Testamenta Taloha 2022
25 aprily–01 mey. Eksodosy 24; 31–34: “Ny Tavako no handeha [hiaraka aminao]”


“25 aprily–01 mey. Eksodosy 24; 31–34: -Ny Tavako no handeha [hiaraka aminao]-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“25 aprily–01 mey. Eksodosy 24; 31–34,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Jehovah miseho amin’i Mosesy sy ireo loholon’i Isiraely

Sary maneho an’i Jehovah miseho amin’i Mosesy sy loholona 70 an’i Isiraely, nataon’i Jerry Harston

25 aprily–01 mey

Eksodosy 24; 31–34

“Ny Tavako no handeha [hiaraka aminao]”

Tsy afaka asongadina ato amin’itony rindran-damina itony avokoa ireo fitsipika manan-danja rehetra ao amin’ny soratra masina. Henoy ny Fanahy mba hanampy anao hifantoka amin’ireo fahamarinana ilainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nisy antony tokony hananana fanantenana fa hitoetra ho mahatoky tamin’ Andriamanitra ireo zanak’i Isiraely taorian’ny nanambarany ny lalàny tamin’izy ireo (jereo ny Eksodosy 20–23). Na dia nimonomonona sy nisalasala aza izy ireo teo aloha, rehefa namaky ny lalàna teo am-pototry ny tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia nanao ity fanekempihavanana ity izy ireo: “Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay” (Eksodosy 24:7). Dia niantso an’i Mosesy ho eny an-tendrombohitra Andriamanitra, niteny azy mba hanangana tabernakely “dia honina eo aminy Aho” (Eksodosy 25:8; jereo ny toko 25–30).

Kanefa raha mbola teny an-tampon’ilay tendrombohitra i Mosesy nianatra ny fomba ahafahan’ny Isiraelita manana ny fanatrehan’ Andriamanitra eo anivon’izy ireo, ny Isiraelita kosa dia teny am-pototry ny tendrombohitra nanao sampy volamena mba hivavahana. Vao avy nampanantena izy ireo ny “[tsy hanana] andriamani-kafa,” kanefa dia “nalaky nivily niala” tamin’ny didin’ Andriamanitra (Eksodosy 20:3; 32:8; jereo koa ny Eksodosy 24:3). Fiovana tsy nampoizina izany, saingy fantatsika avy amin’ny zavatra niainana fa indraindray ny finoana sy ny fanoloran-tena dia mety ho resin’ny tsy faharetana, ny tahotra, na ny ahiahy. Rehefa mikatsaka ny fanatrehan’ny Tompo isika eo amin’ny fiainantsika dia manome hery ny mahafantatra fa tsy nilavo lefona tamin’ny fanampiana an’i Isiraely fahiny ny Tompo ary tsy hilavo lefona amin’ny fanampiana antsika Izy, satria Izy dia “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana” (Eksodosy 34:6).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Eksodosy 24:1–11

Maneho ny fahavononako hankatò ny lalàn’ Andriamanitra ireo fanekempihavana ataoko.

Rehefa mamaky mikasika ireo Isiraelita nanao fanekempihavanana hankatò ny didin’ Andriamanitra ianao ao amin’ny Eksodosy 24:3–8 dia mety hiverina any amin’ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra ny eritreritrao. Ny fanekempihavanana nataon’i Isiraely dia ahitana fombafomba tsy mitovy amin’izay takin’ Andriamanitra ankehitriny, kanefa mety hahatsikaritra fitoviana vitsivitsy ianao, indrindra fa raha mandinika ireo fahamarinana mandrakizay izay hasehon’ireo fombafomba ireo.

Ohatra hoe, ny andininy 4, 5, ary 8 dia miresaka alitara, biby atao sorona, ary ra. Mety maneho inona ireo zavatra ireo, ary inona no ifandraisan’izy ireo amin’ny fanekempihavanana nataonao? Ahoana no ahafahan’ny fanekempihavananao manampy anao hanao “izay rehetra nolazain’i Jehovah”? (andininy 7).

Jereo koa ny Mosesy 5:4–9; Becky Craven, “Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe Tsy miraharaha firy,” Liahôna, mey 2019, 9–11.

Eksodosy 32–34

Fiviliana miala an’ Andriamanitra ny fahotana, kanefa manolotra lalana hiverenana Izy.

Rehefa misaintsaina ny fomba “[nanaovan’ny Isiraelita] ratsy” (Eksodosy 32:7) haingana tokoa isika tamin’ny alalan’ny fandikan’izy ireo ny fanekempihavanany, dia afaka misoroka fahadisoana tahaka izany isika. Eo am-pamakinao ny Eksodosy 32:1–8, dia ezaho apetraka eo amin’ny toeran’ireo Isiraelita ny tenanao hoe any an-tany foana ianao, efa 40 andro izay no nandehanan’i Mosesy, tsy fantatrao raha hiverina izy na rahoviana ny fotoana hiverenany, ary hisy fifanandrinana amin’ny Kananita any amin’ny tany nampanantenaina miandry anao any amin’ny fiainanao ho avy (jereo koa ny Eksodosy 23:22–31). Nahoana araka ny hevitrao no naniry hanana sampy volamena ireo Isiraelita? Nahoana no goavana tokoa ny fahotan’ireo Isiraelita? Mety hitaona anao ireto andinin-tsoratra masina ireto mba hisaintsaina ireo fomba mety hahatonga anao ho alaim-panahy hametraka ny fitokisanao amin’ny olona na zavatra iray ankoatra ny Mpamonjy. Misy zavatra tsapanao avy amin’ny fitaomam-panahy ve fa tokony hataonao mba hahafahanao mametraka tanteraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao? Inona no mitondra fanentanam-panahy ho anao tamin’ny fangatahana nataon’i Mosesy tamin’ny Tompo ao amin’ny Eksodosy 33:11–17?

Na dia lehibe aza ny fahotan’ny Isiraelita, ity tantara ity dia ahitana ihany koa hafatra momba ny famindram-po sy ny famelan’ Andriamanitra heloka. Inona no ampianarin’ny Eksodosy 34:1–10 anao momba ny Mpamonjy? Mampahatsiahy anao ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny olon-drehetra amin’ny fomba ahoana ny zavatra nataon’i Mosesy ho an’ireo Isiraelita? (Jereo ny Eksodosy 32:30–32; Môzià 14:4–8; 15:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5).

Dikantenin’i Joseph Smith, Eksodosy 34:1–2 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina)

Inona no naha samy hafa ireo andiana vato fisaka roa karazana izay nataon’i Mosesy?

Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra i Mosesy dia nentiny ny lalàna izay voasoratra teo amin’ireo vato fisaka. Rehefa hitany fa nandika ny fanekempihavanan’izy ireo ny Isiraelita dia novakiny ireo vato fisaka (jereo ny Eksodosy 31:18; 32:19). Taty aoriana dia nandidy an’i Mosesy Andriamanitra hanamboatra andiana vato fisaka hafa dia hiverina hitondra izany tany amin’ilay tendrombohitra (jereo ny Eksodosy 34:1–4). Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Eksodosy 34:1–2 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) dia manazava fa ireo vato fisaka roa voalohany dia nahitana ireo ôrdônansin’ny “lamina masin’” Andriamanitra, na ny Fisoronana Melkizedeka. Ny vato fisaka faharoa dia nahitana “ny lalàn’ny didy ara-nofo.” Lalàna ambany kokoa notantanan’ny “fisoronana ambany” izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:17–27), izay natao mba hanomanana ny Isiraelita tamin’ny lalàna ambony kokoa sy ny fisoronana ambony mba hahafahan’izy ireo miditra feno kokoa eo anatrehan’ Andriamanitra.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Eksodosy 31:12–13, 16–17.Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo dia azon’ny fianakavianao atao angamba ny mifanakalo hevitra momba ilay fanontanian’ny Filoha Russell M. Nelson mikasika ny fitondrantenantsika rehefa Sabata hoe: “Inona no famantarana izay homenareo ny Tompo mba hampisehoana ny fitiavanareo Azy?” (“Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130). Afaka manamboatra famantarana vitsivitsy ny fianakavianao dia apetraka manerana ny trano mba hampahatsiahivana anareo ny fomba hanehoanareo fitiavana ny Tompo rehefa Sabata.

Sary
olona mandeha eo anoloan’ny fiangonana

Rehefa manaja ny Sabata isika dia maneho ny fitiavantsika ny Tompo.

Eksodosy 32:1–8.Mba hanampiana ny fianakavianao hiresaka mikasika ny fomba nialan’ny Isiraelita tamin’ Andriamanitra dia hevero ny hamorona lalana iray eo amin’ny tany (na mitadiava lalana iray eo akaikin’ny tranonareo). Rehefa mandeha eo amin’ilay lalana dia afaka miresaka momba ireo fakam-panahy atrehantsika ireo olona ao amin’ny fianakaviana ka mampivily hiala amin’ny “làlana izay [nasain’ny Tompo naleha].” Ahoana no ahafahantsika mitoetra eo amin’ilay lalana? Raha nania isika dia ahoana no hiverenantsika indray amin’ilay lalana? Ahoana no anampian’ny Mpamonjy antsika?

Eksodosy 32:26.Rehefa tratra nivavaka tamin’ny sampy ny Isiraelita dia nanontany i Mosesy hoe iza no “an’i Jehovah?” Ahoana no hanehoantsika fa miaraka amin’ny Tompo isika?

Eksodosy 33:14–15.Afaka mizara zavatra niainana ireo olona ao amin’ny fianakaviana mikasika ny fotoana izay nahatsapany ny zavatra nampanantenain’ Andriamanitra an’i Mosesy hoe: “Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.” Afaka mihira fihirana momba ny fiankinantsika amin’ Andriamanitra ianareo, toy ny Reste avec nous, Seigneur” (Cantiques, no. 92).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny Fanahy. Eritrereto ny fiantraikan’ny hira masina, ny tao-java-kanto, ary ny fanehoana fitiavana eo amin’ny tontolo ara-panahy ao an-tokantranonao rehefa mampianatra ny fianakavianao ianao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15).

Sary
I Mosesy mamaky ireo vato fisaka

Worship of the Calf (Fivavahana tamin’ilay ombilahy kely), nataon’i W. C. Simmonds

Hamoaka printy