Testamenta Taloha 2022
11–17 aprily. Paska: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”


“11–17 aprily. Paska: ‘Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“11–17 aprily. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
fasana misy vato nahisaka avy eo amin’ny varavarana

Sary fanehoana ny fasana foana nataon’i Maryna Kriuchenko

11–17 aprily

Paska

“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”

Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy ianao amin’ity herinandro ity, dia hevero ny hirakitra ireo eritreritra sy fahatsapana anananao momba ny sorona nataony ao amin’ny diarinao na eo amin’ny toerana malalaka omena amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny fiainan’i Jesoa Kristy dia “ivon’ny tantaran’ny olombelona rehetra” (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” ChurchofJesusChrist.org). Midika inona izany? Amin’ny ampahany dia azo antoka fa midika izany hoe ny fiainan’ny Mpamonjy dia misy fiantraikany amin’ny anjara mandrakizain’ny olombelona rehetra izay efa niaina na mbola hiaina. Afaka milaza ihany koa ianao fa ny fiainana sy ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy, izay nifarana teo amin’ny Fitsanganany tamin’ny maty tamin’izany alahadin’ny Paska voalohany izany, dia mampifandray ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra hatrizay: Ireo izay teraka talohan’i Kristy dia niandrandra Azy tamim-pinoana (jereo Jakôba 4:4), ary ireo izay teraka tatỳ aoriany dia mahatsiaro amim-pinoana ny zavatra nataony. Rehefa mamaky ireo tantara sy faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha isika, dia tsy mahita mihitsy ny anarana hoe Jesoa Kristy, saingy tena mahita ny porofon’ny finoan’ireo mpino fahiny sy ny fiandradrany mafy ny Mesia sy Mpanavotra azy ireo isika. Noho izany, isika izay asaina hahatsiaro Azy dia mahatsapa fifandraisana amin’ireo izay niandry Azy. Fa nitondra “ny helotsika rehetra” tokoa Izy (Isaia 53:6; nampiana soramandry), ary “ao amin’ny Kristy no ahaveloman’ny olona rehetra” (1 Korintiana 15:22; nampiana soramandry).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny sorona manavotra nataon’ny Mpamonjy ny Testamenta Taloha.

Andininy maro ao amin’ny Testamenta Taloha no manondro ny asa fanompoana sy ny sorona manavotra nataon’ny Mpamonjy. Ny tabilao eo ambany dia manome ny lisitry ny sasany amin’ireny andininy ireny. Rehefa mamaky ireto andininy ireto ianao dia inona no zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy?

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Testamenta Taloha

Zakaria 9:9

Testamenta Vaovao

Matio 21:1–11

Testamenta Taloha

Zakaria 11:12–13

Testamenta Vaovao

Matio 26:14–16

Testamenta Taloha

Isaia 53:4

Testamenta Vaovao

Matio 8:16–17; 26:36–39

Testamenta Taloha

Isaia 53:7

Testamenta Vaovao

Marka 14:60–61

Testamenta Taloha

Salamo 22:16

Testamenta Vaovao

Jaona 19:17–18; 20:25–27

Testamenta Taloha

Salamo 22:18

Testamenta Vaovao

Matio 27:35

Testamenta Taloha

Salamo 69:21

Testamenta Vaovao

Matio 27:34, 48

Testamenta Taloha

Salamo 118:22

Testamenta Vaovao

Matio 21:42

Testamenta Taloha

Isaia 53:9, 12

Testamenta Vaovao

Matio 27:57–60; Marka 15:27–28

Testamenta Taloha

Isaia 25:8

Testamenta Vaovao

Marka 16:1–6; Lioka 24:6

Testamenta Taloha

Daniela 12:2

Testamenta Vaovao

Matio 27:52–53

Ireo faminaniana sy ireo fampianarana momba ny Mpamonjy dia vao mainka mihavosa sy mazava kokoa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Eritrereto ny fomba hanamafisan’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny finoanao: 1 Nefia 11:31–33; 2 Nefia 25:13; Môzià 3:2–11.

Afaka mahita fiadanana sy fifaliana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy aho.

Tamin’ny fotoana rehetra, tamin’ny alalan’ny sorona manavotra nataony, i Jesoa Kristy dia nanome fiadanana sy fifaliana ho an’izay rehetra manatona Azy (jereo ny Mosesy 5:9–12). Hevero ny handalina ireto soratra masina manaraka izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fiadanana sy fifaliana omeny ireto, ary rehefa manao izany ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao mandray ny fiadanana sy fifaliana omeny: Salamo 16:8–11; 30:2–5; Isaia 12; 25:8–9; 40:28–31; Jaona 14:27; 16:33; Almà 26:11–22.

Jereo ihany koa ny Dallin H. Oaks, “Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 61–64; Sharon Eubank, “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona, mey 2019, 73–76; “Endrey mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44.

Sary
i Jesoa eo amin’ny hazo fijaliana

Andro manjombona tao Golgota, nataon’i J. Kirk Richards

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony dia manana hery hanampiana ahy handresy ny fahotana, ny fahafatesana, sy ny fitsapana ary ny fahalemena i Jesoa Kristy.

Manerana ny soratra masina, ireo mpaminany dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’i Jesoa Kristy ho manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana ary manampy antsika handresy ireo fitsapana sy ireo fahalementsika. Inona no fiovana nentin’i Kristy teo amin’ny fiainanao? Nahoana Izy no manan-danja aminao? Saintsaino ireo fanontaniana ireo rehefa mamaky ireto andininy ireto ianao, dia raketo ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy:

Jereo ihany koa ny Walter F. González, “Ny fikasihan’ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2019, 90–92.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Eksodosy 12:1–28.Rehefa mankalaza ny Paska ny fianakavianareo dia afaka mamerina mijery ny zavatra nianaranareo momba ny Paska tamin’ny fanombohan’ity volana ity ianareo. Nahoana no manan-danja ny hoe nitranga tamin’ny fotoan’ny Paska ny sorona nataon’ny Mpamonjy?

Ho famintinana ny zavatra nitranga nandritra ny herinandro farany tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy dia jereo ny “Holy Week” ao amin’ny ComeuntoChrist.org/2016/easter/easter-week.

Isaia 53.Ny famakiana ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Isaia 53 dia afaka manampy ny olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra ny sorona manavotra nataon’ny Mpamonjy. Inona avy ireo andininy na andian-teny hitan’ny fianakavianareo ho mahery vaika manokana? Hevero ny hanao fivoriana fijoroana ho vavolombelona ho an’ny fianakaviana izay ahafahanareo mizara ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananareo momba ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy.

“Vavolombelona manokan’i Kristy.” Iaraho resahina miaraka amin’ny fianakaviana ny momba ireo fomba ahafahanareo mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Kristy. Ohatra, mety afaka manasa olona hiaraka hivavaka aminareo any am-piangonana ianareo amin’ity alahadin’ny Paska ity.

Fihirana sy Hira.Fomba mahery vaika hahatsiarovana ny Mpamonjy sy hanasana ny Fanahy ho ao an-tranontsika ny mozika. Afaka mizara sy miara-mihira hira ao amin’ny fihirana na hira momba ny Paska na momba an’i Jesoa Kristy, tahaka ny “Tafatsangana i Kristy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 107) na “Moa ve Jesoa nitsangana?” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45). Mba hahitana hira ao amin’ny fihirana na hiran’ny ankizy hafa, dia jereo any amin’ny fanoroam-pejy manaraka ny lohahevitra ao amin’ny Cantiques (Fihirana sy hiran’ny ankizy) sy ny Bokin-kiran’ny ankizy.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Moa ve Jesoa nitsangana?Bokin-kiran’ny ankizy, 45.

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. “Mba hahatongavana ho mpampianatra tahaka an’i Kristy [any an-tranonareo], ny zavatra tena manan-danja indrindra azonao atao angamba dia ny … miaina ny filazantsara amin’ny fonao manontolo. … Io no fomba voalohany indrindra ahafahanao ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana. Tsy ilaina hoe tonga lafatra ianao fa miezaka amim-pahavitrihana fotsiny—ary mangataka famelana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isaky ny solafaka.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 13).

Sary
i Kristy mijoro eo ambony varavara-pasana silaka

Noho izany antony izany no efa nahatongavako, nataon’i Yongsung Kim

Hamoaka printy