Farao ary ny vehivavy mahatoky hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Nikarakara an’i Mosesy i Jokebeda (renin’i Mosesy), i Miriama (anabaviny) ary ny zanakavavin’i Farao. Antitrantero fa noho ireo sy ireo vehivavy mahatoky hafa, dia voaro hatrany i Mosesy ka hitarika ny zanak’i Isiraely ho voaro indray andro any. Asao ny ankizy hanao ny sarin’ireo olona izay mikarakara azy ireo.

    Sary
    Mosesy zazakely anaty harona

    Moses in the Bulrushes, © Providence Collection/licensed from goodsalt.com

  • Iaraho manao ny hira iray mikasika ny fanompoana, toy ny “Hoy ilay rano kely hoe “Manomeza”Bokin-kiran’ny ankizy, 116). Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra tsotra azon’izy ireo atao mba hanampiana ny hafa ao an-tokantrano sy any am-piangonana ary any am-pianarana.

Eksodosy 3

Hanampy ahy hanao zavatra tsara i Jesoa

Natahotra i Mosesy sao tsy afaka hamonjy ny Israelita hiala any Egypta izy. Saingy nampanantena ny Tompo fa hanampy an’i Mosesy. Ampio ny ankizy hanana finoana fa ny Mpamonjy dia hanampy azy ireo koa.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny ankizy ny fomba nanoloran’ny Tompo asa lehibe hatao ho an’i Mosesy . Vakio ireo andinin-tsoratra masina voafantina avy ao amin’ny Eksodosy 3. Zarao ny fahatsapan’i Mosesy (jereo ny Eksodosy 3:6, 11) ary ny zavatra nolazain’ny Tompo taminy (jereo ny andininy 12 sy 14). Asao ny ankizy hamerina miaraka aminao ilay andian-teny hoe “Homba anao tokoa Aho”, dia zarao ny momba ny fotoana iray nomban’ny Tompo anao rehefa nanana zavatra manan-danja hatao ho Azy ianao.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra toe-javatra izay mety hangatahana azy ireo hanao zavatra izay toa sarotra. Hazavao fa toy ny nanampian’i Jesoa an’i Mosesy, dia hanampy azy ireo koa i Jesoa. Mihirà hira momba ny fomba hanampian’i Jesoa Kristy antsika, toy ny hoe “I Will Walk with Jesus” (ChurchofJesusChrist.org). Mijoroa ho vavolombelona fa hanampy antsika ny Mpamonjy rehefa miahiahy na matahotra isika.

  • Maneteza fo vita amin’ny taratasy ary soraty eo amin’izany ireo fomba anampian’ny Tompo ireo ankizy. Apetraho mihohoka eo amin’ny tany ireo fo. Asao ny ankizy hifandimby hisafidy fo, ary hanampy azy ireo hamaky izay voasoratra eo amin’izany.

Eksodosy 3:1–5

Afaka ny ho feno fanajana lalina aho ao amin’ireo toerana masina.

Ampiasao ny tantaran’i Mosesy sy ilay roimemy nirehitra mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny antony hitondrantsika ireo zavatra masina amin’ny fanajana lalina.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Eksodosy 3:1–5, dia hazavao fa naneho fanajana i Mosesy tamin’ny fanesorana ny kirarony. Inona no ataontsika mba hanehoana fanajana lalina ao am-piangonana? Iaraho manao ny hira iray mikasika ny fanajana lalina, toy ny “Ny fanehoam-panajana dia fitiavana” Bokin-kiran’ny ankizy, 12). Ampio ny ankizy hamantatra ireo teny ao amin’ilay hira mampianatra antsika ny fomba hanehoantsika fanajana lalina. Nahoana ny Tompo no maniry antsika haneho fanajana?

  • Mampisehoa sary vitsivitsy momba ny toe-javatra tokony hanehoantsika fanajana lalina sy ny ny toe-javatra hafa izay tsy ilaina ny hanehoantsika fanajana lalina, toy ny fivoriana fanasan’ny Tompo, vavaka, zaridaina ary fetin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana. Angataho ny ankizy hanivana ireo sary mba hampisehoana hoe aiza isika no tokony haneho fanajana lalina.

  • Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ny tenan’izy ireo, ary manondro ny sarin’izy ireo rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fomba ahafahan’izy maneho fanajana lalina miaraka amin’ny faritra samihafa amin’ny vatany, toy ny maso, sofina, molotra, tanana, ary tongotra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Eksodosy 1–2

Miasa amin’ny alalan’ny tsirairay amintsika Andriamanitra hanatanterahana ny tanjony.

Betsaka ny olona nanampy tamin’ny fanatanterahana ny tanjon’ Andriamanitra rehefa niaro ny ain’i Mosesy fony mbola kely. Ahoana no hanampianao ireo ankizy ampianarinao hahatakatra ny anjara asantsika manan-danja ao amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba an’i Mosesy fony izy mbola zazakely. Ampiasao ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity sy ny Eksodosy 1:22; 2:1–10 hamintinana ny tantaran’ny fahazazan’i Mosesy. Vakio ny andinin-tsoratra masina eo amin’ny pejin’ny asa atao ary anontanio ny ankizy ny zavatra nataon’ireo vehivavy tsirairay mba hiarovana ny ain’i Mosesy.

  • Lazao amin’ny ankizy ny momba ny olona ankafizinao noho ny fahatokisany tamin’ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ireo manodidina azy, na dia manompo amin’ny fomba kely aza izy ireo. Asao ny ankizy hiresaka momba ny olona fantatr’izy ireo izay nanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa tamim-pahatokiana . Inona no anjara asantsika ao amin’ny asan’ Andriamanitra?

Eksodosy 3–4

Hanampy ahy hanatanteraka ny sitrapony ny Tompo.

Nahatsiaro ho tsy hahefa amin’ny antsony i Mosesy, saingy nampanantena ny Tompo fa homba an’i Mosesy ary hanampy azy Izy. Ahoana no ahafahan’io tantara io manome aingam-panahy an’ireo ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny tantara ao amin’ny Eksodosy 3; 4:1–17, dia avelao ny ankizy hifandimby hilalao ny toeran’i Mosesy. Raha azo atao dia mitondrà zavatra azon’izy ireo ampiasaina, toy ny jiro fanao am-paosy iray sy zavamaniry iray haneho ilay roimemy nirehitra.

  • Asaivo mamaky ny Eksodosy 3:11; 4:1, 10 ny ankizy ary fantaro ny fihetseham-pon’i Mosesy rehefa nangataka tamin’i Farao mba hamotsorana ny Isiraelita. Oviana izy ireo no nanana fihetseham-po toy izany? Inona ny torohevitra hozarain’ny ankizy amin’i Mosesy hanampiana azy? Ampio izy ireo hahita fomba nankaherezan’ny Tompo an’i Mosesy (jereo ny Eksodosy 3:12; 4:2–9, 11–12).

  • Mizarà zavatra iray niainanao ka nahatsapanao fa nanampy anao Andriamanitra hanatanteraka antso iray na hanompo Azy tamin’ny fomba iray. Asao ny ankizy hizara ny fotoana iray izay nanampian’ny Tompo azy ireo.

Eksodosy 3:1–5

Afaka ny ho feno fanajana lalina aho ao amin’ireo toerana masina.

Nangataka an’i Mosesy ny Tompo hanala ny kirarony teo amin’ilay roimemy nirehitra ho mariky ny fanajana sy ny fanajana lalina. Ahoana no ahafahanao mampiasa io tantara io hampianarana ny ankizy momba ny fanajana?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Eksodosy 3:1–5, ary asao ny ankizy hamintina ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny tenin’izy ireo manokana. Inona no azontsika atao mba hampisehoana fanajana lalina ao amin’ireo toerana masina, toy ny any am-piangonana na any amin’ny tempoly? Ampio ny ankizy hamorona “kitapon’ny fanajana lalina” entina mody any an-trano izay misy tapa-taratasy feno torohevitra momba ny fomba hanehoana fanajana lalina. Asao izy ireo hizara ireo hevitra ireo amin’ny fianakaviany.

  • Miaraha manao hira iray momba ny fanajana lalina, toy ny “Ny fanehoam-panajana dia fitiavana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 12), ary angataho ny ankizy tsirairay hanoratra sy hizara famaritana ny fanajana lalina araka ilay tononkira.

  • Ampiasao ny sarin’i Jesoa manadio ny tempoly (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 51) hitantarana ilay tantara ao amin’ny Matio 21:12–13. Inona no maha-samy hafa ny fihetsik’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 3:1–5 amin’ny toetran’ny mpanakalo vola? Nahoana ny Mpamonjy no maniry ny hitondrantsika ireo zavatra masina amin’ny fanajana lalina?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanampiana ny ankizy hizara ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Eksodosy 1–6, dia entano izy ireo hanao ny sarin’ny iray amin’ireo olona nianarany tao amin’ny kilasy ka hozaraina amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mahazo tombontsoa avy amin’ny famerimberenana ny ankizy. Aza matahotra ny hamerina im-betsaka ireo asa atao, indrindra miaraka amin’ireo ankizy kely. Izany dia hanampy ny ankizy hahatsiaro izay ampianarinao.

Hamoaka printy