Testamenta Taloha 2022
16–22 mey. Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34: “Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah”


“16–22 mey. Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34: -Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“16–22 mey. Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Mosesy mijoro eo ambony tendrombohitra

Fanehoana an-tsary an’i Mosesy eo ambonin’ny tendrombohitra Nebo, © Providence Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

16–22 mey

Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34

“Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah”

Nandidy ny zanak’i Isiraely i Mosesy mba hampianatra ny tenin’ny Tompo an’ireo zanak’izy ireo (jereo ny Deoteronomia 6:7). Rehefa mandalina ny Deoteronomia ianao amin’ity herinandro ity dia mitadiava fomba hizarana ny zavatra nianaranao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nanomboka teo ambonin’ny tendrombohitra iray ny fanompoan’i Mosesy teto an-tany rehefa niresaka taminy tao anatin’ny roimemy iray nirehitra afo Andriamanitra (jereo ny Eksodosy 3:1–10). Nifarana teo amin’ny tendrombohitra iray ihany koa izany, 40 taona mahery taty aoriana, rehefa nataon’ Andriamanitra nahatazana kely ny tany nampanantenaina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra Nebo i Mosesy (jereo ny Deoteronomia 34:1–4). Nandany ny androm-piainany nanomana ny zanak’i Isiraely hiditra ny tany nampanantenaina i Mosesy, ary ny bokin’ny Deoteronomia dia mirakitra ireo fampianarany, fampahatsiahivany, fanentanany, ary fangatahany tamin’ny Isiraelita. Ny famakiana ireo teniny dia ahafahana mahatakatra mazava fa ny tena tanjon’ny asa fanompoan’i Mosesy, ilay fanomanana nilain’ireo vahoaka, dia tsy resaka fijanonana ho velon’aina tany an-tany foana, fambaboana firenena, na fanorenana fiaraha-monina. Fianarana nitia an’ Andriamanitra sy fankatoavana Azy ary fijanonana ho nahatoky Taminy izany. Izany no fiomanana ilaintsika rehetra mba hidirana ny tany nampanantenain’ny fiainana mandrakizay. Ka na dia tsy nandingana tao amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely” (Eksodosy 3:8) aza i Mosesy, dia niditra ny tany nampanantenaina izay nomanin’ Andriamanitra ho an’ireo rehetra izay manara-dia Azy izy noho ny finoany sy ny fahatokiany.

Raha hanao topimaso ny bokin’ny Deoteronomia, dia jereo ny “Deoteronomia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Deoteronomia 6:4–7; 8:2–5, 11–17; 29:18–20; 30:6–10, 15–20

Tian’ny Tompo hitia Azy amin’ny foko manontolo aho.

Ao amin’ny fampianarany farany dia nampahatsiahivin’i Mosesy ny zanak’i Isiraely fa “izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory hianao,” eny fa na dia tany an-tany foana aza (Deoteronomia 2:7). Rehefa niditra ny tany nampanantenaina amin’izay ny Isiraelita, izay misy “tanàna … tsy natao[n’izy ireo], sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoi[n’izy ireo]” (Deoteronomia 6:10–11), dia natahotra i Mosesy sao hanamafy ny fony izy ireo ka hanadino ny Tompo.

Diniho ny toetry ny fonao manokana eo am-pamakianao ny torohevitr’i Mosesy. Mety ho tianao ny hifantoka amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto sy hanoratra ny zavatra tsapanao:

Inona no azonao atao mba hanakanana ny fonao tsy ho mafy ary ho tia ny Tompo amin’ny fonao manontolo? Inona no hitanao fa mampifandray ny Deoteronomia 6:5–6 sy ny Matio 22:35–40? (jereo koa ny Levitikosy 19:18).

Jereo koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Manin-te hody,” Liahona, nôv. 2017, 21–24.

Deoteronomia 6:4–12, 20–25

“Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah.”

Maro tamin’ireo taranak’ireo Isiraelita izay hiditra ny tany nampanantenaina no tsy nahita ireo loza tany Egypta na niampita ny Ranomasina Mena. Fantatr’i Mosesy fa nila nitadidy ireo fahagagana nataon’ Andriamanitra sy ireo lalàn’ Andriamanitra izy ireo sy ireo taranaka ho avy raha te hijanona ho vahoakan’ Andriamanitra.

Inona no torohevitra omen’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 6:4–12, 20–25 izay ho afaka hanampy anao hahatsiaro ireo zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra ho anao? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba “ho ao am-ponao” isan’andro ny tenin’ny Tompo? (andininy 6).

Ahoana no hampitanao ny finoanao amin’ireo taranaka ho avy?

Jereo koa ny Deoteronomia 11:18–21; Gerrit W. Gong, “Tsarovy mandrakariva Izy,” Liahona, mey 2016.

Deoteronomia 15:1–15

Ilaina amin’ny fanampiana ireo sahirana ny falalahan-tanana sy ny finiavana hanaraka ny sitrapon’ny Tompo.

Ny Deoteronomia 15:1–15 dia manome torohevitra mikasika ny fanampiana ny mahantra sy ny sahirana, tafiditra tao anatin’izany ny fomba fanao manokana vitsivitsy izay tsy misy mpanao intsony ankehitriny. Kanefa jereo ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny antony tokony hanampiantsika ny mahantra sy ny lanjan’ny fihetsika asehontsika mikasika ny fanampiana azy ireo eo anatrehan’ny Tompo. Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny fanompoana ny hafa?

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019, 96–100.

Deoteronomia 18:15–19

I Jesoa Kristy no ilay Mpaminany hatsangana tahaka an’i Mosesy.

I Petera, i Nefia, i Môrônia, ary ny Mpamonjy mivantana dia samy nanao fanamarihana momba ilay faminaniana ao amin’ny Deoteronomia 18:15–19 (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:20–23; 1 Nefia 22:20–21; Joseph Smith—Tantara 1:40; 3 Nefia 20:23). Inona no zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo? Inona no maha “tahaka [an’i]” Mosesy ny Mpamonjy? (Deoteronomia 18:15).

Sary
I Jesoa mandohalika mihazona lehilahy iray

I Jesoa Kristy no ilay mpaminany tahaka an’i Mosesy.

Deoteronomia 34:5–8

Inona no nahazo an’i Mosesy?

Na dia milaza aza ny Deoteronomia 34:5–8 fa maty i Mosesy, ny fahatakarana amin’izao andro farany izao kosa dia manazava fa novana izy mba tsy hahatsapany fanaintainana na fahafatesana mandra-pitsanganany amin’ny maty (jereo ny Almà 45:18–19; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mosesy”; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Olona novana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Nilain’i Mosesy ny hanovana azy satria nila nanana vatana nofo izy mba hanomezany ireo fanalahidin’ny fisoronana an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy (jereo ny Matio 17:1–13).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Deoteronomia 6:10–15.Mety hitaona ny olona ao amin’ny fianakavianao ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hieritreritra ireo fomba nitahiana ny fianakavianao. Ahoana no ahafahantsika manaraka ilay torohevitra hoe “Mitandrema fandrao hadinonao Jehovah”? (Deoteronomia 6:12). Mety ho tianao ny hirakitra ny zavatra tsapanao momba ireo fitahiana noraisinao, na ao anaty diary na ao amin’ny FamilySearch.

Deoteronomia 6:13, 16; 8:3.Ireo andininy ireo dia nanampy ny Mpamonjy nandritra ny fotoana manan-danja iray teo amin’ny fiainany. Mba hahitana hoe ahoana no nanampian’izany Azy dia iaraho mamaky ny Matio 4:1–10. Inona avy ireo soratra masina efa nanampy antsika tao anatin’ny fotoam-pahasahiranana?

Deoteronomia 7:6–9.Manaova zavatra mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao hahatsapany hoe olona miavaka izy, toy ny fikarakarana ny sakafo tiany indrindra. Azonareo vakina avy eo ny Deoteronomia 7:6–9, dia hifanakalozy hevitra izay tsapanareo fa hevitr’izany hoe maha “rakitra soa” (andininy 6) na olona miavaka eo anatrehan’ny Tompo izany.

Deoteronomia 29:11–12.Ny firesahana momba ny Deoteronomia 29:11–12 dia manolotra fahafahana ho an’ny fianakavianao hiresadresaka ireo fanekempihavanana hataon’izy ireo na efa nataony tamin’ny Ray any An-danitra. Inona no dikan’izany hoe vahoakan’ Andriamanitra izany? Ahoana no ahafahan’ny fanekempihavanantsika “[manandratra antsika] ho firene[n’ Andriamanitra]”? (andininy 12).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Te hiaina ny filazantsara aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 72.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mikatsaha hevi-baovao ara-panahy anao manokana. Ity rindran-damina ity dia manolotra ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fitsipika hifantohana kanefa aza avela hametra ny fandalinanao. Rehefa mandalina ianao dia mety hianatra fitsipika iray tsy voalaza ato. Avelao hitarika anao ho amin’izay zavatra ilaina ianarana ny Fanahy.

Sary
I Mosesy mijoro eo ambony tendrombohitra

The Lord Shewed Him All the Land (Nasehon’ny Tompo azy ny tany rehetra), nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy