Testamenta Taloha 2022
7–13 martsa. Genesisy 37–41: “Nomba an’i Josefa [ny Tompo]”


“7–13 martsa. Genesisy 37–41: -Nomba an’i Josefa [ny Tompo],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“7–13 martsa. Genesisy 37–41,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Josefan’i Egypta tao an-tranomaizina

Sary fanehoana an’i Josefan’i Egypta tao an-tranomaizina, nataon’i Jeff Ward

7–13 martsa

Genesisy 37–41

“Nomba an’i Josefa [ny Tompo]”

Rehefa mamaky ny Genesisy 37–41 ianao, dia mivavaha mba hanampian’ny Fanahy Masina anao hahita hoe ahoana no ifandraisan’ireo andinin-tsoratra masina amin’ny fiainanao. Raketo izay hevi-baovao rehetra voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Indraindray dia mitranga amin’ny olona tsara ny zavatra ratsy. Mampianatra antsika izany lesona izany mazava tsara ny fiainana, ary toy izany koa ny fiainan’i Josefa zanakalahin’i Jakoba. Mpandova ny fanekempihavanana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ireo razambeny izy kanefa nankahalain’ireo rahalahiny ary namidy ho andevo. Tsy nanaiky hivadika amin’ny maha-olo-marina azy izy rehefa nanatona azy ny vadin’i Potifara ka dia nalefa tany am-ponja. Toa arakaraka ny fahatokiany no vao mainka nahabetsaka ny zava-tsarotra natrehany. Saingy izany zava-tsarotra rehetra izany dia tsy nidika akory fa tsy nankasitrahan’ Andriamanitra izy. Ny tena marina, tao anatin’izany rehetra izany, dia “nomban’ i Jehovah izy” (Genesisy 39:3). Ny fiainan’i Josefa no nanehoana ity fahamarinana lehibe ity: Tsy handao antsika ny Tompo. Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Ny fanarahana ny Mpamonjy dia tsy hanaisotra ny fitsapana lalovanao rehetra”. “Kanefa ny fanarahana ny Mpamonjy dia hanaisotra ireo sakana manasaraka anao amin’ny fanampiana tian’ny Ray any An-danitra omena anao. Hiaraka aminao Andriamanitra” (“Manin-te-hody,” Liahona, nôv. 2017, 22).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Genesisy 37:1–28; 39; 41:9–45

“Nomba an’i Josefa [ny Tompo]” tamin’ny zava-tsarotra natrehany.

Toa nandao an’i Josefa imbetsaka ny vintana tsara, kanefa ny Tompo tsy nandao azy mihitsy. Rehefa mamaky ny tantaran’i Josefa ianao dia eritrereto ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no nataon’i Josefa mba hijanonana akaiky ny Tompo nandritra ny fotoana nitsapana azy? Tamin’ny fomba ahoana no “nomban’[ny]” Tompo azy? (Genesisy 39:2–3, 21, 23).

Afaka mametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany mikasika ny fiainanao ihany koa ianao. Inona no porofo nahitanao fa tsy nahafoy anao ny Tompo nandritra ny fotoana nitsapana anao? Eritrereto ny fomba ahafahanao mizara ny zavatra niainanao amin’ny fianakaviana sy ny taranaka ho avy (jereo ny 1 Nefia 5:14). Inona no azonao atao amin’izao fotoana izao mba hanomananao ny tenanao hitoetra ho mahatoky rehefa miatrika fitsapana ianao amin’ny ho avy?

Jereo ihany koa ny Jaona 14:18; Romana 8:28; Almà 36:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8; D. Todd Christofferson, “Ny fifalian’ny Olomasina,” Liahona, nôv. 2019, 15–18.

Genesisy 37:5–11; 40; 41:1–38

Raha mahatoky aho dia hitarika sy hanome fanentanam-panahy ahy ny Tompo.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fanambarana dia omena amin’ny fomba maro karazana, ao anatin’izany ohatra ny nofy, ny fahitana, ny fifampiresahana amin’ny mpitondra hafatra avy any an-danitra, ary ny fitaoman’ny fanahy” (“Ny Fanahin’ny Fanambarana,” Liahona, mey 2011, 88). Nampiasa nofy ny Tompo nanambarana fahamarinana tamin’i Josefa, sy ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofon’i Farao ary i Farao. Nambaran’ny Tompo tamin’i Josefa ihany koa ny fomba handikana ireo nofy ireo. Inona no azonao ianarana avy ao amin’ny Genesisy 37:5–11; 40:5–8; 41:14–25, 37–38 mikasika ny fandraisana sy ny fahatakarana ny fanambarana avy amin’ny Tompo? Ohatra, inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Josefa rehefa toa saro-takarina ny fanambarana? (jereo ny Genesisy 40:8; 41:16).

Sary
i Josefa tao an-tranomaizina manazava ny hevitry ny nofy

i Josefa milaza ny hevitry ny nofin’ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo, nataon’i François Gérard

Saintsaino ny fomba anambaran’ny Tompo ny sitrapony aminao. Inona no ataonao amin’izao mba hanaovana asa mifanaraka amin’ny fanambarana nomen’ny Tompo anao? Ahoana no itadiavanao tari-dalana fanampiny avy Aminy?

Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 93–96; Michelle Craig, “Fahafahana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 19–21.

Genesisy 38; 39:7–20

Afaka mandresy ny fakam-panahy aho rehefa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Rehefa alaim-panahy ianao dia afaka manome fampaherezana sy tanjaka anao ny ohatra nasehon’i Josefa. Rehefa mamaky mikasika ny zavatra niainany ao amin’ny Genesisy 39 ianao, dia mariho ny zavatra nataon’i Josefa mba hanoherana ny fakam-panahy. Ohatra:

  • “Nandà” ny fanangolen’ny vadin’i Potifara izy (andininy 8).

  • Fantany fa raha manota izy dia hanafintohina an’ Andriamanitra sy ny hafa (andininy 8–9).

  • “Tsy nety nanaiky” ny fakam-panahy izy na dia nitohy “isan’andro” aza izany (andininy 10).

  • “Navelany teo ny akanjony … dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano” (andininy 12).

Ataovy ao an-tsaina ny ohatr’i Josefa dia hevero ny hanao drafitra hisorohana sy hanoherana ny fakam-panahy. Ohatra, azonao atao ny mieritreritra ny fakam-panahy atrehinao, mandray an-tsoratra ny toe-javatra hosorohina, ary manao drafitra ny hiankina amin’ny Ray any An-danitra rehefa mihamafy ny fakam-panahy (jereo ny 2 Nefia 4:18, 27–33).

Fakam-panahy:

Toe-javatra sorohina:

Drafitra hasetry izany:

Ity tantara momba ny tanjaka nananan’i Josefa rehefa niatrika fakam-panahy ity dia ialohavan’ny tantara tena hafa mihitsy mikasika an’i Joda zokilahiny, hita ao amin’ny Genesisy 38. Inona no ampianarin’ny toko 37, 38, sy 39 miaraka momba ny fahadiovam-pitondrantena?

Jereo koa ny 1 Korintiana 10:13; 1 Nefia 15:23–24; 3 Nefia 18:17–18.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Genesisy 37.Raha anankiray tamin’ireo rahalahin’i Josefa ianao dia inona no mety ho nataonao mba hanakanana ny fialonana tsy hamparatsy ny fifandraisanao aminy? Ahoana no ahafahan’izany manampy antsika “hifampiresaka am-pilaminana”? (andininy 4).

Genesisy 39. Azonareo hiraina miaraka ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40) ary mitadiava torohevitra azon’ny fianakavianareo zaraina amin’i Josefa rehefa niatrika fitsapana izy.

Genesisy 39:7–12.Ny famakiana ireo andininy ireo dia afaka manome fahafahana hifanakalo hevitra momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena miaraka amin’ny fianakavianao. Ireto misy loharanom-pitaovana vitsivitsy afaka manampy amin’izany fifanakalozan-kevitra izany: Jakôba 2:28; Almà 39:3–9; “Pureté sexuelle” (ao amin’ny Jeunes, soyez forts [2011], 35–37).

Genesisy 41:15–57.Inona no ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba nitahian’ny Tompo ny vahoakan’i Egypta tamin’ny alalan’i Josefa? Inona no azontsika ianarana mikasika ny fiomanana amin’ny hamehana any amin’ny hoavy? Ifanakalozy hevitra ny zavatra azonareo atao mba hahavonona kokoa ny mpianakavy.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Jesoa dia namantsika,” Bokin-kiran’ny ankizy, 37.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mampitaha ny soratra masina amin’ny fiainanao. Eo am-pamakianao dia saintsaino ny fomba azo hampiharana ireo tantara sy fampianarana ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Ohatra, ahoana no ahafahan’ny fahatokian’i Josefa tany Egypta hanainga anao hitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo na dia eo aza ny zava-tsarotra?

Sary
ireo rahalahin’i Josefa manendaka ny akanjony

Sary fanehoana ireo rahalahin’i Josefa manendaka ny akanjony, nataon’i Sam Lawlor

Hamoaka printy