Testamenta Taloha 2022
18–24 aprily. Eksodosy 18–20: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay”


“18–24 aprily. Eksodosy 18–20: ‘Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“18–24 aprily. Eksodosy 18–20,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
tendrombohitra

Tendrombohitra iray any Egypta inoana ho Tendrombohitr’i Sinay.

18–24 aprily

Eksodosy 18–20

“Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay”

Nampianatra toy izao ny Rahavavy Michelle Craig: “Amin’ny maha-mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy anareo dia afaka mandray fanentanam-panahy sy fanambarana manokana tsy mivoana amin’ireo didiny ary natao manokana ho anareo ianareo” (“Fahafahana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 21). Raketo ary araho ny fanentanam-panahy voarainao rehefa mamaky ny Eksodosy 18–20 ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Feno fahagagana ny dian’ny Isiraelita niainga avy tany Egypta nankeo am-pototry ny tendrombohitra Sinay—fisehoana miharihary tsy azo lavina nataon’ny hery sy fitiavana ary famindram-po tsy manan-tsahalan’ny Tompo. Na izany aza dia nisy fitahiana nomanin’ny Tompo ho azy ireo izay nihoatra noho ny fanafahana azy ireo tany Egypta sy ny fanomezana fahafaham-po tamin’ny hanoanana sy hetahetan’izy ireo. Tiany ho lasa olon’ny fanekempihavanany izy ireo, “Hareny sarobidy hafakely,” sy “fireneny masina” (Eksodosy 19:5–6). Ankehitriny, dia mihoatra ny firenena iray na vahoaka iray monja no mahazo ireo fitahiana entin’io fanekempihavanana io. Tian’ Andriamanitra ho lasa olon’ny fanekempihavanany avokoa ny zanany rehetra, mba hihaino ny feony sy hitandrina ny fanekeny (Eksodosy 19:5), fa mampiseho ny famindram-pony “amin’ny olona arivo mandimby izay tia [Azy] ka mitandrina ny [didiny]” Izy (Eksodosy 20:6).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Eksodosy 18:13–26

Afaka manampy amin’ny fitondrana ny enta-mavesatry ny fanaovana ny asan’ny Tompo aho.

Rehefa mamaky ny torohevitra noraisin’i Mosesy tamin’i Jetro rafozandahiny ianao dia saintsaino ny fomba ahatongavanao hoy toy ireo “lehilahy marina” (indraindray adika hoe lehilahy “azo itokiana”) andininy 21. Ahoana no ahafahanao manampy amin’ny fitondrana ny enta-mavesatra’ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana? (andininy 22). Ohatra, ahoana no mety ahafahan’io torohevitra io mihatra amin’ireo ezaka hanompoana ataonao?

Azonao eritreretina ihany koa raha toa misy fotoana ianao ka miezaka manao be loatra tahaka an’i Mosesy. Ahoana no mety hiharan’izany torohevitr’i Jetro izany aminao?

Jereo ihany koa ny Môzià 4:27; Henry B. Eyring, “Ilay Mpikarakara,” Liahona, nôv. 2012, 121–24.

Sary
lehilahy mifandray tanana amina vehivavy iray

Ny fanompoana ny hafa dia fomba iray ahafahantsika mandray anjara amin’ny asan’ny Tompo.

Eksodosy 19:3–6

Harena sarobidy amin’ny Tompo ny olon’ny fanekempihavanany.

Hevero ny hevitry ny hoe “rakitra soa hafakely” ho an’ny Tompo (Eksodosy 19:5). Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome fanazavana iray momba io andian-teny io: “Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny voambolana hebreo nandikana ny hoe hafakely dia ny segullah, izay midìka hoe -fananana manan-danja,- na -harena sarobidy.- … Ho antsika, ny antsoina hoe mpanompon’ny Tompo ho toy ny olony hafakely no fandokafana ambony indrindra” (“Children of the Covenant,” Ensign, Mey 1995, 34). Miantraika amin’ny fomba ahoana amin’ny fomba fiainanao ny fahafantarana fa ny fitandremanao ireo fanekempihavanana nataonao dia mahatonga anao ho “rakitra soa hafakely”?

Jereo ihany koa ny Gerrit W. Gong, “Fiombonana ao amin’ny Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2019, 80–83.

Eksodosy 19:10–11, 17

Mitaky fiomanana ny fiainana zavatra masina.

Nilaza tamin’i Mosesy ny Tompo fa nila fanomanana ny zanak’i Isiraely mialoha ny nahafahan’izy ireo “nihaona tamin’ Andriamanitra” (Eksodosy 19:10–11, 17) ary nila nanao fanekempihavanana taminy (jereo ny Eksodosy 19:5). Inona no ataonao mba hiomanana hiaina zavatra masina eo amin’ny fiainanao, toy ny fandehanana any amin’ny tempoly na fandraisana ny fanasan’ny Tompo? Inona no azonao atao mba hiomanana feno kokoa ho amin’ireo zavatra iainana ireo? Mieritrereta asa ara-panahy hafa izay mitaky fanomanana dia saintsaino ny mety ho fiantraikan’ny fiomananao amin’ny karazana zavatra iainana hisy eo aminao.

Eksodosy 20

Be indrafo Andriamanitra.

Rehefa mamaky ny Eksodosy 20 ianao dia hevero ny hirakitra hoe inona amin’ireo Didy Folo izay tsapanao fa ankatoavinao sy ny didy izay tsapanao fa azonao ankatoavina amim-pahatokiana bebe kokoa. Afaka mifidy didy anankiray ianao iaingana dia avy eo mandalina izany amin’ny an-tsipiriany kokoa (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org) na ireo hafatra tamin’ny fihaonambe (jereo eo amin’ny Ireo lohahevitra ao amin’ny conference.ChurchofJesusChrist.org). Hevero ny hampiditra ao anatin’ny fandalinanao ireo fitahiana tonga amin’ireo izay mankatò ny didy. Ahoana no anehoan’ireo fitahiana ireo ny famindram-pon’ Andriamanitra sy ny fitiavany anao?

Jereo ihany koa ny Carole M. Stephens, “Raha tia Ahy hianareo dia hitandrina ny didiko,” Liahona, nôv. 2015, 118–20.

Eksodosy 20:1–7

Zava-dehibe ny mametraka ny Tompo ho lohalaharana eo amin’ny fiainana.

Ny famakiana ny Eksodosy 20:1–7 dia mety hanentana anao hieritreritra ireo laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao, azonao soratana anaty lisitra mihitsy izany. Inona avy no mety ho “andriamanitra” na “[ireo] sarin-javatra voasokitra” (Eksodosy 20:3–4) mety haka fanahy anao ka hataonao alohan’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’ny fanaovana an’ Andriamanitra ho lohalaharana manampy anao amin’ireo zava-dehibe hafa eo amin’ny fiainanao? Inona no anentanam-panahy anao hatao mba hampitomboana ny fifantohanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Jereo ihany koa ny Dallin H. Oaks, “Tsy manana andriamani-kafa,” Liahona, nôv. 2013, 72–75.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Eksodosy 18:8–12.Inona no fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Mosesy momba ny fanafahan’ Andriamanitra teo amin’i Jetro? Inona no zavatra lehibe efa nataon’ny Tompo ho an’ny fianakaviantsika? Iza no azontsika izarana ireo zavatra niainantsika? Ahoana no ahafahantsika mitahiry ireny zavatra niainana ireny ho an’ny taranaka ho avy?

Eksodosy 18:13–26.Ireo andininy ireo dia mety hanainga ny fianakavianareo hieritreritra momba ny asa ataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana, toy ny eveka, na ny mpitarika ny tanora, na ny mpampianatra ao amin’ny Kilonga. Inona avy ireo andraikitra tanan’izy ireo ka mety ho hita ho “mavesatra loatra” (Eksodosy 18:18) raha entin’olona iray? Inona no azontsika atao mba hanampiana amin’ny fitondrana ny enta-mavesatr’izy ireo?

Eksodosy 20:3–17.Mieritrereta fomba manan-danja hifanakalozana hevitra momba ny Didy Folo miaraka amin’ny fianakaviana. Ohatra, afaka manoratra ireo didy ao amin’ny Eksodosy 20:3–17 amina tapaka taratasy folo ianareo. Azon’ny fianakaviana avahana ho sokajy roa izy ireo: (1) manaja an’ Andriamanitra (2) mitia ny hafa (jereo ihany koa ny Matio 22:36–40). Hevero ny hifidy didy iray na roa isan’andro amin’ity herinandro ity dia iaraho mifanakalo hevitra amin’ny antsipiriany kokoa izany. Ohatra, ahoana no ahafahan’ny fankatoavana ity didy ity mampatanjaka ny fianakaviantsika? Ahoana ny fomba nitandreman’ny Mpamonjy izany?

Eksodosy 20:12.Mba hahatakarana kokoa ny Eksodosy 20:12 dia mety hanampy raha jeren’ny fianakavianareo ao amin’ny rakibolana ny teny hoe “manaja.” Avy eo ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka manao ny lisitr’ireo zavatra izay azontsika atao ka manaja ny ray aman-dreny. Afaka mihira hira mikasika ny fanajana ray aman-dreny ianareo, toy ny “Hihaino hatrany aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 71), avy eo dia ampiasao ny sasany amin’ireo hevitra ao anatin’ny lisitra nataonareo mba hanoratana tonony vaovao amin’ilay hira.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Hajao ireo didy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 68.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mitadiava fotoana izay mety aminao. Matetika mora kokoa ny mianatra ny soratra masina rehefa afaka mandalina azy tsy tapatapaka ianao. Mitadiava fotoana izay mety aminao, ary ataovy izay vitanao mba handalinana tsy tapaka amin’izany fotoana izany isan’andro.

Sary
i Mosesy mihazona takela-bato

Sary fanehoana an’i Mosesy mihazona ny Didy Folo, nataon’i Sam Lawlor

Hamoaka printy