Testamenta Taloha 2022
23–29 mey. Josoa 1–8; 23–24: “Mahereza sy matanjaha”


“23–29 mey. Josoa 1–8; 23–24: -‘Mahereza sy matanjaha,-’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“23–29 mey. Josoa 1–8; 23–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Mosesy manokana an’i Josoa

Sary maneho an’i Mosesy manokana an’i Josoa, nataon’i Darrell Thomas

23–29 mey

Josoa 1–8; 23–24

“Mahereza sy matanjaha”

Rehefa mamaky ny Josoa 1–8 sy ny 23–24 ianao dia raketo ireo fahatsapana voarainao. Inona no hataonao mba hahafantarana ny zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao ianarana avy amin’ireo toko ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manaova sarin-javatra iray avy ao amin’ireo tantara ao amin’ny Josoa 1–8; 23–24 eny amin’ny solaitrabe, ary jereo raha voavinan’ireo ankizy hoe avy amin’ny tantara inona izany. Ohatra, afaka manao sarina renirano ianao na sarina manda.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Josoa 1:8

Afaka mieritreritra momba ny soratra masina andro aman-alina aho.

Nilaza tamin’i Josoa ny Tompo fa raha misaintsaina ny soratra masina izy sy manaraka ny torohevitra ao anatin’izany dia hahita fahombiazana izy amin’ny fitarihana ny Isiraelita ho any amin’ny tany nampanantenaina. Inona no azonao atao hampianarana ny ankizy ireo fitahiana lehibe avy amin’ny soratra masina?

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo sarina masoandro sy volana ny ankizy tsirairay. Vakio amin’izy ireo ny Josoa 1:8 manao hoe: “Saintsaino andro aman-alina [ny soratra masina].” Hazavao ny fa ny hoe misaintsaina dia midika hoe mieritreritra lalina ny momba ny zavatra anankiray. Averimbereno imbetsaka ilay andian-teny, dia asao ireo ankizy hitazona an’ilay masoandro rehefa miteny ianao hoe “andro” ary ilay volana rehefa miteny ianao hoe “alina.” Avelao ireo ankizy hamerina ilay andian-teny miaraka aminao.

  • Angataho ireo ankizy hilaza ireo zavatra ataony mandritra ny andro ary ireo zavatra ataony amin’ny alina. Lazao azy ireo fa i Josoa dia nolazaina mba hieritreritra ny soratra masina andro aman-alina Ampio izy ireo hieritreritra tantara na fampianarana avy ao amin’ny soratra masina izay azon’izy ireo eritreretina andro aman-alina. Asao izy ireo hanao sary ny tenan’izy ireo na ny fianakaviany mandalina ny soratra masina. Nahoana izy ireo no tia mandalina ny soratra masina? Amin’ny fomba ahoana no maha-voatahy azy ireo rehefa manao izany?

Josoa 3

Tsy maintsy atao batisa aho vao miditra ny fanjakan’ny lanitra.

Ny tantaran’i Josoa mitarika ny Isiraelita mamakivaky ny reniranon’i Jordana nankany amin’ny tany nampanantenaina dia manome fahafahana hampianatra ny ankizy fa tsy maintsy atao batisa isika vao miditra ny fanjakan’ny lanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Diniho ny antsipiriany sasany amin’ilay tantaran’ny zanak’ Isiraely niampita ny reniranon’i Jordana hidirana ny tany nampanantenaina (jereo ny “Josoa mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Avy eo dia mampisehoa sarin’i Jesoa atao batisa dia lazao ireo ankizy fa i Jesoa dia natao batisa tao amin’io renirano io. Asao ireo ankizy hizara zavatra hafa fantatr’izy ireo momba ny batisan’i Jesoa.

  • Mihirà hira iray momba ny batisa miaraka amin’ireo ankizy, toy ny “Batisa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 54). Ampio izy ireo hamantantra ny zavatra ampianarin’io hira io antsika momba ny antony nanaovana batisa an’i Jesoa sy ny antony tokony hanarahantsika ny ohatra nasehony. Avelao ireo ankizy hizara ny fahatsapany momba izany hoe atao batisa. Miresaha momba ny zavatra azon’ny ankizy atao amin’izao fotoana izao hiomanana ny hatao batisa rehefa feno valo taona.

    Sary
    zazavavy mijoro ao anaty dobo fanaovana batisa

    Tsy maintsy atao batisa isika vao miditra ny fanjakan’ny lanitra.

Josoa 24:15

Afaka misafidy ny hanompo an’i Jesoa Kristy aho.

Ny hafatra farany nomen’i Josoa ny vahoakany dia hoe manana ny safidy izy ireo ny hanohy hanompo ny Tompo na hiala Aminy. Am-pitiavana, tahaka ny nitiavan’i Josoa ny vahoakany, dia afaka mamporisika ireo ankizy ampianarinao ianao mba hisafidy ny hanompo ny Tompo “anio.”

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ireo ankizy hiresaka momba ny safidy sasany izay nataon’izy ireo androany. Vakio amin’ny ankizy avy ao amin’ny Josoa 24:15 ny hoe: “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo; … fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” Tamin’ny fomba ahoana no nisafidianan’ireo ankizy hanompo ny Tompo androany? inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika misafidy ny hanompo Azy isan’ andro.

  • Mihirà hira iray momba ny fanaovana safidy tsara, toy ny “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 82). Inona no tsapantsika rehefa misafidy ny hanompo an’i Jesoa Kristy isika? Asao ireo ankizy hanao sarin’ny tenany manao zavatra hanompoana ny Tompo. Mizarà tantara iray avy amin’ny fiainanao na avy amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana momba ny fisafidianana ny hanompo ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Josoa 1–4; 6

“Mahereza sy matanjaha.”

Rehefa lasa mpitarika ny isiraelita i Josoa dia nankahery azy ny Tompo nanao hoe: “Mahereza sy matanjaha” (Josoa 1:6). Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’i Josoa momba ny fomba hahazoana hery sy tanjaka ho an’i Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hitady andian-teny izay miverina ao amin’ny Josoa 1:6, 9, ary 18, dia soraty eny amin’ny solaitrabe izany (jereo koa ny andininy 7). Ampio ireo ankizy hieritreritra antony ilantsika io hafatra io, tahaka an’i Josoa. Avereno jerena miarala amin’ny kilasy ny sasany amin’ireo tantara ao amin’ny Josoa 1–4; 6 (jereo ihany koa ny “Josoa mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha), dia angataho ireo ankizy hamantatra ny fomba nanehoan’ny olona ao amin’ireo andininy ireo tanjaka sy hery.

  • Asao ireo ankizy hiresaka momba ny olona iray izay fantany fa matanjaka sy mahery ho an’i Jesoa Kristy Amporisiho izy ireo hanoratra zavatra tian’izy ireo atao mba hahery sy matanjaka ho an’i Kristy.

Josoa 1:8

Afaka misaintsaina ny soratra masina andro aman-alina aho.

Fomba iray nanampian’ny Tompo an’i Josoa hiomana amin’ireo fanamby natrehany ny famporisihana azy hisaintsaina ny soratra masina “andro aman-alina.” Amin’ny fomba ahoana io torohevitra io no mitahy ireo ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanoratra ny fotoana lanin’izy ireo ao anatin’ny andro iray hanaovana zavatra isan-karazany. Avy eo dia asao izy ireo hamaky ny Josoa 1:8, ary hitady ny zavatra izay ilaintsika rehetra atao isan’andro isan’alina. Angataho izy ireo hitady teny sy andian-teny ao amin’ilay andininy izay mampianatra antsika momba ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana ny soratra masina. Amin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny Soratra Masina no manampy antsika hahita fahombiazana amin’ireo zavatra hafa ataontsika isan’andro.

  • Asao ireo ankizy hiaraka hamaky ireto andin-tsoratra masina manaraka ireto: Josoa 1:8; 1 Nefia 15:23–24; 2 Nefia 31:20; 32:3; Jakôba 4:6; Helamana 3:29–30. Angataho ireo ankizy mba hitady teny na andian-teny iray ao anatin’ny andin-tsoratra masina tsirairay izay mampianatra azy ireo ny herin’ny fandalinana ny Soratra Masina. Inona no tanjona azon’izy ireo apetraka ho an’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina?

Josoa 24:15

Afaka misafidy ny hanompo an’i Jesoa Kristy aho.

Tao anatin’ireo teny farany nataon’i Josoa tamin’ireo Isiraelita dia nisy fiangaviana mba “[hisafidy] … anio izay hotompoinareo.” Saintsaino ny mety hitahian’io torohevitra io koa ireo ankizy ampianarinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hamorona petadrindrina amin’ny fampiasana ny sasany amin’ireo teny sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Josoa 24:15. Avelao izy ireo hizara ny petadrindriny ary hanazava ny antony nisafidianany ireo teny ireo. Ahoana no hanehoantsika amin’ Andriamanitra fa nisafidy ny hanompo Azy isika?

  • Asao ireo ankizy hilaza toe-javatra izay tsy maintsy nisafidianan’izy ireo an’ Andriamanitra ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra. Angataho izy ireo handinika ny zavatra ho ataony. Nahoana no manan-danja ny “misafidy anio” fa tsy miandry ny hipoiran’ilay toe-javatra? Amin’ny fomba ahoana no hitahiana antsika rehefa manao safidy tsara?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hisafidy zavatra noresahinao izay tian’izy ireo zaraina amin’ny fianakaviany. Amporisiho izy ireo hieritreritra fomba iray ahafahan’izy ireo mizara izany amin’ity herinandro hoavy ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba ho tonga mpianatra tsaratsara kokoa. Ny tanjonao amin’ny fampianarana ankizy dia tsy ny hizara fahamarinana amin’izy ireo fotsiny. Tokony hanampy azy ireo hivoatra ho lasa mpikatsaka fahamarinana mizaka tena ihany koa ianao.

Hamoaka printy