Testamenta Taloha 2022
23–29 mey. Josoa 1–8; 23–24: “Koa mahereza sy matanjaha”


“23–29 mey. Josoa 1–8; 23–24: -Koa mahereza sy matanjaha-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“23–29 mey. Josoa 1–8; 23–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Mosesy manokana an’i Josoa

Fanehoana an-tsary an’i Mosesy manokana an’i Josoa, nataon’i Darrell Thomas

23–29 mey

Josoa 1–8; 23–24

“Koa mahereza sy matanjaha”

Rehefa mandalina ny bokin’i Josoa ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ireo zavatra ianaranao momba ny Isiraelita mampitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Taranaka maro no efa lasana, kanefa efa akaiky ho tanteraka ny fampanantenan’ny Tompo: efa mby handova ny tany nampanantenaina ny zanak’i Isiraely. Saingy nanakana ny lalan’izy ireo ny Renirano Jordana, ny rindrimben’i Jeriko, ary vahoaka iray ratsy fanahy saingy natanjaka be izay nitsipaka ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 17:35). Ankoatra izay dia tsy teo intsony i Mosesy ilay mpitarika malalan’izy ireo. Mety nahatonga ny Isiraelita sasany hahatsapa ho nalemy sy natahotra ny toe-javatra nisy, kanefa hoy ny Tompo hoe: “Koa mahereza sy matanjaha.” Nahoana izy ireo no tokony hahery sy hatanjaka? Tsy noho ny herin’ny tenany ihany no mampahery sy mampatanjaka azy, na ny an’i Mosesy na ny an’i Josoa, fa satria “momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao” (Josoa 1:9). Rehefa misedra ireo zava-tsarotra mianjady amintsika manokana isika dia misy zavatra mahatalanjona afaka mitranga eo amin’ny fiainantsika, satria “hanao fahagagana eo ami[ntsika] Jehovah” (Josoa 3:5).

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Josoa dia jereo ny “Josoa ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
Learn More image
Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Josoa 1:1–9

Hiaraka amiko Andriamanitra raha mahatoky Aminy aho.

Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe nantsoina hisolo an’i Mosesy izany ho an’i Josoa. Jereo izay nolazain’ny Tompo ao amin’ny Josoa 1:1–9 mba hankaherezana azy. Eritrereto ireo olana sarotra iainanao. Inona ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no mankahery anao?

Mety hahaliana ny manamarika fa ilay anarana hoe Josoa (Yehoshua na Yeshua amin’ny teny Hebreo) dia midika hoe “Mamonjy Jehovah.” Ary ny anarana hoe Jesoa dia azo avy amin’ny hoe Yeshua. Ka rehefa mamaky momba an’i Josoa ianao, dia diniho hoe mampahatsiahy anao ny asa nanirahana ny Mpamonjy amin’ny fomba ahoana ny asa nanirahana an’i Josoa hitarika ny zanak’i Isiraely hiditra ao amin’ny tany nampanantenaina.

Jereo koa ny Ann M. Dibb, “Matanjaha,” Liahona, mey 2010, 114–16.

Josoa 2

Samy ilaina ho an’ny famonjena ny finoana sy ny asa.

Ireo Kristianina teo aloha dia nandray an’i Rahaba ho toy ny ohatra amin’ny herin’ny finoana sy ny asa (jereo ny Hebreo 11:31; Jakoba 2:25). Rehefa mamaky ny Josoa 2 ianao dia eritrereto ny anjara asa tanan’ny finoana sy ny asa nataon’i Rahaba tamin’ny famonjena ny tenany sy ny fianakaviany ary ireo Isiraelita mpisafo tany. Inona no ampianarin’izany anao momba ny fomba hiantraikan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny asa ataonao eo amin’ny tenanao manokana sy ny hafa?

Mety hahaliana anao ny hahalala fa razamben’i Davida Mpanjaka sy i Jesoa Kristy i Rahaba (jereo ny Matio 1:5). Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’izany?

Sary
Rahaba

I Rahaba eo am-baravarankeliny. Waiting for the Promise (Miandry ilay fampanantenana), nataon’i Elspeth Young.

Josoa 3–4

Afaka miaina ireo “fahagagana” avy amin’ Andriamanitra aho raha mino an’i Jesoa Kristy.

Irian’ny Tompo “mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa mahery ny tànan’i Jehovah” (Josoa 4:24). Eo am-pamakianao ny Josoa 3–4, dia saintsaino ny fomba ahafantaranao fa mahery ny tanan’ny Tompo? Ahoana no nanaovan’ny Tompo “fahagagana” teo amin’ny fiainanao? (Josoa 3:5). Ahoana no ahafahanao miaina, na mahafantatra, matetika kokoa ireo fahagagana ireo? (jereo ohatra ny Josoa 3:17).

Nahoana araka ny eritreritrao no nila nanamasina ny tenany ny Isiraelita talohan’ny niampitan’izy ireo ny renirano Jordana? Inona aminao no maha-zava-dehibe an’ilay hoe tsy nisaraka ilay rano raha tsy rehefa avy “naroboky ny mpisorona … tamin’ny sisin-drano ny tongony”? (Josoa 3:13, 15).

Raha hijery ireo tranga manan-danja hafa izay niseho teo amin’ny renirano Jordana, dia jereo ny 2 Mpanjaka 2:6–15; 5:1–14; sy ny Marka 1:9–11. Rehefa misaintsaina ireo soratra masina ireo ianao dia inona no hitanao fa mampifandray ireo trangan-javatra ireo?

Jereo koa ny Gérald Caussé, “Mbola mahagaga anareo ve izany?Liahona, mey 2015, 98–100.

Josoa 6–8

Mitondra ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainako ny fankatoavana.

Ireo toko ireo dia miresaka ireo ady teo amin’ny tanin’i Jeriko sy Ay. Rehefa mamaky azy ireo ianao dia eritrereto ny fomba hiadianao amin’ny fakam-panahy eo amin’ny fiainanao (jereo ohatra ny Josoa 7:10–13). Inona no ianaranao mikasika ny fomba ahafahan’ Andriamanitra manampy anao ary inona no ilainao atao mba hahazoanao ny heriny? Ohatra hoe: Inona no manan-danja aminao mikasika ny toromarika nomen’ny Tompo mba hakana an’i Jeriko? (jereo ny Josoa 6:1–5). Mety hanentana ny fanahinao angamba ilay tantara ao amin’ny Josoa 7 mba hamantaranao raha “misy zavatra efa voaozona” eo amin’ny fiainanao ka mila esorinao (Josoa 7:13).

Josoa 23–24

“Jehovah Andriamanitrareo … no ifikiro.”

Rehefa avy nozaraina tamin’ireo foko roa ambin’ny folo ny tany nampanantenaina (jereo ny Josoa 13–21), dia nizara ny fampianarany farany i Josoa. Eo am-pamakianao ireo fampianarana ao amin’ny Josoa 23–24, dia mety hanao lisitra ireo fampitandremana, torohevitra, ary fitahiana nampanantenaina izay hitanao ianao. Raha dinihina ny zavatra rehetra nolalovan’ny Isiraelita dia nahoana i Josoa, araka ny eritreritrao, no nilaza tamin’izy ireo ireo zavatra ireo rehefa ho faty izy? Inona no hitanao fa manentana anao hifikitra amin’ny Tompo? (Josoa 23:8).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Josoa 1:8Inona no aroson’io andininy io mikasika ny fomba tokony hanaovantsika ny fandalinantsika soratra masina, na ny an’ny isam-batan’olona izany na ny an’ny fianakaviana? Ahoana no handavorarian’ny soratra masina ny lalantsika sy hitondrany fanambinana ho antsika?

Josoa 4:3, 6–9.Rehefa avy mamaky ny zavatra tian’ny Tompo hataon’ny Isiraelita tamin’ireo vato avy amin’ny renirano Jordana ianareo dia afaka miresaka mikasika ny vitsivitsy amin’ireo zavatra lehibe nataon’ny Tompo ho anareo ny fianakavianao. Avy eo dia afaka manome vato iray an’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana ianao ary manasa azy ireo hanoratra na haneho an-tsary eo ambonin’izany ny zavatra izay nataon’ny Tompo ho azy ireo.

Josoa 6:2–5.Mety hahafinaritra ny fianakavianao ny hilalao an-tsehatra ireo torolalana nomen’ny Tompo ny Isiraelita mba handresena an’i Jeriko. Inona no mety ho tian’ny Tompo ianarantsika avy amin’io tantara io?

Josoa 24:15.Rehefa avy mamaky io andininy io ianareo dia azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara zavatra niainana izay nisafidianany hanompo ny Tompo na dia sarotra aza ilay izy. Nahoana no zava-dehibe ny manao safidy hanompo Azy “anio” fa tsy miandry hoe hisy toe-javatra hitranga vao hanapa-kevitra? Ahoana no ahafahantsika manampy ireo olona ao amin’ny “ankohona[ntsika]” rehefa miezaka “manompo ny Tompo” isika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Bien choisir,Cantiques, no. 154.

Manatsara ny fampianarantsika

Zarao matetika ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ny fijoroanao ho vavolombelona amin-kitsim-po mikasika ny fahamarinana dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ny fianakavianao. Tsy ilaina atao tsara rafitra sy lava be izany. Tena mahery vaika ny fijoroana ho vavolombelona iray rehefa atao mivantana sy avy amin’ny fo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 11.)

Sary
Rindrin’i Jeriko mianjera

Nataon’ny Tompo izay hianjeran’ny rindrin’i Jeriko. © Providence Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Hamoaka printy