Testamenta Taloha 2022
28 martsa–3 aprily. Eksodosy 7–13: “Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta”


“28 martsa–3 aprily. Eksodosy 7–13: -Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“28 martsa–3 aprily. Eksodosy 7–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
iI Mosesy sy i Aharôna ary i Farao

Fanehoana an-tsary an’i Mosesy sy i Aharôna ary i Farao, nataon’i Robert T. Barrett

28 martsa–3 aprily

Eksodosy 7–13

“Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta”

Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Eksodosy 7–13 ianao, dia raketo izay fahatsapana tonga aminao. Rehefa manao izany matetika ianao dia hitombo ny fahaizanao mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nisesy nampahory an’i Egypta ny areti-mandringana fa mbola nandà ny hamotsotra ny Isiraelita ihany i Farao. Na izany aza dia nampiseho ny heriny hatrany Andriamanitra ary nanome an’i Farao fahafahana hanaiky “fa Izaho no Jehovah” ary “tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra” (Eksodosy 7:5; 9:14). Nandritra izany fotoana izany i Mosesy sy ny Isiraelita dia tsy maintsy hoe talanjona tamin’ny fisehoan’ny herin’ Andriamanitra ho azy ireo. Azo antoka fa ireo famantarana nitohy ireo dia nanamarina ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra sy nanamafy ny fahavononan’izy ireo hanaraka ny mpaminanin’ Andriamanitra. Avy eo, rehefa tsy nahavita nanafaka ny Isiraelita ireo areti-mandringana mahatsiravina sivy, dia ny areti-mandringana fahafolo—ny fahafatesan’ny lahimatoa rehetra, anisan’izany ny lahimatoan’i Farao—no namarana ny fahababoana tamin’ny farany. Toa mety tsara izany satria amin’ny trangana fahababoana ara-panahy rehetra dia tena iray ihany ny lalana ahafahana mitsoaka. Na inona na inona mety ho efa nandramantsika taloha, dia mitovy izany amintsika sy tamin’ny zanak’i Isiraely. Ny sorona nataon’i Jesoa Kristy, ilay Lahimatoa ihany—ny ran’ny Zanak’ondry tsy misy kilema—no hamonjy antsika.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Eksodosy 7–11

Afaka mifidy ny hanalefaka ny foko aho.

Enga anie ny sitraponao tsy hanohitra be na oviana na oviana ny sitrapon’ Andriamanitra tahaka ny an’i Farao. Saingy, misy fotoana ny fontsika tsy malefaka araka ny tokony ho izy, noho izany dia misy zavatra tokony hianarana avy amin’ny zavatra nataon’i Farao voarakitra ao amin’ny Eksodosy 7–10. Rehefa mamaky momba ireo areti-mandringana ao amin’ireo toko ireo ianao, dia inona no zavatra manaitra anao amin’ny valin-tenin’ny Farao? Mahatsikaritra fironana hanamafy fo mitovitovy amin’izany ao anatinao ve ianao? Saintsaino ny zavatra ianaranao amin’ireo toko ireo momba ny hevitry ny hoe manana fo malefaka.

Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith amin’ny Eksodosy 7:3, 13; 9:12; 10:1, 20, 27; 11:10 dia manazava fa tsy nanamafy ny fon’i Farao ny Tompo, fa i Farao no nanamafy ny fony.

Inona no zavatra ianaranao amin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ny fomba hananana fo malefaka? 1 Nefia 2:16; Môsia 3:19; Almà 24:7–8; 62:41; Etera 12:27.

Jereo ihany koa ny Michael T. Ringwood, “Fahamorana sy finiavana hino,” Liahona, nôv. 2009, 100–102.

Eksodosy 12:1–42

Tandindon’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy ny Paska.

Ny hany antony nahatonga ny Isiraelita ho tsy azon’ilay areti-mandringana fahafolo izay voafaritra ao amin’ny Eksodosy 11:4–5 dia ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ireo toromarika nomen’ny Tompo an’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 12, fomba iray fantatra amin’ny hoe Paska. Mampianatra antsika amin’ny alalan’ny tandindona ny Paska fa tahaka ny nanafahan’ny Tompo ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana tany Egypta, dia afaka manafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny ota ihany koa Izy. Inona no hitanao ao amin’ireo toromarika sy tandindon’ny Paska fa mampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana nataony? Inona no ambaran’ireo tandindona sy toromarika ireo anao momba ny fomba fandraisana fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana nataony? Ohatra, inona no zavatra mety hasehon’ny fanisiana rà eo amin’ny tataom-baravarana? (andininy 7). Aminao, inona no hevitry ny hoe “ny kapanareo ho eo amin’ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo”? (andininy 11).

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:21.

Sary
olona mandray ny fanasan’ny Tompo

Manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy Mpanafaka antsika ny fanasan’ny Tompo.

Eksodosy 12:14–17, 24–27; 13:1–16

Manampy ahy hahatsiaro ny fanafahana ahy tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fanasan’ny Tompo.

Tian’ny Mpamonjy ny Isiraelita mba hahatsiaro mandrakariva fa nanafaka azy ireo Izy, na dia efa lasa fahatsiarovana lavitra aza ny fahababoan’izy ireo. Izany no antony nandidiany azy ireo hitandrina ny fetin’ny Paska isan-taona. Rehefa mamaky ny torolalana omeny ao amin’ny Eksodosy 12:14–17, 24–27; 13:1–16 ianao, dia eritrereto ny zavatra ataonao mba hahatsiarovanao ny fitahian’ Andriamanitra anao. Ahoana no ahafahanao mitahiry izany fahatsiarovana izany “manerana ny taranakao”? (jereo ny Eksodosy 12:14, 26–27).

Inona no fitoviana hitanao amin’ny tanjon’ny fetin’ny Paska sy ny fanasan’ny Tompo? Ahoana no ampahatsiahivan’ny famakiana momba ny Paska anao ny fanasan’ny Tompo sy itondran’izany dikany misimisy kokoa amin’izany ôrdônansy izany? Hevero izay zavatra azonao atao mba “hahatsiaro[vana] … mandrakariva” an’i Jesoa Kristy (Môrônia 4:3; 5:2; jereo ihany koa ny Lioka 22:7–8, 19–20).

Afaka misaintsaina zavatra hafa tian’ny Tompo hotadidianao ihany koa ianao; jereo ohatra ny Helamàna 5:6–12; Môrônia 10:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:3–5, 10; 18:10; 52:40.

Jereo ihany koa ny Jaona 6:54; “L’ordonnance de la Cène du Seigneur,” ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Eglise: Howard W. Hunter (2015) 197–206.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Eksodosy 7–12.Angamba rehefa avy mamaky momba ireo areti-mandringana nalefan’ny Tompo tamin’ny Egyptiana ho famantarana ny heriny ianareo, dia afaka mizara ny fomba anehoan’ny Tompo ny heriny amin’izao fotoana izao ny fianakavianareo.

Eksodosy 8:2832; 9:27–28, 34–35.Azo ampiasaina hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fihazonana ny teny nomena ireo andininy ireo. Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao tsara ny mizara zavatra niainana nahitany olon-kafa nanao ny zavatra neken’izy ireo fa hataon’izy ireo.

Eksodosy 12:1–42.Rehefa avy miara-mamaky ny Eksodosy 12:1–42 ianareo, dia afaka manoratra amin’ny taratasy ireo zavatra azonareo atao amin’ny maha-fianakaviana anareo mba hahatsiarovana ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy. Noho ny ran’ny zanak’ondry teo amin’ny tataom-baravarana (jereo ny andininy 23) izay naneho ny Mpamonjy, dia azonao apetraka manodidina ny varavaran’ny tranonareo ireny taratasy ireny. Afaka mihinana ny sasany amin’ny sakafo mandritra ny Paska ihany koa ianareo, toy ny mofo tsy misy masirasira (crackers na tortillas) na anana mangidy (persily na raifort), dia ifanakalozy hevitra hoe ahoana no anampian’ny Paska antsika hahatsiaro ny fomba nanafahan’ Andriamanitra ny olony. Ohatra, ny mofo tsy misy masirasira dia nampatsiahy azy ireo fa tsy nisy fotoana niakaran’ny mofon’izy ireo akory talohan’ny nitsoahany ny fahababoana. Ny anana mangidy dia nampahatsiahy azy ireo ny ngidin’ny fahababoana.

Eksodosy 12:14, 24–27.Angamba mety ho afaka hamerina hijery ireo andininy ireo miaraka ny fianakavianareo mialoha ny fivoriana fanasan’ny Tompo manaraka. Ahoana no ifandraisan’ireo andininy ireo amin’ny fanasan’ny Tompo? Ahoana no ahafahantsika manao tanteraka ny fanasan’ny Tompo ho “fahatsiarovana” ny zavatra nataon’ny Mpamonjy tamintsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “En souvenir de Jésus-Christ,” Cantiques, no. 114.

Manatsara ny fampianarantsika

Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Asao ireo olona ao amin’ny fianakavianareo hitady zavatra hanampy azy ireo hahatakatra ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina izay vakinareo. Ohatra, ny zavatra malefaka sy mafy dia afaka manampy ny olona ao amin’ny fianakaviana hifanakalo hevitra amin’ny fahasamihafana misy eo amin’ny fo malefaka sy ny fo mafy.

Sary
fianakaviana hebreo miaraka amina sakafon’ny Paska

Sary fanehoana ny sakafon’ny Paska, nataon’i Brian Call

Hamoaka printy