Testamenta Taloha 2022
09–15 mey. Nomery 11–14; 20–24: “Aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra”


“09–15 mey. Nomery 11–14; 20–24: -Aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“09–15 mey. Nomery 11–14; 20–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
lohasaha foana

09–15 mey

Nomery 11–14; 20–24

“Aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra”

Ity rindran-damina ity dia mampisongadina ny sasany amin’ireo fitsipika manan-danja maro ao amin’ny bokin’ny Nomery. Miomàna tsara ihany koa amin’ireo hafa izay mety anampian’ny Fanahy anao mba ho hitanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na nandehanana an-tongotra aza, dia tsy ho naharitra 40 taona izany ny nandeha avy any amin’ny tany foanan’i Sinay nankany amin’ny tany nampanantenaina tao Kanana. Fa izay no faharetan’ny fotoana nilain’ny zanak’i Isiraely, tsy hoe fotoana handiavana ilay elanelana ara-jeografika fa handiavana ilay elanelana ara-panahy: ilay elanelana manasaraka ny naha-izy azy ireo sy izay tian’ny Tompo hahatongavan’izy ireo amin’ny maha-olon’ny fanekempihavanany azy ireo.

Mitantara ny sasany tamin’ireo zavatra nitranga nandritra ireo 40 taona ireo ny bokin’ny Nomery, anisan’izany ireo lesona nilain’ny zanak’i Isiraely nianarana talohan’ny nidirany ny tany nampanantenaina. Nianatra mikasika ny fitoerana ho mahatoky tamin’ireo mpanompo voafidin’ny Tompo izy ireo (jereo ny Nomery 12). Nianatra mikasika ny fatokiana ny herin’ny Tompo izy ireo, na dia rehefa toa nahakivy aza ny ho avy (jereo ny Nomery 13–14). Ary nianatra izy ireo fa ny tsy fananana finoana sy fatokisana dia miteraka fahasimbana ara-panahy, fa afaka mibebaka sy mitodika any amin’ny Mpamonjy anefa izy ireo mba hahazo fahasitranana (jereo ny Nomery 21:4–9).

Lafin-javatra maro no mampitovy antsika amin’ny Isiraelita. Mahafantatra daholo isika hoe manao ahoana izany any an-tany foana ara-panahy izany, ary ny lesona izay nianaran’izy ireo dia afaka manampy antsika hiomana hiditra ao amin’ny tany nampanantenaina antsika manokana: dia ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

Raha hanao topimaso ny bokin’ny Nomery, dia jereo ny “Nomery” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Nomery 11:11–17, 24–29; 12

Afaka mahazo fanambarana daholo ny rehetra, fa ny Fiangonan’ Andriamanitra kosa dia tarihiny amin’ny alalan’ny mpaminaniny.

Jereo ao amin’ny Nomery 11:11–17, 24–29 ny olana natrehan’i Mosesy sy ny vahaolana naroson’ Andriamanitra. Inona araka ny hevitrao no tian’i Mosesy nolazaina rehefa nilaza izy hoe niriny raha mba “mpaminany avokoa ny olon’i Jehovah rehetra”? (andininy 29). Eo am-pisaintsainanao ireo andininy ireo dia diniho ireto tenin’ny Filoha Russell M.Nelson ireto: “Tena te hiresaka aminareo ve Andriamanitra? Eny! … “Eny, mbola maro ireo zavatra tian’ny Rainao any An-danitra ho fantatrao.” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95).

Kanefa ny filazana fa afaka ny ho mpaminany ny rehetra dia tsy midika fa afaka mitarika ny vahoakan’ Andriamanitra tahaka ny nataon’i Mosesy ny rehetra. Manazava tsara izany ilay olana voarakitra ao amin’ny Nomery 12. Rehefa mamaky io toko io ianao, dia inona no fampitandremana hitanao ao? Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo ho takatrao momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny fanarahana ny mpaminany?

Jereo koa ny 1 Nefia 10:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:1–7; Dallin H. Oaks, “Lalam-pifandraisana roa,” Liahona, nôv. 2010, 83–86.

Nomery 13–14

Raha mino ny Tompo aho dia afaka hanana fanantenana ny amin’ny ho avy.

Eo am-pamakianao ny Nomery 13–14, dia andramo heverina hoe miaina anaty toe-javatra tahaka ny an’ny Isiraelita ianao. Nahoana izy ireo araka ny eritreritrao no naniry ny “[h]iverina ho any Egypta”? (Nomery 14:3). Efa nisy fotoana ve ianao no tahaka ireo izay nanam-panantenana ny hiditra ny tany nampanantenaina? Ahoana no hamaritanao ilay “fanahy” hafa izay tao amin’i Kaleba? (Nomery 14:24). Inona no nanaitra anao mikasika ny finoan’i Kaleba sy i Josoa, ary ahoana no azonao hampiharana ny ohatr’izy ireo amin’ireo toe-javatra izay iainanao?

Jereo koa ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Gordon B. Hinckley (2016), 79–80.

Nomery 21:4–9

Raha mitodika any amin’i Jesoa Kristy am-pinoana aho dia afaka manasitrana ahy ara-panahy Izy.

Nahafantatra ilay tantara voarakitra ao amin’ny Nomery 21:4–9 ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary nahatakatra ny lanjan’izany ara-panahy. Inona no voalazan’ny 1 Nefia 17:40–41; Almà 33:18–22; ary Helamàna 8:13–15 ka mampitombo ny fahatakaranao an’io tantara io? Rehefa mandalina ireo soratra masina ireo ianao dia eritrereto ny fahasitranana ara-panahy antenainao. Tsy maintsy “nijery ilay menarana varahina” (Nomery 21:9) ny Isiraelita mba hahasitranany. Inona no tsapanao avy amin’ny fitaomam-panahy fa tokony hataonao mba “hiandrandra [feno kokoa] ny Zanak’ Andriamanitra amin’ny finoana”? (Helamàna 8:15).

Jereo koa ny Jaona 3:14–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36; Dale G. Renlund, “Be fitahiana,” Liahona, mey 2019, 70–73.

Sary
menarana varahina

Sitrana ny Isiraelita rehefa nijery ilay menarana varahina.

Nomery 22–24

Afaka manaraka ny sitrapon’ Andriamanitra aho na dia miezaka mandresy lahatra ahy tsy hanao izany aza ny hafa.

Rehefa fantatr’i Balaka mpanjakan’i Moaba fa nihananatona ny Isiraelita dia nampiantso an’i Balama izay lehilahy malaza amin’ny fanomezana tsodrano sy ozona izy. Nirian’i Balaka ny hampihenany ny herin’ny Isiraelita amin’ny fanozonana azy ireo. Jereo ny fomba niezahan’i Balaka nandresy lahatra an’i Balama (jereo ny Nomery 22:5–7, 15–17), dia eritrereto ireo fakam-panahy atrehanao mba hanohitra ny sitrapon’ Andriamanitra. Inona no manan-danja aminao mikasika ny valin-tenin’i Balama ao amin’ny Nomery 22:18, 38; 23:8, 12, 26; 24:13?

Indrisy fa toa nilefitra tamin’ny tsindry natao azy i Balama nony farany ka namadika an’i Isiraely (jereo ny Nomery 31:16; Joda 1:11). Saintsaino ny fomba ahafahanao mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo na dia eo aza ny tsindry avy amin’ny hafa.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Nomery 11:4–6.Misy ve fotoana mampitovy ny fihetsitsika amin’ny an’ireo Isiraelita izay voalaza ao amin’ny Nomery 11:4–6? Ahoana no ahafahan’ny torohevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:15–21 manampy?

Nomery 12:3.Ahoana no nanehoan’i Mosesy fa “nalemy fanahy” tokoa izy ao amin’ny Nomery 12 na ao amin’ireo andalan-tsoratra masina hafa efa novakinareo? Azonareo vakina ny fanazavana nataon’ny Loholona David A. Bednar momba ny halemem-panahy ao amin’ny hafany hoe “Malemy fanahy sy mietry am-po” (Liahona, mey 2018, 30–33) na ao amin’ny “Halemem-panahy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Inona no ianarantsika mikasika ny fomba ahafahantsika ho lasa malemy fanahy kokoa? Inona avy ireo fitahiana afaka ny ho tonga rehefa manao izany isika?

Nomery 13–14.Afaka mody “misafo” (Nomery 13:17) toerana iray hafa ao an-tranonareo toy ny hoe ny tany nampanantenaina ny roa na ny mihoatra izany amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianareo. Avy eo izy ireo dia afaka manome tatitra miainga avy amin’ny Nomery 13:27–33 na ny Nomery 14:6–9. Inona no ianarantsika mikasika ny finoana avy amin’ireo tatitra roa samy hafa ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no ahafahantsika hitovy kokoa amin’i Kaleba sy i Josoa?

Nomery 21:4–9.Rehefa avy mamaky ny Nomery 21:4–9, miaraka amin’ny 1 Nefia 17:40–41; Almà 33:18–22; ary Helamàna 8:13–15 ianareo dia afaka manamboatra bibilava amin’ny taratasy na tanimanga ny fianakavianao ary manoratra eo amin’izany na amin’ny taratasy ireo zavatra tsotra vitsivitsy azonareo atao mba “hiandrandra ny Zanak’ Andriamanitra amin’ny finoana” (Helamàna 8:15).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “O Jésus quand je pense à toi,” Cantiques, no. 76.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny fianakavianao hampivoatra ny fizakan-tena ara-panahy. “Ampio ny [olona ao amin’ny fianakavianao] hahita amin’ny alalan’ny tenany manokana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao anatin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, toy izay manome fampahalalana tsotra fotsiny” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 28).

Sary
I Mosesy sy ny menarana varahina

Moses and the Brass Serpent (I Mosesy sy ilay menarana varahina), nataon’i Judith A. Mehr

Hamoaka printy